Mitenena ny Fiteny Madio ary Aoka Ianao ho Velona Mandrakizay
“Mitadiava an’i Jehovah (...) tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. — ZEFANIA 2:3.
1. a) Fomba inona avy no ampiasain’ny mpianatra mba hianarana fiteny vahiny iray? b) Nahoana no miteny ny fiteny madio?
AFAKA mianatra fiteny vaovao iray ireo mpianatra amin’ny fampiasana ny fomba fianarana ara-pitsipi-pitenenana na ny fomba fianarana miteny. Amin’ny fomba fianarana ara-pitsipi-pitenenana, dia mazàna izy ireo no mampiasa boky sy mianatra ireo lalàn’ny fitsipi-pitenenana. Amin’ny fomba fianarana miteny indray, dia maka tahaka ny feo sy ny môdelin-teny lazain’ny mpampianatra azy izy ireo. Ampiasaina ireo fomba roa ireo eo amin’ny fianarana ny “fiteny madio”. Ary zava-dehibe ny itenenantsika io fiteny io raha manantena ny ho “voafina (...) amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah” isika. — Zefania 2:1-3; 3:8, 9, MN.
2. Ahoana no ahafahantsika mianatra izay azo antsoina hoe ireo lalàn’ny fitsipi-pitenenana eo amin’ny fiteny madio?
2 Ilay boky lehibe indrindra ampiasaina mba hianarana ny fiteny madio dia ny Baiboly. Ny fianarana amim-paharisihana azy io sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly dia mampianatra anao izay azo antsoina hoe lalàn’ny fitsipi-pitenenana ho an’ny fiteny madio. Fanombohana tsara ny fianarana ny Baiboly any an-tokantrano tarihin’ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Ho an’ireo izay efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia iankinan’ny aina ny fianarana tsy tapaka sy amim-paharisihana ny Soratra masina. Moa ve anefa misy fomba mandaitra manokana hianarana ny fiteny madio? Ary soa inona no ateraky ny fitenenana azy?
Ny fomba fianarana ny fiteny madio
3. Inona no fomba iray hianarana ny fiteny madio?
3 Ny fomba iray hianarana ny fiteny madio dia ny fampifandraisana ireo fahamarinana izay ianaranao amin’ireo hevitra efa fantatrao, toy ny mpianatra fiteny iray mety hampifandray miandalana ireo lalàn’ny fitsipi-pitenenana isan-karazany. Ohatra, tamin’ny fotoana iray ianao dia nety ho nahafantatra fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy, kanefa kely dia kely no fantatrao mikasika ny anjara asany. Nanomboka tamin’izay, ny fianarana ny Baiboly dia nety ho nampianatra anao fa efa manapaka amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra izao i Kristy, ary mandritra ny Fanjakany arivo taona, dia hasandratra ho amin’ny fahatanterahana ny olombelona mankatò. (Apokalypsy 20:5, 6). Eny, ny fampifandraisana hevitra vaovao amin’ireo izay efa fantatra dia manatsara ny fahatakaranao ny fiteny madio.
4. a) Inona no fomba hafa iray hianarana ireo ‘lalàn’ny fitsipi-pitenenana’ amin’ny fiteny madio, ary fitantarana ao amin’ny Baiboly inona no ampiasaina mba hanazavana izany? b) Inona no nitranga rehefa nanao zavatra i Gideona sy ireo telonjato lahy niaraka taminy? d) Mampianatra lesona inona ilay fitantarana mikasika an’i Gideona?
