Aoka isika hanovo ny herintsika amin’ny fanatanterahana ireo fanambaran’i Jehovah
“Tsy ny mofo ihany no tokony hiveloman’ny olona, fa ny fanambarana rehetra izay mivoaka avy amin’ny vavan’i Jehovah.” — MATIO 4:4, MN.
1. Amin’ny heviny ahoana moa Jehovah no Loharanon’ny sakafo rehetra? Inona anefa no fanambarana nataon’i Jesosy ny amin’izay ilain’ny olombelona?
JEHOVAH no Loharanon’izay rehetra mety ho sakafo. Miseho ho toy izany mihitsy ny tenany raha vao eo amin’ny toko voalohany ao amin’ny Baiboly (Genesisy 1:29, 30). Taty aoriana ela, rehefa nentanim-pankasitrahana Davida mpanao salamo dia hilaza aminy izao teny izao: “Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao, ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany. Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:15, 16). Marina tokoa fa Jehovah dia nanome sakafo be dia be ho an’ny olombelona sy ny biby. Misy fiavahana anefa ny amin’izany. Raha tsy mila afa-tsy sakafo ho an’ny vatana tokoa ny biby, ny olombelona kosa dia mila fatratra zavatra hafa ankoatra ny mofo. Mivelona amin’ny “fanambarana rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’i Jehovah” koa izy. — Matio 4:4, MN.
2. Inona no tokony ho fantatsika momba ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 4:4?
2 Nanambara an’io fahamarinana io i Jesosy tamin’ny valinteny nomeny an’i Satana izay nanandrana nanosika azy hanova vato ho tonga mofo tamin’ny fomba mahagaga. Tsy nihevitra ny Devoly fa nilaina ny hanantitranterana bebe kokoa ny amin’io hevitra io fa nivadika haingana ho amin’ny fakam-panahy hafa iray izy. Rehefa heverina amin’ny fampiharany tamin’ny fomba diso ny Salamo 91:11, 12 tamin’izay, dia mety ho tsy azony koa akory aza ny hevitry ny teny navalin’i Kristy (Matio 4:3-7). Na ahoana na ahoana, isika izay manompo an’i Jehovah, dia mihevitra akaiky tokoa an’io fanamarihana io. Tiantsika ny mandalina ny Baiboly mba handraisan- tsoa ara-panahy faran’izay betsaka avy aminy. Koa manontany tena toy izao isika: Te-hilaza ve Jesosy fa mba hiainana amin’ny fomba feno dia tokony hodinihin’ny olona na hianarany tsianjery mihitsy aza “ny fanambarana rehetra izay mivoaka avy amin’ny vavan’i Jehovah”? Rehefa dinihina, inona no tiany holazaina tamin’izany?
Ireo fanambaran’i Jehovah
3, 4. Inona moa no heviny roa omena ny teny hebreo sy grika adika hoe “fanambarana”? Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra izany.
3 Mba handavana an’i Satana, dia notononin’i Jesosy ny Deoteronomia 8:3, andinin-teny iray ao amin’ny Soratra hebreo, araka ny fandikan-teny grikan’ny Septante. Misy dikany roa anefa ny teny grika nadika hoe “fanambarana” (rhêma). Indraindray izy io dia adika amin’ny hoe “teny” na “fanambarana”. Kanefa, sahala amin’ny mifanitsy aminy amin’ny teny hebreo (dâvâr), ny heviny koa dia hoe “zavatra”.
4 Izao no voasoratra ao amin’ny Lioka 1:37: “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny [rhêma] rehetra ataon’Andriamanitra.” Izao koa no vakintsika ao amin’ny Lioka 2:15: “Dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra [rhêma] vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo [Jehovah, MN ] antsika.” Araka izany, raha ny amin’i Jehovah, ny teny grika mitana ny saintsika dia mety hanondro ny “teny” na ny “fanambarana” ataon’Andriamanitra ary koa ny “zavatra”, ny “zava-miseho” na ny “fanaovan-javatra” mihitsy, izany hoe ny vokatr’izay nambara, ny teny tanteraka.
5. Ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny Lioka 1:37?
