Tena ilaintsika ve ireo soratra tany am-boalohany?
TANY amin’ny 3 500 taona lasa tany ho any, ny lehilahy be taona iray tany Atsinanana Afovoany dia nanangona ny tantaran’izao tontolo izao mandra-pahatongan’ny androny. Izany asa izany, izay nanjary nahaforona boky lava dimy, dia tsy maintsy nitaky fiezahana goavana. Efa naherin’ny 80 taona izany lehilahy izany rehefa nanomboka nanoratra ny fitantarany. Na izy na ny fireneny dia samy tsy nanana toeram-ponenana voafaritra tsara fa nirenireny avy teo amin’ny toerana iray ho any amin’ny toerana iray hafa tany amin’ny Efitr’i Sinay. Rehefa ela ny ela, anefa, izay nosoratan’io lehilahy be taona io dia nanjary anisan’ny zava-bita lehibe indrindra fantatra hatramin’izay teo amin’ny haisoratra.
Izany lehilahy izany dia i Mosesy, izay nomen’Andriamanitra tombontsoa hitarika ny firenen’Isiraely fahizay hiala tamin’ny fahandevozana tany amin’ny tanin’i Egypta. Ireo boky dimy nosoratany dia fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe “Pentateuque”, dia ilay mahaforona ny tapany voalohany amin’ny Baiboly Masina. Notarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny heriny miasa, i Mosesy. Noho izany, na dia ankehitriny aza isika dia afaka mamaky ny sorany ho tombontsoantsika lehibe manokana. Manontany anefa ny olona indraindray hoe: ‘Azontsika itokiana marina ve ireo tenin’i Mosesy sy ny an’ireo mpanoratra ny Baiboly hafa? Ananantsika ve ireo sorany tany am-boalohany? Raha tsia, dia inona no niafaran’izy ireo? Ary ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa izay ao amin’ny Baiboly dia ilay tena nosoratan’ireo mpanoratra azy tany am-boalohany?
Ireo fitaovana nampiasaina
Misy antony maro hahazoantsika antoka fa tsy niova ny hevitra fototry ny Baiboly hatramin’ny nanoratana azy tany am-boalohany. Marina fa tsy manana ny soratanan’ireo mpanoratra ny Baiboly tany am-boalohany isika. Kanefa raha ny marina dia tsy tokony hanantena ny hanana ireny soratanana ireny isika. Fa nahoana? Noho ireo fitaovana nampiasaina mba hanoratana azy ireo, noho ny fombafomba iray izay, fanaon’ny Jiosy taloha, ary noho ny tantara hatramin’ny nanoratana azy ireo.
Voalohany aloha, dia aoka isika handinika ireo fitaovana nampiasaina. Misy zavatra sasany izay nosoratana tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly, mbola misy foana hatramin’izao. Ny ankamaroan’izy ireny anefa dia nosoratana teo amin’ny vato na ny tanimanga, izay afaka maharitra ela dia ela. Kanefa, toa nosoratana tamin’ny zavatra mora simba kokoa ny Baiboly tany am-boalohany. Ny soratra sasany nataon’i Jeremia mpanoratra ao amin’ny Baiboly, ohatra, dia nodoran’i Joiakima mpanjaka. (Jeremia 36:21-31) Ny takela-bato na tanimanga dia tsy ho azo nofoanana mora foana tahaka izany.
Fitaovana fanoratana inona àry no nampiasain’ireo mpanoratra ny Baiboly? “Mosesy [dia] nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana”, ary ny fitaovana fanoratana fampiasa indrindra tany Egypta dia ny “papyrus” (karazan-jozoro). (Asan’ny apostoly 7:22) Nety ho nanoratra tamin’io fitaovana mora simba io àry i Mosesy. Ny fitaovana fanoratana hafa iray fampiasa tany Atsinanana Afovoany dia ny hodi-biby — hoditra na taratasy hodi-janak’omby (vélin). Angamba i Jeremia nanoratra tamin’ny hoditra. Ny hoditra sy ny “papyrus” dia samy ho may rehefa natsipin’i Joiakima tao amin’ny afo ny horonan’i Jeremia.
