Manao ho Voalohan-toerana ny Zavatra Ara-panahy ny Fianakaviana Kristiana
“Aoka hiray saina ianareo rehetra, maneho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, manana firaiketam-pon-drahalahy, mangoraka amim-pitiavana, manana toe-tsaina manetry tena”. — 1 PETERA 3:8, NW.
1. Safidy inona no ananantsika rehetra, ary amin’ny ahoana ny safidintsika no mety hisy fiantraikany eo amin’ny hoavintsika?
MIHATRA tsara tokoa io andinin-teny eo ambony io, amin’ilay fandaharana tranainy indrindra naorin’olombelona — ny fianakaviana! Ary zava-dehibe toy inona moa ny hampisehoan’ny ray aman-dreny fahaiza-mitarika amin’ireo lafiny ireo! Ireo toetra tsara manorina sy ireo tsy manorina ananan’ny ray aman-dreny, dia hipoitra any amin’ireo zanaka mazàna. Na dia izany aza, ny fahafahana hifidy dia mipetraka eo amin’ny tsirairay amin’ny mpianakavy. Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia afaka mifidy ny ho olona araka ny fanahy isika na ho olona araka ny nofo. Afaka mifidy ny hampifaly an’Andriamanitra isika na ny tsy hampifaly azy. Izany safidy izany dia mety hiafara na amin’ny fitahiana, fiainana sy fiadanana mandrakizay — na amin’ny fanozonana, fahafatesana mandrakizay. — Genesisy 4:1, 2; Romana 8:5-8; Galatiana 5:19-23.
2. a) Ahoana no nanehoan’i Petera ny fiheverany ny fianakaviana? b) Inona no atao hoe fahasalamana ara-panahy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
2 Ny tenin’ilay apostoly ao amin’ny 1 Petera toko faha-3, andininy faha-8, dia nanaraka avy hatrany ny torohevitra tsara dia tsara sasany nomeny ny vehivavy sy ny lehilahy manambady. Tena liana tokoa ny amin’izay hahasoa ny fianakaviana kristiana i Petera. Fantany fa ny fananana fahasalamana ara-panahy matanjaka no fanalahidin’ny ankohonana iray tafaray, mifampiahy. Araka izany, dia te hilaza izy, eo amin’ny andininy faha-7, fa raha tsy raharahaina ny toroheviny ho an’ny lehilahy manambady, ny vokany dia ho fefy ara-panahy eo anelanelan’ny lehilahy manambady sy i Jehovah.a Mety ho voasakana ny vavaky ny lehilahy iray manambady raha nanao tsirambina ny amin’izay ilain’ny vadiny izy na nampahory azy tamin-karatsiam-panahy.
Kristy — Ohatra tanteraka iray eo amin’ny fahasalamana ara-panahy
3. Ahoana no nampisongadinan’i Paoly ny ohatra navelan’i Kristy ho an’ireo lehilahy manambady?
3 Ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana iray dia miankina amin’ny ohatra tsara. Rehefa Kristiana mpampihatra ny lehilahy iray manambady, dia manome ohatra izy eo amin’ny fanehoana toetra ara-panahy. Raha tsy mpino ny lehilahy, dia ilay renim-pianakaviana mazàna no miezaka mitondra izany andraikitra izany. Na inona na inona toe-javatra, dia manome ny modely tanteraka harahina i Jesosy Kristy. Ny fitondran-tenany, ny teniny, ary ny fisainany dia nampahery sy namelombelona mandrakariva. Imbetsaka ny apostoly Paoly no mampitodika ny mpamaky ny taratasiny any amin’ilay modely feno fitiavana nasehon’i Kristy. Nilaza toy izao izy, ohatra: “Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” — Efesiana 5:23, 25, 29; Matio 11:28-30; Kolosiana 3:19.
4. Ohatra inona no navelan’i Jesosy teo amin’ny fahasalamana ara-panahy?
4 Ohatra niavaka i Jesosy teo amin’ny fahasalamana ara-panahy sy teo amin’ny fanehoana tamim-pitiavana, tamin-katsaram-panahy, ary tamim-pangoraham-po ny maha-lohany azy. Nahafoy tena izy fa tsy nampanaram-po ny tenany. Nanome voninahitra mandrakariva ny Rainy izy ary nanaja ny maha-lohany Azy. Nanaraka ny fitarihan’ny Rainy izy ka afaka nilaza hoe: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” — Jaona 5:30; 8:28; 1 Korintiana 11:3.
