Mihainoa! — Miteny ny mpitilin’i Jehovah
“Nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely hianao; (...) ary avy amiko no hananaranao azy.” — EZEKIELA 3:17.
1. Nahoana no tokony hihaino rehefa miteny ny ‘mpitilin’i Jehovah’?
NY ‘MPITILIN’I Jehovah’ dia manambara amin’izao fotoana izao indrindra ny hafatr’Andriamanitra. Mihaino azy ve ianao? Ilainao ny mandray izany hafatra izany amim-pankasitrahana ka manao zavatra mifanaraka amin’izany: iankinan’ny fiainanao izany. Tsy ho ela dia ‘ho fantatry ny firenena hoe iza moa Jehovah’, satria hanamasina ny anarany masina izy amin’ny fandringanana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny sady hiaro ny mpanompony. Manantena ny ho anisan’izy ireny ve ianao (Ezekiela 39:7; 2 Petera 3:8-13)? Azonao atao izany, nefa amin’ny fihainoana ny ‘mpitilin’i Jehovah’ ihany rehefa miteny izy.
2. Inona no nahazo ny fanjakan’ny Joda noho nytsy nihainoany ny mpaminanin’Andriamanitra?
2 Noravana ny fanjakan’ny Joda tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana satria nanda ny hihaino ireo mpaminan’Andriamanitra. Ireo fahavalony dia mifaly noho ny fandringanana nampiharin’i Babylona taminy. Voninahitra toy inona moa ho an’ny anaran’i Jehovah rehefa nanao izay hisian’ny Jiosy mahatoky tafaverina tany amin’ny tanindrazany izy tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana!
3. Inona no raketin’ny bokin’i Ezekiela?
3 Ezekiela, ilay mpitilin’i Jehovah, dia sady nanambara izany fandringanana izany no nanambara ny famerenana amin’ny laoniny. Tany Babylonia, tany amin’ny 591 alohan’ny fanisan-taona iraisana tany no namitany ny fanoratana ny boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany. Voalaza ao: 1) ny fanirahana an’i Ezekiela; 2) fampisehoana ara-paminaniana; 3) hafatra manohitra ny Isiraely; 4) fanambarana didim-pitsarana notononina tamin’i Jerosalema; 5) faminaniana manameloka firenena hafa; 6) fampanantenana fampodiana indray; 7) faminaniana iray manohitra an’i Goga avy any Magoga; ary 8) fahitana iray ny amin’ny toerana masin’Andriamanitra. Manasa anao hamaky io boky io izahay mandritra ny fandinihana izay hataontsika ny amin’izany. Ho fantatrao avy amin’izany ny hoe amin’ny ahoana no mahakasika antsika izy io ankehitriny ka ho anisan’ireo izay mihaino ny ‘mpitilin’i Jehovah’ ianao rehefa miteny izya.
Irahina ny mpitilin’Andriamanitra
4. a) Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana? b) Iza ireo “zava-manan’aina efatra”, ary toetra inona avy no nananany?
4 Ny 5 Tamoza tamin’ny taona 613 alohan’ny fanisan-taona iraisana (tamin’ny taona fahadimy nahababoan’i Joiakima mpanjakan’i Joda tany Babylona), Ezekiela mpisorona izay 30 taona tamin’izay, dia niaraka tamin’ny babo jiosy hafa teo amoron’ny “ony Kebara”, lakan-drano malalaka iray nifandray tamin’ny Eofrata. Tany no nahazoany fahitana iray ny amin’ny kalesin’i Jehovah tany an-danitra ka nanompo teo anilany “ny zava-manan-aina efatra”. (Vakio Ezekiela 1:4-10.) Ny tsirairay avy tamin’ny “zava-manan-aina”, na kerobima manana elatra dia nanan-tarehy efatra (Ezekiela 10:1-20; 11:22). Ireny dia manondro fa ny kerobima dia manana ireo toetra avy amin’Andriamanitra, toy ny fitiavana (ny olona), ny fahamarinana (ny liona), ny hery (ny omby), ary ny fahendrena (ny voromahery). Ny kerobima tsirairay avy dia nijoro teo akaikin’ny ‘kodia lehibe iray anatin’ny kodia’ izay nampandehanin’ny fanahin’Andriamanitra, dia ny Heriny miasa, na taiza na taiza nampitodihany azy. — Ezekiela 1:1-21.
