Manatsoaka ny sabany Jehovah
“Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony.” — EZEKIELA 21:10.
1. Hamelezana an’iza moa no nanaingan’i Jehovah ny sabany tao amin’ny fanjakan’ny Joda sy ny Isiraely?
MAMPAHATAHOTRA ara-drariny an’ireo fahavalony ny sabatr’i Jehovah. Nefa rehefa nanainga izany hamelezana an’ireo izay nanamavo ny lalàny tao amin’ny fanjakan’ny Joda sy Isiraely izy, moa ve fantatr’izy ireny marina izay nanjo azy? Eny, satria nampahafantariny azy ireo fa nanatsoaka ny sabany ara-panoharana tamin’ny tranony izy. — Ezra 9:6-9; Nehemia 1:8; 9:26-30.
2. Inona moa no nambaran’i Jehovah momba ny ‘sabany’, ary niteraka fanontaniana hoe ahoana avy ny teniny?
2 Tamin’ny alalan’i Ezekiela izay notendreny ho mpaminany sy mpitily, dia nanambara Jehovah hoe: “Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony.” (Ezekiela 21:10). Moa ve nihatra fotsiny tamin’ny andro Fahagola ireo teny ireo, sa mahakasika antsika koa?
Nambara ny fitsarana an’i Jerosalema
3. Inona moa no nolazain’i Ezekiela tamin’ireo babo tany Babylonia, ary iza no manao tahaka azy amin’izao androntsika izao?
3 Nifindra toerana indray ny kalesin’i Jehovah, ary ny tenan’i Ezekiela koa dia niova toerana. Toy ny hoe nipetraka nandinika teo an-tampon’ny tendrombohitra Oliva ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, oharina amin’ny kalesy. Teo Jesosy no hanambara ny fandringanana hamely an’i Jerosalema amin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, fandringanana mampiseho ny an’ny fivavahana lazaina fa kristiana (Marka 13:1-20). Raha ny amin’i Ezekiela kosa, dia nentina tamin’ny fahitana lavitra ny ony Kebara izy, nefa nentin’ny fanahin’Andriamanitra niverina teo amin’ny toerana nahababoany izy, tany Babylonia. Tany, dia novelabelariny tamin’ireo babo hafa ‘ny teny rehetra izay nasehon’i Jehovah azy’. Dia tahaka izany koa amin’ny androntsika, manambara izay rehetra nampahafantarin’ilay Mpitondra ny kalesy any an-danitra ny “mpitily” voahosotry ny fanahin’Andriamanitra sy ny vavolombelona miara-miasa aminy. — Ezekiela 11:22-25.
4. Ahoana no niheveran’ireo babo jiosy ny zavatra nataon’i Ezekiela ara-panoharana?
4 Tamin’ny fanaovan-javatra ara-panoharana Ezekiela dia nampiseho tamin’ireo Jiosy babo fa teo am-pahitana loza ny fireneny (vakio Ezekiela 12:1-7). Nitondra “entan’ny olona handeha ho any amin’ny fahababoana” ilay mpaminany mba hampisehoana fa ireo nobaboina dia tsy hitondra afa-tsy entana vitsivitsy eny an-tsorony. Tsy ho ela dia hamely ilay tanànan’i Jerosalema natao fahirano ny horohoro. Marina fa maro no tsy hihevitra ho zava-dehibe ireny fampitandremana ireny, nefa tsy maintsy hilaza amin’ny vahoaka Ezekiela hoe: “Tsy hisy hajanona ela intsony”. Amin’izao androntsika izao, na dia hamavoina aza ny fampiomanana sy ny faminanian’Andriamanitra, dia afaka manampy amin’ny fomba mandaitra an’ireo izay mitady ny fahamarinana isika mba hiaikeny fa hiharihary ho marina izany. — Ezekiela 12:8-28.
