Tohero ny Fanahin’ity Tontolo Miovaova Ity
“Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra.”—1 KORINTIANINA 2:12.
1. Inona avy no nahavoafitaka an’i Eva?
“NY MENARANA no namitaka ahy.” (Genesisy 3:13) Niezaka nanazava ny antony nikomiany tamin’i Jehovah Andriamanitra i Eva, vehivavy voalohany, rehefa nilaza an’ireo teny ireo. Marina ny teniny, nefa tsy nanala tsiny azy izany. Notarihin’ny fanahy masina mba hanoratra toy izao ny apostoly Paoly tatỳ aoriana: “[I Eva] no voafitaka tanteraka.” (1 Timoty 2:14) Voafitaka i Eva satria nihevitra izy fa handray soa, eny, hitovy amin’Andriamanitra, rehefa tsy nankatò, izany hoe nihinana ilay voankazo voarara. Voafitaka koa izy satria tsy fantany hoe iza marina no namitaka azy. Tsy fantany fa hay i Satana Devoly no tena niresaka taminy, fa nampiasa menarana fotsiny izy.—Genesisy 3:1-6.
2. a) Ahoana no amitahan’i Satana ny olona ankehitriny? b) Inona no atao hoe “fanahin’izao tontolo izao”, ary inona no fanontaniana hodinihintsika?
2 Tsy nitsahatra namitaka ny olona i Satana, hatramin’ny andron’i Adama sy Eva. “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy, raha ny marina. (Apokalypsy 12:9) Tsy niova ny paikadiny. Mbola manafina ny momba azy foana izy, na dia tsy mampiasa menarana intsony aza. Mamitaka ny olona amin’ny alalan’ny fialam-boly sy ny fampitam-baovao ary ny toy izany i Satana. Fitahiny ny olona mba hino fa tsy mila ny tari-dalana feno fitiavan’Andriamanitra izy ireo, ary tsy mahasoa azy ireo izany. Miezaka tsy an-kijanona hamitaka ny olona ny Devoly. Vokatr’izany, dia lasa manana toe-tsaina tia mikomy amin’ny lalàna sy ny toro lalan’ny Baiboly ny olona hatraiza hatraiza. Io toe-tsaina io no antsoin’ny Baiboly hoe “fanahin’izao tontolo izao.” (1 Korintianina 2:12) Misy heriny lehibe eo amin’ny olona tsy mahafantatra an’Andriamanitra io fanahy io, na eo amin’ny zavatra inoany, na ny toe-tsainy, na ny fitondran-tenany. Ahoana no endrika isehoan’io fanahy io, ary ahoana no anoherana ny fitaoman-dratsiny? Andeha hodinihintsika.
Fitondran-tena miharatsy
3. Nahoana no vao mainka miharihary “ny fanahin’izao tontolo izao” ankehitriny?
3 Vao mainka miharihary “ny fanahin’izao tontolo izao” ankehitriny. (2 Timoty 3:1-5) Azo inoana fa voamarikao hoe miharatsy ny fitondran-tenan’ny olona. Manazava ny anton’izany ny Soratra Masina. Nisy ady tany an-danitra, taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Resy i Satana sy ny anjeliny demonia, ka natsipy tetỳ amin’ny manodidina ny tany. Romotra i Satana, ka vao mainka manao ezaka tsy an-kijanona mba hamitahana ny tany manontolo. (Apokalypsy 12:1-9, 12, 17) Manao izay rehetra azony atao izy “mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.” (Matio 24:24) Isika vahoakan’Andriamanitra no tena ataony lasibatra. Miezaka hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izy, mba tsy hahazoantsika ny fankasitrahany sy ny fiainana mandrakizay.
4. Ahoana no fiheveran’ny mpanompon’i Jehovah ny Baiboly, nefa ahoana no fahitan’izao tontolo izao azy io?
4 Ataon’i Satana izay tsy hinoan’ny olona ny Baiboly, ilay boky sarobidy mampianatra momba ny Mpamorona antsika be fitiavana. Tian’ny mpanompon’i Jehovah ny Baiboly, ary sarobidy aminy. Fantatsika fa Tenin’Andriamanitra avy amin’ny herin’ny fanahy masina izy io, fa tsy tenin’olona. (1 Tesalonianina 2:13; 2 Timoty 3:16) Ny mifanohitra amin’izany anefa no tian’ny tontolon’i Satana hoeritreretintsika. Izao, ohatra, no hita ao amin’ny sasin-tenin’ny boky iray manakiana ny Baiboly: “Tsy ‘masina’ mihitsy ny Baiboly, sady tsy ‘tenin’Andriamanitra.’ Tsy olo-masina nahazo fanambarana avy amin’Andriamanitra no nanoratra azy, fa mpisorona liam-pahefana.” Ho voafitaka mora foana ny olona mino an’izany, ka hieritreritra fa afaka manao izay tiany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy ireo, na afaka tsy manompo azy mihitsy.—Ohabolana 14:12.
