Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana
Vaovao tsara avy any Norvezy
MANANA fitantarana maro tsara dia tsara ireo mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maherin’ny 9 500 any Norvezy. Eken’ireo olona tso-po ho ny fahamarinana sy ho valim-bavaka ny hafatry ny Baiboly torin’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny hita amin’ny fitantarana manaraka eto.
◻ Nisy mpivady tanora nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampiany azy hahita zava-kendrena eo amin’ny fiainana. Herinandro taorian’izay, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika, ary nanasa azy handroso ilay vehivavy. Nisy nampitandrina an’ilay lehilahy ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, koa nivoaka ny trano mba hanasa ny fiarany izy. Avy any Liban ilay vehivavy ary tsy nahazo tsara ilay fiteny. Nasehon’ireo Vavolombelona azy ny anaran’i Jehovah tao amin’ny Baiboliny amin’ny fiteny arabo. Tapa-bolana tatỳ aoriana, dia niverina ireo Vavolombelona, ary mbola lasa nanasa ny fiarany indray ilay rangahy. Nanontanian’ireo Vavolombelona ilay vehivavy raha nihevitra izy fa ho afaka ny ho eo ny vadiny rehefa ho tonga amin’ny manaraka izy ireo mba hahafahany mandika teny, ary dia nampanantena ny hanontany azy izy.
Tamin’ny fitsidihana fahatelo, dia efa nadio be ilay fiara ka tsy nihevitra ilay lehilahy fa afaka nampiasa izany ho fialan-tsiny mba hialana, koa nijanona izy ary nanao fanontaniana maro mba hahitana ny fahasamihafana eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivavahana ôfisialy. Naharitra adiny telo ilay fitsidihana, ary nametrahana bokikely ilay mpivady. Rehefa lasa ireo Vavolombelon’i Jehovah, dia nandeha natory ilay ramatoa, fa nanomboka namaky ilay bokikely sy nitady ireo andininy rehetra kosa ilay rangahy. Tamin’ny misasakalina dia nofohaziny ny vadiny ary hoy izy: “Tsy maintsy vakinao ity.” Nitsangana izy, ary niara-namaky hatramin’ny dimy ora maraina izy ireo. Rehefa takatr’izy ireo fa nahita ny fahamarinana izy, dia latsa-dranomasom-pifaliana ary nivavaka tamin’i Jehovah, tamin’ny fampiasana ny anarany izy ireo. Natomboka ny fianarana Baiboly tsy tapaka taminy, ary nanomboka nanatrika fivoriana izy ireo. Niala tamin’ny asany tao amin’ny tafika ilay lehilahy, ary nandao ny fiangonana sady nitsahatra tsy nifoka izy ireo. Vita batisa izy ireo izao ary manompo an’i Jehovah amim-pifaliana miaraka amin’ireo rahalahiny sy anabaviny manerana an’izao tontolo izao.
◻ Tamin’ny fitoriana isan-trano nataony tany Norvezy, ny anabavy roa dia nahita vehivavy iray naneho fahalianana. Nanasa azy ireo hiverina izy ary nanontany raha afaka manasa vehivavy hafa. Tamin’ny fitsidihana nanaraka, dia nisy vehivavy efatra hafa teo. Ny iray taminy dia tena nafana fo tao amin’ny fiangonana. Nilaza izy fa hatramin’ny fahatanorany, dia naniry ny hankatò ny baikon’i Jesosy hanao mpianatra. Izany dia nitarika azy ho any Afrika niaraka tamin’ny vadiny, ho anisan’ny fandaharam-panampiana ny tany any ivelany. Nanam-panontaniana maro ireo vehivavy rehetra, ary nalamina ny hitsidihan’ireo anabavy azy isan-tapa-bolana. Nisy mpifanolo-bodirindrina vaovao nasaina, ary nanohy tonga ny sasany raha nitsahatra tsy nanatrika ny hafa; fa ilay mpikambana nafana fo tao amin’ny fiangonana kosa dia nahatakatra fa nianatra ny fahamarinana izy. Indray andro, rehefa nilaza ny mpitondra fivavahana tao amin’ny fiangonana nisy azy fa hanohana ny ady izy ary koa nino ny fampianarana ny amin’ny Trinite, dia niala tamin’ny fiangonana izy. Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary tsy ela dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Fotoana fohy taorian’izay, dia natao batisa izy, ary izao, 30 taona atỳ aoriana, dia finaritra izy amin’ny tena fankatoavana marina tokoa ny baikon’i Jesosy hanao mpianatra. — Matio 28:19.
Mitahy ireo rahalahy any Norvezy eo amin’ny fanompoana masina ataony toy ireo mihaino ny vaovao tsara i Jehovah!