Miraisa hina noho ny Fiteny Madio
“Fa amin’izany, dia hanome ho an’ireo firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio Aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany azy amim-piaraha-miantsoroka”. — ZEFANIA 3:9, NW.
1. Efa nisy olona nandre an’i Jehovah Andriamanitra niteny ve?
MADIO ny fitenin’i Jehovah Andriamanitra. Kanefa moa ve efa nisy olona nandre azy niteny? Eny! Nitranga izany fony teto an-tany ny Zanany, Jesosy Kristy, taonjato 19 lasa izay. Rehefa natao batisa, ohatra, i Jesosy, dia re niteny toy izao Andriamanitra: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako”. (Matio 3:13-17). Izany dia fanambarana fahamarinana madio izay ren’i Jesosy sy i Jaona mpanao batisa tamin’ny fitenin’olombelona
2. Milaza inona ny fanasian’i Paoly fitenenana ny amin’ny “fitenin’ny (...) anjely”?
2 Taona vitsivitsy taorian’izay, dia niresaka ny amin’ny “fitenin’ny olona sy ny anjely” i Paoly, apostoly kristiana. (1 Korintiana 13:1). Milaza inona moa izany? Mampiseho izany fa tsy ny olombelona ihany, fa ireo persona ara-panahy koa dia manana fiteny sy fomba fitenenana! Marina aloha fa Andriamanitra sy ireo anjely dia tsy mifampiresaka amin’ny fampiasana feo sy fiteny mety ho rentsika na ho azontsika ny heviny. Nahoana no tsy toy izany? Satria ilaina ny atmôsfera toy ilay manodidina ny tany mba hampielezana onjam-peo izay mety ho ren’olombelona sy ho takany ny heviny.
3. Ahoana no niandohan’ny fitenin’olombelona?
3 Ahoana no niandohan’ny fitenin’olombelona? Milaza ny sasany fa ireo razambentsika dia niezaka mafy nifampiresaka tamin’ny fampiasana fitrontronana sy toreo. Hoy ilay boky hoe Fivoarana miandalana (Tranom-boky momba ny fiainan’ny natiora): “Ny lehilahy rajako iray efa ho teo amin’ny iray tapitrisa taona lasa teo ho eo izay (...) dia nety ho nahay tsara feo nitenenana vitsivitsy”. Niteny toy izao anefa ilay mpanao rakibolana malaza atao hoe Ludwig Koehler: “Zava-miafina ny fitenenan’olombelona; fanomezana avy amin’Andriamanitra izy io, fahagagana iray”. Eny, fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fitenenan’olombelona, satria nanome fiteny an’i Adama, lehilahy voalohany, Andriamanitra. Niharihary fa io ilay nantsoina tamin’ny farany hoe teny hebreo. Io fiteny io dia nampiasain’ireo Isiraelita taranak’i “Abrama Hebreo”, patriarka nahatoky izay nanana an’i Sema ho razambe, dia i Sema zanak’i Noa, ilay namboatra sambo fiara. (Genesisy 11:10-26; 14:13; 17:3-6). Noho ny tsodrano ara-paminaniana nataon’Andriamanitra tamin’i Sema, dia mety ny manatsoaka hevitra fa tsy nisy akony teo amin’ny fiteniny ilay zavatra nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fomba nahagaga, taonjato 43 lasa izay. — Genesisy 9:26.
4. Iza moa i Nimroda, ary ahoana no nampiasan’i Satana Devoly azy?
4 Tamin’izany fotoana izany dia ‘iray fanononana sy iray fiteny ny tany rehetra’. (Genesisy 11:1). Niaina tamin’izany ilay lehilahy natao hoe Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah” (Genesisy 10:8, 9, MN). I Satana, ilay fahavalon’ny olombelona lehibe indrindra tsy hita maso, dia nampiasa manokana an’i Nimroda mba hanorina ny tapany eto an-tany amin’ny fandaminan’ny Devoly. Nitady laza ho an’ny tenany i Nimroda, ary niely io fihetsika feno fieboeboana io tamin’ireo mpanaraka azy, izay nanomboka nanao planina fanorenana manokana teo amin’ny tany Sinara. Araka ny Genesisy toko faha-11, andininy faha-4, dia hoy izy hoe: “Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika”. Nifarana io fanaovan-javatra tamim-pahasahisahian-dratsy nanohitra ny baikon’Andriamanitra “hameno ny tany” io, rehefa nokorokoroin’i Jehovah ny fitenin’ireo mpikomy. “Dia tao”, hoy ny fitantaran’ny Baiboly “no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy”. (Genesisy 9:1; 11:2-9). Nomena anarana hoe Babela, na Babylona (dikany: “Fikorokoroana”) io tanàna io satria “tao Jehovah no nampifangaro ny fitenin’ny tany rehetra”. — Byington.