5. a) Inona no nolazain’ny mpanoratra iray momba ny fivavahana mampiasa Baiboly? b) Ampitahao amin’izay lazain’ny Baiboly ny foto-pisainan’ity tontolo ity. (Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy manaraka.)
5 Kianina ny Baiboly, na mivantana izany na an-kolaka. Mihatsaravelatsihy koa ireo mpivavaka milaza ho mino azy io, hany ka mihabetsaka ny olona tsy mankasitraka ny fivavahana, anisan’izany ny fivavahana mampiasa Baiboly. Manakiana ny fivavahana ny fampitam-baovao sy ny olona avara-pianarana. Nisy mpanoratra nilaza hoe: “Ratsy ny fiheveran’ny vahoaka ny Jodaisma sy ny Kristianisma. Zava-mahafinaritra efa tranainy be ny fahitana azy ireo raha misy maha tsara azy, fa ny ratsy indrindra aminy kosa dia izy efa lany andro, ka sady tsy mampivelatra ny saina no manakantsakana ny fandrosoan’ny siansa. Lasa fanesoana sy fanoherana an-karihary izany fanamavoana izany tato ho ato.” Ny tsy mino an’Andriamanitra sy ireo ‘manana fomba fisaina poakaty’ mazàna no manohitra toy izany.—Romanina 1:20-22.
6. Ahoana no fiheveran’ity tontolo ity ireo firaisana raran’Andriamanitra?
6 Tsy mahagaga àry raha vao mainka tsy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena takin’Andriamanitra ny olona. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “zava-betaveta” ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. (Romanina 1:26, 27) Lazainy koa fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady. (1 Korintianina 6:9) Tsy vitan’ny hoe ekena any amin’ny tany maro anefa ny toy izany, fa hindrahindraina koa ao amin’ny boky sy gazety, hira, sarimihetsika, ary tele. Ireo sahy miteny manohitra izany fanao izany indray no lazaina fa tery saina, tia mitsara olona, ary tsy mba mivoatra. Tsy mihevitra ny fitsipik’Andriamanitra ho fanehoam-pitiavana sy fiahiana, ity tontolo ity. Mihevitra kosa izy fa maneritery ny fiainany izany, sady misakana azy tsy hahita fahafaham-po.—Ohabolana 17:15; Joda 4.
7. Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?
7 Mihamanohitra an’Andriamanitra foana ity tontolo ity, ka fahendrena ny handinihantsika ny toe-tsaintsika sy izay heverintsika ho zava-dehibe. Tokony handini-tena amim-pahatsorana ao anatin’ny vavaka isika indraindray, mba hahazoana antoka fa tsy voatarika hiala tsikelikely amin’ny fihevitra sy fitsipik’i Jehovah isika. Afaka manontany tena isika, ohatra, hoe: ‘Manjary mahafinaritra ahy ve ny resaka, izay ho nohalaviriko taona vitsivitsy lasa izay? Milefitra kokoa amin’ny fanao raran’Andriamanitra ve aho? Manamaivana kokoa ny raharaha ara-panahy tsy toy ny taloha ve aho? Hita amin’ny zavatra ataoko ve fa tena loha laharana eo amin’ny fiainako ilay Fanjakana?’ (Matio 6:33) Hanampy antsika hanohitra ny fanahin’izao tontolo izao, ny fisaintsainana toy izany.
