Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro
Nanomboka tamin’ny 1987 ny fandaharan’ny fivoriambe manokana. Nampahery ny mpanompon’i Jehovah sy ireo olona liana izay nanatrika, ireny fiaraha-mivory iray andro ireny. Manomboka ny Septambra 1998, dia hisy fandaharana vaovaon’ny fivoriambe manokana iray andro hatao. Ho hitanao ao ireo lahateny sivy sy fanadinadinana ary fitantarana zavatra niainana maro izay handraisan-tsoa ara-panahy.
“Manehoa Fankasitrahana Amim-pahatsorana ny Latabatr’i Jehovah”. Izany no loha hevitr’ilay fandaharana vaovao. (Isaia 65:14, 1 Kor. 10:21). Hanatanjaka ny fahatapahan-kevitsika izany raha ny amin’ny tsy maintsy ametrahana eo amin’ny toerana voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika ny fanompoam-pivavahantsika amin’i Jehovah. (Sal. 27:4). Ny anjaran’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hiresaka ny amin’ny “Fandinihana ny Fironan’ny Fontsika” momba ny fanatrehana fivoriana. Ny mpandahateny nasaina dia hampiseho amintsika ny fomba ‘Hihazonana ho Tsara ny Fahasalamana Ara-panahy Amin’ny Fihinanana eo Amin’ny Latabatr’i Jehovah’. Hisy fampaherezana mahasoa koa homena ireo tanora ao amin’ny fandaminan’i Jehovah mba hiorenany mafy hatrany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny lahateny lehibe indrindra ataon’ny mpandahateny mpitsidika, mitondra ny lohateny hoe “Mahazo Tanjaka Ara-panahy mba Hanao Fanambarana Amim-pahasahiana”, dia hampiseho hoe amin’ny ahoana ireo fandaharana atao amin’ny alalan’ny kôngregasiôna no manomana antsika mba hanao fanambarana amin-kasahiana momba ilay Fanjakana. Iza no tsy haniry handray soa avy amin’io fandaharana io?
Ireo izay nanolo-tena vao haingana ka maniry hatao batisa dia tokony hampahafantatra izany amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha haingana araka izay azo atao. Matoky izahay fa eo am-panombohantsika ny faha-12 taonan’ny fandaharan’ny fivoriambe manokana iray andro, ny mpanatrika rehetra dia hahazo hery ara-panahy mba ho vonona amin’ny asa izay miandry.