5. Koa satria antomotra ny “andron’i Jehovah”, iza no tsy maintsy nomelohina ampahibemaso?
5 Ny olona tsy nihaino ny mpitilin’i Jehovah dia tokony hahalala fa tsy hitsimbina azy ireny ny ‘sabatr’Andriamanitra’. Jehovah àry dia nanameloka ampahibemaso ireo olona izay niavian’ny hevi-diso nananan’ny vahoaka momba ny filaminan’i Jerosalema sy Joda. Nanohitra ireo mpaminany sandoka tamin’ny amboahaolo mpanimba izy, ka nambarany fa nisy mpandainga nandalotra fotsy ny rindrina mihozongozona, izany hoe ny fikasana tsinontsinon’ny vahoaka. Nomelohiny koa ireo mpaminanivavy sandoka. Akaiky ny “andron’i Jehovah” ary ny tavany dia nanatrika an’ireo izay ‘nisaraka taminy’, na, raha lazaina amin’ny teny hafa, ‘nanolo-tena tany an-kafa tamin’ny fanalavirana azy’. Raha nanolo-tena ho an’i Jehovah isika dia tsy ho tiantsika mihitsy ny hiala amin’ny fanompoana masina. — Ezekiela 13:1 ka hatramin’ny 14:11.
6. Hisy olona hahavonjy ny mponin’i Joda nikomy ve, ary mampahafantatra inona antsika izany?
6 Iza no ho afaka hamonjy ireo mponina mpiodina tao Joda rehefa hanatanteraka ny didim-pitsarany eo amin’ilay tany Andriamanitra? Na dia ny olo-marina tahaka an’i Noa sy Daniela ary Joba aza tsy hahavita izany. Raha tiantsika ny ho voavonjy dia, tokony hiantsoroka ny andraikitsika manokana eo anatrehan’Andriamanitra àry isika ka hanao ny sitrapony. — Ezekiela 14:12-23; Romana 14:12.
7. Noharin’i Jehovah tamin’inona moa ny firenen’ny Joda, kanefa inona no haoriny amin’ireo tsy hivadika?
7 Noho ny fivadihan’ireo mponina tao aminy, ny firenen’i Joda dia noharina tamin’ny voaloboka dia tsy manome voa tsara, mendrika hodorana (Ezekiela 15:1-7). Noharina tamin’ny zazavavy kely nariana, izay navotan’Andriamanitra avy tany Egypta ka notezainy hatramin’ny nahatongavany ho vehivavy lehibe koa izy. Naka azy ho vady Jehovah tamin’izay, nefa nitodika tany amin’ny andriamani-diso izy. Ho ringana àry izy noho ny nijangajangany ara-panahy. Na dia izany aza, Andriamanitra dia “hanorina fanekena mandrakizay” amin’ireo izay tsy hivadika aminy: fanekena vaovao natao tamin’ny Isiraely ara-panahy. — Ezekiela 16:1-63; Jeremia 31:31-34; Galatiana 6:16.
8. a) Noharina tamin’inona moa ireo mpanjakan’i Babylona sy Egypta? b) Inona no fianarana tokony hotsoahintsika avy amin’ny nivadihan’i Zedekia tamin’ny fanekena nataony?
8 Avy eo Jehovah dia nanohatra an’ireo mpanjakan’i Babylona sy Egypta tamin’ny voromahery lehibe. Ny anankiray nanapaka ny tendron’ny sedera iray tamin’ny nanalany tamin’ny toerany an’i Joiakina mpanjaka sy nanolorany azy tamin’i Zedekia. Na dia nampanantena fahatokiana tamin’i Nebokadnezara aza Zedekia dia nivadika tamin’ny fianianany ka nitady fanampiana ara-tafika tamin’ny mpanjakan’i Egypta, ilay voromahery lehibe hafa. Raha niantso ny anaran’Andriamanitra Zedekia rehefa nianiana, dia nanala baraka an’i Jehovah izy tamin’ny nivadihany tamin’izany. Ny fahafantarana fotsiny fa hanala baraka an’Andriamanitra isika raha mivadika amin’ny teny nataontsika, dia tokony hihazona antsika tsy hanao zavatra toy izany. Tombontsoa toy inona moa no ananantsika Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitondrana ny anaran’Andriamanitra! — Ezekiela 17:1-21.
9, 10. a) Faminaniana inona no voarakitra ao amin’ny Ezekiela 17:22-24, nefa inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny handray soa amin’ny fahatanterahany? b) Iza moa no tompon’andraikitra amin’ny vokatry ny fitondrantenantsika?