5. Inona no asehon’ilay kalesy any an-danitra, ary vokany inona no tokony hoentin’io fahitana io eo amin’ny mpanompon’i Jehovah?
5 Ilay mpitondra kalesy dia nampiseho an’i Jehovah tamin’ny fomba be voninahitra (vakio Ezekiela 1:22-28). Fampisehoana tena mety ny fandaminana ara-panahin’Andriamanitra voaforon’ireo anjely ny kalesy (Salamo 18:10; 103:20, 21; Daniela 7:9, 10). Mitarika izany kalesy izany Jehovah amin’ny heviny hoe mibaiko ireny zavaboary ireny izy sady mampiasa azy mifanaraka amin’ny fikasany. Tony io Mpitarika io, tahaka ny avana izay nanodidina azy, nefa Ezekiela kosa dia ankona. Izany fahitana mahazendana ny amin’ny voninahitra sy ny herin’i Jehovah, ilay Mpandamina fara tampony ireo zavaboariny any an-danitra izany dia tokony hampanetry tena antsika sy hahafeno fankasitrahana antsika noho ny tombontsoa ananantsika manompo azy eo anivon’ny fandaminany eto an-tany.
6. a) Fanirahana inona no azon’i Ezekiela, ary ahoana no nandraisany ny asan’Andriamanitra? b) Tsy maintsy naminany teo anivon’ny karazan’olona nanao ahoana moa Ezekiela, ary nahoana no mampahery ny mahalala ny fomba nitondran’Andriamanitra azy?
6 Na dia nantsoina hoe “zanak’olona” aza izy, dia nampahatsiahy azy ny fiaviany sy ny toerany ambany izany, Ezekiela dia voatendry ho mpaminanin’i Jehovah (vakio Ezekiela 2:1-5). Hirahina any amin’ny ‘firenena mpiodina’ izy, dia ny fanjakan’ny Isiarely sy Joda. Araka ny nandidian’Andriamanitra azy, dia nanomboka nihinana horonan-taratasy iray nisy hira fisaonana Ezekiela, nefa toa nanan-tsiron-tantely taminy izany, satria velom-pankasitrahana loatra izy tamin’ny naha-mpaminanin’Andriamanitra azy. Tahaka izany koa, ireo kristiana voahosotra sy ireo namany dia mihevitra ho toy ny tombontsoa mamy ny ho vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy naminany teo anivon’ny olona mafy hatoka sy mafy fo Ezekiela, nefa hataon’Andriamanitra ho hentitra tahaka ny azy ireo ny tarehiny, ary ny handriny ho mafy toy ny diamondra. Haminany amin-kasahiana Ezekiela na mihaino azy ireo olona ireo na tsia. Mampahery ny mahalala fa tahaka ny nanohanan’Andriamanitra an’i Ezekiela tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra, dia hanampy antsika koa hanao fanambarana amin-kerim-po izy any amin’ny karazana faritany rehetra. — Ezekiela 2:6 ka hatramin’ny 3:11.
7. Andraikitra inona no niaraka tamin’ny asa nanirahana an’i Ezekiela?
7 Rehefa avy nihinana ny horonan-taratasy Ezekiela dia nahatsapa ‘fivontosam-panahy’ izay nety tamin’ny hafatra nentiny. Nitoetra tao Tel-abiba izy “nandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny” mba handevona izany hafatra izany tao (Ezekiela 3:12-15). Isika koa dia tokony hisaintsaina sy hianatra amim-pahazotoana mba hampiditra ao amintsika ny zavatra ara-panahy lalina. Koa satria tsy maintsy hanambara hafatra izy, dia notendrena ho mpitilin’i Jehovah Ezekiela (vakio Ezekiela 3:16-21). Io mpitily voatendry vao haingana io dia tokony hampiomana ny Isiraelita mpivadika fa hampiharina aminy ny didim-pitsaran’Andriamanitra.