‘Aza manaiky ho voatarika hiala mihitsy’
8. Ahoana no mety hahatonga ny olona ho voatarika hiala amin’i Jehovah?
8 Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina namany: “Ilaintsika hotandremana mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay ny zavatra efa rentsika, mba tsy ho voatarika hiala mihitsy isika.” (Hebreo 2:1) Tsy tonga any amin’izay halehany ny sambo raha avela hoentin’ny rano fotsiny. Raha toa ny kapitenin-tsambo ka tsy miraharaha firy ny fandehan’ny rivotra sy ny rano, dia mety ho mora entin’ny rivotra ilay sambo ka hanalavitra ny fiantsonana, ary hidona amin’ny haram-bato. Toy izany koa isika. Raha tsy miraharaha firy ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho mora voatarika hiala amin’i Jehovah, ka ho vaky sambo eo amin’ny ara-panahy. Tsy voatery ho efa mandà tanteraka ny fahamarinana isika vao hanjo antsika izany. Vitsy ihany, raha ny marina, no mandao tampoka an’i Jehovah sy minia mandà azy. Lasa variana tsikelikely amin-javatra hafa izy ireo matetika, ka tsy mifantoka intsony amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hitahita akory dia voatarika hanota izy ireo. Toy ny kapiteny resin-tory ny olona toy izany, ka tara loatra vao taitra.
9. Inona avy no fitahiana nomen’i Jehovah an’i Solomona?
9 Diniho izay nitranga tamin’i Solomona. Notendren’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely izy. Navelany hanorina ny tempoly izy, ary nasainy nanoratra ny ampahany sasany ao amin’ny Baiboly. Niresaka indroa taminy i Jehovah, ary nanome azy harena sy laza ary fiadanana nandritra ny fotoana nanjakany. Ankoatra izany, dia nomen’i Jehovah fahendrena lehibe izy. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Ary ny fahendren’i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ny Egyptiana rehetra.” (1 Mpanjaka 5:1, 9, 10; 11:9) Azo antoka fa mety hisy hilaza hoe: ‘Raha misy olona azo inoana fa tsy hivadika amin’Andriamanitra, dia i Solomona.’ Voatarika hivadi-pinoana anefa izy. Fa nahoana?
10. Inona no toromarika tsy nankatoavin’i Solomona, ary inona no niafarany?
10 Fantatr’i Solomona sy azony tsara ny Lalàn’Andriamanitra. Azo antoka fa nahaliana azy manokana ny toromarika nomena ho an’izay ho mpanjakan’ny Israely. Anisan’izany ity voalaza ity: “Aoka tsy hamporafy maro [ny mpanjaka], fandrao hivily ny fony.” (Deoteronomia 17:14, 17) Nanana vady fitonjato sy vadikely telonjato anefa i Solomona, na dia teo aza io toromarika mazava io. Maro tamin’ireo vehivavy ireo no nanompo andriamani-kafa. Tsy fantatsika ny antony nakan’i Solomona vady maro be toy izany, na ny fialan-tsininy. Ny fantatsika kosa dia hoe tsy nankatò ny toromarika mazava nomen’Andriamanitra izy. Nizaka ny vokany izy, araka ny efa nampitandreman’i Jehovah. Izao no vakintsika: “Navilin’ny vadin[’i Solomona] ny fony hanaraka andriamani-kafa.” (1 Mpanjaka 11:3, 4) Azo antoka fa nihena tsikelikely ny fahendren’i Solomona. Voatarika hiala izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia naleony nampifaly ny vadiny mpanompo sampy, toy izay hankatò sy hampifaly an’Andriamanitra. Ratsy fiafara tokoa i Solomona, nefa izy ihany no nanoratra hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”—Ohabolana 27:11.
Mahery ny fanahin’izao tontolo izao
11. Hazavao fa misy heriny eo amin’ny fisainantsika izay ampidirintsika ao an-tsaina.
11 Izay nitranga tamin’i Solomona dia mampianatra antsika fa mampidi-doza ny ieritreretana hoe tsy hisy fiantraikany firy eo amin’ny fisainantsika ny fitaoman’ity tontolo ity, rehefa mahalala ny fahamarinana isika. Misy vokany eo amin’ny vatantsika ny sakafo hanintsika. Toy izany koa fa misy vokany eo amin’ny saintsika ny ‘sakafon-tsaina’ ampidirintsika ao. Mamolavola ny fisainantsika sy ny fihetsitsika izany. Miaiky ny fahamarinan’izany ny orinasa lehibe maro, ka mandany vola an’arivo tapitrisa isan-taona mba hanaovana dokam-barotra. Mampiasa teny sy sary mahasodoka izy, mba hisarihana ny mpividy sy hahatonga ny olona hitsiriritra. Fantatry ny mpanao dokam-barotra koa fa tsy hirohotra hividy ny entany ny olona mazàna, raha indray mandeha na indroa fotsiny izy ireo no mahita ilay dokam-barotra. Lasa manintona kokoa ny mpividy anefa ilay entana, rehefa anaovana dokam-barotra matetika. Tena mahomby ny dokam-barotra, raha tsy izany tsy hisy olona handany ny volany amin’izany. Misy heriny lehibe eo amin’ny fisainan’ny olona sy ny fihetsiny izy io.
