Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
“Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy”. — EKSODOSY 15:1.
1. Toetra mampiavaka sy toetra tsaran’i Jehovah inona avy no manome antsika antony hiderana azy?
INTELO ambin’ny folo ny Salamo 150 faha-150 no manome didy hidera an’i Jehovah na Jah. Ilay andininy farany dia manambara hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah [“Jah”, NW ]. Haleloia.” Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia fantatsika fa mendrika ny fiderantsika i Jehovah. Izy no Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, ilay Avo Indrindra, ilay Mpanjaka mandrakizay, Mpamorona antsika, Mpanasoa antsika. Izy dia tsy manan-tsahala, tsy manam-paharoa, tapitra ohatra, tsy misy toa azy amin’ny fomba maro. Manana ny fahalalana rehetra izy, manana ny hery rehetra, tanteraka eo amin’ny rariny, sy sary velona mampiseho ny fitiavana. Izy no tsara ambonin’ny hafa rehetra; tsy mivadika izy. (Lioka 18:19; Apokalypsy 15:3, 4). Mendrika ny fiderantsika ve izy? Azo antoka fa izany tokoa!
2. Antony inona avy no ananantsika mba hampisehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah?
2 I Jehovah dia tsy vitan’ny hoe mendrika ny fanompoam-pivavahantsika sy ny fiderantsika fotsiny, fa mendrika ny fankasitrahantsika sy ny fisaorantsika koa noho izay rehetra nataony ho antsika. Izy no ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Izy no ilay Loharanon’ny aina rehetra. (Salamo 36:9). Ny zava-drehetra ananantsika amin’ny maha-anisan’ny taranak’olombelona antsika dia avy aminy, satria izy no Mpamorona antsika Lehibe. (Isaia 42:5, NW ). Izy koa no ilay Mpanome ireo fitahiana ara-panahy rehetra izay tonga eo amintsika amin’ny alalan’ny fanahiny sy ny fandaminany ary ny Teniny. Mahazo famelan-keloka isika miorina amin’ny nanomezany ny Zanany ho avotra ho antsika. (Jaona 3:16). Manana ny fanantenan’ilay Fanjakana isika, dia ny ‘lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hitoeran’ny fahamarinana’. (2 Petera 3:13). Manana fiarahana tsara dia tsara isika miaraka amin’ireo Kristiana namana. (Romana 1:11, 12). Manana ny voninahitra sy ny fitahiana ho Vavolombelony isika. (Isaia 43:10-12). Ary manana ilay tombontsoa sarobidy, dia ny vavaka, isika. (Matio 6:9-13). Manana antony maro tokony hisaorana an’i Jehovah marina tokoa isika!
Fomba ahafahantsika midera an’i Jehovah
3. Amin’ny fomba samihafa inona avy no azontsika iderana an’i Jehovah sy ampisehoana ny fankasitrahantsika azy?
3 Ahoana no ahafahantsika midera an’i Jehovah sy mampiseho ny fankasitrahantsika, amin’ny maha-mpanompony be fandavan-tena antsika? Afaka manao izany isika amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana kristiana — fitoriana isan-trano, fanaovana fiverenana mitsidika, fitarihana fampianarana ny Baiboly, sy fitoriana eny amin’ny arabe. Azontsika atao koa ny midera azy amin’ny fitoriana tsy ara-potoana amin’ny fotoana rehetra isehoan’ny fahafahana hanao izany. Avy eo indray dia afaka midera an’i Jehovah isika amin’ny fitondran-tenantsika mahitsy, eny fa na dia amin’ny fomba fitafintsika sy fihaingontsika madio sy milamina ary maotona aza. Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah dia noderaina ho fakan-tahaka amin’ireo lafiny ireo. Ambonin’izany, dia afaka midera an’i Jehovah sy misaotra azy isika amin’ny alalan’ny vavaka. — Jereo ny 1 Tantara 29:10-13.
