‘Sakafo Amin’ny Fotoana Mety’
1 Matetika isika no milaza hoe “Tonga amin’ny fotoana ilana azy mihitsy iny fivoriambe iny!”, rehefa avy nanatrika fivoriambe manokana. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra iray fa naniry hampitombo ny fanompoany ny mpitory sasany avy nanatrika fivoriambe. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany koa nilaza hoe: “Nanampy antsika hitadidy ny fotoana misy antsika ilay fivoriambe, ka te handinika indray isika hoe inona no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana.” Hoy kosa ny iray hafa: “Nilaza ny mpitory maromaro fa nampahatsiahy azy ireo ilay fivoriambe hoe ny fanompoana no zava-dehibe indrindra, ka tokony hifantoka amin’izany izy ireo.” Ary ianao, inona no soa noraisinao tamin’ny fivoriambe manokana?
2 Tena hifanentana amin’izay ilaintsika koa ny fivoriambe ho an’ny taom-panompoana vaovao, izay mitondra ny foto-kevitra hoe ‘Aoka Isika Hialoka Amin’i Jehovah’, nalaina tao amin’ny Salamo 118:8, 9. Hovelabelarina any ireto lahateny ireto: “Fiarovana Mafy Amin’ny Fotoam-pahoriana i Jehovah”, “Ampio ny Olona Hialoka eo Ambany Elatr’i Jehovah”, “Tahafo i Jehovah mba ho toy ny Fialofana koa Ianao”, “Ry Tanora, Mitokia Amin’i Jehovah!”, ary “Fomba Iarovan’i Jehovah Antsika ny Paradisa Ara-panahy.”
3 Fomba handraisan-tsoa: Raha vao fantatra ny datin’ilay fivoriambe, dia miomàna hanatrika azy io, ary asao koa ireo olona ampianarinao Baiboly. Tsy maintsy mitadidy izay rentsika isika, raha te ‘hamoa amin’ny fiaretana.’ (Lioka 8:15) Mihainoa tsara àry mandritra ilay fivoriambe, ary raiso an-tsoratra ireo hevi-dehibe sy izay tianao hampiharina ary izay tianao hampiasaina eny amin’ny fanompoana. Tsara raha miresadresaka momba ilay fivoriambe ny mpianakavy rehefa mody, ka mijery hoe inona no azon’izy ireo ampiharina.
4 Nomanina tsara tamim-pitiavana ny fivoriambe manokana ho an’ny taom-panompoana vaovao, toy ny sakafo matsiro sy mahasalama. Hotahin’i Jehovah anie ny ezaka ataonao mba hanatrehana azy io ka hahazoana anjara amin’ilay ‘sakafo amin’ny fotoana mety’, izay natao hampahatanjaka ny finoantsika!—Mat. 24:45.
[Fanontaniana]
1. Inona no soa noraisinao sy ny mpitory hafa tamin’ny fivoriambe manokana farany?
2. Inona no foto-kevitry ny fivoriambe manokana? Inona avy ireo lahateny hatao amin’izy io?
3. Inona no tokony hataontsika raha te handray soa feno avy amin’ilay fivoriambe isika?
4. Nahoana no tsy andrintsika ny hanatrehana ny fivoriambe manokana?