Aoka isika hanohy hitory ilay Fanjakana
“Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” — MATIO 24:14, MN.
1, 2. a) Inona moa no asa lehibe indrindra amin’izao taonjato izao, ary manao ahoana ny fitarany amin’izao androntsika izao? b) Inona no manaporofo fa mitahy an’io asa io Jehovah?
NY FITORIANA ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no asa lehibe indrindra amin’izao taonjato izao. Tian’ilay Andriamanitra Tsitoha ny hanaovana izany amin’izao androntsika izao, ary izay atao amin’izao andro izao dia fahatanterahan’ny Teniny ara-paminaniana. Hisy heriny mandrakizay eo amin’ny ho avinao ny fomba fandraisanao an’io asa io. — 1 Korintiana 9:16, 23.
2 Mahagaga ny mahatsapa fa tsy mitsahatra ny mitombo ny isan’ny olona mandray anjara amin’io asa fitoriana io: telo tapitrisa mahery izy ireny ankehitriny. Mitombo ny mpitory manao ny fanompoana manontolo andro, ary mihamaro ny isan’ny olona manaiky hianatra ny Baiboly ka manao fiezahana mba hianatra hiaina araka ny sitrapon’Andriamanitra.
3. Inona no mety holazain’ny sasany momba ny ilàna hanohy hitory ny vaovao tsara?
3 Indraindray anefa ny sasany dia “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” ary ‘sasatra’ ny manao fitoriana (Galatiana 6:9; Hebreo 12:3). Milaza anakampo angamba izy ireny fa notorina be dia be ny vaovao tsara tao amin’ny faritaniny, fa efa nanapa-kevitra ny olona ary sosotra izy ireny izao rehefa tsidihina. Ao amin’ny faritanin’izy ireo, dia kely na tsy misy mihitsy aza ny vokatra. Amin’izany, dia mihevitra angamba izy ireny fa rehefa dinihina dia efa vita ny asa, ary tsy misy antony intsony tokony hanohizana hitory. Inona anefa no tsy mety amin’izany fiheverana izany?
Nahoana no tokony haharitra?
4. Inona no tokony hanosika antsika hanohy hitory na dia any amin’ireo faritany tsy andraisan’ny olona tsara ny hafatra entintsika aza?
4 Voalohany indrindra, ny fahatokiantsika eo amin’ny fitoriana dia tsy tokony hiankina amin’ny fomba fandraisan’ny olona ny hafatra. Na dia vitsy dia vitsy aza ny Jiosy nihaino azy ary be dia be no nanohitra azy mafy, dia nitory tany Jerosalema nandritra ny 40 taona i Jeremia. Nahoana izy no naharitra tao amin’io asa io? Satria Jehovah no nibaiko azy mba hanatanteraka izany. Afa-tsy izany koa, ny fahalalana ara-paminaniana nananany ny amin’izay tokony hitranga tany Jerosalema dia nanery azy hanohy hiresaka (Jeremia 1:17-19). Hoy izy: “Izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:7-10). Ao anatin’ny tarehin-javatra sahalahala amin’izany isika. Jehovah, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, no nandidy ny hitoriana ny “vaovao tsara” amin’ny tany onenana manontolo (Matio 24:14, MN ). Rehefa tsy mety mihaino antsika ny olona, dia omeny antsika ny fahafahana hampiseho ny halalin’ny fitiavantsika sy ny fifikirantsika amin’i Jehovah raha manohy manao izay marina isika (1 Jaona 5:3). Ambonin’izany, raha misaintsaina izay hanjo ny olombelona tsy ho ela isika, dia tsy afaka ny tsy hanao ny fiezahana rehetra mba hampiomanana ny mpiara-belona amintsika. — 2 Timoty 4:2.
5. a) Noho ny antony hafa inona koa no tokony haharetantsika eo amin’ny asa fitoriana? b) Ahoana no hamelan’ny fitoriana hitsara ny olombelona?