9 Nanaraka izany dia nisy faminaniana mampahery momba ny Mesia (vakio Ezekiela 17:22-24). Ny laingo “milenodenoka” resahina dia Jesosy Kristy ilay Mpanjaka mesianika. Tahaka ny laingo novolen’i Jehovah teo an-tendrombohitr’i Ziona any an-danitra, izy io dia ho tonga “sedera tsara indrindra”, fiarovana sy loharanom-pitahiana rehefa hitondra ny tany (Apokalypsy 14:1). Faminaniana mampahery re izany!
10 Kanefa raha tiantsika ny handray soa avy amin’ny fahatanterahan’io faminaniana mesianika io, dia ilaintsika ny mitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Ireo Jiosy nentina ho babo niaraka tamin’i Ezekiela dia toa nihevitra fa nanana foana ny fankasitrahan’Andriamanitra izy ireo ka nihevitra fa ny helok’ireo razany no nahatonga ny fahoriana nahazo azy. Nasehon’ilay mpaminany taminy anefa fa ny tsirairay avy dia mizaka ny vokatry ny fitondrantenany (Ezekiela 18:1-29; jereo Jeremia 31:28-30). Nisy antso nalefa avy eo (vakio Ezekiela 18:30-32). Mamindra fo amin’ireo izay mibebaka Jehovah; tsy mankasitraka ny ahafatesan’iza na iza izy. Noho izany dia hoy izy: ‘Mitodiha hianareo mba ho velona’. — Jereo 2 Petera 3:9.
11. Noharina tamin’inona moa ireo mpitondra ny Joda, ary inona no hitranga amin’io firenena io rehefa hamely azy ny ‘sabatr’i Jehovah’?
11 Tao amin’ny hira fisaonana ny amin’ny fianjeran’i Joda, dia noharina tamin’ny liona tanora ireo mpitondra ilay firenena. Maty tany amin’ny fahababoana tany Egypta Joahaza mpanjaka, voasambotr’i Nebokadnezara Joiakima ary nentina ho babo tany Babylona Joiakina. Avy eo dia napetrak’i Nebokadnezara teo amin’ny seza fiandrianan’i Joda Zedekia, nefa nikomy io mpanjaka io. Tamin’ny farany, toy ny liona tao anaty trano figadrana, dia nentina ho babo tany Babylona Zedekia. Nifanaraka tamin’io hira fisaonana ara-paminaniana io, dia tonga tahaka ny tanim-boaloboka rava ny firenen’i Joda tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka ‘tsy nanana tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy’. Namely azy ny ‘sabatr’i Jehovah’. — Ezekiela 19:1-14; Jeremia 39:1-7.
12. a) Sahala amin’ireo razambeny, fahadisoana inona moa no nataon’ny niara-belona tamin’i Ezekiela? b) Nahoana moa ireo babo jiosy no nanontany sao fanoharana no nolazain’i Ezekiela, ary mampitandrina antsika amin’ny fihetsika inona izany?
12 Rehefa nisy “loholon’ny Isiraely” nanatona azy dia nampita hafatra taminy avy tamin’Andriamanitra Ezekiela. Nasehony tamin’izy ireo fa Jehovah dia nanavotra ny Isiraelita avy tany Egypta ka nanome azy ny Lalàny, nefa nolavin’izy ireo izany mba hanarahana ny fanompoan-tsampy. Koa satria meloka tamin’ny fahadisoana tahaka izany ireo mpiara-belona tamin’i Ezekiela, dia hifandahatra amin’izy ireo mihitsy ny tenan’Andriamanitra. Tsy hoe noho ny tsy fahazoana loatra izay nolazain’i Ezekiela fa toa noho ny fisalasalana indrindra, no nilazan’ireo Jiosy babo izao fanontaniana izao: “Tsy fanoharana va no ataony?” Tsy ho ela dia ho tsapany fa tsy teny fanoharana velively ny hafatr’ilay mpaminany. Izany dia tokony hanosika antsika tsy hisalasala mihitsy raha ny amin’ny fahatanterahan’ireo fampitandremana ao amin’ny Baiboly. — Ezekiela 20:1-49.