4. Inona no iray amin’ireo fomba kanto indrindra azontsika iderana ny Raintsika be fitiavana any an-danitra?
4 Fanampin’izany, ny iray amin’ireo fomba kanto indrindra azontsika iderana ny Raintsika be fitiavana any an-danitra, dia amin’ny fankalazana azy sy ireo toetrany maha-te hidera amin’ireo hiran’ilay Fanjakana misy feony mahafinaritra. Mpitendry zavamaneno sy mpamoron-kira maro no miray hevitra fa ny zavamaneno kanto indrindra dia ny feon’olombelona. Ireo kalazalahy amin’ny mozika kilasika dia naniry fatratra ny hanoratra tantara an-kira satria misy fahafaham-po lehibe aoka izany amin’ny fihainoana ny feon’olombelona mihira.
5. Inona avy ireo antony tokony handraisantsika ho zava-dehibe ny fihirantsika ireo hiran’ilay Fanjakana?
5 Toy inona moa no tsy maintsy ho fankafizan’i Jehovah ny fihainoana ny olombelona mihira, indrindra rehefa mihira hira fiderana sy fisaorana izy ireo! Azo antoka àry fa tokony handray ho zava-dehibe ny fihirantsika ireo hiran’ilay Fanjakana isika any amin’ireo fiarahantsika samihafa — ireo fivorian’ny kongregasiona sy fivoriamben’ny fizaran-tany, ireo andro fivoriambe manokana sy fivoriamben’ny distrika ary fivoriambe iraisam-pirenena. Ilay boky fihirantsika dia feno feon-kira tena mahafinaritra be dia be, izay noderain’ny olona eny ivelany matetika ny hakantony. Arakaraka ny maha-revo tanteraka antsika amin’ilay fihetseham-po entanin’ny fihirana ireo hiran’ilay Fanjakana, no hitondrantsika fahafinaretana bebe kokoa ho an’ny hafa sy handraisan’ny tenantsika soa bebe kokoa.
Fihirana fiderana ho an’i Jehovah tamin’ny andron’ny Baiboly
6. Ahoana no nampisehoan’ireo Isiraelita fankasitrahana ny fanafahana azy ireo teo amin’ny Ranomasina Mena?
6 Milaza amintsika ny Tenin’Andriamanitra fa i Mosesy sy ny sisa amin’ireo Isiraelita dia nihira tamim-pandresena rehefa nafahana tamin’ny tafik’i Farao teo amin’ny Ranomasina Mena. Nanomboka tamin’izao teny izao ny hiran’izy ireo: “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho”. (Eksodosy 15:1, 2). Azontsika alaina sary an-tsaina tsara ny firehetana sy ny fifalian’ireo Isiraelita teo am-pihirany ireo teny ireo taorian’ilay fanafahana nahagaga azon’izy ireo!
7. Ohatra hafa niavaka inona avy no raketin’ny Soratra Hebreo, mikasika ny fideran’ireo Isiraelita an’i Jehovah tamin’ny hira?
7 Ao amin’ny 1 Tantara 16:1, 4-36, dia vakintsika fa i Jehovah dia noderaina tamin’ny hira sy tamin’ny fitendrena zavamaneno, rehefa nitondra ny Fiaran’ny Fanekena tany Jerosalema i Davida. Tarehin-javatra tena nahafaly tokoa izany. Nisy koa fihirana fiderana ho an’i Jehovah narahin’ny zavamaneno tamin’ny fotoana nitokanan’i Solomona Mpanjaka ny tempoly tao Jerosalema. Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Tantara 5:13, 14: “Efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny tranon’i Jehovah; ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriamanitra.” Mampiseho inona izany? Mampiseho izany fa nihaino io fiderana nisy feony nahafinaritra io i Jehovah, ka faly tamin’izany koa, araka ny nasehon’ilay rahona nahagaga. Tatỳ aoriana, dia nisy fihirana nataon’ny amboarampeo roa tonta tamin’ny fotoan’ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia. — Nehemia 12:27-42.