5. Tamin’ny fanomezana izay nilain’ireo mpanara-dia azy, dia ohatra inona no navelan’i Jesosy ho an’ireo lehilahy manambady?
5 Inona no dikan’izany ho an’ireo lehilahy manambady? Izany dia midika fa ilay modely tokony harahin’izy ireo amin’ny zavatra rehetra dia i Kristy, izay nanaiky mandrakariva ny Rainy. Toy ny nanomezan’i Jehovah sakafo ho an’ny endri-piainana rehetra eto an-tany, ohatra, no nanomezan’i Jesosy sakafo ho an’ireo mpanara-dia azy. Tsy nanao tsirambina ireo zavatra fototra nilain’izy ireo izy. Ireo fahagagana nataony tamin’ny famahanana lehilahy 5 000 sy 4 000 dia porofon’ny fiahiany sy ny fahatsapany andraikitra. (Marka 6:35-44; 8:1-9). Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo loham-pianakaviana mahatsapa andraikitra dia miahy ny amin’izay ilain’ny ankohonany ara-nofo. Mifarana hatreo ve anefa ny andraikitr’izy ireo? — 1 Timoty 5:8.
6. a) Zava-dehibe ilain’ny fianakaviana inona avy no tsy maintsy karakaraina? b) Ahoana no ahazoan’ny lehilahy manambady sy raim-pianakaviana mampiseho fahatakarana ny fiheveran’ny hafa?
6 Araka ny nasehon’i Jesosy, dia manana filana hafa koa sy zava-dehibe kokoa ny fianakaviana. Manana filana ara-panahy sy ara-pihetseham-po izy ireo. (Deoteronomia 8:3; Matio 4:4). Misy fiantraikany eo amin’ny hafa ny ataontsika, ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona. Mila fitarihana tsara isika mba hanosika antsika hampahery. Amin’io lafiny io, ireo lehilahy manambady sy raim-pianakaviana dia manana anjara asa lehibe — mbola lehibe kokoa aza raha loholona na mpikarakara momba ny asa izy ireo. Ny ray na reny mitaiza irery ny zanany dia mila toetra toy izany koa rehefa manampy ireo zanany. Ny ray aman-dreny dia tsy maintsy mahatakatra, tsy izay lazain’ny mpianakavy ihany, fa izay tsy voalazan’izy ireo koa. Mitaky fahaiza-manavaka sy fotoana ary faharetana izany. Izany no antony iray nahafahan’i Petera nilaza fa, tokony haneho fiheverana sy hiara-mitoetra amin’ny vadiny araka ny fahalalana ny lehilahy manambady. — 1 Timoty 3:4, 5, 12; 1 Petera 3:7.
Ireo loza tokony hohalavirina
7, 8. a) Inona no ilaina raha ta hanalavitra fahavakian-tsambo ara-panahy ny fianakaviana iray? b) Inona no ilaina ankoatra ny fiaingana tsara eo amin’ny hazakazaka kristiana? (Matio 24:13).
7 Nahoana ny fanisiana fiheverana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana no zava-dehibe aoka izany? Mba hanazavana izany, dia afaka manontany isika hoe: Nahoana no zava-dehibe ny handinihan’ny mpamily sambo iray akaiky ny sarintaniny rehefa mitondra sambo mamakivaky rano mampidi-doza misy faritra marivo izy? Tamin’ny Aogositra 1992, ilay sambo fitsangantsanganana atao hoe Queen Elizabeth 2 (QE2) dia tratra tao anatin’ny faritra iray nisy dongom-pasika sy vato mamitaka izay lazaina fa ahitana fahadisoana mateti-pitranga eo amin’ny familian-tsambo. Nanazava toy izao ny mponina iray teo an-toerana: “Anton’asa maro be no nafoy noho io faritra io.” Nandona sisin-karam-bato tany anaty rano ny QE2. Hita fa fahadisoana novidina lafo dia lafo izy io. Simba ny ampahatelon’ilay vatan-tsambo, ary voatery najanona tsy niasa nandritra ny herinandro maromaro ilay sambo noho ny fanamboarana.