Marina aloha fa “papyrus” maro be no naharitra an’arivony taona maro any Egypta manana toetr’andro mafana sy maina. Kanefa mahalana dia mahalana no ahitana izany. Mazàna dia mora simba na ny “papyrus” na ny hoditra. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Oscar Paret: “Ireo zavatra roa fampiasa ho fanoratana ireo dia samy mora iharan’ny fahasimbana avy amin’ny fahamandoana, ny bobongolo ary ny olitra isan-karazany amin’ny lafiny lehibe dia lehibe. Fantatsika avy amin’ny zava-mitranga isan’andro ny maha-mora simba ny taratasy ary na dia ny hoditra mafy aza, rehefa avela eny an-kalamanjana na ao amin’ny efitra mando.”
Tany Isiraely fahizay, toerana namoahana ny ankamaroan’ireo bokin’ny Baiboly, dia tsy nety ho an’ny fiarovana soratanana ny toetr’andro. Noho izany, ny ankamaroan’ireo soratanana tamin’ny Baiboly tany am-boalohany dia nety ho potika efa ela be. Ary raha tsy potika aza izy ireo, dia misy fombafomba jiosy taloha iray izay, mahatonga ny faharetany hatramin’izao androntsika izao ho tsy azo inoana loatra. Inona izany fombafomba izany?
Fandevenana soratanana
Tamin’ny 1896 dia nisy manam-pahaizana iray nanao fikarohana fatratra tao amin’ny “genizah” iray tany Le Caire ka nahita soratra tranainy 90 000 izay nitondra fiovana teo amin’ny fianarana ny tantaran’ny Atsinanana Afovoany. Inona moa no atao hoe “genizah”? Ary inona no ifandraisan’izany amin’ireo soratanana tamin’ny Baiboly tany am-boalohany?
Ny “genizah” dia efitra iray fametrahan’ireo Jiosy tamin’ny andro fahiny soratanana tonga tonta noho ny fampiasana. Hoy ny soratan’ilay manam-pahaizana atao hoe Paul E. Kahle: “Fanaon’ireo Jiosy ny nametraka izao karazana zavatra nosoratana na vita pirinty rehetra izao tao amin’ny efitra toy izany izay tao anatin’ny synagogany na teo akaikiny; tsy natao tao toy ny hoe tao amin’ny fitahirizana taratasy tranainy akory izy ireo, fa natao izay tsy hikitihana azy nandritra ny fotoana sasantsasany. Natahotra ireo Jiosy sao ho voaloto noho ny fampiasana ratsy azy ny soratra toy izany izay nety ho nisy ny anaran’Andriamanitra. Ny zavatra nosoratana — ary tatỳ aoriana dia izay vita pirinty koa — toy izany àry indraindray dia nentina tany amin’ny tany voatokana ho masina ary nalevina tao; tamin’izany fomba izany no naha-simba azy ireo. Sendrasendra fotsiny no nanadinoana io “genizah”-n’i Le Caire io ka tsy nihatra tamin’ireo zavatra tao anatiny izay nanjo ireo “genizah” hafa.” — The Cairo Geniza, pejy faha-4.
Ahoana raha naharitra hatramin’ny fotoana nipoiran’io fombafomba io ny soratanana tamin’ny Baiboly tany am-boalohany iray? Tsy misy isalasalana fa ho tonga tonta noho ny fampiasana azy matetika izany ka ho nalevina.
Fiovan-javatra teo amin’ny tantara
Eo am-pandinihana izay nety ho nanjo ireo soratanana tamin’ny Baiboly tany am-boalohany, ny anton-javatra iray farany tokony hotsaroantsika dia ny tantara nikorontan’ireo tany nanoratana ny Baiboly. Ho ohatra, dia diniho izay nanjo ireo boky nosoratan’i Mosesy efa be taona. Izao no lazaina amintsika: “Rehefa voasoratr’i Mosesy teo amin’ny boky avokoa ny tenin’ity lalàna ity, dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, izy ka nanao hoe: Raiso ity bokin’ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah Andriamanitrareo.” — Deoteronomia 31:24-26.