5 Amin’izany, ny filazana ao amin’ny Lioka 1:37 dia tsy milaza akory fa afaka milaza na inona na inona Andriamanitra. Rehefa dinihina tokoa, dia mety ho marina koa izany ny amin’ny olombelona, na dia tsy misy heviny mihitsy aza izay mivoaka avy amin’ny vavan’ny olona na tsy azo ampoizina loatra fa ho tanteraka. Fa raha ny amin’ireo fanambaran’Andriamanitra kosa, ny hevitra azo tsoahina avy amin’ny Lioka 1:37 dia izao manaraka izao: Tsy misy mihitsy tenin’i Jehovah tsy ho to. Ny fanambarana nataon’ny anjely tamin’i Maria àry dia tsy maintsy ho tanteraka. Ny hevitra mifamatotra amin’ny teny hebreo sy grika izay manondro ny “teny” na ny “fanambarana” ataon’i Jehovah dia voalaza amin’ny fomba mahafinaritra ao amin’ny bokin’Isaia. Izao no ambaran’ny Mpamorona ao: “Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, — dia ho tahaka izany ny teniko [hebreo: dâvar; grika: rhêma] izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:10, 11.
“Tsy mofo ihany”
6, 7. Voasoratra tao anatin’ny toe-javatra ara-tantara sy ara-jeografia nanao ahoana moa ny teny ao amin’ny Deoteronomia 8:2, 3?
6 Mba hiverenana amin’ilay raharaha mitana ny saintsika, inona àry no noeritreretin’i Jesosy rehefa nanonona ny Deoteronomia 8:3 tamin’izao teny izao izy: “Tsy mofo ihany no tokony hiveloman’ny olona, fa ny fanambarana rehetra izay mivoaka avy amin’ny vavan’i Jehovah.”? (Matio 4:4, MN.) Te-hilaza ve izy fa ny olona tia fivavahana dia tsy mivelona afa-tsy amin’ny teny, ny fahalalana ara-tsaina fotsiny ireo fanambarana avy amin’Andriamanitra? Mba hahafantarana izany, dia aoka isika hiverina any amin’ny toe-javatra ara-tantara niseho tamin’ny nanoratana an’io fehezantenin’i Jesosy nalaina avy ao amin’ny Deoteronomia io.
7 Ao amin’ny pejy faha-35, ilay boky hoe “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile” dia manome antsika izao fanazavana manaraka izao: “Mirakitra hafatra mahery ho an’ny olon’i Jehovah ny bokin’i Deoteronomia. Rehefa avy nirenireny tany an’efitra nandritra ny efapolo taona ny zanak’Isiraely dia tonga teo an-tokonan’ny Tany nampanantenaina izao.” Araka izany, ny fisehoan-javatra dia nitranga tamin’ny 1473 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tany amin’ireo tany lemak’i Moaba. Tao amin’ny lahateny faharoa nataony ho an’ny Isiraelita tafavory, dia izao no nambaran’i Mosesy: “Ary tsarovy ny làlana rehetra izay nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny hianao, na tsia. Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra [ny fanambarana rehetra, MN] aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” — Deoteronomia 8:2, 3.
8. Nanao ahoana moa hatreo ny toeran’ny Isiraelita? Nahoana Jehovah no nandefitra teo anoloan’izany toe-javatra izany?
8 Tsapanao ve izany: Isiraelita an-tapitrisany maro — tanora sy antitra, lehilahy, vehivavy sy ankizy — no nandeha hatramin’ny efapolo taona tany amin’ny “efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano”. (Deoteronomia 8:15.) Nila sakafo sy fisotro izy ireo. Indraindray dia navelan’i Jehovah hahatsiaro hanoanana sy hetaheta izy ireo. Nahoana? Mba hampahafantarana azy ireo fa “tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa (...) ny fanambarana rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah”.
9. Ahoana no nanomezan’ireo fanambaran’i Jehovah fahafahampo tamin’izay nilain’ny Isiraelita?
9 Inona no fifandraisana nisy tamin’izay nilain’ny Isiraelita sy ireo fanambarana avy amin’ny vavan’i Jehovah? Mba hahafantarana izany, dia ampy ny manontany tena toy izao koa: Vavolombelon’ny vokatra azo tsapain-tanan’ny fanambaran’Andriamanitra inona moa ny Isiraelita? Izao no avalin’i Mosesy: “Ny fitafinao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao. (...) [Jehovah] nampivoaka rano ho anao avy tamin’ny vatolampy afovato, — [Izy] nanome anao mana hohanina tany an-efitra.” (Deoteronomia 8:4, 15, 16). Tsy ho nandray mihitsy tamin’ireny soa ireny ny Isiraely raha tsy Jehovah no nandidy izany. Raha fintinina, ny Isiraelita dia nivelona ara-bakiteny tamin’ny “fanambarana rehetra [na ny baiko rehetra] avy amin’ny vavan’i Jehovah”.
