Ampifandraiso Amin’ny Zavatra Vita An-tsoratra Hafa Ireo Taratasy Mivalona
1 Amin’ireo gazety rehetra mivoaka amin’izao andro izao, dia Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ihany no afaka manampy ireo mpamaky tso-po mba hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Rehefa mifampiresaka amin’ny olona ianareo mandritra ny volana Aprily sy May, ny sasany aminy dia hampiseho fahalianana mazava tsara amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ho azonao atao amin’izay ny hisarika avy hatrany ny fahalianany ho amin’ireo gazety farany na ho amin’ny iray amin’ireo bokikely feno sary milokon’ny Fikambanana. Ny hafa dia mety tsy hampiseho fahalianana firy eo am-boalohany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ho azonao atao aloha ny hiresaka momba ny hevitra iray na roa ao amin’ny taratasy mivalona iray; avy eo, raha mampiseho fahalianana fanampiny ilay tompon-trano, dia ampifandraiso amin’ilay gazety na ilay bokikely tianao hasongadina ilay taratasy mivalona.
2 Azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Ny ankamaroan’ny olona dia hanaiky fa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia betsaka kokoa noho ny ala olana ny zava-manahirana. Fantatrao ve fa ny maro amin’ireo zava-manahirana antsika lehibe indrindra dia efa nambara mialoha tao amin’ny Baiboly?” Avy eo ianao dia afaka mampiseho ny pejy faha-4 sy faha-5 amin’ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? ary miresaha momba ny sasany amin’ireo zava-manahirana ireo.
3 Rehefa manasongadina ny bokikely “Indro” ianao, dia mety hampiasa fampidiran-dresaka hafa iray:
◼ “Olona maro no manontany tena ny amin’izay manjo antsika rehefa maty isika. Ny sasany milaza fa na, mankany an-danitra isika na, mankany amin’ny afobe; ny hafa misalasala. Ny valiny omen’ny Baiboly dia sady mahagaga no manome fampiononana.” Avy eo dia azonao atao ny mampiditra tapany sasany amin’ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? sy miresaka momba azy ireo. Aorian’izay, dia azonao atao ny miresaka momba ireo pejy faha-16 sy faha-17 amin’ilay bokikely raha mampiseho fahalianana amin’ilay taratasy mivalona ilay tompon-trano.
4 Raha mpitory vaovao ianao, dia tsy isalasalana fa hankasitraka fampidiran-dresaka tsotra. Nahoana ianao raha maka maromaro amin’ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? ary manaraka ireo fanoloran-kevitra voasoritra etsy amin’ny fehintsoratra faha-2?
5 Voninahitra ho antsika ny mitondra ny hafatra momba ny famonjena any amin’ny tokantranon’ireo olona. Eo am-pitadiavantsika ireo “mendrika”, dia aoka isika hampiasa tsara ireo taratasy mivalona ananantsika ary hampifandray azy ireo amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa rehefa misy fahalianana. — Matio 10:13.