5. a) Inona no voasoroka rehefa nanorokoro ny fitenin’olombelona Andriamanitra? b) Inona no famaranan-kevitra azontsika tsoahina mikasika ny fitenin’i Noa sy i Sema?
5 Io fahagagana io — ny fanorokoroana ny fitenin’olombelona — dia nitarika ho amin’ny famenoana ny tany araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Noa, ary nanakana izay volavolan-kevitra rehetra nety ho nananan’i Satana mba hanorenana fanompoam-pivavahana maloto tafaray ho an’ny tenany avy amin’olombelona izay nikomy tamin’ilay Tompo Andriamanjakan’ny lanitra sy ny tany. Marina fa, tamin’ny fanarahana fivavahan-diso tamin’ny endriny rehetra, dia voan’ny Devoly ny olona, ary nanompo ny demonia izy ireo rehefa nanao andriamanitra na andriamani-bavy sy nanome azy ireny anarana tamin’ny fiteniny samy hafa, ka nanompo azy. (1 Korintiana 10:20). Kanefa ny nataon’ilay hany Andriamanitra marina tao Babela, dia nisoroka ny fiforonan’ny fivavahan-diso tafaray iray izay hanome ho an’ny Devoly ny fanompoam-pivavahana toa niriny fatratra. Azo inoana fa, i Noa, lehilahy marina, sy i Sema zanany, dia tsy tafiditra mihitsy tamin’io fanaovan-javatra tsy nahomby tany amin’ny tany Sinara io. Koa azo atao ny manatsoaka hevitra amin’ny fomba mety fa ny fitenin’izy ireo dia nitoetra ho ilay nitenenan’i Abrama (na Abrahama) nahatoky — dia ilay fiteny niresahan’Andriamanitra tamin’i Adama, ilay lehilahy tao amin’ny saha Edena.
6. Tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir., ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa afaka manome fahaizana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izy?
6 I Jehovah, izay nanorokoro ny fitenin’olombelona tany am-boalohany, dia afaka koa manome fahaizana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Tena nanao izany tokoa izy tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir.! Araka ny Asan’ny apostoly 2:1-11, dia nisy mpanara-dia an’i Jesosy teo amin’ny 120 teo ho eo, tafavory tamin’izay tao amin’ny efitrano iray ambony rihana tao Jerosalema. (Asan’ny apostoly 1:13, 15). Tampoka teo, dia nisy feo avy any an-danitra “toy ny rivotra mahery mifofofofo”. “Nisy lela maro mitarehin’afo” nanjary niseho ary nizarazara. Tamin’izay ireo mpianatra dia “samy feno ny Fanahy Masina (...) ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy”. Tamin’ireo fiteny nomen’Andriamanitra ireo, no nitenenan’izy ireo “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”. Ary fahagagana toy inona moa izany, satria Jiosy sy proselyta nanana fiteny samy hafa avy tany amin’ny faritra lavitra be toa an’i Mezopotamia, Egypta, Libya ary Roma, no nahatakatra ilay hafatra manome fiainana!
Fiteny nomen’Andriamanitra amin’izao androntsika izao
7. Fahatsinjovan-javatra inona no hisy raha fiteny tokana ihany no iresahana sy ho azo manerana izao tontolo izao?
7 Satria Andriamanitra afaka manome fiteny samy hafa amin’ny fomba mahagaga, moa ve tsy hahatalanjona raha ataony izay hisian’ny fiteny tokana monja hiresahana sy ho azo manerana izao tontolo izao? Izany dia hampandroso fifankahazoana bebe kokoa ao anatin’ny fianakavian’olombelona. Araka ny ilazan’ny The World Book Encyclopedia azy dia hoe: “Raha miteny amin’ny fiteny mitovy ny firenena rehetra, dia ho akaiky kokoa ny fifamatorana ara-kolontsaina sy ara-toekarena, ary hitombo eo amin’ireo tany ny fifampiahiana amin-katsaram-panahy”. Nisy fiteny iombonan’izao rehetra izao 600 fara fahakeliny natolotra nandritra ireo taona. Teo amin’ireo, dia nisy heriny indrindra ny Esperanto satria teo amin’ny 10 000 000 teo ho eo ny olona nianatra azy hatramin’ny namoronana azy tamin’ny taona 1887. Kanefa tsy nahomby mihitsy ny fiezahan’olombelona hampiray ny taranak’olombelona tamin’ny alalan’ny fiteny iombonan’izao rehetra izao. Raha ny marina, dia misy zava-manahirana mitombo hatrany miteraka fisaratsarahana eo amin’izao tontolo izao toy ‘ny ratsy fanahy mandroso miharatsiratsy kokoa hatrany’. — 2 Timoty 3:13.