8. Amin’izao androntsika izao, iza moa no ‘mpitilin’i Jehovah’, ary olona iza no ampiarahina aminy?
8 Raha tsy mahatanteraka ny asa nanirahana an’ny maha-mpitily azy Ezekiela, dia hoheverin’i Jehovah ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ireo izay hiharam-pahavoazana noho ny fanaovany tsirambina. Ireo izay tsy ta-hanarin’ilay mpaminany dia hanisy fatorana aminy ara-panoharana, nefa dia hanohy foana hanambara amim-pahasahiana ny hafatr’Andriamanitra izy (Ezekiela 3:22-27). Amin’izao androntsika izao ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy mihaino ny kristiana voahosotra sady manandrana manakantsakana ny asany. Hatramin’ny 1919 anefa, dia manao ny asa amin’ny maha-‘mpitilin’i Jehovah’ izy ireo, amin’ny fitoriana amin-kerim-po ny hafany momba ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny (Daniela 12:4). Misy “olona betsaka” amin’ireo “ondry hafa” an’i Jesosy izay mitombo isa hatrany, miaraka aminy (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). Koa satria manohy mitory ny hafatr’Andriamanitra ny kilasin’ny “mpitily”, ny kristiana tsirairay avy, na voahosotra izy na anisan’ny “olona betsaka” dia maniry ho mpitory tsy tapatapaka izany hafatra izany.
Faminaniana aseho amin’ny fihetsehana
9. a) Ohatra inona no navelan’i Ezekiela ho antsika? b) Inona no nataon’i Ezekiela ho fampisehoana ny fanaovan’ny Babyloniana fahirano an’i Jerosalema, ary nifanitsy tamin’ny inona ny 390 andro sy ny 40 andro?
9 Tamim-panetren-tena sy tamin-kasahiana dia nampiseho tamin’ny fihetsehana ireo faminaniana Ezekiela avy eo. Tokony hanosika antsika hanatanteraka amim-panetren-tena sy amin-kerim-po ny raharaha nankinin’i Jehovah tamintsika ny ohatra navelany. Mba hilazalazana ny fanaovan’ny Babyloniana fahirano an’i Jerosalema, Ezekiela dia tsy maintsy nandry teo anoloan’ny biriky iray ka nosoratany teo ny sarin’io tanàna io. Tsy maintsy nandry tamin’ny ilany ankavia nandritra ny 390 andro izy, ho fitondrana ny heloky ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely, avy eo dia teo amin’ny ilany ankavanana nandritra ny 40 andro ho fitondrana ny fahotan’ny fanjakan’ny foko roan’ny Joda. Ny indray andro dia hifanitsy amin’ny herintaona. Araka izany, ny 390 taona dia niitatra hatreo amin’ny fiforonan’ny fanjakan’ny Isiraely tamin’ny 997 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Raha ny amin’ny 40 taonan’ny Joda kosa, dia nanomboka izany rehefa nanendry an’i Jeremia ho mpaminany Andriamanitra tamin’ny 647 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ary nifarana rehefa foana Joda tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. — Ezekiela 4:1-8; Jeremia 1:1-3.
10. Ahoana no nampisehoan’i Ezekiela tamin’ny fihetsehana ny vokatry ny fanaovana fahirano, ary inona no ianarantsika avy amin’ny nanohanan’Andriamanitra azy?
10 Nasehon’i Ezekiela tamin’ny fihetsehana avy eo ny vokatry ny fanaovana fahirano. Ho fampisehoana ny mosary dia tsy nihinana afa-tsy sakafo 200 grama teo ho eo isan’andro izy ary nisotro rano tapa-litatra teo ho eo. Ny mofony (nifanohitra tamin’ny Lalàna, dia natao tamin’ny vary tritika nifangaro vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby ary selta, dia nendasina teo ambonin’ny diky) dia naloto (Levitikosy 19:19). Nasehon’izany fa hizaka tsy fahampian-kanina lehibe ny mponin’i Jerosalema. Fampaherezana toy inona anefa no mahafantatra fa tahaka ny nanohanan’i Jehovah an’i Ezekiela tao anatin’ireny tarehin-javatra sarotra ireny, dia hanampy antsika izy hitoetra ho mahatoky sy hanatanteraka ny asa nanirahany antsika, dia ny hitory, na inona na inona fahasahiranana mitranga eo anoloantsika! — Ezekiela 4:9-17.
