Ataovy Izay Hahatsapan’izy Ireo fa Raisina Tsara Izy any Amin’ny Fahatsiarovana
1 Tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa, dia 1 monja tamin’ny olona 5 na mihoatra, tonga nanatrika ny Fahatsiarovana, no mpitory ny vaovao tsara. Azo inoana fa ho toy izany koa no izy amin’itỳ taona itỳ. Ny sasany mety hanatrika noho ny fampirisihana mafy nataon’ny havana na ny olom-pantatra mipetraka any amin’ny tanàna hafa. Ny hafa kosa mety ho nasain’ny mpitory teo an-toerana. Mbola misy hafa izay manatrika, na dia efa vita batisa aza, no mpitory tsy miasa intsony eo amin’ny fanompoana. Raisintsika tsara amim-pahatsorana izay rehetra maneho fanajana ny baikon’i Jesosy hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” — 1 Kor. 11:24, NW; Rom. 15:7.
2 Ireo mpikarakara ny mpanatrika voatendry dia tokony ho mailaka ny handray tsara ny rehetra, indrindra fa ny olona iray vaovao, rehefa tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Na dia izany aza, isika rehetra dia afaka mandray anjara amin’ny fanarahana ny lalan’ny fahaiza-mampiantrano vahiny any amin’ny Fahatsiarovana. (Rom. 12:13). Ahoana izany?
3 Amin’io takariva io, ireo mpitory sasany dia ho somebiseby amin’ny fikarakarana ny fitaterana ho an’ireo olona liana. Ny hafa mety ho afaka ho tonga aloha be sy ho eo mba hiarahaba ireo mpitsidika tonga irery. Rehefa misy vahiny miditra ny efitrano, dia arahabao amin-kafanana izy, ary manomboha resaka. Anontanio raha misy fantany ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana. Raha misy fantany, dia anehoy fiahiana izy mandra-pahatongan’ilay olona. (Ampitahao amin’ny Lioka 10:35.) Raha tsy mahafantatra olona iray manokana izy, nahoana no tsy asaina hiara-mipetraka aminao mandritra ilay fivoriana? Hazavao ny antony hampiasana divay sy mofo mandritra ilay fandaharana. Mety hila ny fanampianao izy eo amin’ny fizahana ireo andinin-teny tononin’ilay mpandahateny.
4 Amin’ny fifaranan’ny fankalazana ny Fahatsiarovana, dia ataovy fantany fa faly ianao noho ny fahatongavany. Mety hanana fanontaniana momba ny asantsika, izay ho azonao valiana, izy. Ny fanehoanao fiheverana manokana azy dia mety hitarika ho amina fiaraha-mandinika foto-dresaka ara-baiboly sasany, na ao amin’ny Efitrano Fanjakana izany na any an-toeran-kafa. Nisy fampianarana Baiboly tsara dia tsara natomboky ny rahalahy mailaka izay nampiasa io fahaiza-manombo-javatra maha-te hidera io. Alohan’ny handaozan’ilay vahiny ny Efitrano Fanjakana, dia ampifankahalalao amin’ny hafa izy, ary asao amin-kafanana mba hiverina.
5 Fifaliana toy inona moa ny mandray tsara ireo rahalahy sy anabavy malalantsika izay tsy nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana na tsy niasa teo amin’ny fanompoana nandritra ny fotoana sasany! Toy izay hanontany azy hoe taiza izy, dia asehoy fotsiny ny hafalianao mahita azy ireo tonga. Angamba ny zavatra reny mandritra ny lahatenin’ny Fahatsiarovana hanosika azy ireny hanome vidiny indray ny fifandraisany amin-jotom-po amin’i Jehovah. Ny fandraisana mafana ataonao sy ny fiahiana amim-pahatsorana asehonao dia mety hanohina ny fony. Ataovy fantany fa tsy andrinao izay hahitana azy indray. — Rom. 1:11, 12.
6 Hisy lahateny ampahibemaso manokana, mitondra ny lohateny hoe “Manome Fahafaham-po Amin’izay Ilain’ny Olombelona ny Fivavahana Marina”, hatao any amin’ny ankamaroan’ny kongregasiona, amin’ny 10 Aprily. Ataovy azo antoka fa nasaina izay rehetra nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana ary nampiana mba ho tonga. Ny fanantenantsika dia ny hahatsapan’ireo izay manatrika an’ireo fivoriana manokana ireo fa noraisina tsara izy sady tsapany ny toe-tsaina tia miaraka feno hafanana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. — Sal. 133:1.