8. Na dia ampiasaina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny aza ny fiteny iray iombonan’izao rehetra izao, inona no mbola hisy ihany, ary nahoana?
8 Eo amin’ny fitenenana ara-pivavahana, dia misy fisafotofotoana lehibe. Kanefa, moa ve isika tsy tokony hanampo izany, satria ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly, dia miantso ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso hoe “Babylona Lehibe”? (Apokalypsy 18:2). Eny, satria “Babylona” dia midika hoe “Fikorokoroana”. Na dia hampiasaina ho fiteny iombonan’izao rehetra izao aza ny fiteny namboarina iray na fiteny voajanahary toy ny teny anglisy, frantsay, alemanina na rosiana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia mbola hisy ihany ny fisaratsarahana ara-pivavahana sy amin’ny lafiny hafa koa. Nahoana? Satria “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, dia eo amin’i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19). Izy dia tena sary velona mampiseho ny fitiavan-tena, ary maniry fatratra amim-pieremana ny hotompoin’ny taranak’olombelona iray manontolo izy, toy ny nataony tamin’ny andron’i Nimroda sy ny Tilikambon’i Babela. Ny fiteny iray iombonan’izao rehetra izao hampiasain’ny olombelona mpanota dia mety hanome an’i Satana fahafahana hanorina mihitsy fanompoam-pivavahana tafaray araka ny Devoly! Tsy hamela izany mihitsy anefa i Jehovah; raha ny marina, dia hamarana tsy ho ela ny fivavahan-diso rehetra araka ny tolo-tsain’ny Devoly izy.
9. Ahoana no ampiraisana ny olona avy amin’ny firenena sy ny firazanana rehetra amin’izao fotoana izao?
9 Kanefa dia zava-misy mahatalanjona ny fampiraisana dieny izao olona tsara avy amin’ny firenena sy firazanana rehetra. Izany dia mitranga eo ambany fepetra noferan’Andriamanitra ary ho an’ny fanompoam-pivavahana aminy. Amin’izao fotoana izao Andriamanitra dia manao izay hahafahan’ny olombelona hianatra sy hiteny ilay hany fiteny madio eto an-tany. Ary tena fiteny iray iombonan’izao rehetra izao tokoa izy io. Marina tokoa fa mampianatra io fiteny madio io amin’ny olona maro avy amin’ny firenena rehetra eto an-tany amin’izao andro izao i Jehovah Andriamanitra. Izany dia ho fahatanterahan’ny fampanantenana ara-paminaniana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny sady vavolombelony hoe: “Fa amin’izany, dia hanome ho an’ireo firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio [ara-bakiteny: “molotra madio”] Aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany azy amim-piaraha-miantsoroka”. (Zefania 3:9, NW). Inona io fiteny madio io?
Voazava ny atao hoe fiteny madio
10. Inona ilay fiteny madio?
10 Ilay fiteny madio dia ny fahamarinan’Andriamanitra hita ao amin’ny Teniny manokana, ny Soratra Masina. Izy io dia ny fahamarinana mikasika indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra izay hitondra fiadanana sy fitahiana hafa ho an’ny taranak’olombelona. Ny fiteny madio dia manilika ny fahadisoana ara-pivavahana sy ny fanompoam-pivavahana diso. Izy io dia mampiray izay rehetra miteny azy ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio sy tsy misy loto ary mahasoa amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona sady marina. Amin’izao andro izao, dia misy fiteny eo amin’ny 3 000 miasa toy ny fanakanana ny fifankahazoana, ary mampisafotofoto ny taranak’olombelona ny fivavahan-diso an-jatony maro. Koa endrey ny hafaliantsika noho ny nanomezan’Andriamanitra ho an’ny firenena fiovana ho amin’io fiteny madio mahatalanjona io!