5 Afa-tsy izany koa, ny fitorian’i Jeremia dia tena asa fitsarana. Tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy nisy na dia iray monja aza tamin’ireo izay maty na nentina ho any amin’ny fanandevozana tamin’ny fianjeran’i Jerosalema ho afaka nilaza fa tsy fantany ny antony nampiharana taminy izany zavatra nanjo azy izany. Nandritra ireo efapolo taona talohan’izay tokoa, dia nampiomana ny Jiosy i Jeremia fa hitranga izany zavatra izany raha manohy miseho ho mikomy amin’i Jehovah izy ireo (jereo Ezekiela 2:5). Toy izany koa amin’izao androntsika izao, ny fitoriana ny vaovao tsara “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” dia hahatonga ho afaka hitsara ny olombelona. Mazava ny tenin’ny apostoly Paoly ny amin’io hevitra io rehefa nanambara izy fa Kristy Jesosy dia hitondra famaliana amin’izay “tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. (2 Tesaloniana 1:8, 9.) Hotsaraina arakaraka ny ho fandraisany ny vaovao tsara ny olona. Noho izany antony izany, io hafatra tena lehibe io dia tokony hambara hatrany amin’ny feo avo sy mazava hatramin’ny farany (Apokalypsy 14:6, 7). Tsy misy na inona na inona tokony hisakana antsika tsy hampiseho izany amin’ny olona matetika araka izay azo atao. Izany no andraikitra mavesatra nanendrena ny mpanompon’i Jehovah rehetra.
6. Na dia fantatry ny maro aza ny hafatra entintsika, nahoana isika no tokony hanohy hitory?
6 Marina fa mety ho efa nitory ny vaovao tsara ihany isika tao amin’ny faritanintsika. Be dia be anefa ny zavatra mitranga eo amin’izao tontolo izao ka na dia nandre ny hafatra nentintsika aza ny olona maro dia hanadino izany haingana dia haingana raha mitsahatra tsy mitory isika. Eritrereto ireo fikomiana, ireo asa fampihorohoroana, ireo fitokonana, ireo fanafintohinana sy ireo fisehoan-javatra hafa resahina be dia be, tsy hadinoina ny fampisehoana sy ny fialam-boly atolotra ny vahoaka. Tokony hanohy hitory isika, mba tsy hanadinoan’ny olona ny hafatra entintsika na dia ao aza ireny zavatra mitana ny saina sy mahavariana rehetra ireny.
7. Amin’ny ahoana moa ny fomba fandraisan’ny olona maro be ny hafatra amin’izao andro izao no sahala amin’ny fomba nandraisan’ny Isiraelita ny faminanian’Isaia, kanefa nahoana izany no tsy tokony hahasakana antsika tsy hitory?
7 Na dia olona maro be aza no tsy mihevitra antsika, dia tokony hotadidiantsika ny amin’ny vahoaka tsy maintsy nitorian’Isaia. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay mpaminaniny: “Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’i Jehovah, — izay manao amin’ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka, mialà amin’ny làlana, mivilia amin’ny aleha; atsaharo ny Iray Masin’ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.” Niseho ho tsy nivadika anefa Isaia ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: “Fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; sambatra izay rehetra miandry Azy.” (Isaia 30:9-11, 18). Izany no tokony hataon’ny tenantsika. Raha mbola maharitra koa isika, dia hiditra ihany ao amin’ireo saina ny hafatra entintsika. Ny sasany hihevitra izany, ny hafa tsia; na ahoana na ahoana, dia hanana fahafahana handre izany ny rehetra.
“Hataony ahoana no fandre?”
8. Na dia toa efa nanao fanapahan-kevitra aza ny olona ka tsy maniry hanaiky ny fahamarinana, inona no mety hampiova hevitra azy ireny?