8. Inona no mampiseho fa noraisin’ireo Isiraelita ho zava-dehibe ny fihirana?
8 Raha ny marina, dia tapany lehibe aoka izany tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly ny fihirana, hany ka natokana ho amin’ny fanompoana mahakasika ny hira ny Levita 4 000. (1 Tantara 23:4, 5). Ireo dia hanaraka ireo mpihira. Ny mozika, indrindra fa ireo mpihira, dia nanana toerana lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahana, tsy voatery hoe mba hampahafantarana tsikelikely ireo raharaha lehibe kokoa ao amin’ny Lalàna, fa mba hanomezana ilay toe-tsaina mety ho an’ny fanompoam-pivavahana. Izany dia nanampy ireo Isiraelita hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny fomba velombelona. Mariho ilay fanomanana sy ny fiheverana tsipirian-javatra izay natokana ho an’io lafiny io: “Ny isany mbamin’ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’i Jehovah — izay rehetra nahay — dia valo amby valo-polo amby roan-jato.” (1 Tantara 25:7). Mariho ny nandraisan’izy ireo ho zava-dehibe ny fihirana fiderana ho an’i Jehovah. Nampiofanina ho amin’ny hira izy ireo ary tena nahay!
9. Fanantitranterana inona no atao momba ny fihirana, ao amin’ny Soratra Grika Kristiana?
9 Rehefa tonga eo amin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana isika, dia inona no hitantsika? Tamin’ilay alina namadihana azy, na dia nanana raharaha lehibe maro nitana ny sainy aza i Jesosy dia mbola nahatsiaro ihany filana hamarana ny fankalazany ny Paska sy ny fanorenana ny Fahatsiarovana ny fahafatesany tamin’ny fihirana fiderana ho an’i Jehovah. (Matio 26:30). Vakintsika koa fa “nony mamatonalina” i Paoly sy i Silasy, rehefa avy nokapohina sy natao an-tranomaizina, dia “nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra (...); ary nihaino azy ny mpifatotra.” — Asan’ny Apostoly 16:25.
Fihirana fiderana — Tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahantsika
10. Didy inona avy no omen’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny fiderana azy amin’ny hira?
10 Mihevitra angaha ianao fa ny fihirana ireo hiran’ilay Fanjakana dia tsy zava-dehibe loatra ho anao ka omenao ny fiheveranao lalina? Raha izany no izy, moa ve ianao tsy tokony hanombana indray ilay raharaha, rehefa dinihina amin’ny fiheveran’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ny fihirana fiderana ho zava-dehibe? Ny Tenin’Andriamanitra dia feno fandidiana hidera an’i Jehovah sy hihira fiderana ho azy! Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Isaia 42:10: “Hianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ny faran’ny tany.” — Jereo koa ny Salamo 96:1; 98:1.
11. Fananarana inona no nomen’ny apostoly Paoly mikasika ny fihirana?
11 Fantatry ny apostoly Paoly fa afaka manatanjaka ny saintsika ny fihirana, hany ka nananatra antsika indroa izy mikasika izany raharaha izany. Izao no vakintsika ao amin’ny Efesiana 5:18, 19: “Aoka hofenoina ny Fanahy [ianareo], ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho [an’i Jehovah, NW ]”. Ary ao amin’ny Kolosiana 3:16, dia izao no vakintsika: “Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.”
12. Ohatra inona avy no ananantsika mikasika ireo hira izay manampy antsika hifampianatra sy hifananatra?
12 Mariho fa tamin’ny ohatra tsirairay, i Paoly dia nanisy fitenenana imbetsaka ny amin’ny fihirana, rehefa nanonona izy hoe ‘salamo, fihirana, tonon-kiram-panahy, mihira sy mikalo ao am-ponareo’. Nanomboka ny teniny ho an’ny Kolosiana koa izy tamin’ny filazana fa amin’izany fomba izany isika dia afaka ‘mifampianatra sy mifananatra’. Ary azo antoka fa izany no ataontsika, araka ny hita amin’ireo lohatenin’ny hirantsika mihitsy — “Derao Jah, ry Zavaboary Rehetra!” (faha-5), “Miorena Tsara, Aza Miova!” (faha-10), “Mifalia Amin’ny Fanantenana Ilay Fanjakana!” (faha-16), “Aza Atahorana Ireny!” (faha-27), “Miderà an’i Jehovah Andriamanitsika!” (faha-100), mba hanomezana ohatra vitsivitsy monja.
