Aoka isika hankasitraka ireo mpitory maharitra eo amintsika
1 Mifampahery ireo mpiara-miasa hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra. (Kol. 4:11) Rehefa heverintsika fa ny fitoriana ny vaovao tsara no asan’ny kongregasiona kristiana voalohany indrindra, dia manana antony maro manery antsika hankasitraka ireo mpanompo manontolo andro eo anivontsika isika.—Marka 13:10; Rom. 16:2; Fil. 4:3.
Nahoana?
2 Amin’ny fomba mivantana, ireo mpitory maharitra dia mampahatanjaka ny kongregasiona amin’ny fiarahana amin’ireo mpitory tsy za-draharaha kokoa eo amin’ny lafiny samihafa amin’ny asa fitoriana. Tafiditra amin’izany ny fizarana gazety, ny fanomanana sy fanaovana fiverenana mitsidika, ary fanombohana sy fitarihana fampianarana Baiboly mahomby any an-tokantrano. Ambonin’izany, dia afaka manome ohatra amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka amin-kerim-po ireo mpitory maharitra. Ny fanohanany ny fivoahana mitory alamin’ny fianarana ny boky ao anatin’ny herinandro dia manome azy ireo fahafahana mba hanolotra fanampiana ho an’ny hafa. Rehefa manohana ny asa fitoriana amin’ny faran’ny herinandro indrindra ny mpitory maharitra no tena tsapa ny fitaomana manorina avy aminy eny amin’ny saha fitoriana, satria amin’izay no afaka mandray anjara amin’izany ny ankamaroan’ny mpitory.
3 Nanampy ny kongregasiona amin’ny famitana ny faritaniny amin’ny fomba feno sy matetika ireo mpitory maharitra. Izany dia mahatonga ny olona hifankazatra amin’ny fomba tsara kokoa amin’ny hafatra entintsika ka tsy ho saikatra loatra rehefa mitsidika azy isika satria fantany hoe iza isika. Ireo ora maro lanin’ny mpitory maharitra eo amin’ny faritany ka ametrahany zavatra vita an-tsoratra amin’ireo olona liana ary anolokoloany izany fahalianana izany, izany hoe, raha ny tena izy, amboleny sy anondrahany ny voan’ny fahamarinana, dia tsy maintsy hiteraka faritany mamokatra kokoa.—1 Kor. 3:6.
Ao amin’ny kongregasiona
4 Maro no nahazo fampirisihana hirotsaka ao amin’ny fanompoana manontolo andro satria voatohin’ny zotom-po sy ny hafanam-pon’ireo mpitory maharitra mahatoky ny fony. Nisalasala ny ho tonga mpitory maharitra mandavantaona ny anabavy iray satria tsy nisy na dia iray aza nanao io asa io tao amin’ny kongregasionany. Kanefa rehefa nampirisihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izy dia nilatsaka ho amin’izany. Tsy ela dia nanaraka ny hafa, ary izao dia misy mpitory maharitra be zotom-po maromaro ihany ao amin’io kongregasiona io.
5 Mety hisy fotoana hangatahan’ireo loholona ny mpitory maharitra iray hanampy olona iray nanjary tapatapaka na tsy niasa intsony. Mety ho tafiditra amin’izany fanampiana izany ny fitarihana fampianarana Baiboly miaraka amin’io olona io. Ny finoan’ilay mpitory maharitra sy ny zotom-pony amin’izany fomba izany dia mety hamelona indray ny fitiavan’io olona io ny fahamarinana ary hanampy azy harisika indray hanao fiezahana mba hanatontosa ireo andraikitra mifandray amin’ny fanoloran-tenany.—1 Tes. 5:14.
Ampaherezo ireo mpitory maharitra
6 Ireo mpitory maharitra, izay miezaka mafy hampahery ny hafa, dia mila fampaherezana ihany koa mba hahafahana manohy amim-pifaliana ny fanompoany. (Rom. 1:12) Moa ve ianao miresaka momba ny asan’ny mpitory maharitra amin’ny fomba manorina? Oviana ianao no nanao teny fiderana farany ny mpitory maharitra iray noho ny asany sy ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena? Ankasitrahan’ireo mpitory maharitra indrindra rehefa misy olona afaka miara-miasa aminy eny amin’ny saha fitoriana amin’ireo ora tsy misy afa-tsy mpitory vitsy ihany no miasa. Afaka miaraka amin’ireo mpitory maharitra ve ianao ary handany ora betsaka kokoa angamba mba hanohanana ny asa fitoriana?
7 Amin’ny fomba hafa ahoana koa no hahafahanao mampahery ireo mpitory maharitra? Ankoatra ny fanaovana teny fiderana, dia azonao atao ny maneho ny fankasitrahanao ireny mpiasa mafy ireny amin’ny fomba azo tsapain-tanana, amin’ny fanasana azy hiara-misakafo aminao, amin’ny fanampiana azy an-tsitrapo eo amin’ny vola laniny amin’ny fitaterana, ary amin’ny fanohanana azy amin’ny fomba maro hafa araka izay fahafahanao.—Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 5:12, 13.
8 Rehefa manome ohatra ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona, ny mpitory maharitra sy ny mpitory tsotra dia samy hanohana amin’ny fomba feno ireo fandaharana ho amin’ny asa fitoriana voalamina tsara. Amin’izay isika rehetra dia hampiasa izay fanomezana azontsika mba ‘hifanompoana’.—1 Pet. 4:10, 11, MN.