8 Toy izany koa fa, raha tsy jeren’ilay “mpamily” ny fianakaviana amim-pitandremana ny sarintany, ny Tenin’Andriamanitra, dia mety hiharam-pahavoazana ara-panahy mora foana ny fianakaviany. Ho an’ny loholona iray na mpikarakara momba ny asa iray, ny vokany dia mety ho ny famoizana tombontsoa ao anatin’ny kongregasiona ary angamba fanimbana lehibe ho an’ny mpianakavy hafa. Noho izany, ny Kristiana tsirairay dia tokony hitandrina mba tsy ho voan’ny fatokian-tena loatra amin’ny ara-panahy, ka hitoky amin’ny fahazarana nianatra tsara taloha sy ny zotom-po nananana taloha fotsiny. Eo amin’ilay hazakazaka kristiana ataontsika, dia tsy ampy fotsiny ny fiaingana tsara iray; tsy maintsy vitaina amim-pahombiazana ilay dia lavitra. — 1 Korintiana 9:24-27; 1 Timoty 1:19.
9. a) Toy inona ny hasarobidin’ny fianarana manokana? b) Fanontaniana mifandray tsara amin’izany inona avy no azontsika atao amin’ny tenantsika?
9 Mba hanalavirana ireo faritra marivo sy vato ary dongom-pasika ara-panahy, dia ilaintsika ny maharaka ireo fanazavana farany momba ny “sarintanintsika”, amin’ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka miantehitra fotsiny amin’ilay fianarana fototra izay nitondra antsika tao amin’ny fahamarinana isika. Ny tanjaka ara-panahy ananantsika dia miankina amin’ny fandaharam-potoana tsy tapaka sy voalanjalanja eo amin’ny fianarana sy ny fanompoana. Eo am-panatrehantsika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ny kongregasiona mikasika itỳ nomerao itỳ mihitsy, ohatra, dia afaka manontany tena toy izao isika: ‘Moa ve ny tenako, na ny fianakaviako tena nianatra tokoa an’itỳ lahatsoratra itỳ, nijery ireo andinin-teny ary nisaintsaina ny fampiharana azy? Sa izahay nanipika fotsiny ireo valin-teny? Moa ve izahay tsy nanao, na dia ny namaky fotsiny ilay lahatsoratra talohan’ny hanatrehana ny fivoriana aza angamba?’ Ny famaliana amim-pahamarinana ireo fanontaniana ireo dia mety hampisaintsaina antsika ka hanaitra faniriana hihatsara — raha ilaina izany. — Hebreo 5:12-14.
10. Nahoana no zava-dehibe ny fandinihan-tena?
10 Nahoana no zava-dehibe ny fandinihan-tena toy izany? Satria isika miaina eo amin’ny tontolo iray tapahin’ny toe-tsain’i Satana, dia tontolo iray izay manandrana mandrava ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny fampanantenany amin’ny fomba maro mamitaka. Izy io dia tontolo iray maniry ny hitana antsika ho sahirana aoka izany mba tsy hananantsika fotoana hikarakarana ireo zavatra ilaina ara-panahy. Noho izany dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Moa ve matanjaka ara-panahy ny fianakaviako? Moa ve aho matanjaka araka ny tokony ho izy amin’ny maha-ray na reny ahy? Moa ve isika, amin’ny maha-fianakaviana, mamboly io hery ara-panahy manetsika ny saina io izay manampy antsika hanao fanapahan-kevitra miorina amin’ny rariny sy ny fahatokiana?’ — Efesiana 4:23, 24, NW.