Jehovah, mpiady mahery
13. Mampiseho inona moa ny ‘sabatr’Andriamanitra’, ary inona no fantatry “ny nofo rehetra” rehefa nanainga izany sabatra izany Jehovah?
13 Tamin’ny taona fahafito nahababoana (tsy nihoatra ny 10 Ab tamin’ny taona 611 al. f. i.), dia roa taona sy tapany latsaka sisa no nandrasana talohan’ny hipoahan’ny “ady amin’ny andron’i Jehovah” hamelezana an’i Joda sy Jerosalema (Ezekiela 13:5; 20:1). Aoka homarihintsika izay nambaran’i Jehovah Mpiady mahery tamin’izany tamin’ny alalan’i Ezekiela (vakio Ezekiela 21:6-10). Ny ‘sabatr’i Jehovah’ dia mampiseho ny fitaovana eto an-tany izay hampiasainy, nefa izany koa dia mety hahafaoka ny fandaminany any an-danitra azo oharina amin’ny kalesy iray. Ny mponina tao Joda sy Isiraely, na ireo “marina” na ireo “meloka”, ary ireo firenena nanohitra ny vahoakan’Andriamanitra, dia ho lavon’izany ‘sabatr’Andriamanitra’ izany. Eny, “ho fantatry ny nofo rehetra” fa Jehovah dia niady taminy.
14. a) Sahala amin’i Ezekiela, manintona ny saina ho amin’inona moa ny vavolombelon’i Jehovah voahosotry ny fanahy? b) Inona no mampiseho fa tsy hotsimbinin’ny ‘sabatr’Andriamanitra’ ireo mpitondra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
14 Amin’izao androntsika izao, tahaka an’i Ezekiela, ny vavolombelon’i Jehovah voahosotry ny fanahy dia manintona ny saina ho amin’ny ‘sabatr’Andriamanitra’ izay haingainy hamelezana ireo mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay ny tany iasany dia mahaforona ny “tanin’Isiraely” ara-panoharana. Tsy ho ela dia hamely “ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra” dia ny mpanaraka fivavahan-diso rehetra, io ‘sabatra’ io. Tsy nanana antony hifaliana mihitsy ireo olona niavonavona tamin’ny andron’i Ezekiela tamin’ny nilazany anakampo fa tsy “hahafaty be” amin’izy ireo ny ‘sabatr’i Jehovah’. Nanjera ny tehim-panjakana tao amin’ny fanjakan’ny Joda io ‘sabatra’ io, tahaka ny nanjerany ny “hazo” hafa rehetra na tsorakazo. Azo antoka àry fa tsy hotsimbinin’ny ‘sabatr’Andriamanitra’ ireo mpitondra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. — Ezekiela 21:11-22.
15. Fisehoan-javatra inona tamin’ny fanafihana ara-tafika nataon’i Nebokadnezara no mampiseho fa tsy misy afaka mampivily ny ‘sabatr’i Jehovah’?
15 Asehon’ny faminanian’i Ezekiela manaraka izany fa tsy misy mihitsy olona, na dia ireo demonia aza, afaka mampivily ny ‘sabatr’i Jehovah’ (vakio Ezekiela 21:23-27). Toa nampiasa fankatovana i Nebokadnezara mpanjaka, kanefa hataon’i Jehovah izay hahatonga an’io mpanjaka babyloniana io handalo any Jerosalema fa tsy any Raba, tanàna kely hery kokoa sady renivohitry ny Amonita. Ao anaty fitoerana entana no hifidianan’i Nebokadnezara zanatsipìka voamarika ho an’i Jerosalema. Hampiasa terafima (azo inoana fa sampy kely sariolona) ary hitady fambara ao amin’ny atim-biby maty izy. Nefa na dia ao aza ny fampiasana fankatovana, dia hanaraka ny lalana mankany amin’ny renivohitr’i Joda izy ka hanao fahirano azy. Marina fa nanao fanekena tamin’i Zedekia mpanjaka i Nebokadnezara. Kanefa, noho io mpanjaka io mbamin’ny Jiosy hafa nivadika ny fianianana, dia “hosamborin-tànana” izy ireo ka hoentina ho babo any Babylona. — Ezekiela 21:28, 29.