Ny fiaran’ny fanekena dia vata masina izay nampiseho ny fanatrehan’Andriamanitra teo amin’ireo Isiraelita. Nentina tany amin’ny Tany nampanantenaina (niaraka tamin’ireo soratanan’i Mosesy), izy io, ary notahirizina tamin’ny toerana samy hafa tany. Nisy fotoana izay nakan’ny Filistina an-keriny azy io. Tatỳ aoriana, i Davida mpanjakan’ny Isiraely dia nitondra ilay Fiara tany Jerosalema, ary tamin’ny farany dia napetraka tao amin’ilay tempoly namboarin’i Solomona tao izy io. I Ahaza mpanjaka anefa dia nanorina alitaran-tsampy tao amin’ilay tempoly ary nanidy izany tamin’ny farany. I Manase mpanjaka dia nameno azy io tamin’ny fanompoam-pivavahana ho an’ny sampy.
Nandritra izany fotoana izany, dia inona no nanjo ilay fiaran’ny fanekena sy ireo soratr’i Mosesy? Tsy fantatsika izany, kanefa ny sasany taminy fara faharatsiny dia very. Tamin’ny andron’i Josia mpanjaka, ireo niasa tao amin’ny tempoly dia nahita tsy nampoizina “ny bokin’ny lalàna mihitsy”, angamba ilay tena nosoratan’ny tanan’i Mosesy mihitsy. (2 Mpanjaka 22:8, MN ) Betsaka tamin’izay voarakitra tao no tsy fantatr’ilay mpanjaka teo aloha, ary niteraka fahavelomana ara-panahy lehibe indray ny famakiana azy. — 2 Mpanjaka 22:11–23:3.
Taorian’ny nahafatesan’i Josia, dia nivadika indray ny mponin’i Joda ary rehefa ela ny ela dia natao sesitany tany Babylona. Rava ilay tempoly, ary izay zavatra sarobidy rehetra tao dia nentin’ireo mpandresy ho any Babylona. Tsy misy fitantarana ny amin’izay nanjo ilay Fiara na ireo tahirin-kevitra sarobidy hita tamin’ny andron’i Josia. Taona maro tatỳ aoriana anefa, rehefa nampirisihina hanorina indray an’i Jerosalema sy hamerina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio ireo Jiosy maro tafaverina tany an-tanindrazany, i Ezra mpisorona sy ny hafa koa dia namaky ampahibemaso avy tamin’ny “bokin’ny lalàn’i Mosesy.” (Nehemia 8:1-8) Noho izany àry dia nisy kopian’ireo soratra tany am-boalohany. Avy aiza moa izy ireo?
Ny fanaovana kopia ny Tenin’Andriamanitra
Nambaran’i Mosesy mialoha ny fotoana hanapahan’ny mpanjaka iray eo amin’ny Isiraely ary nanao an-tsoratra izao baiko manokana izao izy: “Rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ireo Levita mpisorona.” (Deoteronomia 17:18) Noho izany àry dia tsy maintsy nisy kopian’ireo Soratra masina natao.
Nanjary raharaha nilana fahaizana manokana tamin’ny farany ny fanaovana kopia ireo Soratra masina. Miteny toy izao tokoa ny Salamo 45:1: “Fanoratan’ny faingan-tsoratra ny lelako.” Ny mpanao kopia toa an-dry Safana sy Zadoka dia voatonona amin’ny anarany. Kanefa ilay mpanao kopia tamin’ny andro fahiny nalaza indrindra dia i Ezra, izay nandray anjara koa tamin’ny fanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. (Ezra 7:6; Nehemia 13:13; Jeremia 36:10) Na dia teo am-panoratana aza ireo tapany farany amin’ny Baiboly, ireo boky efa voasoratra dia natao kopia foana sy nozaraina.
