Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Mpianatra kristiana noderaina
IANAREO mbola mianatra, mahatsiaro ho sakodiavatra ve ianareo ny hiresaka ny amin’ny finoanareo? Ireto fitantarana manaraka ireto dia mampiseho aminareo, Vavolombelona tanora izay tsy natahotra ny hiaro ny finoany kristiana, ka izany dia nahatonga azy ireo hoderaina.
◻ Tao amin’ny sekoly iray any Aostralia, ny mpampianatra iray dia nangataka tamin’ireo mpianany mba hanao lahatsoratra momba ny Noely, fa hoy kosa izy tamin’ilay Vavolombelona: “Fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah ianao ary tsy afaka manao io lahatsoratra momba ny Noely io. Hanao zavatra hafa ianao, momba ny ‘tantaran’ny Noely’.” Mba hanaovana izany, ilay zazavavy kristiana iraika ambin’ny folo taona dia nampiasa ireo fanazavana hitany tao amin’ny bokin’ny Fikambanana sy tao amin’ny boky fakàn-kevitra hafa. Gaga aoka izany ny iray kilasy rehefa nanantitrantitra ilay mpampianatra fa tsara dia tsara sy marina ara-tantara izany fanazavana izany. “Ny nataonao no tsara indrindra tamin’ny an’ny iray kilasy”, hoy ny nanampiny. Tatỳ aoriana, ilay zazavavy kristiana dia nametraka, tamin’ny fitambarany, bokikely Ny sekoly iray, boky Jeunesse iray ary boky Hiaina mandrakizay roa tamin’ny mpampianatra azy sy ireo mpiara-mianatra taminy.
◻ Tao amin’ny sekoly aostraliana hafa iray koa, nandritra ny telo herinandro nisesy talohan’ny fotoam-pialan-tsasatra, ny vehivavy mpampianatra mpanampy iray dia nitana isaky ny tolakandro, mpianatra Vavolombelona valo izay tsy nandray anjara tamin’ireo asa mifamatotra amin’ny Noely. Tatỳ aoriana io vehivavy io dia tokony hanazava tamin’ny renin’ny sasany tamin’izy ireny hoe: “Voafetra ho amin’ny zavatra kely dia kely ny anjara asako. Vitsy dia vitsy tamin’ireo mpiara-miasa amiko no tonga nanontany ahy hoe nanao ahoana ny fitrangan-javatra. Hoy ny navaliko azy ireo hoe: ‘Tsy mampaninona izay fiheveranareo ny fivavahan’izy ireo sy ny tsy fandraisany anjara amin’ny asa sasany, io no antokon’ankizy tsara indrindra tamin’izay rehetra efa niara-niasa tamiko.’ ” Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanontany toy izao tamin’ny Vavolombelona izay nandodòna tao am-baravarany izy: “Raha ny marina, notantarainareo ve izay nolazaiko tany an-tsekoly momba ny ankizy? Tiako ho fantatry ny olona rehetra izany.”
◻ Tany Etazonia, ny mpianatra iray 17 taona dia nianatra momba ny lalàna. Nisy fifanakalozan-kevitra lehibe tokoa nataon’ny iray kilasy nanodidina ireo zo mifamatotra amin’ny fahalalahana eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fampisarahana ny Fiangonana amin’ny Fanjakana. Ny anankiroa tamin’ireo ady ara-pitsarana nofakafakaina dia nahakasika Vavolombelon’i Jehovah sy ny raharaha momba ny ra. Hitan’ilay zazavavy kristiana ho misy fiangarana sy tsy ara-drariny ny fitantarana ny zava-nitranga, teo anoloan’ireo fahamarinana araka ny Baiboly momba ny ra, ka nolazainy tamin’ny mpampianatra azy izany. Tamin’izay io dia nanasa azy hilaza hevitra. Talohan’ny famelabelarana nataony, dia nihevitra ireo mpianatra fa nanao ny fanapahan-kevitra nety ny fitsarana rehefa nanery ireo Vavolombelona handray ra tsy araka ny sitrapony. Nefa rehefa avy nandre ny fanaporofoan-kevitr’ilay zazavavy nifototra tamin’ny Baiboly ny iray kilasy dia niray hevitra nanohitra ny didim-pitsaran’ny tribonaly. Toy inona moa ny fifalian’io zazavavy kristiana io satria maro tamin’ireo namany no tonga nanontany taminy fanazavana misimisy kokoa momba ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Takany tsara lavitra izao, araka ny filazany, fa faritaniny manokana ny sekoly.
Eny, ianareo izay mbola mianatra, manana faritany tsy manam-paharoa ianareo. Raha mbola manana fahafahana hanao izany ianareo, dia manohiza amin-katsaram-po manampy ireo namanareo hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra mahatalanjona, dia hidera anareo noho izany, tsy ny hafa ihany, fa ny tenan’i Jehovah koa. — Joba 40:14.