11. a) Asa inona avy no resahina ao amin’i Ezekiela 5:1-4, ary inona no hevitr’ireny? b) Tokony ho voatosika hanao inona moa isika amin’ny fahatsapana fa notanterahin’Andriamanitra izay nasehon’ireny fihetsehana nataon’i Ezekiela ireny?
11 Avy eo dia niharatra ny volony sy ny volom-bavany tamin’ny sabatra Ezekiela (vakio Ezekiela 5:1-4). Ireo izay ho fatin’ny mosary sy ny areti-mandringana dia ho tahaka ny ampahatelon’ny volo izay nodoran’ilay mpaminany tao afovoan’i Jerosalema. Ireo maty noho ny ady kosa dia hitovy amin’ny ampahatelon’ny volony izay nasiany tamin’ny sabatra. Ireo ho tafita velona kosa dia haely any amin’ireo firenena, tahaka ny ampahatelon’ny volo naely ho amin’ny rivotra. Ireo babo sasany anefa dia ho tahaka ny volo vitsivitsy izay nalain’i Ezekiela tamin’io ampahany naely io, ka nofonosiny tao anaty akanjony mba hampisehoana fa ireny olona ireny dia hamerina amin’ny laoniny indray ny fanompoam-pivavahana marina eo amin’ny Joda aorian’ny 70 taona fahafoanana (Ezekiela 5:5-17). Ny hanatanterahan’i Jehovah izay nasehon’ireny faminaniana nolazaina tamin’ny fihetsehana ireny sy ny hafa koa, dia tokony hanosika antsika hatoky azy satria izy no Ilay manatanteraka ny faminaniany. — Isaia 42:9; 55:11.
Akaiky ny fandringanana!
12. a) Inona no tsy maintsy nataon’ny mpanafika araka ny Ezekiela 6:1-7? b) Araka ny faminanian’i Ezekiela, iza moa no nasehon’i Jerosalema, ary inona no hahazo azy?
12 Tamin’ny 613 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia niresaka tamin’ilay tany mba hilaza izay ho tonga amin’ireo mponina nanompo sampy tao Joda i Ezekiela (vakio Ezekiela 6:1-7). Ho ravan’ny mpanafika ny fitoerana avo sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra ary ny alitara fanaovana fanompoam-pivavahan-diso. Amin’ny fieritreretana fotsiny an’izany fandringanana entin’ny mosary sy ny areti-mandringana ary ny ady izany dia izao no holazaina: “Indrisy!” ary ambonin’izany dia hiteha-tanana sy hively amin’ny tongotra ny tena. Hiampatrampatra eny amin’ny fitoerana avo ny fatin’ireo mpijangajanga ara-panahy. Rehefa hiharan’ny faharavana toy izany koa ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay nasehon’i Jerosalema fahiny, dia ho fantany fa avy amin’i Jehovah ny loza mahazo azy. — Ezekiela 6:8-14.
13. Inona no asehon’ny “tsorakazo” tazonin’i Jehovah, ary inona no ho vokatry ny fampiasana azy?
13 ‘Hanakaiky ny vazan-tany efatra ny farany’, dia ny fandehan-javatra ara-pivavahana nivadik’i Joda. Hanodidina ny lohan’ny mpanompo sampy ny ‘anjara’ loza rehefa hamely ny vahoakan’i Jehovah sy ny tempoliny ny “tsorakazo” notazonin’Andriamanitra teny an-tanana (Nebokadnezara sy ny andiany babyloniana). Ireo izay anisan’ny mpividy sy ny mpivarotra jodiana ‘maro’ dia ho faty na hobaboina. Hiraviravy tanana ireo izay afaka ho tafita velona. Amin’ny fanonganana ny fandehan-javany ara-pivavahan-diso, dia toy ny miharatra loha izy ireo ho fanehoana ny fisaonany. — Ezekiela 7:1-18.
