Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nahoana moa Jesosy no nilaza fa ireo proselytan’ny Fariseo dia ‘zanaky ny helo mihoatra indroa noho’ ny tenan’ireo Fariseo?
Azo atao ny mihevitra fa ireo Jentilisa izay niova nanaraka ny fampianaran’ny Fariseo, antokom-pivavahana avy amin’ny jodaisma, dia tena azo tsinina. Ny sasany tamin’izy ireo, angamba tsy nankasitrahan’Andriamanitra teo aloha, dia vao mainka toy izany indroa heny rehefa niova nanaraka ny fampianaran’ny Fariseo; nankany amin’ny fandringanana ao amin’ny Gehena izy ireny.
Ny lohasahan’i Hinoma dia tao atsimo-atsimo-andrefan’ny mandan’i Jerosalema no nisy azy. Tamin’ny fotoana samihafa, dia nitranga tao ny fombafomba fanaon’ny mpanompo sampy sy ny sorona olombelona (2 Tantara 28:1-3; 33:1-6; Jeremia 32:35). Noho izany dia tonga toerana fanariam-pako sy ny fatin’olo-meloka izay noheverina fa tsy mendrika ny halevina sy hahazo anjara amin’ny fitsanganan’ny maty indray andro any io toerana io. — Jereo Matio 5:22.
Araka ny Diksioneran’ny Baiboly Vaovao (J. Douglas, 1962, anglisy), ny ‘lohasahan’i Hinoma dia nisy tao ivelan’i Jerosalema, tao amin’ny toerana nanaovana sorona zaza tamin’ny afo ho an’i Moloka. Nanjary ohatra ara-paminaniana ilazana fitsarana io lohasaha io ary, taty aoriana, dia ilazana sazy farany’. Ny jesoita iray, John McKenzie, dia nanampy toy izao tao amin’ny Diksioneran’ny Baiboly (1965, anglisy): “Ny [alitarany natokana ho amin’ireo sorona olombelona] dia nahatonga ho amin’io lohasaha io, ny fanozonan’i Jeremia izay nanambara mialoha fa ho tonga toeran’ny fahafatesana sy ny fahalovana izy io (7:32; 19:6, sy ny manaraka). Ao amin’ny Is(aia) 66:24, dia asiana fitenenana izy io, na dia tsy manonona ny anarany aza, ho toy ny toerana hisian’ny fatin’ny olona niodina tamin’i Iaveh. (...) Amin’ireo soratra nataon’ireo raby anefa, dia tsy azo antoka fa ny afo maharitra mandrakizay dia midika ho sazy mandrakizay. (...) [Ny Gehena] dia toerana handringanana ny tena sy ny fanahin’ireo mpikomy, ka mampahatsiahy hevitra ny amin’ny fandevonana angamba (Mat. 10:28).”
Rehefa mamaky ireo fitantarana voarakitra ao amin’ny Matio 15:1-8 sy ao amin’ny Jaona 8:12-19, 31-41; 9:13-34; 11:45-53, isika dia mora amintsika ny hahatakatra ny antony nilazan’i Jesosy fa ny Fariseo dia mendrika ny fandevonana, izay asehon’ny Gehena. Marina fa ny sasany dia mety hibebaka ary hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, nefa amin’ny maha-kilasy dia mendrika ny fandringanana mandrakizay izy ireo. Nilaza toy izao Kristy: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.” — Matio 23:15.
Izay no azo lazaina ny amin’ny Fariseo jiosy. Fa nahoana ireo olona tonga proselyta no ‘zanaky ny helo mihoatra indroa noho’ ireo Fariseo? Aoka hotadidintsika fa ireo Jentilisa ireo dia tsy nianina tamin’ny fandraisana ireo hevitry ny Jiosy, na niova nanaraka ny fivavahany sy noforana (Lioka 7:2-10; Marka 7:24-30; Asan’ny apostoly 8:26-34; 10:1, 2). Tsia, tsy niresaka ny amin’ireo proselitan’ny jodaisma i Jesosy, fa ireo proselytan’ny fivavahan’ny Fariseo mpihatsaravelatsihy. Iza loatra àry ireo proselytan’ny Fariseo ireo?
Ny sasany tamin’izy ireo angamba dia mpanota be teo aloha na mpivavaka tamin’ny demonia nafana fo, ary dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra tamin’ny fomba hentitra izy ireny. Angamba ny sasany zanaky ny helo satria nanota tamin’ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny fomba iray na fomba hafa (Matio 12:32). Kanefa na dia tsy tonga tamin’izany tarehin-javatra mampalahelo izany aza ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jehovah, dia vao mainka niharatsy izany rehefa nanaraka ireo lalana mihoa-pampan’ny fivavahan’ny Fariseo. Ireny proselyta ireny dia niroboka tao amin’ny fombafomba ara-pivavahana nihatsaravelatsihy ary nandray fomba fijery tafahoatra izay nandresy ny hatsaram-po sy ny fahamarinana ara-pitondrantena nety ho azon’ireo vao niova nanaraka ny jodaisma. Azo atao àry ny mihevitra fa ireo proselytan’ny Fariseo ireo dia tonga ratsy kokoa noho ireo nampianatra azy. Noho izany, raha ‘zanaky ny helo’ ireo Fariseo, ireny proselyta ireny dia toy izany bebe kokoa na, araka ny nilazan’i Jesosy azy, mihoatra indroa.
[Sarintany/Sary, pejy 31]
(Jereo ny gazety)
SARITANIN’I JEROSALEMA TAMIN’NY TAONJATO I
TOERANA NISY NY TEMPOLY
LOHASAHAN’I HINOMA
(GEHENA)
[Sary]
Tapany amin’ny lohasahan’i Hinoma ankehitriny
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.