Fanontanian’ny mpamaky
■ Koa satria ireo mpanompon’Andriamanitra heverina ho ‘mikarakara ny ankohonany’, nahoana moa Abrahama no nandefa an’i Hagara sy Isimaela, izay nirenireny tany an’efitra?
Tena mety ny hikarakaran’ireo mpanompon’Andriamanitra ny mpianakaviny sahirana; izany koa dia porofom-pitiavana asehony amin’izy ireny. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ny amin’izany: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — 1 Timoty 5:8.
Afaka matoky isika fa tsy nifanohitra tamin’ny voalazan’io torohevitra io ny nataon’i Abrahama, satria ilay patriarka dia tononina ho ohatra noho ny finoany amim-pahatsorana ary nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah” izy. — Jakoba 2:23, MN; Hebreo 11:8-19.
Nampanantena Andriamanitra fa hitahy ny olombelona amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama izy. Saraha, momba foana ary efa be taona izao, dia nangataka an’i Abrahama mba hiteraka zanakalahy tamin’ny alalan’ny mpanompovaviny egyptiana, Hagara. Tatỳ aoriana, rehefa bevohoka Hagara, dia nanomboka nitondra an’i Saraha tamim-pireharehana aoka izany izy, hany ka nampangaina ho ‘mampidi-doza’; ratsy dia ratsy àry ny nataony tamin’ny vady malalan’i Abrahama (Eksodosy 23:1; 2 Samoela 22:49; Salamo 11:5). Nomen’i Abrahama lalana Saraha mba hananatra an’i Hagara izay, angamba noho ny fikasana ny hiverina tany Egypta, dia nandositra tany an’efitra. Tsy milaza ny fitantarana fa hoe nitondra sakafo izy, ka izany dia nahatonga ho afaka hihevitra fa hainy ny nanana fahefana hahazo sakafo sy rano tany amin’ny toby hafa, ohatra teo amin’ireo Arabo mpifindrafindra monina any an’efitra. — Genesisy 12:1-3, 7; 16:1-6.
Nisalovana ny anjely iray tamin’izay ka nilaza tamin’i Hagara mba hiverina tany amin’ny tompovaviny satria hanana taranaka maro izy, ary ‘ny tanan’ny zanany, Isimaela hamely ny olona rehetra’. (Genesisy 16:7-12.) Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, Isimaela dia nifandona tamin’i Isaka zaza, ilay tena mpandova naterak’i Abrahama tamin’i Saraha. ‘Nihomehy’, izany hoe nanevateva an’i Isaka tokoa i Isimaela. Nihoatra noho ny fifandrafiana fotsiny teo amin’ny mpirahalahy izany: lazain’ny Tenin’Andriamanitra mazava fa “nanenjika” ilay taranaka nambaran’Andriamanitra tamin’i Abrahama izy. Nilaina àry ny hanaovan-javatra tamin’ny fomba hentitra. — Genesisy 21:1-9; Galatiana 4:29-31.
Nilaza tamin’i Abrahama Jehovah mba hanao izay nangatahan’ny vadiny ka ‘nandroaka an’i Hagara sy ny zanany’. Na dia tsy nahafaly an’i Abrahama aza ny nandehanan’i Hagara niaraka tamin’ny zanany, dia nomen’i Abrahama sakafo izy. Mifanohitra amin’ny tamin’ny voalohany izay azo inoana fa tsy nitondrany na inona na inona, Hagara dia nandray avy tamin’ny tanan’i Abrahama, mofo hatao vatsy — nilaza tsy mivantana sakafo hafa koa angamba io teny io — sy rano. Azo atao ny mieritreritra fa diso lalana tany ho any izy, “tany an-efitr’i Beri-sheba”; noho izany antony izany dia lany talohan’ny nahitany ireo fantsakana tao amin’ilay faritra ny vatsiny. Na dia izany aza, dia tsy noho Abrahama no nahatonga ny fahoriany, satria ‘nikarakara ny ankohonany’ izy, na dia tao aza ny fahadisoana nahatonga azy ireo horoahina. — Genesisy 21:10-21.
[Sarintany/Sary, pejy 31]
(Jereo ny gazety)
Ranomasina Lehibe
Tendrombohitra Karmela
Megido
Jerosalema
Hebrona
Beri-sheba
Ranomasina Maty
Negeba
[Sary nahazoan-dalana]
Araka ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survery of Israel
[Sary]
Ny reniranon’i Zina, ritra, any atsimon’i Beri-sheba.