14. Tsy afaka nampanalavitra inona tamin’i Jerosalema mihitsy moa ny kolikoly, ary inona no fanatsoahan-kevitra azo atao avy amin’izany ny amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
14 Tsy hanaiky handray kolikoly na Jehovah na ireo hery mpanatanteraka ny didim-pitsarany (vakio Ezekiela 7:19). Tsy nisy mihitsy fanomezana afaka nanakana ireo “mpandroba” kaldeana tsy handoto ny ‘rakitra’, dia ny Masina Indrindra, tamin’ny nangalana ny fanaka masina sy tamin’ny nandravana ny tempoly. ‘Natsahatr’i Jehovah ny avonavon’ny mahery’ rehefa voasambotra Zedekia mpanjaka ka novonoina ireo anisan’ny lehibe tamin’ny fisoronan’i Levy (2 Mpanjaka 25:4-7, 18-21). Ireo mpanota voahidy tao amin’ilay tanàna natao fahirano dia tsy afa-nandositra ny loza tamin’ny alalan’ny kolikoly rehefa ‘notsarain’Andriamanitra’ ho meloka noho ny nandikany ny fanekeny izy ireo. Dia tahaka izany koa, fa rehefa holotoina ireo fitaovana heverin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho masina amin’ny hoavy tsy ho ela, dia tsy ho afaka hividy ny famonjena azy izy, mba handosirana ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra aminy. Ho diso aoriana loatra amin’izay mba hihainoana ilay ‘mpitilin’i Jehovah’. — Ezekiela 7:20-27.
Fisentoana noho ireo fahavetavetana
15. Vavolombelon’ny inona niseho tao Jerosalema moa Ezekiela, ary fihetsehampo inona no tokony hananantsika noho izany?
15 Rehefa nahita tao amin’ny fahitana ny voninahitr’Andriamanitra Ezekiela ny 5 Elola tamin’ny taona 612 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia ‘nisy nitarehin-tànana nandray azy tamin’ny volony’ ka nitondra azy tany Jerosalema tamin’ny fanahy nanindrimandry azy. Nifindra toerana hatrany koa ny kalesy tany an-danitra. Izay hitan’i Ezekiela tamin’izany, dia tokony hanosika antsika hankahala na dia ny fiheverana fotsiny hoe hihaino ny mpivadi-pinoana aza (Ohabolana 11:9, MN ). Tao amin’ny tempoly dia nivavaka tamin’ny sarin’ny mpanompo sampy (angamba tsato-kazo noheverina fa masina) ireo Isiraelita nivadi-pinoana ka nanetsika ny fahasaro-piaron’Andriamanitra izany (Eksodosy 20:2-6). Rehefa niditra tao amin’ny kianja anatiny Ezekiela, fahavetavetana toy inona moa no tsy hitany tao (vakio Ezekiela 8:10, 11)! Fahafaham-baraka toy inona ny mihevitra fa ireo loholona 70 tamin’ny vahoakan’ny Isiraely dia nanolotra ditin-kazo manitra ho an’ireo andriamani-diso naseho tamin’ny sary sokitra naharikoriko teny amin’ny rindrina! — Ezekiela 8:1-12.
16. Inona no asehon’ny fahitan’i Ezekiela raha ny amin’ny vokatry ny fivadiham-pinoana?
16 Ny fahitan’i Ezekiela dia mampiseho fa ny fivadiham-pinoana dia tsy maintsy mitarika ho amin’ny fahafatesana ara-panahy. Eritrereto kely ange! Nisy vehivavy teo amin’ny Isiraely nasaina hitomany an’i Tamoza, andriamanitra babyloniana naseho ho sakaizan’i Isitara, andriamani-bavin’ny fahavokarana! Ary maharikoriko tokoa ny mahita Isiraelita 25 mivavaka amin’ny masoandro ao amin’ny kianja anatin’ny tempoly (Deoteronomia 4:15-19)! Ireny lehilahy ireny dia nanainga ho amin’ny oron’i Jehovah, rantsan-kazo maloto izay angamba nampiseho ny maha-lehilahy. Tsy mahagaga raha tsy nihaino ny vavak’izy ireo Jehovah, ary tsy hihaino ny fivavahana lazaina fa kristiana koa izy rehefa hiantso azy izy mandritra ny “fahoriana lehibe”! — Ezekiela 8:13-18; Matio 24:21.