8 Hitantsika angamba fa any amin’ny faritany toy izao na izao dia nanapa-kevitra ny olona ary vonona ny tsy hanaiky ny hafatra entintsika, na hanohitra izany mihitsy aza. Aoka hotadidiantsika anefa fa ny fiainan’ny olona dia lalovan’ny fiovana tsy misy farany. Rahampitso, amin’ny herinandro ambony, amin’ny volana manaraka, dia mety ho voatery misetra fahasahiranana vaovao, tarehin-javatra vaovao, izay hahatonga azy ireny ho mora handray ny fahamarinana izy ireny. Angamba ho tsapan’izy ireny ny fikorontanana mampisamboaravoara an’izao tontolo izao; na mety ho voan’ny fahasahiranana ara-bola, ny aretina na ny fahafatesan’ny havana iray izy ireny. Mety hanapoaka zavatra eo aminy ireny fisehoan-javatra ireny ka haniry hahafantatra ny mahatonga ny fahoriany izy. Raha manohy mitory isika, dia ho fantatr’izy ireny ny hoe aiza no tokony hitodihana.
9. Amin’ny ahoana moa ny asa fitoriantsika no azo ampitahaina amin’ny raharaha famonjena ain’olona rehefa misy loza aman’antambo?
9 Ny toerantsika dia azo ampitahaina amin’ny an’ny mpamonjy ain’olona antsoina ho any amin’ny faritra tra-boina iray, rehefa misy horohorontany, ohatra. Raha miasa ao amin’ny faritra iray tsy ahitana sisa velona firy ny sasany, dia tsy ho ketraka izy ireo ary tsy hamela ny fikarohana, satria fotsiny hoe mahita fahombiazana kokoa ireo namany any amin’ny faritra hafa iray. Tokony haharitra kosa ny rehetra ary hiseho ho tsy mety sasatra, na dia heveriny aza fa tsy tokony hisy sisa velona intsony ao amin’ilay faritra nanendrena azy ireo; ary amin’izany fomba izany indraindray no ahitana olona hafa. Tsy atao ny fanapahan-kevitra hampiato ny fikarohana raha tsy rehefa toa tsy misy fanantenana intsony. Raha ny amin’izay mahakasika antsika, dia tsy mbola tapaka foana fa hoe hatsahatra ny fikarohana, ary mbola mahita olona an’arivony maro maniry handositra an’izao tontolo izao sy ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” isika. (Apokalypsy 7:9, 14.) Na dia any amin’ireo faritra nitoriana be dia be ny hafatra aza ka tsy andraisan’ny ankamaroan’olona tsara izany, dia misy vokatra sasany azo foana. Afa-tsy izany koa, dia misy antony hafa tokony hanohizantsika mitory.
10. Araka ny Romana 10:13, 14, inona moa no hany zavatra tokony hatao mba hahafantaran’ny olona mitady ny fahamarinana hoe any amin’iza no tokony hitodihana?
10 Ilaina ny hampahatsiarovana hatrany ny olona fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena”. Kanefa, araka ny nasain’i Paoly nomarihina rehefa nanohy ny taratasiny ho an’ny Romana izy, “hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Romana 10:13, 14). Rehefa mandre ireo teny ireo ny tsirairay avy amintsika dia tokony hiaiky fa ilaina ny hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amim-paharetana.
11. Inona no andraikitra ananantsika amin’ny taranaka vaovao mihalehibe?
11 Raha mbola mandroso ao anatin’ny andro farany isika, dia misy taranaka vaovao mihalehibe ka manomboka mandray andraikitra. Matetika ireny tanora ireny hatramin’izao no tsy niraharaha mihitsy ny fahamarinana; angamba satria tsy nety nihaino ny hafatra ny ray aman-dreniny na nanaratsy izany mihitsy aza. Efa ampy fahalehibeazana anefa izy ireny izao mba hieritreretana tsara ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao, ny ho avy sy ny zava-kendrena eo amin’ny fiainana. Tokony hiantso ny anaran’i Jehovah koa izy ireny mba hovonjena, kanefa “hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny?” (Romana 10:14). Tsy mahalana ireny zatovo sy tanora ireny no mandray tsara ny teny fahamarinana; tokony hiezaka ny hampita izany aminy àry isika.