4 Ny fomba hafa iray hianarana ireo “lalàn’ny fitsipi-pitenenana” amin’ny fiteny madio dia ny fakana sary an-tsaina ireo zava-nitranga ara-baiboly. Mba hanazavana izany dia izao: Manandrama ‘mahita sy mandre’ ilay fitantarana ao amin’ny Mpitsara 7:15-23. Jereo! Nozarain’i Gideona mpitsara isiraelita ho antokony telo misy lehilahy zato avy ny tafiny. Ao amin’ny haizina, dia midina mangingina ny tendrombohitr’i Gilboa izy ireo ary manodidina ny tobin’ny Midianita mbola matory. Moa ve mirongo fiadiana ireo telonjato lahy ireo? Tsia, raha eo amin’ny lafiny ara-tafika. Ho nahazo fihomehezana feno fanarabiana avy amin’ireo tia mampiasa ny herin’ny tafika feno avonavona izy ireo! Tsy manana afa-tsy anjomara iray avy, sinin-drano lehibe iray ary fanilo ao anatin’ny siny ny lehilahy tsirairay. Henoy anefa! Amin’ny famantarana nifanarahana iray, dia mitsoka ny anjomarany sy mamaky ny sininy ireo zato lahy miaraka amin’i Gideona. Manao toy izany koa ireo roanjato lahy hafa. Raha mbola eo am-panandratana avo ireo fanilo miredareda ny rehetra, dia renao izy ireo miantsoantso hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Mampihorohoro re izany ho an’ny Midianita! Mivembena avy ao amin’ny lainy izy ireo, ny masony milondolondo dia midiridirin’ny tahotra noho ireo lelafo mihetsiketsika izay mampisongadina bikan-javatra manjavozavo ka mahatonga tahotra feno finoanoam-poana. Raha mbola manomboka mandositra ireo Midianita, dia manohy mitsoka ny anjomarany ireo lehilahy miaraka amin’i Gideona, ary atosik’i Jehovah hifamely ny fahavalon’izy ireo. Lesona mahery re izany ao amin’ny fiteny madio! Afaka manafaka ny mpanompony Andriamanitra, tsy mila herin’ny tafika avy amin’olombelona. Ambonin’izany, i “Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe”. — 1 Samoela 12:22.
5. Amin’ny ahoana no ahafahan’ny fivoriana kristiana manatsara ny fiteninao?
5 Rehefa ampianarina ny fiteny vahiny iray amin’ny alalan’ny fomba fianarana miteny ny mpianatra, dia miezaka mamerina ny feo sy môdelin-tenin’ny mpampianatra amin’ny fomba mety. Misy fahafahana tsara dia tsara tokoa hitenenana ny fiteny madio ao amin’ireo fivoriana kristiana! Any, dia rentsika ny hafa miteny koa amin’io fiteny ny amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra masina io, ary mety hahazo tombontsoa hilaza hevitra koa ny tenantsika. Moa ve matahotra isika sao miteny zavatra diso? Aoka tsy ho izany no hahintsika voalohany indrindra, satria ny fanitsiana fahadisoana iray amin-katsaram-panahy ataon’ny loholona mitarika amin’ny fivoriana toy ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro, dia afaka manatsara ny fitenintsika. Noho izany dia manatreha ary mandraisa anjara tsy tapaka amin’ireo fivoriana kristiana. — Hebreo 10:24, 25.
Fitsofohan’ny fahalotoana
6. Nahoana no misy tsy fitoviana aoka izany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo fandaminana ara-pivavahana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
6 Izay manambara ny fikasan’i Jehovah sy milaza ny Fanjakany any an-danitra dia miteny ny fiteny madio amin’ny maha-Vavolombelony. Mampahafantatra ny anarany izy ireo ary manompo azy “amin’ny fiaraha-miantsoroka”, na amin’ny fiaraha-manaiky. (Zefania 3:9, NW). Na dia manana ny Baiboly aza ireo fivavahana milaza azy ho kristiana, dia tsy miteny ny fiteny madio izy ireo na miantso ny anaran’Andriamanitra amim-pinoana. (Joela 3:5). Tsy manana hafatra mirindra miorina ao amin’ny Soratra masina izy ireo. Nahoana? Satria apetrak’izy ireo ho ambony noho ny Tenin’Andriamanitra ireo lovantsofina ara-pivavahana sy ny filôzôfian’izao tontolo izao, ary ny tsy fivadihana ara-politika. Ny fikasany sy ny fanantenany ary ny fomba fiasany dia an’ity tontolo ratsy ity.
7. Fahasamihafana inona eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivavahan-diso no aseho ao amin’ny 1 Jaona 4:4-6?