Voaisy marika mba ho tafita velona
17. Inona moa ireo lehilahy fito tao amin’ny fahitana, ary inona no nataony?
17 Ny tohin’ilay faminaniana dia mampiseho amintsika lehilahy fito: mpitantsoratra anankiray mitafy rongony fotsy sy lehilahy enina hafa mitondra fiadiana fanorotoroana (vakio Ezekiela 9:1-7). Ireo “lehilahy enina” dia nampiseho ireo tafika any an-danitra mpanatanteraka ny didim-pitsarana hampiasain’i Jehovah sady hampiasa fitaovana etỳ an-tany koa izy. Ireo izay hasian’ilay ‘lehilahy nitafy rongony fotsy’ marika eo amin’ny handriny dia handray soa avy amin’ny famindrampon’Andriamanitra satria tsy nankasitraka ireo fahavetavetana natao tao amin’ny tempoly. Nanomboka nampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra teo amin’ireo loholona 70 nanompo sampy sy ireo vehivavy nitomany an’i Tamoza ary ireo mpivavaka 25 tamin’ny masoandro ireo “lehilahy enina”. Ireny olona ireny sy ny hafa koa izay nivadika tamin’Andriamanitra dia novonoin’ny Babyloniana tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
18. a) Amin’izao androntsika izao, iza ‘ilay lehilahy mitafy rongony fotsy’? b) Inona no mahaforona ny “marika”, iza no nandray azy, ary inona no vokatr’izany eo amin’ireo izay manana azy?
18 Ny asehon’ilay ‘lehilahy nitafy rongony fotsy’ dia ny kilasin’ireo kristiana voahosotra. Mandeha isan-trano izy ireo mba hanisy marika ara-panoharana eo amin’ireo olona tonga anisan’ny “olona betsaka” amin’ny ‘ondry hafan’i’ Kristy. Izany “marika” izany dia porofo fa ireny “ondry” ireny dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka natao batisa ary nitafy ny toetra kristiana. “Misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra” atao eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana izy ireny ka nivoaka avy tao Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (Apokalypsy 18:4, 5). Ny “marika” eny aminy dia hanondro mazava amin’ireo tafika mpanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra fa tokony hotsimbinina izy ireny mandritra ny “fahoriana lehibe”. Hitahiry io “marika” io izy ireo raha miara-miasa amin’ireo kristiana voahosotra mba hanisy marika olon-kafa koa. Raha efa voaisy ‘marika’ ianao, mandraisa àry anjara amin-jotom-po amin’ny asa ‘fanasiana marika’. — Ezekiela 9:8-11.
Manakaiky ny fandringanana amin’ny afo
19. Amin’izao androntsika izao, inona no aelin’ilay ‘lehilahy mitafy rongony fotsy’ manerana ny fivavahana lazaina fa kristiana?
19 Nandeha naka vainafo teo anelanelan’ny kodiaran’ny kalesy tany an-danitra ilay lehilahy nitafy rongony fotsy ka nafafiny teo amin’ny tanàna izany avy eo; naneho tamin’izany izy fa ho fisehoan’ny fahatezerana mirehitr’Andriamanitra ny fandravana an’io tanàna io. (Ezekiela 10:1-8; Fitomaniana 2:2-4; 4:11). Tamin’ny andron’i Ezekiela da naidina teo amin’i Jerosalema tamin’ny alalan’ny Babyloniana ny fahatezeran’i Jehovah (2 Tantara 36:15-21; Jeremia 25:9-11). Fa ahoana kosa ny amin’izao androntsika izao? Ny mifanitsy amin’ilay ‘lehilahy mitafy rongony fotsy’ amin’izao fotoana izao dia manely ireo hafatr’Andriamanitra mirehitra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manontolo mba hampiomanana azy fa haidina eo aminy sy eo amin’ny tapany hafa amin’i Babylona Lehibe ny fahatezeran’Andriamanitra. Mazava ho azy fa ireo izay tsy mety mihaino ilay ‘mpitilin’i Jehovah’ dia tsy manana fahafahana ny ho tafita velona. — Isaia 61:1, 2; Apokalypsy 18:8-10, 20.
