Ampitomboy ny Fahaizanao Mandinika
1 Noho izao andro farany mampahory izao, dia iharan’ny fanerena sy fitsapana isan-karazany ny vahoakan’Andriamanitra hatraiza hatraiza. (2 Tim. 3:1-5) Mila fampaherezana isika rehetra, mba hiorenana mafy amin’ny finoana. (1 Kor. 16:13) Afaka manao izany isika, noho ny fanampian’i Jehovah, raha mamahan-tena tsy tapaka amin’ny Teniny, sady miantehitra amin’ny fanahiny ary mifikitra akaiky amin’ny fandaminany.—Sal. 37:28; Rom. 8:38, 39; Apok. 2:10.
2 Nety tsara àry raha novelabelarina nandritra ny Fivoriambe Manokana Iray Andro, tamin’ny taona lasa, ilay foto-kevitra hoe “Aoka ho Tonga Olon-dehibe Raha ny Amin’ny Fahazoana Hevi-javatra.” Niorina tamin’ny 1 Korintiana 14:20 izy io. Hoy ny apostoly Paoly: “Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ny fahalalana: raha amin’ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.” Ahoana no fahitanao ilay fandaharana?
3 “Tena nampahery!” “Io mihitsy no nilainay!” Roa monja tamin’ny valin-teny azo ireo. Na dia ny olona iray tsy Vavolombelona, nanatrika ny batisan’ny zanany vavy 12 taona aza, dia niaiky volana noho ilay fandaharana, ka nahita fa hahasoa ny fianakaviany izy iny. Izany ve no tsapanao? Andeha isika hamerina ny zava-nisongadina sasany tamin’ny fandaharana.
4 Ilaina ny fahalalana araka ny marina mba hampitomboana ny fahaiza-mandinika: Inona no nantitranterina fa ilaina, mba hiatrehana ireo zava-tsarotra ankehitriny, araka ilay lahateny fanokafana hoe “Ampitomboy Dieny Izao ny Fahaizanao Mahazo Hevi-javatra”? Tsy ampy raha fahaizana ara-tsaina fotsiny. Tsy maintsy mampitombo ny fahalalantsika ny hevitry ny Baiboly isika ary mandalina izany. Raha tsy izany, dia ho resin’ny faharatsiana rehetra eo amin’ilay tontolo manodidina antsika isika. Mila ny fitarihan’Andriamanitra isika, mba hahazoana hevi-javatra. Toy ilay mpanao salamo, dia mangataka amim-bavaka amin’i Jehovah isika, mba hahazo ny hevitry ny lalàny sy ny fampahatsiahivany, ka hanompo azy amin’ny fo manontolo.—Sal. 119:1, 2, 34.
5 Nasehon’ny mpiandraikitra ny faritra tamin’ny anjara manaraka, fa manome antsika “Fanampiana mba Hahatongavana ho Olon-dehibe Raha ny Amin’ny Fahazoana ny Hevitry ny Baiboly” i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Nohazavaina fa ny fahazoana hevi-javatra dia “ny fahaiza-mandinika ny votoatin’ny raharaha iray, sy ny fahaiza-manavaka ireo tapany mahaforona azy io, amin’ny fanakaran’ny saina ireo fifandraisana misy eo amin’ilay raharaha manontolo sy ireo tapany aminy, ka mahazo ny hevitr’izy io amin’izany fomba izany.” Iza no afaka manampy antsika hampitombo io fahaizana io? Nanolotra lehilahy ho fanomezana i Jehovah, mba hanampy antsika handroso eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Efes. 4:11, 12) Mampirisika antsika mafy mba hamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, sy hanatrika tsy tapaka ny fivoriana rehetra, ny fandaminany eto an-tany. (Sal. 1:2) Ampianarina antsika ny fomba ampiasana ny Baiboly sy ny boky kristianina, rehefa manao fianarana manokana sy fianaram-pianakaviana, ary manomana ny fivoriana sy ny fanompoana eny amin’ny saha. Narahinao ve ireo toromarika rehetra ireo? Manaraka fandaharam-pamakiana Baiboly tsy tapaka ve ianao? Tena ilaina izany, raha tsy tiantsika ny ho voatariky ny olona eo amin’izao tontolo izao hanaraka ny fironany, ny lamaodiny, ny filozofiany ary ny fitaomany mamitaka.—Kol. 2:6-8.