Nanovo ny heriny tamin’ireo fanambaran’i Jehovah izy ireo
10, 11. Tamin’ny fomba hafa inona koa moa no nanovozan’ny Isiraelita ny heriny tamin’ireo fanambaran’i Jehovah?
10 Ankoatra ny tsy maintsy nianteherany tamin’i Jehovah tamin’ireo zavatra tena nilaina toy ny sakafo, ny rano sy ny fitafiana, tamin’ny fomba ahoana koa no nanohanana ny Isiraelita tamin’ny fanambarany? Nanome soa azy ireo tamin’ny lafiny ara-panahy koa Jehovah. Araka ny nanazavan’i Mosesy izany tamin’izy ireo taty aoriana, matoa navelan’Andriamanitra handia ny zavatra nihatra taminy tany an’efitra izy ireo, dia mba ‘hampanetry tena azy sy hizaha toetra azy ary hahalala izay ao am-pony, na hitandrina ny didiny izy ireo na tsia’. Rehefa avy eo dia nampiany hoe: “Koa aoka ho fantatrao amin’ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’i Jehovah Andriamanitrao anao (...) hanisy soa anao any am-parany.” — Deoteronomia 8:2, 5, 16.
11 Raha hain’ny Isiraelita tokoa ny nandray soa feno tamin’ny famakivakiany ny efitra, dia ho nianatra ‘nivelona tamin’ny fanambarana rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah’ izy ireny, tsy tamin’ny fanarahana ny didiny an-tsoratra fotsiny, fa tamin’ny fitokisana ny valin’ireo fanambarana nataony koa teo amin’ny fiainany, na tamin’ny ambaratongam-pirenena na tamin’ny isam-batan’olona. Ampy dia ampy ny fotoana ‘nanandramany ka nahitany fa tsara Jehovah’. (Salamo 34:8.) Tokony ho nitana azy ireo ho velona tamin’ny lafiny ara-panahy izany fahatsapan-javatra nampitombo fahalalana ny amin’ny teny notononina sy notanterahin’i Jehovah izany.
12, 13. Ahoana no nifankazaran’i Josoa tamin’ireo fanambaran’i Jehovah? Inona no azony nohamarinina nanaraka izany?
12 Josoa izay nandimby an’i Mosesy tamin’ny fitarihana ny Isiraely, dia nifankazatra tamin’ny fanambaran’i Jehovah aloha tamin’ny famenoana ny sainy tamin’izany. Nampiorina mafy ny finoany koa anefa izy tamin’ny fandinihana ny fahatanterahany. Araka izany, taorian’ny nahafatesan’i Mosesy, dia hoy Jehovah tamin’i Josoa: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” — Josoa 1:8.
13 Teo amin’ny faramparan’ny andro niainany, rehefa avy nanaraka tamim-pahatokiana ny tenin’i Jehovah sy nahatsapa ny fahatanterahany teo amin’ny fireneny i Josoa dia afaka nanaporofo izao manaraka izao: “Dia nomen’i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo. Dia nomen’i Jehovah fitsaharana amin’ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin’ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra. Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa [Hebreo: dâvâr; grika: rhêma] rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.” (Josoa 21:43-45). Tsy azo lavina fa Josoa dia nivelona, tsy tamin’ny mofo ihany, “fa tamin’ny fanambarana rehetra izay mivoaka avy amin’ny vavan’i Jehovah”. — Matio 4:4, MN.
Ny fomba hivelomana amin’ireo fanambaran’Andriamanitra fmin’izao androntsika izao
14. a) Ahoana no anampian’ny fandalinana ny Matio 4:5 antsika hahatakatra izay tian’i Jesosy holazaina? b) Inona no afaka nanatanjaka ny Isiraelita velom-pankasitrahana?