20. a) Tokony hanosika antsika hanao inona ny firindrana misy eo amin’ny kodian’ny kalesy any an-danitra sy ny kerobima? b) Inona no nataon’ny mpanapaka sasantsasany, ary nanohatra an’i Jerosalema tamin’ny fomba diso tamin’inona moa izy ireo?
20 Tarihina indray ny saintsika ho amin’ny kalesy, ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra. Ny firindrana misy eo amin’ny kodian’ny kalesy sy ireo kerobima dia tokony hanosika antsika hiara-miasa amin’ny fomba feno amin’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany. Ny fahatokiantsika koa dia tokony hanosika antsika hiaro azy amin’ireo mpamadika (Ezekiela 10:9-22). Nisy izany tamin’ny andron’i Ezekiela, satria nahita mpanapaka 25 nampirehitra fikomiana hanoherana ireo tafika mpanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra, nampian’ny Egyptiana, io mpaminany io. Nanohatra an’i Jerosalema tamin’ny vilany izy ireo ary nampitovy ny tenany tamin’ny hena izay tsy nanana ahiahy tao anatiny. Fahadisoana re izany! Ny ‘sabatry ny hafa firenena’, ireo Babyloniana, dia hamono ny sasany amin’ireo mpioko ireo raha mbola hobaboina ny hafa. Hitranga ireny loza ireny satria noheverin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra tamin’ny nandikany ny fanekeny ny Jiosy (Ezekiela 11:1-13; Eksodosy 19:1-8; 24:1-7; Jeremia 52:24-27). Koa satria ny fivavahana lazaina fa kristiana mihambo ho ao anatin’ny fifandraisam-panekena amin’Andriamanitra sady mametraka ny fitokisany amin’ireo fanekena nataony tamin’izao tontolo izao, dia ho fatin’ny famelezan’ireo tafika mpanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah izy.
21. Inona no nitranga taorian’ny 70 taona nahafoana an’i Joda, ary tarehin-javatra inona mitovy amin’izany no hitan’ny sisa voahosotra?
21 Na dia nisy Isiraelita ‘naely tany amin’ny tany maro’ aza, tamin’ny 617 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tonga “fitoerana masina” na fialofana ho an’ireo babo nibebaka Andriamanitra (Ezekiela 11:14-16). Inona anefa no mbola azony nantenaina (vakio Ezekiela 11:17-21)? Taorian’ny 70 taona nanafoanana an’i Joda, dia tafaverina indray teo amin’ny “tanin’Isiraely” voadio ny sisa. Tahaka izany koa, rehefa nizaka fahababoana babyloniana ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra dia nafahana tamin’ny 1919, ary teo ambany fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra ny “tanin’ny” Isiraely ara-panahy izay rava fahiny dia nodiovina. Araka izany, ireo izay ‘voaisy marika’ mba ho tafita velona, dia manana ny fankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny, mitovy amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy tafaverina indray amin’ny toerany. Raha manohy mihaino ny ‘mpitilin’Andriamanitra’ ianao dia mety ho anisan’ireo izay hotsimbinin’i Jehovah rehefa hamoaka ny sabany izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny hamelan’ny fotoana izany, ilay mitarika ny fianarana dia hampamaky ny andalan-teny voatondro amin’ny sora-mandry ao amin’ity lahatsoratra ity sy ao amin’ireo roa manaraka. Azo atao koa ny mahita hevitra ara-baiboly mahaliana ho an’ny fandinihana ny bokin’i Ezekiela ao amin’ny faritry ny Sekolin’ny fanompoana teokratika ao amin’ireo lahatsoratra ireo.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana no tokony hihaino ny ‘mpitilin’i Jehovah’ rehefa miteny izy?
◻ Inona no asehon’ny kalesin’Andriamanitra any an-danitra?
◻ Iza no ‘mpitilin’i Jehovah’ amin’izao androntsika izao?
◻ Inona no nataon’ny mpivadi-pinoana hitan’i Ezekiela tao Jerosalema, ary tokony hamporisika antsika hanao inona moa izany fahitana izany?
◻ Amin’izao androntsika izao, iza moa ilay ‘lehilahy mitafy rongony fotsy’, ary inona no mahaforona ny “marika” apetany eny amin’ny handrina?