6 Tsy maintsy ampiofanina ny fahaizantsika mandinika: Nanazava ny mpandahateny mpitsidika tamin’ny lahateniny voalohany hoe “Arovy ny Fahasalamanao Ara-panahy, Amin’ny Fampiofanana ny Fahaizanao Mandinika”, fa tsy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy ny olona eo amin’izao tontolo izao. (Isaia 5:20, 21) Izany dia noho izy ireo mandà sy tsy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba izay tsara sy ratsy. Manaiky ireny fitsipika ireny kosa isika izay nahazo fampiofanana ara-panahy tao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Natao hitarika antsika amin’ny asantsika sy ny fitondran-tenantsika izany. Noho izany, dia azontsika fantarina izay tsara sy ankasitrahana eo imason’i Jehovah, sy izay mifanaraka amin’ny sitrapony marina.—Rom. 12:2.
7 Tsy maintsy manohy mampiofana ny fahaizantsika mandinika isika, mba hanalavirana ny fisainana misafotofoton’izao tontolo izao sy ny voka-dratsin’izany. Ahoana no hanaovana izany? Ao amin’ny Hebreo 5:12-14, dia antitranterin’ny apostoly Paoly fa tsy ampy ny misotro ny ‘rononon’ny teny.’ Mila ventin-kanina ara-panahy isika, toy izay azontsika rehefa mianatra ny faminanian’i Isaia amin’ny Fianarana Boky. Tsy maintsy ampiharintsika koa izay ianarantsika. Rehefa manao izany isika dia miaiky fa marina ny toro lalana sy fitsipik’i Jehovah. Mampiofana ny fahaizantsika mandinika izany, mba hanavahantsika ny tsara sy ny ratsy.
8 Mampalahelo fa nihanalemy ara-panahy ny sasany. Nahoana? Tsy nampifantoka ny sainy tamin’izay tsara sy mahitsy eo imason’i Jehovah izy ireo. Noho izany, dia iharan’ny voka-dratsin’ny mozika mampietry, na ny vidéo, na ny resadresaka amin’olo-malaza ao amin’ny radio sy ny televiziona, izay melohin’ny Soratra Masina, izy ireo. Rehefa manao zavatra amim-pahendrena isika, dia tsy ho voataonan’ny olona maloto fitondran-tena sy adala na ratsy fanahy.—Ohab. 13:20; Gal. 5:7; 1 Tim. 6:20, 21.
9 Tsy maintsy ho “zazakely raha ny amin’ny faharatsiana” ny tanora: Nisy lahateny roa nampirisika indrindra ny tanora mba hampitombo ny fahaizany mandinika. Nasehon’ireo mpandahateny fa ny hoe “zazakely raha ny amin’ny faharatsiana” dia midika hoe mitoetra ho tsy mahay, izany hoe sahala amin’ny zazakely tsy manan-tsiny, raha ny amin’ireo zavatra tsy madio eo imason’i Jehovah. (1 Kor. 14:20) Nampirisihina isika rehetra mba hitandrina tsara ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika, mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy isan-karazany, ka ho voaloton’izany. (Efes. 5:15-17) Nasaina nisaintsika ny fotoana lanintsika namakiana zavatra tsy mampitombo ny fahatakarantsika zavatra ara-panahy. Nanao izany ve ianao? Inona no hitanao tamin’izany? Ankoatra ny famakiana Baiboly isan’andro, dia aoka isika haharaka ny famakiana ny boky sy gazety avoakan’ny Fikambanana. Hanampy antsika rehetra, anisan’izany ny tanora, mba hahazo hevi-javatra, ny fanaovana izany.—Ohab. 4:7-9.