14 Rehefa nohalalinintsika kely izao ireo teny notononin’i Jesosy tao amin’ny famaliany ny fakam-panahy avy amin’i Satana, dia mora amintsika kokoa ny mahatakatra izay tian’ny tenany holazaina. Araka ny porofoin’ny toe-javatra ara-tantara sy ara-jeografia niseho tamin’ny nanaovana ny fehezantenin’i Mosesy notononiny, ireo olona tia fivavahana dia tsy mivelona amin’ny fanambaran’i Jehovah amin’ny fianinana amin’ny fianarana teny ataotao fotsiny. Ho an’ny Isiraelita, ny ‘fanambarana avy amin’ny vavan’i Jehovah’ dia nifamatotra tamin’ny mana, ny rano sy ny fahamafisan’ny fitafian’izy ireo. Raha lazaina amin’ny teny hafa, izany dia nahafaoka ny fahatanterahany mihitsy, dia ireo zava-mahatalanjona notanterahin’i Jehovah ho an’ny olony. Tamin’ny fandraisan-tsoa avy amin’ireny zavatra ireny, noho ny fahatanterahan’ireo fanambaran’Andriamanitra, no nanatanjahana ny Isiraelita velom-pankasitrahana.
15. Amin’ny heviny ahoana moa no mamelona antsika ireo fanambaran’i Jehovah?
15 Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo mpanompon’i Jehovah dia tsy mivelona amin’ny famakiana sy ny fianarana ireo fanambarany fotsiny, na dia tsy azo lavina aza fa tena lehibe izany asa izany. Ny mahatonga azy ho velona, dia ny fahatsapany, mitambatra sy isam-batan’olona, ny fomba mahagaga itondran’i Jehovah azy ireo sy anaovany zavatra ho azy. Arakaraka ny hahatsapantsika izay ataon’i Jehovah ho antsika no hanohanan’ireo fanambarany tanteraka antsika, hanatanjahany ny finoantsika sy hanatsarany ny fiainantsika ara-panahy.
16. Inona no noheverin’ilay mpanao salamo? b) Ahoana no azontsika anahafana azy? Soa inona avy no horaisintsika avy amin’izany?
16 Izao no nosoratan’ny mpanao salamo iray: “Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:11, 12). Raha mihevitra ny asan’i Jehovah sy ny fomba ampiasainy amin’ny olony koa isika, amin’ny fahatakarana fa vokatry ny fanambarany azo tsapain-tanana izany, ireny fisehoan’ny fitondran’Andriamanitra ireny dia hanjary ho tena mofo ara-panahy ho antsika. Hahatonga hihamafy kokoa ny fifandraisana tanantsika amin’i Jehovah izany. Hotahafintsika Jesosy izay tsy nety nanova vato ho tonga mofo noho ny fitaoman’ny Devoly. Hitandrina isika mba tsy hamela mihitsy ireo fananana eo amin’izao tontolo izao na ny fanahiana tafahoatra ny amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana, hahalavo antsika ao anatin’ny fandriky ny Devoly amin’ny fampialana antsika amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.
17. Amin’ny ahoana moa Jesosy no ohatra miavaka ho antsika?
17 Indray mandeha koa Jesosy dia nanambara hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Ohatra miavaka ho antsika i Jesosy. Izy no nampiseho tamintsika, teo amin’ny fampiharana, ny fomba azon’ny olona ‘ivelomana, tsy amin’ny mofo ihany, fa amin’ny fanambarana rehetra izay mivoaka amin’ny vavan’i Jehovah’. — Matio 4:4, MN.
Aoka isika hitoetra hatrany ao amin’ny fiandrasana ireo fanambaran’Andriamanitra
18. Inona moa no fanambaran’i Jehovah eo am-pahatanterahana amin’izao androntsika izao?
18 Tamin’ny alalan’ny Zanany, Jehovah dia nanambara fa ‘hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity’ alohan’ny hahatongavan’ny farany (Matio 24:14, MN ). Noho ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, dia eo am-pahatanterahana io faminaniana avy amin’Andriamanitra io. Raha ny aminao, mivelona amin’io fanambarana avy amin’ny vavan’i Jehovah io ve ianao amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io araka izay rehetra azonao atao? Mahita hery ara-panahy hanaovana ny sitrapony toy izany ve ianao?