7 Tsy mitovy fiteny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivavahana lazaina fa kristiana — raha ny marina, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso iray manontolo. Mahaliana fa, nanoratra toy izao ho an’ireo miteny ny fiteny madio ny apostoly Jaona: “Hianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao. Isan’izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. Avy amin’Andriamanitra izahay; izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay; izay tsy mba avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay.” (1 Jaona 4:4-6). Nandresy mpampianatra sandoka ireo mpanompon’i Jehovah satria Andriamanitra, izay ao amin’ny olony, dia “lehibe (...) noho [ny Devoly] izay ao amin’izao tontolo izao”, na ny fitambaran’olombelona tsy marina. Satria “isan’izao tontolo izao” sady manana ny toe-tsainy ratsy ireo mpivadi-pinoana, “dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao”. Ireo olona toy ny ondry kosa dia mihaino an’ireo avy amin’Andriamanitra, mahatakatra fa ny vahoakan’i Jehovah dia miteny ny fiteny madion’ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly omena amin’ny alalan’ny fandaminany.
8. Iza moa ilay lehilahin’ota?
8 Nambara mialoha ny fivadiham-pinoana lehibe, ary efa niasa sahady tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir. ny ‘zava-miafin’ny tsy fankatoavan-dalàna’. Tamin’ny farany dia nisy lehilahy maro izay nanaiky — na nandrombaka — toeran’ny mpampianatra tao anatin’ny kongregasiona, nampianatra fampianaran-diso maro. Tsy madio velively ny fitenin’izy ireo. Koa teo no nipoiran’ilay “lehilahin’ota” voaforon’olona maro, ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, voafatotry ny lovantsofina ara-pivavahana diso sy ny filôzôfian’izao tontolo izao, ary ny fampianarana tsy araka ny Soratra masina. — 2 Tesaloniana 2:3, 7.
Re maneran-tany ny fiteny madio
9. Fitomboana ara-pivavahana inona no nisy nandritra ny taonjato faha-19?
9 Olona matahotra an’Andriamanitra ampahany kely monja no ‘miezaka mafy miaro ny finoana izay efa voatolotra ho an’ny olona masina’. (Joda 3). Aiza no mety hahitana ny mpino toy izany? Nandritra ny taonjato maro, ny fivavahan-diso dia nitana ny maro tao anatin’ny haizina ara-panahy, kanefa Andriamanitra nahafantatra ireo olom-bitsy nahazo ny fankasitrahany. (2 Timoty 2:19). Avy eo, tao anatin’ireo fiovana ara-tsôsialy sy ara-barotra ary teo amin’ny taozava-baventin’ny taonjato faha-19, dia nisy feo nipoitra izay niavaka tsara tamin’ny kotaba ben’ny fisafotofotoana ara-pivavahana diso. Nisy antokon’olona vitsivitsy niezaka namaky ireo famantarana ny fotoana ary nanambara mialoha ny fiavian’i Jesosy fanindroany, kanefa dia tsy ny rehetra no niteny ny fiteny madio.
10. Antokon’olona amin’ny “fiaviana fanindroany” iza no nofidin’Andriamanitra mba hiteny ny fiteny madio, ary nahoana no niharihary fa nomba azy ireo ny tanan’i Jehovah?
10 Tamin’ny 1879 anefa, dia nanjary nazava hoe feo ny amin’ny “fiaviana fanindroany” iza no nofidin’i Jehovah mba hiteny ny fiteny madio tamin’ny naha-Vavolombelony. Tamin’izay, ny antokon’olom-bitsy nianatra ny Baiboly notarihin’i Charles Taze Russell dia efa niara-nivory tany Pittsburgh, Pennsylvania, any Etazonia. Nanjary nahazo antoka izy ireo fa ny fiavian’i Jesosy fanindroany dia hanomboka amin’ny fanatrehany tsy hita maso, fa ho avy ny fotoam-pahoriana ho an’izao tontolo izao, ka izany dia harahin’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy izay hamerina indray ny Paradisa eto an-tany miaraka amin’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona mankatò. Tamin’ny Jolay 1879 ireo Mpianatra ny Baiboly ireo dia nanomboka namoaka ilay gazety fantatra ankehitriny ho Ny Tilikambo Fiambenana. Gazety 6 000 monja no nozaraina tamin’ny nomerao voalohany. Nomba an’ireo Vavolombelona ireo anefa ny “tanan’i Jehovah”, satria io gazety io izao dia avoaka amin’ny fiteny 111, ka maherin’ny 15 000 000 amin’ny antsalany no atonta isaky ny nomerao. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 11:19-21.