12. Nahoana moa ny famindrampon’i Jehovah no miharihary amin’ny famelany hitohizan’ny fitoriantsika?
12 Miharihary ny famindrampon’i Jehovah amin’ny amelany hitohizan’ny fitoriana. Izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Ny Tompo [Jehovah, MN ] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena.” (2 Petera 3:9, 15). Irin’i Jehovah ny hahavonjy ny karazan’olona rehetra ary mampiseho izany izy, tsy amin’ny fanehoana faharetana ihany sy amin’ny fiandrasana alohan’ny hampiharana ny didim-pitsarany, fa amin’ny fananarana hatrany koa ny olombelona mba hitodika any aminy hahazoana famonjena (1 Timoty 2:4). Amin’ny fanohizana mitory ny vaovao tsara, dia mampiharihary ny famindrampon’Andriamanitra isika ka midera azy amin’izany.
Aoka isika tsy hivesatra trosan-dra
13, 14. a) Nahoana moa ny fitoriantsika no azo ampitahaina amin’ny asan’ny mpitily resahin’ny faminanian’i Ezekiela? b) Nahoana moa i Paoly no afaka nilaza fa ‘afaka tamin’ny ran’ny olona rehetra’ izy, ary nahoana no ny Vavolombelon’i Jehovah ihany amin’izao andro izao no afaka mandray ireo teny ireo ho azy?
13 Ny andraikitry ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tsy maintsy mampiomana ny olona ny amin’ny fahantomoran’ny fitsaran’Andriamanitra, dia azo ampitahaina amin’izay nankinina tamin’i Ezekiela. Rehefa notendrena ho mpitily teo amin’ny firenen’ny Isiraely izy, dia tokony hananatra ny Isiraelita hiala amin’ny lalan-dratsiny, raha tsy izany dia hampihatra ny fanamelohany eo amin’izy ireo Andriamanitra. Raha tsy mampanakoako izany fampitandremana izany izy dia hamely ny ratsy fanahy ihany ny fanamelohana, nefa ho eo an-dohan’ireo mpitily manao tsirambina ny rany. Nasehon’i Jehovah tamin’izany ny fomba fiheverany ny fanamelohana ampihariny amin’ny ratsy fanahy: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” — Ezekiela 33:1-11.
14 Nanaiky ny andraikiny ho mpitory ny apostoly Paoly rehefa nilaza toy izao tamin’ireo loholona tany Efesosy: “Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho.” Nahoana no afaka niteny toy izany izy? Nanohy ny teniny izy hoe: “Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 20:26, 27). Toy izany amin’izao andro izao ny kilasin’ny mpitily, dia ny sisa amin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy masina. Miaraka amin’ireo olona telo tapitrisa mahery manana fanantenana ny ho tafita velona amin’ny fandravana ny fandehan-javatra ankehitriny sy hiaina eto an-tany, izy ireny dia tsy maintsy mitory tsy ankijanona ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy milaza amin’ny olombelona fa akaiky ny fitsaran’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany dia tsy mivesatra trosan-dra mihitsy izy ireo.
15. Araka ny Ezekiela toko faha-9, iza moa no nasiana marika, ary iza no nanisy marika?
15 Ny asa fitoriana tanterahina amin’izao andro izao dia voalazalaza ara-paminaniana ao amin’ny Ezekiela toko faha-9. Tapa-kevitra Jehovah ny hanasazy ny tanànan’i Jerosalema, nefa talohan’ny hampiharana ny fanamelohany, dia nomeny baiko ny lehilahy iray nitafy rongony, nitondra fanoratana teny am-balahany, mba handeha tao an-tanàna ka hanisy marika teo amin’ny handrin’izay rehetra nisento noho ny zavatra maharikoriko natao tao. Rehefa vita izany asa fanasiana marika izany, ny mponina rehetra tao amin’ilay tanàna, afa-tsy ireo izay mitondra ny marika ho amin’ny fahatafitana velona, dia haringana. Rehefa nahavita ny asa nanirahana azy tamim-pahombiazana ilay lehilahy dia nanao tatitra ny amin’izany toy izao: “Efa vitako izay nandidianao ahy.” (Ezekiela 9:11). Nanatanteraka tamim-pahatokiana ny asa nanirahana azy hatramin’ny farany izy.
