Jesosy, ny fiainany ary ny fanompoany
Raharaha momba ny lova
TOA ren’ny olona fa nandeha nisakafo tany an-tranon’ny Fariseo iray i Jesosy. Nivory an’arivony maromaro teo akaikin’ilay trano àry izy ireo mba hiandry azy. Tsy mba sahala amin’ireo Fariseo izay nanohitra an’i Jesosy sy nanantena ny hamandrika azy tamin’ny teniny ny vahoaka fa nihaino azy tamim-pitandremana sy tamin-pankasitrahana kosa.
Niteny tamin’ny mpianany aloha i Jesosy ka nanao hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.” Araka ny naseho tamin’ilay fisakafoana, dia feno fihatsarambelatsihy ny fivavahan’ireo Fariseo. Na dia takonana fisehoana ho tia fivavahana aza ny faharatsian’izy ireny, dia ho afa-tsarona ihany rehefa ela ny ela. “Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, hoy Jesosy, na takona izay tsy ho fantatra.”
Naverimberin’i Jesosy ny fampaherezana nomeny ny roa ambin’ny folo lahy fony izy naniraka azy ireny hitory tany Galilia. Hoy izy taminy: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.” Koa satria tsy hadinon’Andriamanitra na dia ny tsintsina iray monja aza, dia nanome toky an’ireo mpianany i Jesosy fa tsy hanadino azy ireny koa Andriamanitra. Hoy ny nambarany: “Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia (...) ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo.”
Tamin’izay fotoana izay, avy ao afovoan’ny vahoaka, no nandrenesana lehilahy iray niteny hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Voalazan’ny Lalàn’i Mosesy mazava fa tokony handray anjaran-droa ny lahimatoa, amin’ny lova, ka izany dia nanilika izay rehetra nety ho antom-pifandirana. Toa nitaky nihoatra noho ny anjarany anefa io lehilahy io.
Ara-drariny ny nandavan’i Jesosy tsy homba ny atsy na ny aroa. “Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?” hoy ny navaliny azy. Nilaza izao fampitandremana navesa-danja izao tamin’ny vahoaka izy nony avy eo: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” Na toy inona na toy inona tokoa habetsahan’ny fananany, dia tsy maintsy hiafara amin’ny fahafatesana ny olona ka hamela ny zavatra rehetra. Nanao fanoharana iray i Jesosy mba hanamafisana io fahamarinana io sy hampisehoana ny hadalan’izay tsy mitady laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra. Izao izany:
“Ny tanin’ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be. Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao ny hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao?”
Nanatsoaka hevitra toy izao i Jesosy: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” Na dia mety tsy ho resin’ny faniriana hanangon-karena aza ny mpianatra, dia mety hitsahatra mora foana tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra intsony izy noho ny fanahiany isan’andro. Nohararaotin’i Jesosy àry izany fotoana izany mba hamerenana taminy ilay torohevitra tsara dia tsara nomeny herintaona sy tapany talohan’izay tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra. Nitodika tany amin’izy ireo izy ka niteny taminy hoe:
“Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, izay hohaninareo, na ny tenanareo, izay hotafinareo. (...) Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy. (...) Hevero ny fanirin’ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. (...)
“Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo hianareo, ary aza miahanahana. Fa ny jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.”
Mendrika fiheverana manokana ireo tenin’i Jesosy ireo ao anatin’ny vanim-potoam-pahasahiranana ara-toe-karena. Izay manahy be loatra ny amin’ny zavatra ilainy ara-nofo ka manomboka mampihena ny fiezahany eo amin’ny lafiny ara-panahy, raha ny marina dia tsy ampy finoana ny fahefan’Andriamanitra hanome izay ilain’ireo mpanompony. Lioka 12:1-31; Deoteronomia 21:17.
◆ Inona moa no toa antony nahatonga lehilahy iray hangataka amin’i Jesosy mba handamina raharaha momba ny lova, ary inona no fampitandremana nomen’i Jesosy?
◆ Fanoharana inona moa no nampiasain’i Jesosy, ary noho ny fikendrena inona?
◆ Inona moa no torohevitra naverimberin’i Jesosy, ary nahoana no nety izany?