11. Nahoana ireo fivoriana kristiana no andraisan-tsoa ara-panahy? Manomeza ohatra.
11 Tokony hohatanjahin’ireo fivoriana tsirairay atrehintsika ny fahasalamantsika ara-panahy. Ireny ora sarobidy lany any amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ireny dia manampy mba hamelombelomana antsika aorian’ireo ora lava be izay voatery lanintsika amin’ny fiezahana mitana aina eo amin’ny tontolon’i Satana feno fankahalana. Namelombelona toy inona, ohatra, ny fianarana ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany! Izany dia nanampy antsika hahazo fahatakarana tsaratsara kokoa ny amin’i Jesosy sy ny fiainany ary ny fanompoany. Namaky tamim-pitandremana ireo andinin-teny voatonona isika, nanao fikarohana manokana, ary noho izany dia niana-javatra betsaka avy amin’ny ohatra navelan’i Jesosy. — Hebreo 12:1-3; 1 Petera 2:21.
12. Ahoana no itsapan’ny asa fanompoana ny fahasalamantsika ara-panahy?
12 Ny fanompoana kristiana dia fitsapana tsara dia tsara iray ho an’ny fahasalamantsika ara-panahy. Mba haharetana eo amin’ny fitoriana ara-potoana sy tsy ara-potoana izay ataontsika matetika eo anatrehan’ny olona tsy miraika na manohitra, dia mila antony manosika mety isika, dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny mpiara-belona. Mazava ho azy fa tsy misy faly ny holavina, ary mety hitranga izany eo amin’ny asa fanompoantsika. Kanefa dia tokony hotadidintsika fa ny vaovao tsara no nolavina fa tsy ny tenantsika manokana. Hoy i Jesosy: “Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. (...) Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.” — Jaona 15:18-21.
Miteny mafy kokoa ny asa noho ny teny
13. Ahoana no ahafahan’ny olona iray manimba ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana?
13 Inona no mitranga ao amin’ny fianakaviana iray raha manaja ny fahadiovana sy ny filaminan’ny trano avokoa ny rehetra afa-tsy ny iray? Amin’ny andro avy orana, dia hitandrina mba tsy hitondra fotaka ao an-trano avokoa ny rehetra afa-tsy ilay mpanao tsirambina. Manome porofon’ny tsy fitandreman’io ny dian-tongotra feno fotaka eny rehetra eny, mahatonga asa fanampiny ho an’ny hafa. Mihatra amin’ny fahasalamana ara-panahy koa izany. Ny olona tia tena na mpanao tsirambina iray monja dia afaka mandoto ny lazan’ny fianakaviana. Tokony hiezaka mafy mba hampiseho taratry ny fironana ara-tsaina nananan’i Kristy ny rehetra ao amin’ny ankohonana, fa tsy ny ray aman-dreny ihany. Mamelombelona toy inona moa rehefa miara-miasa ny rehetra amin’ny fikendrena ny fiainana mandrakizay! Ny fironana ara-tsainan’izany fianakaviana izany dia ara-panahy (fa tsy mihevi-tena ho marina). Mahalana vao hisy soritry ny fanaovana tsirambina ara-panahy ao amin’izany ankohonana izany. — Mpitoriteny 7:16; 1 Petera 4:1, 2.
14. Fakam-panahy ara-nofo inona avy no apetrak’i Satana eo amin’ny lalantsika?
14 Isika rehetra dia samy manana filan-javatra ara-nofo fototra izay tsy maintsy omena fahafaham-po mba hanohanana ny aintsika isan’andro. (Matio 6:11, 30-32). Matetika anefa ireo zavatra ilaintsika dia takonan’ireo zavatra irintsika ho azo. Ny fandehan-javatr’i Satana, ohatra, dia manolotra antsika izao karazana fitaovana madinika sy kojakoja rehetra izao. Raha mitaky ny hananana ny lamaody farany foana isika amin’ny zava-drehetra, dia tsy ho afa-po mihitsy, satria tsy ela ny lamaody farany dia lany andro, ary misy modely vaovao araka ny fandrosoana farany mivoaka. Ny tontolon’ny varotra dia nanangana fihodinkodinana izay tsy mitsahatra mihitsy. Mitarika antsika hitady vola bebe kokoa hatrany izy io mba hanomezana fahafaham-po ireo zavatra irina ho azo bebe kokoa hatrany. Izany dia afaka mitarika ho amin’ny “filana maro tsy misy antony sady mandratra”, na “faniriana fisondrontana feno hadalana sy mampidi-doza” Mety hiteraka fiainana tsy voalanjalanja izany, ka hihena hatrany ny fotoana ho an’ireo asa ara-panahy. — 1 Timoty 6:9, 10; The Jerusalem Bible.