Fony teto an-tany i Jesosy Kristy, dia nisy kopian’ireo Soratra hebreo (Genesisy ka hatramin’ny Malakia) azo nampiasaina tsy tao Jerosalema ihany fa toa tany amin’ireo synagogan’i Galilia koa. (Lioka 4:16, 17) Eny, tany Beria lavitra, tany Makedonia, aza ireo Jiosy tsara toe-panahy dia afaka “nandinika ny Soratra Masina isan-andro”! (Asan’ny apostoly 17:11) Mbola misy amin’izao andro izao ny kopia soratanana eo amin’ny 1 700 eo ho eo an’ireo boky ao amin’ny Baiboly nosoratana talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, ary koa kopia eo amin’ny 4 600 eo ho eo amin’ireo nosoratan’ny mpianany (Matio ka hatramin’ny Apokalypsy).
Marina ve ireo kopia? Eny, faran’izay marina tokoa. Ireo manam-pahaizana manokana momba ny fanaovana kopia ireo Soratra hebreo (antsoina hoe Soferima) dia niahy mafy ny amin’ny tsy hanaovana diso na dia kely akory aza. Mba hanamarinana ny asany, dia nisainy ireo teny ary na dia ireo litera aza, tao amin’ny soratra tsirairay avy nataony kopia. Noho izany i Jesosy, ny apostoly Paoly ary ny hafa koa izay nanonona ireo mpanoratra ny Baiboly fahiny, dia tsy nanana fisalasalana velively ny amin’ny fahamarinan’ireo kopia nampiasainy. — Lioka 4:16-21; Asan’ny apostoly 17:1-3.
Marina fa ireo mpanao kopia jiosy sy ireo mpanao kopia kristiana tatỳ aoriana dia tsy hoe tsy nety nanao diso. Nisy diso tafiditra, kanefa ireo kopia maro izay mbola misy dia manampy antsika hahita ny niavian’ireny diso ireny. Amin’ny fomba ahoana? Ireo mpanao kopia samy hafa dia nanao diso samy hafa. Noho izany àry, amin’ny fampitahana ny asan’ireo mpanao kopia samy hafa no hahafahantsika mamantatra ny maro amin’ireo diso nataon’izy ireo.
Nahoana isika no afaka mahazo toky
Tamin’ny 1947 dia nisy zavatra hita tsy nampoizina, dia horonam-boky tranainy sasany tao anaty zohy teo akaikin’ny Ranomasina maty. Nampiseho ny naha-tena marina ny fanaovana kopia ireo Soratra masina ireny horonana ireny. Anisan’izy ireo dia nisy kopia iray an’Isaia, boky ao amin’ny Baiboly, izay tranainy kokoa noho izay soratra azo nampiasaina rehetra hatramin’io fotoana io, ka teo amin’ny arivo taona teo ho eo ny elanelany. Na dia izany aza anefa, ny fampitahana azy ireo dia nampiseho fa ny hany fahasamihafana nisy teo amin’ny soratanana hita tany amin’ny Ranomasina maty sy ireo kopia natao tatỳ aoriany dia ny amin’ny toeran’ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Tsy niova ny dikan’ilay soratra taorian’ny fanaovana kopia nandritra ny arivo taona! Raha ny amin’ny teny ao amin’ny Soratra hebreo àry dia afaka miteny toy izao ilay manam-pahaizana atao hoe William Henry Green: “Azo atao ny miteny amim-patokiana fa tsy misy asa hafa natao tamin’ny andro fahiny ka nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany.” Fanamarihana mitovy amin’izany no natao momba ny fahamarinan’ny fampitana ireo Soratra grika kristiana.
Marina aloha fa hahafinaritra tokoa ny fahitana ilay tena soratanan’i Mosesy na i Isaia. Kanefa raha ny tena marina dia tsy ilaintsika ireo soratra tany am-boalohany. Tsy ilay tahirin-kevitra no zava-dehibe fa izay raketiny. Ary ny fahagagana dia ny hoe, na dia nandalo aza ny taonjato maro nisamboaravoara sy ny fanaovana kopia ary ny fanaovana izany indray, dia afaka mahazo toky isika fa ny Baiboly dia mbola misy ireo fanazavana hita tao amin’ireny soratra tranainy tany am-boalohany ireny ihany. Noho izany àry dia voaporofo fa marina ity teny ao amin’ny Soratra masina ity: “Ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo [Jehovah, MN ] maharitra mandrakizay.” — 1 Petera 1:24, 25.