12. a) Amin’ny fomba ahoana i Satana no manan-kery eo amin’ny fisainan’ny olona? b) Inona no mampiseho fa mety hanan-kery eo amin’ny Kristianina izy?
12 Toy ny mpanao dokam-barotra i Satana. Ataony manintona ny olona ny heviny, satria fantany fa hisy ho voasarik’izany rehefa mandeha ny fotoana. Mamitaka ny olona amin’ny alalan’ny fialam-boly sy ny fomba hafa i Satana, mba hinoan’izy ireo fa tsara ny ratsy, ary ratsy ny tsara. (Isaia 5:20) Na ny Kristianina marina aza dia voafandriky ny fanazavana diso aeliny tsy an-kijanona. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany ka hihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy hihaino fampianaran’ny demonia. Hiala koa izy ireny noho ny fihatsarambelatsihin’ny mpandainga, izay manana feon’ny fieritreretana toy ny voatomboky ny vy mahamay.”—1 Timoty 4:1, 2; Jeremia 6:15.
13. Inona no atao hoe naman-dratsy, ary inona no mety ho herin’ny namana eo amintsika?
13 Tsy misy vita fanefitra amin’ny fanahin’izao tontolo izao isika rehetra. Tena mahery toy ny rivotra sy ny rano mahazaka sambo, ny fitaoman’ny tontolon’i Satana. Mananatra antsika àry ny Baiboly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Mety ho naman-dratsy avokoa na zavatra na olona, na dia eo anivon’ny fiangonana aza, ka ahitana taratry ny fanahin’izao tontolo izao. Raha mieritreritra isika fa tsy manimba antsika ny naman-dratsy, dia tokony hieritreritra koa isika fa tsy afaka manampy antsika ny namana tsara. Diso tanteraka anefa izany! Manazava izany tsara toy izao ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”—Ohabolana 13:20.
14. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anoherana ny fanahin’izao tontolo izao?
14 Tsy maintsy mifanerasera amin’ny olon-kendry isika, izany hoe amin’ny mpanompon’i Jehovah, raha te hanohitra ny fanahin’izao tontolo izao. Tsy maintsy mameno ny saintsika amin’ny zavatra manatanjaka ny finoantsika isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.” (Filipianina 4:8) Afaka mifidy izay zavatra heverintsika isika, satria noforonina hanan-tsafidy. Enga anie àry isika hihevitra foana izay zavatra hampanatona antsika kokoa an’i Jehovah.
Mahery kokoa ny fanahin’Andriamanitra
15. Inona no tsy nampitovy ny Kristianina tao Korinto fahiny sy ny mponina tao?
15 Tsy tahaka an’ireo voafitaky ny fanahin’izao tontolo izao ny Kristianina marina, fa tarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra kosa. Ho an’ny fiangonan’i Korinto no nanoratan’i Paoly hoe: “Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy.” (1 Korintianina 2:12) Nanenika tanteraka ny tanànan’i Korinto fahiny ny fanahin’izao tontolo izao. Naloto fitondran-tena loatra ny mponina tany, ka lasa nidika hoe “manaram-po amin’ny fitondran-tena maloto” ny teny hoe “miaina toy ny Korintianina.” Nanajamba ny sain’ny olona i Satana. Noho izany, dia tsy nahalala na inona na inona momba ilay Andriamanitra marina izy ireo, na zara raha nahalala. (2 Korintianina 4:4) Toy ny hoe nanokatra ny mason’ny Korintianina sasany anefa i Jehovah rehefa nampiasa ny fanahiny masina, hany ka afaka nahalala ny fahamarinana izy ireny. Nanosika sy nitarika azy ireny hanova tanteraka ny fiainany ny fanahin’i Jehovah, mba hahazoany ny fankasitrahany sy ny fitahiany. (1 Korintianina 6:9-11) Nahery ny fanahin’izao tontolo izao, nefa nahery kokoa ny fanahin’i Jehovah.