16. a) Inona moa no nitranga ho fahatanterahan’ny Ezekiela 21:30-32? b) Oviana moa no nanomboka ny andron’ny Jentilisa, ary nifarana tamin’ny fisehoan-javatra inona izany?
16 Noho ny fikomiany, dia nandratra tena hatramin’ny fahafatesana i Zedekia (vakio Ezekiela 21:30-32). Rehefa naongana io mpanjakan’ny Joda io, dia nesorina taminy ny fehiloham-piandrianana sy ny satroboninahitra (2 Mpanjaka 25:1-7). ‘Naetry’ ny fanjakana ‘avon’i’ Joda tamin’ny fandravana azy, tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. ‘Nasandratra’ àry ireo fanjakana jentilisa “iva”, satria hatreo izy ireo dia afaka nanapaka ny tany tsy voasakantsakan’ny fanjakan’Andriamanitra tandindona (Deoteronomia 28:13, 15, 36, 43, 44). Tamin’izany no nanombohan’ny “andron’ny jentilisa” (ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena), izay nifarana tamin’ny 1914 rehefa nanome ny fiandrianana ho an’i Jesosy Kristy, ‘ilay tena tompony tokoa’, Andriamanitra. (Lioka 21:20-24; Salamo 110:1, 2; Daniela 4:12-25; 7:13, 14.) Koa satria nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana tany an-danitra i Jesosy, dia tsy afaka nanitsaka izay nasehon’i Jerosalema, izany hoe ny Fanjakan’ilay mpandova ara-dalàna an’i Davida, ireo firenena jentilisa. — Hebreo 12:22.
17. “Lainga” inona no nolazain’ireo mpaminany amonita?
17 Nanantitrantitra ireo mpaminany amonita fa Raba, renivohitr’i Amona, dia ho afa-mandositra ny sabatra fandringanan’i Nebokadnezara. “Lainga” izany, satria horavana tanteraka ny tanin’i Amona. Amin’izao androntsika izao, dia namoaka didy Andriamanitra fa ny fandravana ny fivavahana lazaina fa kristiana dia harahin’ny an’ireo firenena, toy ny fandravana an’i Raba nanaraka ny an’i Jerosalema. — Ezekiela 21:33-37; Apokalypsy 16:14-16.
Voatsara Jerosalema
18. Noho ny fahotana inona avy nataon’i Jerosalema moa no nahatonga an’i Ezekiela hiampanga an’io tanàna io, ary inona no tokony ho vokatr’izany fisehoan-javatra izany eo amintsika?
18 Nanohy nilaza ny tenin’i Jehovah i Ezekiela ka niampanga an’i Jerosalema noho ny fahotany, toy ny famonoana olona, ny fanompoan-tsampy, ny fitondrantena tsy mendrika, ny fitaka sy ny fialana amin’Andriamanitra. Ireo filohan’io tanàna io, izay voaloton’ny ra, dia nanampatra ny fahefany ka tonga hatramin’ny fampamonoana olona tamin’ny alalan’ny lalàna, ary nisy mpanendrikendrika nanaisotra ireo fahavalony tamin’ny fiampangana lainga azy ireny. Hampihahaka ny mponin’i Jerosalema izany fanaovan-dratsy izany. Izany fisehoan-javatra izany dia tokony hanatanjaka antsika amin’ny fahavononantsika tsy hanamelo-tena amin’ny fanamparam-pahefana, ny fitondrantena tsy mendrika, ny fanendrikendrehana na fahotana lehibe hafa koa. — Ezekiela 22:1-16.