13. Ahoana no nanehoan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny maha-zava-dehibe ny fihirana ho toy ny tapany amin’ny fanompoam-pivavahantsika?
13 Mifanaraka amin’ireo didy ireo, “ny mpanompo mahatoky sy malina” dia nandamina ny hanombohana sy hamaranana amin’ny fihirana ireo hiran’ilay Fanjakana, ireo fiarahantsika — fivorian’ny kongregasiona, fivoriamben’ny fizaran-tany, andro fivoriambe manokana, fivoriamben’ny distrika, sy fivoriambe iraisam-pirenena. (Matio 24:45, NW ). Fanampin’izany, dia misy hira nalahatra mba hohiraina amin’ny fotoana hafa mandritra ireny fivoriana ireny. Koa satria mazàna ny fivoriantsika manomboka amin’ny fihirana hiran’ilay Fanjakana, moa ve isika tsy tokony hanao ezaka manokana mba ho tonga ara-potoana, na aloha kokoa mba handray anjara amin’io tapany amin’ny fanompoam-pivavahantsika io? Ary satria ireo fivoriana dia mifarana amin’ny fihirana, moa ve isika tsy tokony hijanona hatramin’ilay hira famaranana sy ny vavaka izay manaraka azy io avy hatrany?
14. Ohatra inona avy no ananantsika momba ireo hira mifanentana izay fidina ho an’ireo fandaharantsika?
14 Nofidina tamim-pitandremana mba hifanaraka amin’ny fandaharana ireo hira amin’ny fivoriantsika. Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1993 “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, ohatra, ny hira faha-191 hoe “Raiso ny Marina” izay mampirisika ny Kristiana hanohitra an’i Satana sy izao tontolo izao ary ny nofo tsy lavorary, dia avy hatrany dia narahin’ireo lahateny telo izay nivaofy ny amin’ireo fahavalo ireo. Toy izany koa ny hira faha-164 hoe “Ireo Zanaka — Fanomezana Sarobidy avy Amin’Andriamanitra”, izay feno fananarana ho an’ny ray aman-dreny, dia tonga dia narahin’ny lahateny iray izay nampisongadina ireo adidin’ny ray aman-dreny hampiofana ireo zanany. Ny hira faha-70 hoe “Tahafo Jeremia” dia nialoha fitohitohizan-dahateny iray niorina tamin’ny faminanian’i Jeremia. Ary taorian’ny fitohitohizan-dahateny iray mikasika lafiny samihafa amin’ny fanompoantsika ilay Fanjakana, dia natao ny hira faha-156 hoe “Mety Aho”, tena hira natao ho an’ny fanompoana. Atao ny fitandremana mitovy amin’izany rehefa mifidy ireo hira ho an’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fivoriana Momba ny Asa ary ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Noho izany, rehefa misy loholona manao lahateny ampahibemaso ka milaza ilay hira hampiasaina mba hanombohana ny fandaharana, dia tokony hifidy hira izay mifanentana amin’ilay loha hevitry ny lahateniny izy ireo.
15. Ahoana no azon’ny mpitari-draharaha amin’ny fivoriana ampitomboana ny fankasitrahana ireo hira hohiraina?
15 Rehefa manambara ny hira hohiraina ny mpitari-draharaha dia mety hampitombo ny fankasitrahana ilay hira izy amin’ny fanomezana ny lohateniny na loha hevitra raketiny. Tsy mihira ireo nomerao isika fa ireo loha hevitra araka ny Soratra Masina. Noho izany, dia hanampy ny kongregasiona hankasitraka bebe kokoa ilay hira ny firesahana fohy an’ilay andinin-teny omena eo ambanin’ny lohateny. Avy eo indray dia mety ho ara-dalàna ny fanamarihana vitsivitsy, toy ny hoe, ny rehetra dia tokony ho revo tanteraka amin’ilay fihetseham-po entanin’ilay hira.
Manehoa fankasitrahana ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’ny fihirana
16. Ahoana no ahafahantsika ho revo tanteraka amin’ilay fihetseham-po entanin’ireo hirantsika?
16 Koa satria feno heviny ny tonon’ireo hiran’ilay Fanjakana ananantsika, dia mila mifantoka amin’ireo teny isika eo am-pihirana izany. Irintsika ny ho revo tanteraka amin’ilay fihetseham-po entanin’ny hira tsirairay. Ny sasany, toy ireo mivaofy ny amin’ny fitiavana izay vokatry ny fanahy, dia manohina lalina. (Galatiana 5:22). Ireny dia hiraintsika amim-pihetseham-po fatratra sy amin-kafanam-po. Ny hafa dia falifaly, ary tokony hiezaka hihira azy ireo amim-pifaliana isika. Ny hafa koa dia hira fanaovana matso mavitrika, ary ireo dia tokony hohiraina amin-kafanam-po sy fatokiana mafy. Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, dia toroana hevitra isika mba hampiseho hafanam-po sy fihetseham-po ary koa firehetana eo amin’ireo fampisehoantsika. Mbola zava-dehibe lavitra ny fanehoana hafanam-po sy fihetseham-po ary firehetana rehefa mihira ireo hirantsika.
17. a) Tsiny nomena ireo Isiraelita nivadika inona no tsy irintsika hihatra amin’ny fihirantsika? b) Inona no vokany, rehefa raisintsika ho zava-dehibe ny fananarana raketin’ireo hirantsika?
17 Raha mihira ireo hiran’ilay Fanjakana ananantsika isika, ka ny saintsika any amin-javatra hafa fa tsy mankasitraka tanteraka ny hevitr’ireo teny, moa ve isika tsy hitovy ihany amin’ireo Isiraelita tsy nahatoky izay notenenina satria, teo am-piderany an’Andriamanitra tamin’ny molony dia lavitra azy ny fon’izy ireo? (Matio 15:8). Tsy irintsika ny hiharan’io fanomezan-tsiny io eo amin’ny fomba fihirantsika ireo hiran’ilay Fanjakana, sa tsy izany? Amin’ny fihirana araka ny tokony ho izy ireo hiran’ilay Fanjakana ananantsika, dia tsy vitan’ny hoe handrisika ny tenantsika fotsiny isika, fa ireo manodidina antsika koa, voafaoka amin’izany ireo tanora. Eny, raha samy mandray ho zava-dehibe ny fananarana raketin’ireo hira ireo avokoa izay rehetra mihira ao amin’ny Efitrano Fanjakanantsika, izany dia ho fampaherezana mahery mba ho be zotom-po eo amin’ny fanompoana sy mba hanalavirana ireo fandrika amin’ny fanaovan-dratsy.
18. Nisy vokany inona teo amin’ny vehivavy iray ny fihirana ny hiran’ilay Fanjakana?
18 Imbetsaka ireo olona eny ivelany no talanjona amin’ny fihirantsika ireo hiran’ilay Fanjakana. Indray mandeha Ny Tilikambo Fiambenana dia namoaka izao filazana fohy izao: “Ny hoe azo ampiasaina mba hitondrana olona ho ao amin’ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra ny fihiran[tsika], dia nasehon’ny fanandraman-javatra hitan’ny vehivavy iray izay natao batisa tamin’ny Fivoriambe ‘Ny Fandresen’Andriamanitra’ 1973, tao amin’ny Yankee Stadium, tanànan’i New York. Nandeha irery nanao ny fitsidihany voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana iray teo an-toerana izy ary nijanona nandritra ireo fivoriana roa. Raha teo am-pihirana (...) hoe ‘Banjino ny lokanao!’ ny kongregasiona, dia talanjona aoka izany izy tamin’ireo teny sy ny fomba nihirana azy ireo, hany ka nanapa-kevitra izy fa io no toerana niriny hisy azy. Taorian’izay izy dia nanatona Vavolombelona iray ka nangataka fianarana ny Baiboly, ary nandroso hatramin’ny fahatongavana ho Kristiana Vavolombelon’i Jehovah.”
19. Fampaherezana farany inona no omena raha ny amin’ny fihirantsika ireo hiran’ilay fanjakana amin’ny fontsika manontolo?
19 Any amin’ny ankamaroan’ireo fivoriantsika, dia somary vitsy ihany ireo fahafahan’ny mpihaino hampiseho ny fihetseham-pony sy ny fankasitrahany. Isika rehetra anefa dia samy afaka mampiseho izay tsapantsika momba ny hatsaram-pon’i Jehovah, amin’ny fiaraha-mihira amin’ny fo manontolo ireo hiran’ilay Fanjakana. Ankoatra izany, rehefa miara-mivory isika, moa ve isika tsy falifaly? Noho izany dia tokony ho te hihira isika! (Jakoba 5:13). Marina tokoa fa arakaraka ny ankasitrahantsika ny hatsaram-pon’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, no hihirantsika mafy amin’ny fontsika manontolo hira fiderana ho azy.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy ireo antony fototra roa tokony hiderana an’i Jehovah?
◻ Amin’ny fomba samihafa inona avy no azontsika iderana an’i Jehovah?
◻ Inona ny iray amin’ireo fomba kanto indrindra azontsika iderana an’i Jehovah?
◻ Ohatra araka ny Soratra Masina inona avy no ananantsika mikasika ny fiderana an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny hira?
◻ Ahoana no ahafahantsika manao araka ny tokony ho izy ny fihirantsika ireo hiran’ilay Fanjakana?
[Efajoro, pejy 11]
Ankafizo Ireo Hira Ireo!
Miharihary fa nahita fahasahiranana kely ny sasany teo amin’ny fianarana hira vaovao maromaro. Misy kongregasiona sasany anefa tsy nanan-java-nanahirana lehibe tamin’ny fihirana ny ankamaroan’ireo hira ireo. Angamba fiezahana amboniny kely fotsiny mba hianarana izay toa tsy mahazatra amin’ny voalohany no mety ho hany ilaina. Raha vao manjary mifankazatra amin’ny hira toy izany ny kongregasiona, dia matetika mankasitraka azy ireo kokoa noho ireo izay tsy nitaky fiezahana hianatra. Amin’izay dia afaka mihira azy ireo amim-patokiana ny rehetra ao amin’ny kongregasiona. Eny, afaka mankafy ireny hira rehetra ireny izy ireo!
[Efajoro, pejy 12]
Hirao Ireo Hiran’ilay Fanjakana any Amin’ireo Fiaraha-mikorana
Tsy voatery hoferana ho ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny fihirantsika ireo hiran’ilay Fanjakana. Nihira fiderana an’i Jehovah i Paoly sy i Silasy raha tao an-tranomaizina. (Asan’ny Apostoly 16:25). Ary niteny toy izao i Jakoba mpianatra: “Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.” (Jakoba 5:13). Amin’ireo fiaraha-mikorana dia falifaly ny rehetra. Koa nahoana raha mihira ireo hiran’ilay Fanjakana? Afaka ny hahafinaritra manokana izany raha arahina amin’ny piano na gitara ilay fihirana. Raha tsy izany, dia eo ireo cassettes misy feon’ny piano ho an’ireo hiran’ilay Fanjakana ananantsika; fianakaviana Vavolombelona maro no manana album amin’ireny cassettes ireny. Tsy vitan’ny hoe natao hanarahana fihirana fotsiny izy ireny fa tonga lafatra koa ho an’ny mozika kanto fandefa malefaka.
[Sary, pejy 8, 9]
Taorian’ny nanafahana azy teo amin’ny Ranomasina Mena, ny Isiraely dia nampiseho ny hafaliany tamin’ny hira
[Sary, pejy 10]
Ny hira falifaly dia tapany amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana amin’izao andro izao