15. Amin’ny ahoana ny ohatry ny loham-pianakaviana no zava-dehibe?
15 Eto indray, dia tena zava-dehibe ny ohatra avelan’ny lohan’ny ankohonana kristiana. Ny fihetsiny mahay mandanjalanja eo amin’ireo andraikitra tsy ara-pivavahana sy ara-panahy dia tokony hanetsika ireo mpikambana hafa amin’ny fianakaviana hanao zavatra. Azo antoka fa hanimba raha manome toromarika tena tsara am-bava ilay raim-pianakaviana na lehilahy manambady, kanefa avy eo dia tsy miaina mifanaraka amin’ny teny nataony. Tsy ela ny ankizy dia afaka mahatsikaritra ilay fomba hoe “manao mpitari-bato vilam-bava, ka hafa ny tondroin’ny vavany, ary hafa ny alehan’ny tanany”. Toy izany koa, fa tsy ela dia tsy hinoan-teny intsony, ao amin’ny fianakaviany sy ao amin’ny kongregasiona, ny loholona na mpikarakara momba ny asa iray izay mampirisika ny hafa hitory isan-trano kanefa mahalana vao miaraka amin’ny fianakaviany amin’izany asa izany. — 1 Korintiana 15:58; ampitahao amin’ny Matio 23:3.
16. Fanontaniana inona avy no azontsika atao amin’ny tenantsika?
16 Noho izany, dia afaka mandinika ny fiainantsika amin’ny fomba ahitam-boka-tsoa isika. Moa ve isika revo amin’ny fahombiazana ivelan’ny fivavahana ka hanao tsirambina ny fandrosoana ara-panahy? Moa ve isika mandroso eo amin’ireo zavatra katsahina araka an’izao tontolo izao, fa mihemotra kosa ao amin’ny kongregasiona? Tsarovy ny torohevitr’i Paoly hoe: “Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.” (1 Timoty 3:1). Ny fahatsapana andraikitra ao amin’ny kongregasiona dia milaza zavatra kokoa momba ny fahasalamantsika ara-panahy noho ny fisondrotana eo amin’ny asa. Tsy maintsy tanana ny fahaiza-mandanjalanja amim-pitandremana mba tsy hamelana ireo mpampiasa antsika hifehy antsika toy ny hoe nanolo-tena ho azy ireo isika fa tsy ho an’i Jehovah. — Matio 6:24.
Mampandroso ny fahasalamana ara-panahy ny fifampiresahana tena misy heviny
17. Inona no mandray anjara amin’ny fambolena ny tena fitiavana marina ao amin’ny fianakaviana iray?
17 Tokantrano an-tapitrisany maro amin’izao andro izao no saiky nanjary toeram-patoriana sisa. Amin’ny fomba ahoana? Mody any an-trano mba hatory sy hisakafo fotsiny ny mpianakavy, ary avy eo dia mandeha mivoaka faingana. Mahalana izy ireo vao mipetraka manodidina ny latabatra mba hiara-misakafo. Tsy ao intsony ilay maha-fianakaviana ny fianakaviana. Ny vokatr’izany? Tsy misy ny fifampiresahana, tsy misy resaka tena misy heviny. Ary izany dia mety hiteraka tsy fisiam-piheverana an’ireo mpikambana hafa, angamba tsy fisian’ny tena fiahiana. Rehefa mifankatia isika, dia maka fotoana mba hiresahana sy hihainoana. Mampahery isika, ary manampy. Io lafiny amin’ny fahasalamana ara-panahy io dia mahatafiditra fifampiresahana tena misy heviny eo amin’ny mpivady sy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.b Mitaky fotoana sy fandanjalanjana ny fanaovantsika izay hiresahan’ny andaniny avy mba hizarana ny fifaliantsika sy ny fanandraman-javatra hitantsika ary ny zava-manahirana antsika. — 1 Korintiana 13:4-8; Jakoba 1:19.
18. a) Inona matetika no fanakanana lehibe ny fifampiresahana? b) Miorina amin’inona ny fifandraisana tena misy heviny?