16. a) Tandindon’ny inona moa ho amin’izao androntsika izao ilay lehilahy nitafy rongony? b) Amin’ny ahoana moa ny raharaha momba ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah no manome adidy antsika hanohy hitory?
16 Ilay lehilahy mitafy rongony dia mampiseho ny sisa amin’ireo mpianatr’i Kristy voahosotra, iarahan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. Sahala amin’ny tamin’ny andron’i Ezekiela, ny raharaha lehibe tafiditra amin’izao andro izao dia mahakasika ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah. Momba ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny izay tsy maintsy hitranga amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha, dia izao no nambaran’i Jehovah: “Ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah.” (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Ezekiela 39:7). Mba hahafantaran’ireo firenena fa izy no Jehovah, dia ilaina ny hanohizan’ireo mpanompon’Andriamanitra eto an-tany mitory ny anarany sy mampahafantatra ny fikasany ho vavolombelona any amin’ny firenena rehetra.
17, 18. a) Amin’ny ahoana moa ny fanohizana mitory no manampy antsika ho malina hatrany? b) Ahoana no tatitra tiantsika holazaina amin’i Jehovah rehefa hamarana ny asa fitoriana izy, ary inona no fepetra hahafahantsika manao izany?
17 Ny fanohizana mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana dia manampy antsika ho malina hatrany. Amin’izany dia tsapantsika hatrany ny maha-zava-dehibe ny anarana sy ny fikasan’i Jehovah. Raha ketraka isika, ny fanantenantsika ilay Fanjakana dia mety hihena ary mety ho voatariky ‘ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao tontolo izao isika ka tsy hahavanom-boa’. (Lioka 8:14.) Nefa kosa, raha manohy mitory ny “vaovao tsara” amin-jotom-po sy faharetana isika, dia hanaraka amim-pahatokiana izao baikon’ny Tompontsika, Jesosy Kristy, izao: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.” — Marka 13:10, 33, 37.
18 Noho izany, raha mbola mamela antsika hanao izany koa Jehovah, aoka isika rehetra hitady amim-paharetana ny “olona izay misento”. Na anisan’ny sisa voahosotra isika na anisan’ny “ondry hafa”, dia aoka hotontosaintsika rehetra amim-pahatokiana ny asa nanirahana antsika ka hotorintsika amin’ny tany onenana manontolo ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra (Matio 24:14). Rehefa ny tenan’i Jehovah mihitsy no hamita an’io asa io amin’ny fanapoahana ny “fahoriana lehibe”, enga anie ny tsirairay avy amintsika ho afaka hilaza aminy hoe: “Efa vitako izay nandidianao ahy.”
Tadidinao ve?
◻ Inona no asehon’ny vokatry ny fitoriantsika?
◻ Inona avy moa no antony hafa tokony hanohizantsika hitory?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fitoriantsika no mampiharihary ny famindrampon’i Jehovah?
◻ Ahoana no mety hahatonga antsika ho afaka amin’ny ran’ny olona rehetra?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fitoriantsika no manampy antsika hiambina hatrany?
[Tabilao, pejy 28]
VOKATRA AZO TAO ANATIN’IREO FITO TAONA FARANY
Isan’ny Mpanatrika ny Isan’ny
batisa Fahatsiarovana fampianarana
Baiboly
1981 119 836 5 987 893 1 475 177
1982 138 540 6 252 787 1 586 293
1983 161 896 6 767 707 1 797 112
1984 179 421 7 416 974 2 047 113
1985 189 800 7 792 109 2 379 146
1986 225 868 8 160 597 2 726 252
1987 230 843 8 965 221 3 005 048