11. Inona no nataon’ny fiteny madio ho an’ny olona avy amin’ny firenena sy ny firazanana rehetra?
11 Eny, eo am-pandalinana ilay fiteny madio ny olona avy any amin’ny firenena sy firazanana rehetra. Amin’ny maha-hany fiteny madio ara-panahy eto an-tany azy, dia miasa toy ny hery mampiray matanjaka izy io. Mamela izay rehetra miteny azy izy ‘hiantso ny anaran’i Jehovah, hanompo azy amim-piaraha-miantsoroka’, na ara-bakiteny hoe “amin’ny soroka iray”. Amin’izany izy ireo dia manompo an’Andriamanitra “amin’ny fiaraha-manaiky”, “amin’ny fiarahan’ny besinimaro manaiky sy amin’ny soroka tafaray”. (The New English Bible; The Amplified Bible). Izao no vakina ao amin’ny fandikana nataon’i Steven T. Byington: “Amin’izay Aho [Jehovah Andriamanitra] dia hanova ny molotry ny firenena rehetra ho madio, mba hahafahan’izy rehetra hiantso ny anaran’i Jehovah sy hiara-miasa eo amin’ny fanompoana azy”. Izany fiaraha-miasa maneran-tany amin’ny fiteny maro be izany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Any amin’ny tany 212 amin’izao fotoana izao, dia maherin’ny efatra tapitrisa amin’ireo mpitory ilay Fanjakana ireo no mitory ny vaovao tsara amin’ny fitenin’olombelona maro. Kanefa ireo Vavolombelona dia ‘miray teny’ ary ‘tafakambana tsara, miray saina sy miray hevitra’. (1 Korintiana 1:10). Izany no izy satria, na aiza na aiza misy azy etỳ ambonin’ny tany, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia miteny ny fiteny madio ho fiderana sy ho fanomezam-boninahitra an’ilay Rainy any an-danitra.
Mianara ny fiteny madio dieny izao!
12, 13. a) Nahoana ianao no tokony ho voakasika amin’ny fitenenana ilay fiteny madio? b) Nahoana ireo teny ao amin’ny Zefania 3:8, 9 no zava-dehibe aoka izany amin’izao andro izao?
12 Nahoana ianao no tokony ho voakasika amin’ny fitenenana ilay fiteny madio? Ny antony iray amin’izany dia satria miankina amin’ny fianarana izany sy amin’ny fitenenana azy ny fiainanao. Taloha kelin’ny nampanantenan’Andriamanitra ny “hanome ho an’ny firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio”, dia nampitandrina toy izao izy: “Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy i Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra”. — Zefania 3:8.
13 Nolazaina voalohany ireo tenin’i Jehovah Tompo Andriamanjaka ireo taonjato 26 lasa izay tao Joda izay nanana an’i Jerosalema ho renivohitra. Kanefa io filazana io dia natao manokana ho an’ny androntsika satria i Jerosalema dia tandindon’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ary izao androntsika izao, hatramin’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914, no andro amorian’i Jehovah firenena sy anangonany fanjakana. Nitondra azy rehetra niaraka ho eo ambany fanaraha-masony izy tamin’ny alalan’ny asa fanambarana lehibe iray. Izany kosa dia nanosika azy ireo hanohitra ny fikasan’Andriamanitra. I Jehovah Andriamanitra anefa dia mamela amim-pamindrampo olona avy amin’ireny firenena rehetra ireny mba hiara-mientana amin’ny fitenenana ilay fiteny madio. Miaraka amin’izany, izay rehetra mikatsaka ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy dia afaka manompo azy miaraka alohan’ny hahalevonan’ireo firenena amin’ny fisehoan’ny fahatezeran’Andriamanitra midedadeda ao amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” antsoin’ny maro hoe Haramagedona. (Apokalypsy 16:14, 16; 2 Petera 3:13). Soa ihany fa hahazo ny fiarovan’Andriamanitra mandritra ny hafanan’io loza haneran-tany io ireo izay miteny ny fiteny madio sy miantso ny anaran’i Jehovah amim-pinoana amin’ny maha-mpivavaka marina tafaray. Andriamanitra dia hitondra azy ireo soa aman-tsara ho ao amin’ilay tontolo vaovao; ka ao dia ny fiteny madio ihany amin’ny farany no ho eo amin’ny molotry ny taranak’olombelona manontolo.
14. Ahoana no nanehoan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Zefania fa mitaky fanaovan-javatra avy hatrany ny fahatafitana velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity?