19. Tamin’ny heviny ahoana moa no hoe hiempo ny mponin’ny Joda ary nahoana no mendrika ny fanafoanana izy ireo?
19 Hampiempo ny mponin’i Joda ao amin’ny lafaoro koa Jehovah, tsy hoe mba hanadiovana azy amin’ny fandrendrehana, fa mba hampitsonika azy ao amin’ny fahatezerany mirehitra (Ezekiela 22:17-22). Tena mendrika izany sazy izany ireo mpaminany mpiray teti-dratsy, ireo mpisorona ratsy fanahy, ireo mpanapaka mpierina sy ireo olona tsy marina. Nampangaina izy rehetra. Koa satria tsy nisy na dia iray taminy aza niaro ny rariny, dia handringana azy ireny amin’ny afon’ny fahatezerany Andriamanitra. — Ezekiela 22:23-31.
Sazy tandrifina
20. Tamin’ny vehivavy ara-panoharana iza avy moa no tsy maintsy nampidinan’Andriamanitra ny fahatezerany, ary inona avy no andinindininy azonao omena momba ny maha-izy azy ireo?
20 Rehefa avy eo, ny fanidinana ny fahatezeran’Andriamanitra dia aseho an’ohatra amin’ny fitsarana ampiharina amin’ny vehivavy ara-panoharana roa meloka ho nijangajanga ara-panahy. Ohola ny anaran’ny anankiray tamin’izy ireo; izy io dia nampiseho ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely, nanana an’i Samaria ho renivohitra. Izy io no “zokiny”, satria voaforon’ny ankamaroan’ny fokon’ny Isiraely, anisan’izany ireo taranak’ireo zokiny tamin’ny zanak’i Jakoba, dia Robena sy Simeona. Oholiba ny rahavaviny; izy io no nampiseho ireo foko roan’i Joda nanana an’i Jerosalema ho renivohitra. Ny dikan’ny hoe Ohola dia “Lainy”, ary ny hoe Oholiba dia “Ny laiko no ao aminy”, ka nety tanteraka izany satria tao amin’ny tanin’ny Joda ny lain’Andriamanitra, ny tempoly. — Ezekiela 23:1-4.
21. Ahoana moa no nitadiavan’i Ohola hiantoka ny tsy fananany ahiahy, ary inona no fianarana tokony hotsoahintsika avy amin’izay nitranga taminy?
21 Tsy nisy intsony Ohola (Isiraely) rehefa narodan’ny Asyriana, tamin’ny 740 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Inona no nataony (vakio Ezekiela 23:5-7)? Naneho fivadihana izy rehefa nitady izay tsy hananana ahiahy tamin’ny alalan’ny fanekena ara-politika, kanefa izany nitarika azy hanaraka ny fanompoam-pivavahan-dison’ireo mpiray dina taminy, hany ka “tamin’ny sampiny rehetra no nandotoany tena”. Aoka isika haka fianarana amin’izay nitranga tamin’i Ohola noho ny nijangajangany ara-panahy, ary aoka isika hitandrin-tena mba tsy hampifamatotra fisakaizana amin’izao tontolo izao, satria mety handrava ny finoantsika izany. — Jakoba 4:4; 1 Jaona 2:15-17.
22. Inona moa no ataon’ny fivavahana lazaina fa kristiana sahala amin’ny nataon’i Ohola sy Oholiba, nefa inona no hitranga aminy?
22 Noho izy nanaraka lalan-dratsy kokoa noho ny an’ny rahavaviny, dia nahita lozam-pirenena Oholiba (Joda) noho ny famelezan’ny Babyloniana tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Lavon-tsabatra ireo zanany na nentina ho babo, ka afa-boninahitra teo imason’ireo firenena izy. Sahala amin’i Ohola sy Oholiba, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mijangajanga ara-panahy, ka izany dia fahotana eo imason’Andriamanitra izay lazainy fa ivavahana. Ny fivavahana protestanta, misy antokony maro, dia vao mainka nandoto tena kokoa noho ny zokiny vavy, ny Eglizy katolika, niaraka tamin’ireo hery ara-barotra sy ara-politika eo amin’izao tontolo izao. Hataon’i Jehovah àry izay handravana ny fivavahana lazaina fa kristiana manontolo. Ho fantatry ny rehetra amin’izay fa izy no Jehovah Mpanjaka Tompo. Ho tapa-kevitra kokoa isika ny hanary izay rehetra mety ho fifamatorana amin’izao tontolo izao raha tadidiantsika fa tsy ho ela ireo sakaizan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia hiodina hamely azy ary hampihatra ny didim-pitsarana notononin’Andriamanitra tamin’io tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, io. — Ezekiela 23:8-49; Apokalypsy 17:1-6, 15-18.