19, 20. Fanambaran’Andriamanitra hafa inona no hanapoaka tsy ho ela, fisehoan-javatra hahaliana aoka izany?
19 Hiteraka fisehoan-javatra hahagaga tsy ho ela ny fanambaran’i Jehovah hafa. Araka izany, ireo “tandroka folo” sy ny “bibi-dia” dia hiodina hanohitra “ny vehivavy janga”, dia Babylona Lehibe. Marina tokoa fa ny fandravana hahagaga ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso amin’ny alalan’ireo mpitondra tsy tia fivavahana ao amin’ny Firenena mikambana dia ho avy amin’ny fampiharana ny fanambaran’Andriamanitra koa. — Apokalypsy 17:16, 17.
20 Ny fanambarana miavaka hafa iray koa avy amin’i Jehovah dia ho tanteraka rehefa hanisy “masom-by” amin’ny valanoranon’i Goga, raha lazaina amin’ny teny hafa dia Satana, Jehovah, amin’ny fihaikana azy, dia izy sy ny ‘miaramilany’, hamely ireo mpanompony eto an-tany (Ezekiela 38:2-4, 8-12). Mbola fanambaran’Andriamanitra ihany koa no hitarika ny fandravana ireo tafik’i Goga (Ezekiela 39:1-6)a. Hapoakany “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” hatao amin’ny Hara-Magedona (Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21). Fihetseham-po toy inona moa no tsy ho tsapan’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah amin’ny fanatrehana ny fahatanterahan’ireo tenin’Andriamanitra ireo sy amin’ny fandrenesana, amin’ny heviny ara-panoharana, ity fanambaran’Andriamanitra hafa ity, hanakoako ao anatin’ny ady indrindra: “Mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo.” — II Tantara 20:17.
21. Hiseho amin’ny fomba ahoana amin’ny farany ny fahatanterahan’ny fanambaran’i Jehovah?
21 Aorian’izany, mba hanatanterahana fanambaran’Andriamanitra hafa iray, dia hamatotra an’i Satana sy ireo demoniany Kristy, avy eo dia hanjera azy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny “arivo taona”. (Apokalypsy 20:1-3.) Ireo arivo taona ireo dia hahita ny fahatanterahan’ny fanambaran’i Jehovah hafa, indrindra fa ny fananganana ny maty sy ny “fanasitranana ny firenena maro”, dia ireo olona mankatò (Apokalypsy 20:11-15; 22:1, 2). Ao anatin’io arivo taona fitsarana io, Jehovah dia azo inoana fa hanome ho an’ny olona, arakaraka ny hanokafana “boky” vaovao, toromarika fanampiny mbola tsy fantatsika (Apokalypsy 20:12). Ho toy inona moa ny fifaliana ho an’ireo ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” sy ho an’ireo maty tafatsangana, hahita torohevitra sy baiko voasoratra ao amin’izany “boky” izany, izay voaisy tombo-kase izao, ka ho afaka hampihatra izany!
22. Inona no tokony hataontsika dieny izao?
22 Rehefa heverina amin’ireo fahatsinjovan-javatra mahafinaritra mivoha eo anoloantsika, dia aoka isika hanararaotra amin’ny fomba feno ny fahafahana atolotra antsika mba hifankazatra amin’ireo fanambaran’i Jehovah, handalina manokana ny Teniny sy handray anjara amin’ny asa fitoriana amin’ny fahatsapana foana ny nataony ho antsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-19 sy 20 amin’ilay boky hoe “Les nations sauront que je suis Jéhovah” — Commentỳ natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no nianaran’ny Isiraelita nivelona tamin’ny “fanambarana rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah”?
◻ Teo amin’ny lafiny ara-panahy, ahoana no nahafahan’ny Isiraelita nivelona tamin’ireo fanambaran’Andriamanitra?
◻ Amin’izao androntsika izao, ahoana no azo ivelomana amin’ireo fanambaran’i Jehovah?
[Sary, pejy 14]
Mifono heviny hoe ahoana eo imasonao ny valinteny nomen’i Jesosy an’i Satana?
[Sary, pejy 16]
Tamin’ny fivelomana ‘tamin’ny fanambarana rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah’, dia nandray soa azo notsapain-tanana ny Isiraelita.