16. Ahoana no ahazoana sy ananana hatrany ny fanahin’Andriamanitra?
16 Marina koa izany ankehitriny. Ny fanahy masin’i Jehovah no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao, ary omeny betsaka amin’izy io, izay rehetra mangataka izany amim-pinoana. (Lioka 11:13) Tsy ampy fotsiny anefa ny manohitra ny fanahin’izao tontolo izao, raha tiantsika ny hahazo ny fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra azy io isika, mba hifanaraka amin’ny fisainany ny toe-tsaintsika. Raha manao izany isika, dia homen’i Jehovah hery hanoherana izay mety ho paikadin’i Satana natao hanimbana ny fifandraisantsika aminy.
17. Nahoana no mampahery antsika ny zavatra niainan’i Lota?
17 Tsy anisan’izao tontolo izao ny Kristianina, nefa miaina eo anivony. (Jaona 17:11, 16) Tsy misy amintsika afaka hanalavitra tanteraka ny fanahin’izao tontolo izao, satria mety hiasa na hiara-miaina mihitsy amin’ny olona tsy tia an’Andriamanitra sy ny lalany isika. Moa ve isika mitovy fihetseham-po amin’i Lota, izay “ory dia ory” sy nijaly mihitsy aza, noho ny fandikan-dalàna nataon’ny mponin’i Sodoma? (2 Petera 2:7, 8) Raha izany no izy, dia mampahery antsika ny mahafantatra fa niaro sy namonjy an’i Lota i Jehovah, ary afaka ny hanao izany ho antsika koa izy. Mahita sy mahalala ny toe-javatra misy antsika ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Afaka manome antsika ny fanampiana sy ny hery ilaina hiarovana hatrany ny fifandraisantsika aminy izy. (Salamo 33:18, 19) Hanampy antsika hanohitra ny fanahin’izao tontolo izao izy, na dia mety ho sarotra toy inona aza ny toe-javatra misy antsika, raha miantehitra aminy sy matoky azy isika, ary mitalaho aminy.—Isaia 41:10.
18. Nahoana isika no tokony hankamamy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?
18 Fitahiana ho antsika vahoakan’i Jehovah ny mahafantatra ny fahamarinana, eto anivon’ity tontolo lavitra an’Andriamanitra sy voafitak’i Satana ity. Mahatsapa fifaliana sy fiadanana tsy ananan’ity tontolo ity àry isika. (Isaia 57:20, 21; Galatianina 5:22) Ankamamintsika ilay fanantenana kanto hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa, izay tsy hahitana intsony ny fanahin’ity tontolo efa hifarana ity. Enga anie àry isika hankamamy ny fifandraisana sarobidy ananantsika amin’Andriamanitra, ary ho mailo ka hanitsy izay rehetra mety hitarika antsika hiala amin’ny finoana. Aoka isika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah, dia hanampy antsika hanohitra ny fanahin’izao tontolo izao izy.—Jakoba 4:7, 8.
Hainao Hazavaina Ve?
• Amin’ny fomba ahoana avy no amitahan’i Satana ny olona?
• Inona no hanampy antsika tsy ho voatarika hiala amin’i Jehovah?
• Inona no mampiseho fa mahery ny fanahin’izao tontolo izao?
• Ahoana no ahazoana sy ananana hatrany ny fanahy avy amin’Andriamanitra?
[Tabilao, pejy 11]
FAHENDREN’ITY TONTOLO ITY SY FAHENDREN’ANDRIAMANITRA
Tsy misy ny tena fahamarinana, fa izay marina aminao ihany no marina.
“Ny [tenin’Andriamanitra] no fahamarinana.”—Jaona 17:17.
Ianao ihany no mahalala izay tsara sy ratsy ho anao.
“Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.”—Jeremia 17:9.
Ataovy izay tianao hatao.
‘Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.’—Jeremia 10:23.
Ny harena no antoky ny fahasambarana.
“Ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.”—1 Timoty 6:10.
[Sary, pejy 10]
Voatarika hiala tamin’ny fivavahana marina i Solomona, ary lasa nanompo andriamani-diso
[Sary, pejy 12]
Toy ny mpanao dokam-barotra i Satana, rehefa manely ny fanahin’izao tontolo izao. Manohitra azy io ve ianao?