11, 12. Inona avy ireo fahamarinana sasany ao amin’ny Soratra masina takatr’ireo miteny ny fiteny madio?
11 Tamin’ny alalan’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary indrindra tamin’ny fanambaran’ireo kristiana be zotom-po ireo ny vaovao tsara, dia nanjary fantatra maneran-tany ny fiteny madio. Ary soa lehibe toy inona moa no azon’izy ireo tamin’ny fitenenana azy! Izy ireo dia tsy miteny hoe ‘Andriamanitra dia Andriamanitra, Kristy dia Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra’ amin’ny boeriboerika mifono zava-miafina ampiasain’ireo mino ny Trinite, fa ekeny kosa ny hevitry ny Baiboly hoe: Jehovah no Avo Indrindra, Jesosy Kristy izay ambany kokoa dia Zanany, ary ny fanahy masina dia hery miasa mahagaga ananan’Andriamanitra. (Genesisy 1:2; Salamo 83:18; Matio 3:16, 17). Ireo mpiteny ny fiteny madio dia mahafantatra fa tsy nivoatra avy tamin’ny endri-piainana ambany kokoa ny olona, fa noforonin’ny Andriamanitra be fitiavana iray. (Genesisy 1:27; 2:7). Takatr’izy ireo fa mitsahatra tsy misy eo amin’ny fahafatesana ny fanahy — zava-misy izay manafoana ny tahotra ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Takatra fa ny afobe dia ny fasana iombonan’ny olombelona, fa tsy toerana fampijaliana amin’ny afo noforonin’ny andriamanitra iray tsy mifaditrovana akory. (Joba 14:13). Fantatr’izy ireo koa fa ny fananganana amin’ny maty no fanantenana omen’Andriamanitra ny maty. — Jaona 5:28, 29; 11:25; Asan’ny apostoly 24:15.
12 Maneho fanajana ny ra sy ny aina ireo miteny ny fiteny madio. (Genesisy 9:3, 4; Asan’ny apostoly 15:28, 29). Takatr’izy ireo fa ny fiainan’i Kristy teto an-tany no ilay vidin’ny avotra naloa ho an’ny olombelona mankatò. (Matio 20:28; 1 Jaona 2:1, 2). Tsy mivavaka na oviana na oviana amin’ireo “olona masina” izy ireo, satria fantany fa tsy maintsy alefa any amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny vavaka ataony. (Jaona 14:6, 13, 14). Koa satria melohin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanompoan-tsampy, dia tsy ampiasaina ny sary ao amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. (Eksodosy 20:4-6; 1 Korintiana 10:14). Ary manalavitra ny loza avy amin’ny fanompoana demonia izy ireo satria laviny ny spiritisma izay melohina koa ao amin’ny Baiboly. — Deoteronomia 18:10-12; Galatiana 5:19-21.
13. Nahoana ireo miteny ny fiteny madio no tsy ho sanganehana?
13 Ireo mpanompon’i Jehovah izay miteny ny fiteny madio, dia tsy sanganehana ny amin’ny hoe aiza ho aiza izy izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Nampianatra azy ireo i Jehovah fa ao amin’ny “andro farany” miaraka amin’ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-fanahy tsy hita maso be voninahitra izy ireo. (Daniela 12:4; Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5; 1 Petera 3:18). Miaraka amin’ny tafika mahery any an-danitra manohana azy, i Kristy dia efa madiva hiroso ho amin’ny ady mba hanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ity fandehan-javatra ity. (Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14, 16; 18:1-8; 19:11-21). Ary ireo izay miteny ny fiteny madio dia revo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara fa hitondra tsy ho ela fitahiana lehibe ho an’ny olombelona mankatò ao amin’ny tany tonga paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra entin’i Kristy. (Isaia 9:5, 6; Daniela 7:13, 14; Matio 6:9, 10; 24:14; Lioka 23:43, MN). Izany rehetra izany, ary vao nisafo ny vohony fotsiny isika! Azo antoka fa ny fiteny madio no fiteny feno sy sarobidy indrindra etỳ ambonin’ny tany!
