Mitoera ho matanjaka amin’ny finoana!
Hevi-dehibe ao amin’ny Titosy
IREO kongregasiona kristiana tao amin’ny nosin’i Kreta ao amin’ny Ranomasina Mediterane dia nila fikarakarana teo amin’ny ara-panahy. Iza no afaka hanampy azy? Tsy iza fa i Titosy, ilay mpiara-miasa tamin’i Paoly! Be herim-po izy, nahafeno fepetra mba hampianatra, be zotom-po tamin’ny asa tsara ary natanjaka tamin’ny finoana.
Nitsidika an’i Kreta teo anelanelan’ny nanaovana azy an-tranomaizina voalohany sy ny faharoa tany Roma i Paoly. Namela an’i Titosy tao amin’ilay nosy mba handamina zavatra sasantsasany izy ary koa mba hanendry loholona tao amin’ny kongregasiona. Nasaina koa i Titosy mba hiteny ireo mpampianatra zavatra diso ary hanome ohatra tsara dia tsara. Izany rehetra izany dia aharihary ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’i Titosy, izay nety ho nalefany avy tany Makedonia teo anelanelan’ny 61 sy 64 am.fan.ir. Ny fampiharana ny torohevitr’ilay apostoly dia afaka manampy ireo mpiandraikitra sy ireo mpiray finoana aminy amin’izao andro izao mba ho be herim-po sy zotom-po ary hatanjaka ara-panahy.
Inona no takina amin’ny mpiandraikitra
Nilaina ny nanendry mpiandraikitra sy nikarakara zava-nanahirana lehibe sasany. (1:1-16, MN). Mba hahafahany ho voatendry ho mpiandraikitra, ny lehilahy iray dia tsy maintsy ho tsy nanan-tsiny, ho ohatra fakan-tahaka, tsy ny tenany manokana ihany fa ny fiainam-pianakaviany koa, ho nahay nampiantrano vahiny, ho feno fandanjalanjana ary ho nahay nifehy tena. Tsy maintsy nampianatra izay marina izy sy nananatra ary niteny ireo nanohitra. Nilaina ny herim-po satria tsy maintsy nampanginina ireo lehilahy tsy mpanaraka izay lazaina. Ireo nifikitra tamin’ny famorana indrindra no tsy maintsy natao toy izany, satria efa nampivadika mpianakavy manontolo izy ireo. Nilaina indrindra ny fitenenana mafy mba hitoeran’ireo kongregasiona hatanjaka ara-panahy. Ankehitriny, ireo mpiandraikitra kristiana koa dia mila ny herim-po hiteny sy hananatra, ka ny zava-kendreny amin’izany dia ny hampahery ny kongregasiona.
Ampiharo ny fampianarana mampahatanjaka
Tsy maintsy nizara fampianarana nampahatanjaka ara-panahy i Titosy. (2:1-15, MN). Ny lehilahy efa be taona kokoa dia tsy maintsy ho ohatra fakan-tahaka raha ny amin’ny fahalalana onony, ny fahamaotinana, ny fahaiza-mitsara zavatra, ny finoana ary ny fiaretana. Ny vehivavy efa be taona kokoa dia tsy maintsy ‘naneho fanajana teo amin’ny fitondrantenany’. Tamin’ny naha-“mpampianatra ny zavatra tsara” azy ireo, dia afaka nanampy ireo vehivavy tanora kokoa izy mba hihevitra tamin’ny fomba nety ireo adidiny tamin’ny naha-vady sy reny azy. Ireo lehilahy tanora kokoa dia tsy maintsy ho nanana fahaiza-mitsara zavatra, ary ireo mpanompo ho nanaiky ny tompony tamin’ny fomba izay nampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra. Ny kristiana rehetra dia tsy maintsy nanda ny tsy fitiavana an’Andriamanitra ary niaina tamim-pahaiza-mitsara zavatra teo anivon’izao fandehan-javatra izao teo am-piandrasana ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy Kristy, “izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.”
Mampandroso ny fahatanjahana ara-panahy ny torohevitra nomen’i Paoly ho famaranana. (3:1-15, MN). Ilaina ny maneho fanekena mety amin’ireo mpanapaka ary mamboly fahaiza-mandefitra. Manana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ny kristiana, ary ireo tenin’i Paoly dia tsy maintsy nohantitranterina mba hampaherezana azy ireo hampifantoka ny sainy tamin’ny asa tsara. Ny fanontaniana adala sy ny ady teny ny amin’ny Lalàna dia tsy maintsy nohalavirina, ary izay nampandroso antokom-pivavahana iray dia tsy maintsy nolavina rehefa avy nanarina indroa. Rehefa mampihatra izany torohevitra izany ireo loholona ankehitriny, dia hitoetra ho matanjaka amin’ny finoana ny tenany sy ireo mpiray finoana aminy.
[Efajoro/Sary, pejy 22]
Tsy andevozin’ny divay be: Na dia tsy natao hampianatra lehilahy ao anatin’ny kongregasiona aza ny vehivavy, ireo anabavy efa be taona kokoa dia afaka mampianatra mitokana ireo tanora kokoa. Mba hahitana vokatra tsara amin’izany anefa, dia tsy maintsy mitandrina ireto tenin’i Paoly ireto izy: “Aoka ny vehivavy efa be taona kokoa haneho fanajana eo amin’ny fitondrantenany, tsy ho mpanendrikendrika, na handevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara.” (Titosy 2:1-5, MN; 1 Timoty 2:11-14). Noho ny fiahiana ny amin’ny vokatry ny fisotroana, ny mpiandraikitra, ny mpikarakara momba ny asa ary ny vehivavy efa be taona kokoa dia tsy maintsy mahalala onony, tsy tia divay be. (1 Timoty 3:2, 3, 8, 11). Ny kristiana rehetra dia tsy maintsy manalavitra ny fimamoana ary mila ny mifehy tena tsy hisotro zavatra misy alkaola eo am-panaovana “ny asa masina” amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. — Romana 15:16, MN; Ohabolana 23:20, 21.