14 Tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny, dia nasehon’i Jehovah mazava tsara fa izay manantena ny ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny dia tsy maintsy manao zavatra avy hatrany. Araka ny Zefania 2:1-3, dia hoy Andriamanitra: “Miangòna, eny, mivoria hianareo, ry firenena tsy manan-kenatra, dieny tsy mbola mihatra ny didy (mihelina toy ny akofa ny andro!), dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”.
15. a) Inona no fahatanterahana voalohany hitan’ny Zefania 2:1-3? b) Iza no tafita velona tamin’ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany tamin’ny Joda, ary inona no mifanandrify amin’izany fahatafitana velona izany amin’izao androntsika izao?
15 Nahita fahatanterahany voalohany ireo teny ireo teo amin’ny Joda sy Jerosalema fahiny. Tsy namaly tsara ny fiangavian’Andriamanitra ny vahoaka mpanota tao Joda, araka ny asehon’ny fampiharany ny didim-pitsarany tamin’izy ireo teo an-tanan’ny Babyloniana tamin’ny taona 607 al.fan.ir. Toy ny naha-“firenena tsy manan-kenatra” ny Joda teo anatrehan’Andriamanitra, dia toy izany koa fa ny fivavahana lazaina fa kristiana dia “firenena” tsy mahalala henatra eo anatrehan’i Jehovah. Noho ny fihainoany ny tenin’Andriamanitra anefa, dia nisy Jodiana sasany sy olon-kafa tafita velona, anisan’izy ireo i Jeremia, mpaminany nahatokin’i Jehovah. Tafita velona hafa iray ny Etiopiana nantsoina hoe Ebeda-meleka, taranak’i Jonadaba. (Jeremia 35:18, 19; 39:11, 12, 16-18). Toy izany koa amin’izao andro izao, ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay an’i Jesosy, nangonina avy amin’ny firenena rehetra, dia ho tafita velona amin’ny Haramagedona ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:14-16). Izay mianatra sy miteny ilay fiteny madio ihany no ho tafita velona falifaly.
16. Inona no tokony hataon’ny olona iray mba ho voafina “amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”?
16 Toy ny namoahan’i Jehovah lalàna fa tokony ho rava tanteraka i Joda sy i Jerosalema, dia toy izany koa fa tsy maintsy ho rava ny fivavahana lazaina fa kristiana. Marina tokoa fa akaiky ny fandravana ny fivavahan-diso rehetra, ary ireo manantena ny ho tafita velona dia tsy maintsy manao zavatra avy hatrany. Tsy maintsy manao izany izy ireo “dieny tsy mbola (...) mihelina toy ny akofa” paohin’ny rivotra haingana “ny andro”, toy ny rehefa kororohina eny am-pamoloana ny vary. Mba hahavoavonjy amin’ny fahatezeran’Andriamanitra, dia tsy maintsy miteny ny fiteny madio isika ary manao zavatra mifanaraka amin’ny fampitandreman’Andriamanitra, alohan’ny hahatongavan’ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah eo amintsika. Tamin’ny andron’i Zefania sy amin’izao andro izao, ireo mpandefitra dia mitady an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fahamarinana ary ny fandeferana. Ny fitadiavantsika an’i Jehovah dia midika ho fitiavana azy amin’ny fontsika, ny fanahintsika, ny saintsika sy ny herintsika rehetra. (Marka 12:29, 30). “Angamba ho voafina [ireo manao izany] amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. Nahoana anefa ilay faminaniana no milaza hoe “angamba”? Satria miankina amin’ny tsy fivadihana sy ny fiaretana ny famonjena. (Matio 24:13, MN). Ireo izay manaraka ny fari-pitondrantena marin’Andriamanitra sy miteny hatrany ny fiteny madio, dia ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.
17. Fanontaniana inona avy no mbola hodinihintsika?
17 Koa satria akaiky ny andro fahatezeran’i Jehovah ary miankina amin’ny fianarana sy ny fampiasana ny fiteny madio ny famonjena, dia izao no fotoana tokony haharevo tanteraka amin’ny fianarana sy ny fitenenana azy. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona iray mianatra ny fiteny madio? Ary ahoana no ahafahanao mandray soa avy amin’ny fitenenana azy?
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no niandohan’ny fitenin’olombelona?
◻ Inona ilay fiteny madio?
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany amin’izao andro izao ireo teny ao amin’ny Zefania 3:8, 9?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voafina “amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”?
[Sary, pejy 10]
Tao Babela, dia nampiely ny olombelona Andriamanitra tamin’ny fanorokoroana ny fiteniny