Ankona ireo mpihatsaravelatsihy
23. Noharin’i Jehovah tamin’inona moa Jerosalema tao amin’ny hafatra nomeny an’i Ezekiela tamin’ny faran’ny volana desambra taona 609 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ary inona no hitranga amin’io tanàna io?
23 Tamin’ny faran’ny volana desambra, tamin’ilay andro mihitsy (10 Tebeta taona 609 al. fan. ir.) nanaovan’i Nebokadnezara fahirano an’i Jerosalema, fahirano haharitra 18 volana, dia nomen’Andriamanitra an’i Ezekiela ny hafatra ara-panoharana hafa iray koa. Nohariny tamin’ny vilany hitanehana ny mponin’ilay tanàna ny tanànan’i Jerosalema natao fahirano. Nahatonga fisehoan’ny “harafesina” tao amin’io vilany ara-panoharana io ny fahalotoana ara-pitondrantena. Havoaka “tsirairay” avy ao Jerosalema ireo mpanota, ary tsy hifarana ny loza hanjo azy raha tsy efa ringana izy. Notsarain’i Jehovah araka ny asa ratsiny Jerosalema, ary tokony horavana izy, toy ny hatao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. — Ezekiela 24:1-14.
24. a) Nahoana moa Ezekiela no tsy nampiseho ny alahelony rehefa maty ny vadiny? b) Rehefa hamely azy ny ‘sabatr’i Jehovah’, hanao ahoana ny fihetsiky ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary inona no ho fantany?
24 Tsy maintsy nanao zavatra tamin’ny fomba hafahafa rehefa avy eo i Ezekiela (vakio Ezekiela 24:15-18). Nahoana moa ilay mpaminany no tsy tokony hampiseho ny alahelony rehefa maty ny vadiny? Mba hampisehoana fa ho ankona tokoa ny Jiosy amin’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny mponina ao aminy ary ny tempoliny. Efa ampy ny zavatra noresahin’i Ezekiela ny amin’ireny fisehoan-javatra ireny ka tsy hanambara intsony ny hafatr’Andriamanitra izy mandra-pahafantany ny fianjeran’i Jerosalema. Toy izany koa fa ho ankona ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ireo mpanaraka azy mpihatsaravelatsihy amin’ny fandringanana azy ireo. Aorian’ny fanombohan’ny “fahoriana lehibe”, dia ho ampy izay ho efa nolazain’ny kilasin’ny mpitily voahosotra momba ny hanafoanana ny fivavahana lazaina fa kristiana (Matio 24:21). Nefa rehefa hanainga ny ‘sabany’ Andriamanitra hamelezana ny fivavahana lazaina fa kristiana, ireo mpikambana ao aminy mbamin’ny olon-kafa ankona dia ‘hahafantatra fa izy no Jehovah’. — Ezekiela 24:19-27.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no nitranga rehefa nanainga ny ‘sabany’ hamely ny Joda sy Isiraely Jehovah?
◻ Inona moa no fianarana azontsika tsoahina avy amin’izay nitranga tamin’i Zedekia noho ny nandikany ny fianianana nataony tamin’i Nebokadnezara?
◻ Mampiseho inona moa ny ‘sabatr’Andriamanitra’?
◻ Fisehoan-javatra inona tamin’ny fanafihana ara-tafika nataon’i Nebokadnezara no mampiseho fa tsy misy mihitsy afaka mampivily ny ‘sabatr’i Jehovah’?
◻ Inona no zava-niseho ho fahatanterahan’ny Ezekiela 21:30-32?
◻ Mampiseho inona moa ny tsy nampisehoan’i Ezekiela ny alahelony rehefa maty ny vadiny?
[Sary, pejy 18]
Faminaniana inona no nanomboka ho tanteraka rehefa nivadika ny fanekena nataony tamin’i Nebokadnezara i Zedekia mpanjaka ka nentina ho babo?