18 Ny fifampiresahana tsara dia mitaky fotoana sy fiezahana. Izany dia midika ho fanokanana fotoana mba hifampiresahana sy hihainoana ny andaniny avy. Iray amin’ireo fanakanana lehibe indrindra an’izany ilay fitaovana mpandany fotoana izay mitana ny toeram-boninahitra ao amin’ny ankamaroan’ny tokantrano — ny televiziona. Miteraka zava-tsarotra tsy maintsy resena izy io: Moa ve ny televiziona no mifehy anao, sa ianao no mifehy azy io? Ny fifehezana ny televiziona dia mitaky fahatapahan-kevitra hentitra — tafiditra amin’izany ny fahavononana hentitra ny hamono azy io. Izany anefa dia hamoha lalana ho amin’ny fifandrindrana eo amin’ny samy mpianakavy sy eo amin’ny samy mpirahalahy sy mpianadahy na mpirahavavy ara-panahy. Ny fifandraisana tena misy heviny dia mitaky fifampiresahana tsara, fahaizana mahatakatra ny hevitry ny andaniny avy sy ireo zavatra ilaintsika ary ireo fifaliantsika, ny fifampilazana fankasitrahana an’ireo zava-drehetra natao tamin-katsaram-panahy ho antsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fifampiresahana tena misy heviny dia mampiseho fa mankasitraka ny hafa isika ary manaja azy ireo. — Ohabolana 31:28, 29.
19, 20. Raha miahy ny rehetra ao amin’ny fianakaviana isika, dia inona no hataontsika?
19 Noho izany, raha toa isika ka mifampiahy ao anatin’ny faritry ny fianakaviana — ary izany dia mahatafiditra ny fiahiana ireo mpianakavy tsy mpino — dia hanao zavatra betsaka isika mba hampandrosoana sy hitanana ny fahasalamantsika ara-panahy. Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, dia hanaraka ny torohevitr’i Petera toy izao isika: “Farany, dia aoka hiray saina ianareo rehetra, maneho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, manana firaiketam-pon-drahalahy, mangoraka amim-pitiavana, manana toe-tsaina manetry tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy na fanaratsiana ny fanaratsiana, fa, mifanohitra amin’izany, dia mitso-drano, satria ho amin’izany lalana izany no niantsoana anareo, mba hahafahanareo handova fitahiana.” — 1 Petera 3:8, 9, NW.
20 Afaka mahazo ny fitahian’i Jehovah isika amin’izao fotoana izao, raha miezaka mafy mba hitana ny fahasalamantsika ara-panahy, ary izany dia afaka miasa ho amin’ny fandovantsika ny fitahiany amin’ny hoavy, rehefa handray ny fanomezana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa isika. Misy zavatra hafa azontsika atao amin’ny maha-fianakaviana mba hifanampiana ara-panahy. Hiresaka ny amin’ny tombontsoa amin’ny fanaovan-javatra miaraka amin’ny maha-fianakaviana ny lahatsoratra manaraka. — Lioka 23:43, NW; Apokalypsy 21:1-4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fahasalamana ara-panahy (spiritualité) dia faritana ho “fisehoana ho mora voatohina na fifikirana amin’ireo zava-tsarobidy ara-pivavahana: ilay toetra tsara hoe araka ny fanahy na ny maha-olona araka ny fanahy”. (Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary). Ny olona iray araka ny fanahy dia izay mifanohitra amin’ny olona iray araka ny nofo, araka ny biby. — 1 Korintiana 2:13-16; Galatiana 5:16, 25; Jakoba 3:14, 15; Joda 19.
b Mba hahazoana fanipazan-kevitra fanampiny momba ny fifampiresahana ao amin’ny fianakaviana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1991, pejy faha-20-22.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no atao hoe fahasalamana ara-panahy?
◻ Ahoana no ahafahan’ny loham-pianakaviana iray manahaka ny ohatr’i Kristy?
◻ Ahoana no ahafahantsika manalavitra ireo fandrahonana ny fahasalamantsika ara-panahy?
◻ Inona no afaka manimba ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana iray?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fifampiresahana tena misy heviny?
[Sary, pejy 12]
Manatanjaka ara-panahy ny fianakaviana ny fanatrehana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona