Hahatoky Sahala Amin’i Elia ve Ianao?
“Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. — MALAKIA 3:23.
1. Inona no fotoan-tsarotra niseho rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina nandritra ny 500 taona teo ho eo ny Isiraely?
“TANY tondra-dronono sy tantely”. (Eksodosy 3:7, 8). Izany no nomen’i Jehovah Andriamanitra ny Isiraelita rehefa avy nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i. izy. Indro anefa, rehefa afaka dimanjato taona, fa voagejan’ny mosary mafy izao ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely. Sarotra ny nahita ahi-maitso. Maty ireo biby, ary tsy nilatsaka ny orana tao anatin’ny telo taona sy tapany. (1 Mpanjaka 18:5; Lioka 4:25). Inona no antony nahatonga io loza io?
2. Inona no nahatonga ilay fotoan-tsarotra teo amin’ny firenen’ny Isiraely?
2 Fivadiham-pinoana no nahatonga io fotoan-tsarotra io. Nandika ny Lalàn’Andriamanitra i Ahaba Mpanjaka, ka nanambady an’i Jezebela, zanakavavin’ny mpanjaka kananita. Namela azy io hampiditra ny fivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Isiraely i Ahaba. Ratsy kokoa noho izany aza fa nanorina tempoly ho an’io andriamani-diso io tao Samaria renivohitra izy. Voafitaka hino ny Isiraelita fa hitondra vokatra tondraka ho azy ireo ny fivavahana tamin’i Bala! Araka ny efa nampitandreman’i Jehovah anefa, kely sisa izy ireo izao dia ho ‘lany ringana tsy ho eo amin’ilay taniny soa’. — Deoteronomia 7:3, 4; 11:16, 17; 1 Mpanjaka 16:30-33.
Fitsapana nanaitra mafy momba izay tena Andriamanitra
3. Ahoana no nampifantohan’i Elia mpaminany ny sain’ny olona tamin’ilay tena zava-nanahirana teo amin’ny Isiraely?
3 Fony nanomboka ilay mosary, dia nilaza toy izao tamin’i Ahaba Mpanjaka i Elia, mpaminany nahatokin’Andriamanitra: “Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.” (1 Mpanjaka 17:1). Rehefa avy nahita ny fahatanterahana nahatsiravin’io fanambarana io ilay mpanjaka, dia nanome tsiny an’i Elia ho nitondra loza teo amin’ny Isiraely. Namaly anefa i Elia fa i Ahaba sy ny mpianakaviny ihany no tokony homena tsiny noho ny fivadiham-pinoany sy ny fivavahany tamin’i Bala. Mba handaminana ilay raharaha, dia nasain’ilay mpaminanin’i Jehovah mba hamory ny Isiraely rehetra teo amin’ny Tendrombohitra Karmela, niaraka tamin’ireo mpaminanin’i Bala 450 sy ireo mpaminanin’ny tsato-kazo masina 400, i Ahaba Mpanjaka. Niangona teo àry i Ahaba sy ny vahoakany, angamba tamin’ny fanantenana fa izany dia hamarana ilay hain-tany. Nampifantoka ny sain’ny olona tamin’ilay tapany lehibe kokoa tamin’ilay raharaha anefa i Elia. “Mandra-pahoviana”, hoy izy, “no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” Tsy hitan’ireo Isiraelita izay holazaina. — 1 Mpanjaka 18:18-21.
4. Mba handaminana ilay fiadian-kevitra momba izay tena Andriamanitra, inona moa no fanipazan-kevitra nataon’i Elia?
4 Nandritra ny taona maro, dia nitady hampifangaro ny fivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny fivavahana tamin’i Bala ny Isiraelita. Mba handaminana ilay fiadian-kevitra momba izay tena Andriamanitra, dia nanipy hevitra ny hisian’ny fifaninanana iray izao i Elia. Hanomana vantotr’ombilahy iray hatao sorona izy, ary ireo mpaminanin’i Bala hanomana iray hafa. Avy eo dia hoy i Elia: “Miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo hianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra.” (1 Mpanjaka 18:23, 24). Alao sary an-tsaina izany hoe afo hivoaka avy any an-danitra ho valim-bavaka izany!
5. Ahoana no nanalana sarona ny naha-tsy nisy nilana azy ny fivavahana tamin’i Bala?
5 Nanasa ny mpaminanin’i Bala mba hanomboka i Elia. Nanomana ombilahy iray hatao sorona izy ireo, ary nametraka azy io teo ambonin’ilay alitara. Avy eo dia nihinjakinjaka nanodidina an’ilay alitara izy ireo, ka nivavaka hoe: “Ry Bala ô, henoy izahay!” Nitohy “hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro” izany. “Miantsoa mafy ihany”, hoy i Elia nihaika azy ireo. Te hivoaka mafy angamba i Bala, na “matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina”. Tsy ela dia nanjary toy ny lasa adala ireo mpaminanin’i Bala. Indro fa nandidididy ny tenany tamin’ny sabatra izy ireo, ary dia nibaba ra ireo ratrany. Ary toy inona moa ny tabataba tsy maintsy nataon’izy 450 niara-niantsoantso mafy ireo! Tsy nisy namaly azy anefa. — 1 Mpanjaka 18:26-29.
6. Inona no fiomanana nataon’i Elia ho an’ilay fitsapana momba izay tena Andriamanitra?
6 Anjaran’i Elia indray izao. Nanamboatra indray ilay alitaran’i Jehovah izy, nanisy hady nanodidina azy io, ary nanomana ilay sorona. Avy eo izy dia nampandraraka rano teo ambonin’ireo kitay hazo sy ilay sorona. Rano 12 siny lehibe no nararaka teo ambonin’ilay alitara, mandra-pahafenon’ilay hady. Alao sary an-tsaina ilay fitaintainana, rehefa nivavaka i Elia hoe: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.” — 1 Mpanjaka 18:30-37.
7, 8. a) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Elia? b) Inona no notontosain’ireo fisehoan-javatra teo amin’ny Tendrombohitra Karmela?
7 Ho valin’ny vavaka nataon’i Elia, dia ‘latsaka avy tany an-danitra ny afon’i Jehovah, ka nandevona ilay fanatitra natolony sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ilay hady’. Niankohoka ilay vahoaka ka nanao hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” (1 Mpanjaka 18:38, 39). Tamin’izay i Elia dia nanao zavatra hentitra. Nanome baiko izy hoe: “Sambory ny mpaminanin’i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza.” Rehefa avy novonoina ho faty teo amin’ny lohasahan’i Kisona izy ireo, dia maintin’ny rahona ny lanitra. Ela ny ela ka nisy ranonoram-be namarana ilay hain-tany! — 1 Mpanjaka 18:40-45; ampitahao amin’ny Deoteronomia 13:2-6.
8 Andro lehibe re izany! Nivoaka ho mpandresy i Jehovah tamin’io fitsapana mahavariana momba izay tena Andriamanitra io. Ambonin’izany, dia nampiverina ny fon’ny Isiraelita maro tamin’Andriamanitra ireo fisehoan-javatra ireo. Tamin’io sy tamin’ny fomba hafa koa, dia niseho ho mpaminany nahatoky i Elia. Ary tandindona ara-paminaniana koa ny tenany.
Mbola hisy “Elia mpaminany” ho avy ve?
9. Inona no voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Malakia 3:23, 24?
9 Tatỳ aoriana, dia hoy ny nambaran’Andriamanitra mialoha tamin’ny alalan’i Malakia: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary [izy] hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.” (Malakia 3:23, 24). I Elia dia niaina 500 taona teo ho eo talohan’ny nanononana ireo teny ireo. Koa satria faminaniana ilay izy, ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. dia niandry ny fiavian’i Elia mba hanatanteraka azy io. — Matio 17:10.
10. Iza moa ilay Elia nambara mialoha, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
10 Iza àry io Elia ho avy io? Izany dia naharihary fony i Jesosy Kristy nilaza hoe: “Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny. Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’i Jaona. Ary raha mety mandray hianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.” Eny, i Jaona Mpanao Batisa no ilay nifanitsy tamin’i Elia nambara mialoha. (Matio 11:12-14; Marka 9:11-13). Nilaza tamin’i Zakaria, rain’i Jaona, ny anjely iray fa i Jaona dia hahazo “ny fanahy sy ny herin’i Elia” ary “hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo”. (Lioka 1:17). Ny batisa nataon’i Jaona dia marika ampahibemaso fa ny olona iray dia nibebaka noho ny nanotany tamin’ny Lalàna, izay hitarika ireo Jiosy ho amin’i Kristy. (Lioka 3:3-6; Galatiana 3:24). Ny asan’i Jaona àry dia ‘nanomana vahoaka iray ho an’i Jehovah’.
11. Tamin’ny Pentekosta, inona moa no nolazain’i Petera momba ny “andron’i Jehovah”, ary oviana izy io no tonga?
11 Ny asan’i Jaona Mpanao Batisa, tamin’ny naha-“Elia” azy, dia nampiseho fa nisy “andron’i Jehovah” iray efa antomotra. Ny apostoly Petera koa dia nampiseho ny fahantomoran’io andro io, izay hamelezan’Andriamanitra ny fahavalony, fa hitsimbinany ny vahoakany kosa. Nomarihin’i Petera fa ireo fahagagana niseho tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. dia fahatanterahan’ny faminanian’i Joela momba ny filatsahan’ny fanahin’Andriamanitra. Nasehon’i Petera fa izany dia hitranga alohan’ny “andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza”. (Asan’ny Apostoly 2:16-21; Joela 3:1-5). Tamin’ny 70 am.f.i. i Jehovah no nanatanteraka ny Teniny, ka nitarika ny tafika romana hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ilay firenena nanda ny Zanany. — Daniela 9:24-27; Jaona 19:15.
12. a) Inona no nolazain’i Paoly sy i Petera momba ny “andron’i Jehovah” iray ho avy? b) Nahoana no nisy zavatra azo antoka fa tsy maintsy hitranga, araka ny nasehon’ny asan’i Elia?
12 Mbola hisy zavatra hafa ho avy anefa taorian’ny 70 am.f.i. Ny apostoly Paoly dia nampifandray ny “andron’i Jehovah” iray ho avy, tamin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy. Ambonin’izany, ny apostoly Petera dia niresaka momba io andro io, fony izy nanazava momba ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao” mbola ho avy. (2 Tesaloniana 2:1, 2, NW; 2 Petera 3:10-13). Tadidio fa i Jaona Mpanao Batisa dia nanao asa sahala amin’ny an’i Elia, talohan’ny nahatongavan’ny “andron’i Jehovah” tamin’ny 70 am.f.i. Izany rehetra izany dia nampiseho mazava fa hisy zavatra hafa fanampiny hiseho, araka ny nasehon’ilay asa nataon’i Elia. Inona moa izany?
Manana ny fanahin’i Elia izy ireo
13, 14. a) Fifanitsian-javatra inona no hita eo amin’ny asan’i Elia sy ny an’ireo Kristiana voahosotra amin’ny andro ankehitriny? b) Inona no nataon’ireo mpivadi-pinoana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
13 Tsy ny asa nataon’i Jaona Mpanao Batisa ihany no nifanitsy tamin’ny asan’i Elia, fa ny asa ataon’ny Kristiana voahosotra amin’izao fe-potoana sarotra mitarika ho amin’ilay “andron’i Jehovah” ho avy izao koa. (2 Timoty 3:1-5). Manana ny fanahy sy ny herin’i Elia izy ireo, ka manohana amim-pahatokiana ny fivavahana marina. Ary tena nilaina indrindra izany! Taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Kristy, dia nisy fivadihana tamin’ny Kristianisma marina, toy ny fivavahana tamin’i Bala izay nanjary niroborobo teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elia. (2 Petera 2:1). Nanomboka nampifangaro ny Kristianisma tamin’ny foto-pampianarana sy fanaon’ny fivavahan-diso ireo Kristiana anarana. Ohatra, noraisin’izy ireo ilay fampianaran’ny mpanompo sampy tsy araka ny Soratra Masina hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. (Mpitoriteny 9:5, 6; Ezekiela 18:4). Nitsahatra tsy nampiasa ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina hoe Jehovah ireo mpivadi-pinoana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ny nivavaka tamin’ny Trinite kosa no nataony. Noraisin’izy ireo koa ilay fiankohofana eo anoloan’ny sarin’i Jesosy sy i Maria reniny, mitovy amin’ny nataon’ny mpivavaka tamin’i Bala. (Romana 1:23; 1 Jaona 5:21). Tsy izay ihany anefa.
14 Nanomboka tamin’ny taonjato faha-19, ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana dia nanomboka naneho fisalasalana momba ny tapany maro ao amin’ny Baiboly. Ohatra, nanda ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana izy ireo, ka nanandratra ny teôrian’ny evolisiona, izay antsoiny hoe “ara-tsiansa”. Izany dia nifanipaka tanteraka amin’ireo fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. (Matio 19:4, 5; 1 Korintiana 15:47). Sahala amin’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy tany am-boalohany kosa anefa, ny Kristiana voahosotry ny fanahy amin’izao andro izao dia manohana ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana. — Genesisy 1:27.
15, 16. Mifanohitra amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, iza moa no nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka, ary tamin’ny fomba ahoana?
15 Fony niditra “ny andro farany” itỳ tontolo itỳ, dia nisy mosary ara-panahy nangeja ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. (Daniela 12:4; Amosa 8:11, 12). Ireo Kristiana voahosotra vitsy an’isa kosa anefa nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka avy tamin’Andriamanitra ‘tamin’ny fotoana nety’, toy ny nanomezan’i Jehovah hanina an’i Elia nandritra ilay mosary tamin’ny androny. (Matio 24:45, NW; 1 Mpanjaka 17:6, 13-16). Fantatra tamin’ny hoe Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra ireo taloha. Tatỳ aoriana izy ireo dia nandray ilay anarana araka ny Soratra Masina hoe Vavolombelon’i Jehovah. — Isaia 43:10.
16 I Elia dia niaina nifanaraka tamin’ny anarany, izay midika hoe “Jehovah no Andriamanitro”. Ny Tilikambo Fiambenana, gazety ofisialin’ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany, dia nampiasa tsy an-kijanona ny anaran’Andriamanitra. Raha ny marina aza, ny nomerao faharoa taminy (Aogositra 1879, anglisy) dia naneho ny fatokiany fa nanana ny fanohanan’i Jehovah izy io. Io gazety io sy ny zavatra vita an-tsoratra hafan’ny Fikambanana Watch Tower dia manala sarona ireo fampianarana tsy araka ny Soratra Masina ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny sisa amin’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Etsy an-danin’izany koa anefa, dia manohana ny maha-marina ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, izy ireo. — 2 Timoty 3:16, 17; Apokalypsy 18:1-5.
Mahatoky ao anatin’ny fitsapana
17, 18. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jezebela teo anoloan’ny namonoana ho faty an’ireo mpaminanin’i Bala, nefa ahoana no nahazoan’i Elia fanampiana?
17 Ny fihetsiky ny klerjy teo anoloan’izany fanalana sarona izany dia nitovy tamin’ny an’i Jezebela nahare fa novonoin’i Elia ireo mpaminanin’i Bala. Nandefa hafatra tany amin’io mpaminany nahatokin’i Jehovah io izy, nilazany fa tsy maintsy hataony maty izy io. Tsy rahom-bava fotsiny akory izany, satria i Jezebela efa nampamono ho faty ny maro tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra. Natahotra i Elia, ka nandositra nankany Beri-sheba, tany atsimo-andrefana. Namela ilay mpanampy azy teo izy, ka nanohy ny diany hatrany an’efitra, ary nangataka tao amin’ny vavaka, mba ho faty. Tsy nahafoy ilay mpaminaniny anefa i Jehovah. Nisy anjely iray niseho tamin’i Elia, mba hanomanana azy ho amin’ilay dia lavitra hatrany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Tamin’izay izy dia nahazo hanina nanohana azy ho amin’ilay dia maherin’ny 300 kilaometatra, nandritra ny 40 andro. Tao Horeba Andriamanitra dia niresaka taminy, rehefa avy nampiseho ny heriny tamin’ny fomba nahatahotra tao amin’ny rivotra nahery sy ny horohoron-tany ary ny afo. Tsy tao anatin’ireo anefa i Jehovah. Fisehoan’ny fanahiny masina, na heriny miasa, izy ireo. Avy eo i Jehovah dia niresaka tamin’ilay mpaminaniny. Alao sary an-tsaina ny tanjaka azon’i Elia avy tamin’io zavatra niainany io. (1 Mpanjaka 19:1-12). Ahoana raha manjary somary matahotra sahala amin’i Elia isika, rehefa rahonan’ny fahavalon’ny fivavahana marina? Ny zavatra niainan’i Elia dia tokony hanampy antsika hahatakatra fa tsy mahafoy ny vahoakany i Jehovah. — 1 Samoela 12:22.
18 Nataon’Andriamanitra nazava tsara fa mbola nisy asa tsy maintsy nataon’io mpaminaniny io. Ambonin’izany, na dia nihevitra aza i Elia hoe ny tenany irery no mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina teo amin’ny Isiraely, dia nasehon’i Jehovah taminy fa nisy 7 000 tsy niankohoka teo anatrehan’i Bala. Avy eo Andriamanitra dia namerina an’i Elia tany amin’ilay asa nanendrena azy. (1 Mpanjaka 19:13-18). Sahala amin’i Elia, dia mety henjehin’ny fahavalon’ny fivavahana marina isika. Mety hiharan’ny fanenjehana mamaivay isika, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha. (Jaona 15:17-20). Indraindray dia mety hanjary hatahotahotra isika. Kanefa, afaka ny ho sahala amin’i Elia, izay nahazo toky avy tamin’Andriamanitra ka naharitra tamim-pahatokiana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, isika.
19. Inona no zavatra niainan’ny Kristiana voahosotra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany?
19 Noho ilay fanenjehana namaivay nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, ny Kristiana voahosotra sasany dia resin’ny tahotra ka nitsahatra tsy nitory. Diso hevitra izy ireo tamin’ny fieritreretana fa efa nifarana ny asany teto an-tany. Tsy nanda azy ireo anefa Andriamanitra, fa vao mainka aza nanohana azy tamim-pamindram-po, toy ny nanomezany hanina nanohana an’i Elia. Sahala amin’i Elia, ireo voahosotra nahatoky dia nanaiky ny fanitsiana avy tamin’Andriamanitra, ka tafarina avy tamin’ny tsy fanaovana na inona na inona. Nahiratra ny mason’izy ireo ka nahita ilay tombontsoa lehibe hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana.
20. Amin’izao andro izao, inona no tombontsoa omena an’ireo izay mahatoky sahala amin’i Elia?
20 Tao amin’ny faminaniany momba ny fanatrehany, i Jesosy dia nilaza ny amin’ilay asa haneran-tany izay hovitaina alohan’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. (Matio 24:14). Amin’izao andro izao, io asa io dia tanterahin’ny Kristiana voahosotra sy ireo namany an-tapitrisany maro izay miandrandra ny hiaina eto an-tany zary paradisa. Ny fanatanterahana ny asa fitoriana ilay Fanjakana mandra-pahavitany dia tombontsoa tsy omena afa-tsy an’ireo izay mahatoky sahala amin’i Elia.
Aoka ianao hahatoky sahala amin’i Elia
21, 22. a) Inona no asa tarihin’ny Kristiana voahosotra amin’izao andro izao? b) Noho ny fanampiana inona no anatanterahana ny asa fitoriana, ary nahoana izy io no ilaina?
21 Nanana zotom-po sahala amin’ny an’i Elia ny sisa amin’ireo Kristiana marina voahosotra, ka nisahana ny andraikiny hikarakara ireo tombontsoa eto an-tanin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nahazo fiandrianana. (Matio 24:47). Ary hatramin’ny 60 taona mahery izao, Andriamanitra dia nampiasa an’ireo voahosotra ireo mba hitarika ny asa fanaovana mpianatra an’ireo olona nomeny ny fanantenana mahatalanjona ny hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa. (Matio 28:19, 20). Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana ireo olona an-tapitrisany maro ireo, noho ireo sisa voahosotra vitsy dia vitsy misahana ny andraikiny amin-jotom-po sy amim-pahatokiana!
22 Notontosain’olona tsy tanteraka io asa fitoriana ilay Fanjakana io ary tsy vita afa-tsy noho ilay hery omen’i Jehovah an’ireo izay miantehitra aminy amim-bavaka. “Elia dia olona tahaka antsika ihany”, hoy i Jakoba mpianatra, fony izy nanonona ny ohatr’ilay mpaminany, mba hampisehoana ny herin’ny vavaky ny marina. (Jakoba 5:16-18). Tsy naminany na nanao fahagagana foana akory i Elia. Nanana fihetseham-po sy fahalemena tahaka antsika koa izy, nefa nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana. Koa satria isika koa manana ny fanampian’Andriamanitra ary manatanjaka antsika izy, dia afaka ny hahatoky sahala amin’i Elia isika.
23. Nahoana isika no manana antony tsara hananana fahatokiana sy fanantenana?
23 Manana antony tsara hananana fahatokiana sy fanantenana isika. Tadidio fa i Jaona Mpanao Batisa dia nanao asa sahala amin’ny an’i Elia talohan’ny namelezan’ny “andron’i Jehovah” tamin’ny 70 am.f.i. Manana ny fanahy sy ny herin’i Elia ireo Kristiana voahosotra, ka nanao asan’Andriamanitra nitovy tamin’izany nanerana ny tany. Izany dia manaporofo mazava tsara fa antomotra ilay ‘andro lehiben’i Jehovah’.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no nanaporofoana fa i Jehovah no tena Andriamanitra, teo amin’ny Tendrombohitra Karmela?
◻ Iza moa ilay ‘Elia ho avy’, ary inona no nataony?
◻ Ahoana no nampisehoan’ny Kristiana voahosotra amin’ny andro ankehitriny fa manana ny fanahin’i Elia izy ireo?
◻ Nahoana no azontsika atao ny hahatoky sahala amin’i Elia?
[Efajoro, pejy 15]
Iza Amin’ireto Lanitra Ireto no Niakaran’i Elia?
“RAHA mbola nandeha sy niresaka [i Elia sy i Elisa], dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra.” — 2 Mpanjaka 2:11.
Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘lanitra’ eto? Io teny io indraindray dia ampiharina amin’ny fonenana ara-panahin’Andriamanitra sy ireo zanany anjely. (Matio 6:9; 18:10). Ny hoe ‘lanitra’ dia mety hanondro an’izao rehetra izao hita maso koa. (Deoteronomia 4:19). Ary ny Baiboly dia mampiasa io teny io mba hilazana ny habakabaka manodidina ny tany avy hatrany, izay misy vorona manidina sy rivotra mitsoka. — Salamo 78:26; Matio 6:26.
Iza amin’ireo lanitra ireo no niakaran’i Elia mpaminany? Miharihary fa nasaina namakivaky ny habakabaka manodidina ny tany izy ary nafindra tany amin’ny toerana iray hafa teto ambonin’ny tany. Mbola teto an-tany ihany i Elia taona maro tatỳ aoriana, satria nanoratra taratasy iray ho an’i Jehorama, Mpanjakan’i Joda, izy. (2 Tantara 21:1, 12-15). Ny hoe tsy niakatra tany amin’ny fitoerana ara-panahin’i Jehovah Andriamanitra i Elia dia nohamarinin’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana tamin’ny teny hoe: “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra”, izany hoe i Jesosy. (Jaona 3:13). Ny fahafahana hahazo ny fiainana any an-danitra dia nisokatra voalohany ho an’ny olombelona tsy tanteraka taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ary ny niakarany tany an-danitra. — Jaona 14:2, 3; Hebreo 9:24; 10:19, 20.