14. Soa hafa inona avy no azon’ireo miteny ny fiteny madio?
14 Anisan’ny soa azon’ireo miteny ny fiteny madio ny “fiadanan’Andriamanitra” izay miaro ny fo sy ny saina. (Filipiana 4:6, 7). Ankatoaviny ireo lalàna ao amin’ny Baiboly izay manampy mba hananana fahasalamana, fahasambarana ary fahafahampo avy amin’ny fahazoana sitraka amin’i Jehovah. (1 Korintiana 6:9, 10). Ary manana fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra ireo mpiteny ny fiteny madio. — 2 Petera 3:13.
Ampiasao izy raha tsy izany dia hanary azy ianao
15. Ahoana no handraisanao soa avy amin’ny fahatakarana tsara ny fiteny madio?
15 Raha voatery hiteny ny fiteny madio ianao ao amin’ilay tontolo vaovao, dia tsy maintsy fantatrao tsara izy io mba hahatonga azy ho ny fiteny ieritreretanao. Rehefa mianatra fiteny iray ny olona iray, amin’ny voalohany izy dia mieritreritra amin’ny fiteny nahabe azy ary mandika ny eritreriny amin’ilay vaovao. Rehefa manjary manana fahaizana tsara kokoa ilay fiteny vaovao anefa izy, dia manomboka mieritreritra amin’izany fiteny izany, tsy mila fandikan-teny. Toy izany koa, amin’ny alalan’ny fianarana amim-paharisihana, dia afaka ny hanana fahatakarana tsara dia tsara ny fiteny madio ianao ka ho hainao ny hampihatra ny lalàna sy fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mba handaminana zava-manahirana sy hitoerana ao amin’ny “lalan’aina”. — Salamo 16:11.
16. Inona no mety hitranga raha tsy mampiasa tsy tapaka ny fiteny madio ianao?
16 Tsy maintsy mampiasa ny fiteny madio tsy tapaka ianao raha tsy izany dia ho very ny fahaizanao miteny azy tsara. Mba hanazavana izany dia izao: Taona maro lasa izay, ny sasany amintsika dia nianatra fiteny vahiny iray. Mety hahatadidy teny sasany amin’io fiteny io isika kanefa azo inoana fa very ny fahaizantsika azy io satria tsy nampiasa azy tamin’ny fotoana rehetra isika. Mety hitranga amin’ny fiteny madio izany zavatra izany. Raha tsy mampiasa tsy tapaka azy isika, dia mety hanary ny fahaizantsika azy, ary izany dia hisy vokany mampalaleho ara-panahy. Aoka àry isika hiteny izany tsy tapaka any amin’ireo fivoriana sy any amin’ny fanompoana kristiana. Ireo fanaovan-javatra ireo, ampiarahina amin’ny fianarana manokana, dia hahatonga antsika hahay hilaza zavatra amin’ny fomba mety amin’ny fiteny madio. Ary endrey ny maha-zava-dehibe izany!
17. Inona no manazava fa mety hamonjy aina na hitondra fahafatesana ny fitenenana?
17 Mety hamonjy aina na hitondra fahafatesana ny fitenenana. Naseho izany nandritra ny ady teo amin’ny foko isiraelitan’i Efraima sy i Jefta mpitsara tao Gileada. Mba hamantarana ireo Efraimita nanandrana nandositra niampita an’i Jordana, dia nampiasa teny famantarana hoe “Shiboleta”, izay nanomboka tamin’ny feo hoe “sh” ny Gileadita. Namadika ny tenany teo amin’ireo mpiambina Gileadita teo amin’ny fitana an’i Jordana ireo lehilahin’i Efraima tamin’ny filazana hoe “Siboleta” fa tsy “Shiboleta”, nandiso ny fanononana ilay feo voalohany amin’ilay teny. Vokatr’izany dia nisy Efraimita 42 000 naripaka! (Mpitsara 12:5, 6). Toy izany koa, izay ampianarin’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mety hitovitovy faneno amin’ny fiteny madio ho an’ireo tsy mahafantatra tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Kanefa ny fitenenana amin’ny fomba diso ara-pivavahana dia hiseho hahafaty amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.
