Ny kodeksa Bezae − soratanana tsy manam-paharoa
I THÉODORE DE BÈZE, manam-pahaizana frantsay malaza momba ny Soratra grika kristiana, dia mpiara-miasa akaiky tamin’ilay mpanavao protestanta atao hoe Jean Calvin sady mpandimby azy. Tamin’ny 1562, i Bèze araka ny ahafantarana azy kokoa, dia nampiharihary ny fisian’ny soratanana tranainy tsy araka ny fahita iray. Araka ny filazany, dia tao amin’ny monasteran’i “Masindahy” Irénée tany Lyon, any Frantsa, no nahazoany azy, taorian’ny nandroban’ireo Huguenots io tanàna io. Tsy dia mazava ny tany niaviany, fa tany Afrika Avaratra na tany Egypta no azo inoana indrindra fa toerana nipoirany.
Mirefy 20 santimetatra sy 25 santimetatra io kodeksa io ary ekena ho tamin’ny taonjato faha-5 amin’ny fanisan-taona iraisana no nanaovana azy, taoriana kely kokoa noho ny soratanana Sinaiticus, Vaticanus ary Alexandrinus. Takela-taratasy 406 no mahaforona azy io ary tsy misy afa-tsy ireo filazantsara efatra sy ny Asan’ny apostoly, miaraka amina banga. Mety ho nisy taratasy hafa anefa ny Kodeksa Bezae tany am-boalohany, satria misy tapany amin’ny taratasy fahatelon’i Jaona ao. Mialoha ny filazantsaran’i Lioka sy Marka ny filazantsaran’i Matio sy Jaona.
Ohatra tranainy ny amin’ny soratra atao amin’ny fiteny roa io soratanana io, ka eo amin’ny pejy havia ny teny grika, ary eo amin’ny havanana ny teny latina. Azo inoana fa kopian-tsoratra tranainy natao tamin’ny “papyrus”, nitovy tamin’ny soratanana natao tamin’ny “papyrus” hafa tamin’ny taonjato faha-3 na faha-4 fantatra amin’ny anarana hoe P29, P38 ary P48 izy io.
Sora-baventy antsoina hoe “onciales” tsara tarehy sy matevina no nanoratana ny Kodeksa Bezae, ary tsy mifampitohy ireo soratra ao anatin’ny pejy iray. Tsy misy mitovy ny halavan’ireo andalana, mba hahafahan’ny faran’ny andalana tsirairay avy manamarika ireo fiatoana eo am-pamakiana azy. Ilay teny latina ao dia mahagaga fa nosoratana araka ny fanoratra ireo litera grika, ary nahitsy mba hifanaraka amin’ny famakiana teny grika ny andalan-tsoratra amin’ny toerana maro. Ilay soratra grika kosa dia miavaka tsara ary hita fa nisy tanana maro nanitsy azy, anisan’izany ny an’ilay nanoratra azy tany am-boalohany.
Ny sora-baventy hoe “D” no anondroana ara-dalàna ny Codex Bezae. Hafa dia hafa noho ireo soratanana lehibe hafa rehetra izy io ary tsy miankina amin’ireo. Araka ny fanamarihana maromaro ambany pejy ao amin’ny Soratra masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, io Kodeksa io indraindray dia mifanaraka ary indraindray kosa dia mifanipaka amin’ny Sinaiticus (א), ny Vaticanus (B) ary ny Alexandrinus (A). Ny tena mampisy vidiny an’io kodeksa io dia ny fanamafisany ireo soratanana lehibe hafa fa tsy ireo teny banga sy teny nampiana manokana akory. — Jereo ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Soratra masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao misy fakàn-teny, (anglisy) ao amin’ny Matio 23:14; 24:36; 27:49; Marka 7:16; 9:44, 46; 11:26; Lioka 15:21; Jaona 5:4.
Na dia eo aza ireo fomba famaky sy fahasamihafana tsy mahazatra ao aminy, ny Kodeksa Bezae dia porofo tsara dia tsara hafa iray ny amin’ny fiarovana ny Baiboly hatramin’izao androntsika izao.