Mitoetra ho tafaray isika
18, 19. Inona no hevitry ny Zefania 3:1-5?
18 Tamin’ny fanasiana fitenenana ny amin’i Jerosalema nivadika taloha sy ny mifanitsy aminy ankehitriny, dia ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia izao no voalaza ao amin’ny Zefania 3:1-5: “Lozan’ny tanàna miodina sady voaloto, dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy, na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny. Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; amboadia hariva ny mpitsarany ka tsy mamela ho tra-maraina. Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; mandoto izay masina ny mpisorony, eny, mamadika ny lalàna izy. Jehovah no marina ao afovoany, tsy manao izay tsy marina Izy; isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava, ka tsy diso izany; fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra”. Inona no dikan’ireo teny ireo?
19 Samy nikomy tamin’i Jehovah sy nandoto tena tamin’ny fanompoam-pivavahana diso i Jerosalema fahiny sy ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao. Niteraka fampahoriana ny fanao ratsin’ny mpitondra azy ireo. Na dia teo aza ireo fampitandreman’Andriamanitra niverimberina, dia tsy nihaino izy ireo ary tsy nanatona azy. Ireo lehibeny dia sahala amin’ny liona lian-dremby, tsy niraharaha tamim-pieboeboana ny fahamarinana. Toy ny amboadia nirangorango, ireo mpitsarany dia nandramatra ny rariny ho rovidrovitra. ‘Nandoto izay masina ny mpisorony, ary namadika’ ny lalàn’Andriamanitra. Koa madiva ‘hamory firenena sy hanangona fanjakana hanidinany ny fahatezerany aminy, dia ny firehetan’ny fahatezerany rehetra’, i Jehovah. — Zefania 3:8.
20. a) Inona no tokony hatao mba ho tafita velona amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahanao manantena hahazo fitahiana mandrakizay avy amin’Andriamanitra?
20 Manatona haingana ny andro fahatezeran’i Jehovah. Mba hahatafitana velona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra àry, dia mianara ary mitenena ny fiteny madio tsy misy hataka andro. Amin’ny fanaovana izany ihany no ahafahanao mahita fiarovana amin’ny loza ara-panahy izao, ary amin’ilay loza haneran-tany manatona haingana. Manambara ny andro fahatezeran’i Jehovah sy ny hafatra mampahery ny amin’ny Fanjakany ny Vavolombelon’i Jehovah. Endrey ny haravoan’izy ireo miresaka ny amin’ny voninahitry ny fanjakany! (Salamo 145:10-13). Aoka ianao ho tafaray amin’izy ireo, dia ho afaka hanantena ny hahazo fiainana mandrakizay sy fitahiana hafa ianao avy amin’ilay Loharanon’ny fiteny madio, dia i Jehovah Tompo Andriamanjaka.
Ahoana no havalinao
◻ Inona avy no fomba sasany hianarana ny fiteny madio?
◻ Nahoana no andraisan-tsoa ny fitenenana ny fiteny madio?
◻ Inona no mety hitranga raha tsy mampiasa ny fiteny madio tsy tapaka ianao?
◻ Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho tafita velona amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah ary hahazo fitahiana mandrakizay?
[Sary, pejy 16]
Mitsoka ny anjomarany sady manandratra ny fanilony i Gideona sy ireo lehilahy miaraka aminy
[Sary, pejy 18]
Nanomboka tamin’ny 1879 no ho mankatỳ, dia naseho mazava fa nampiasain’Andriamanitra mba hampandroso ny fiteny madio i Charles Taze Russell sy ireo mpiara-miasa taminy
[Sary, pejy 20]
Moa ve ianao tafaray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitenenana ny fiteny madio?