10 “Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampiharana Ireo Foto-pitsipika Ara-baiboly Izay Azo ny Heviny”: Izany no lohatenin’ny lahateny famaranana tamin’ilay Fivoriambe Manokana. Nanazava ilay mpandahateny mpitsidika fa avy amin’i Jehovah ny fahalalana manome fiainana, izay ambony lavitra noho ny an’ny olombelona rehetra. Eritrereto ange izany hoe manovo avy amin’ny fahalalan’i Jehovah izany e! Omeny betsaka amin’izy io izay tena mitady sy mangataka azy io amim-pinoana. (Ohab. 2:3-5, 9; 28:5) Mampiasa tsara io fanomezana io ve ianao?
11 Nampirisihina isika hianatra hanavaka ireo toro lalana rehefa mamaky ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Ianaro amim-pitandremana izy ireny, mba hahafantarana tsara izay lazain’i Jehovah. Manokàna fotoana hisaintsainana ireny toro lalana ireny, ary alenteho ao an-tsainao sy ao am-ponao izy ireny. Ho voaofana ny fahaizanao mandinika amin’izay, ka afaka ny hahomby ianao rehefa mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainana. (Josoa 1:8) Handinika toe-javatra vitsivitsy atrehin’ny maro isika, ka hojerentsika hoe ahoana no anampian’ny toro lalana ara-baiboly antsika mba hahomby.
12 ‘Misy fomba fitafy sy fisehoana ankapobe tokony harahiko ve?’ Matetika no mampiseho toe-tsaina tia mikomy ny fitafy sy ny fisehoana ankapobe ara-damaody tafahoatra. Mahatonga ny olona hanao fitafiana misavoritaka, na manaitra ny filan’ny nofo io toe-tsaina io. Inona no toro lalana ara-baiboly afaka manampy antsika hanohitra io fironana io? Nampiofana ny fahaizantsika mandinika isika, ka hisaintsaina ilay toro lalana ao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10, dia ny hanao ‘fitafiana maotina sy hahonon-tena, araka izay mahamendrika ny [olona] manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.’ Misy toro lalana momba izany koa voasoratra ao amin’ny 2 Korintiana 6:3 sy ny Kolosiana 3:18, 20.
13 ‘Ahoana no anatanjahako hatrany ny fatoram-pianakaviako?’ Tena mila mifampiresaka ny fianakaviana. Hoy ny Jakoba 1:19: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.” Mila mifampihaino sy mifampiresaka ny mpianakavy satria tsy mandeha ila ny fifampiresahana ao amin’ny fianakaviana. Na dia marina aza ny zavatra lazaintsika, dia azo inoana fa vao mainka hanimba zavatra izany raha masiaka na miavona na tsy mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa isika eo am-panaovana azy. Na lehilahy vady àry isika, na vehivavy vady, na ray aman-dreny, na zanaka, dia tokony “ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira” ny fitenintsika.—Kol. 4:6.
14 ‘Miahy fatratra ny zavatra ara-nofo ve aho?’ Mitaona antsika hiahy fatratra ny zavatra ara-nofo izao tontolo izao. Manasarotra ny fiainana fotsiny anefa izany, fa tsy mahasambatra. (Mpit. 5:9; Lioka 12:15; 1 Tim. 6:9, 10) Manampy antsika tsy hiahy fatratra ny zavatra ara-nofo i Jesosy, ka nampianatra antsika izao toro lalana izao: Aoka ho tsotra hatrany ny masonao. Rehefa manana fiainana voalanjalanja sy tsy be pitsiny kokoa isika, dia hifantoka amin’ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ka hataontsika eo amin’ny toerana faharoa ny zavatra hafa rehetra.—Matio 6:22, 23, 33.
15 Inona no tokony ho zava-kendrentsika? Misy toro lalana mahitsy azo ianteherana, afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mila mianatra sy misaintsaina ireny toro lalana ireny isika, ary mahatakatra tsara ny fomba hampiharana azy eo amin’ny fiainantsika. Sady mandray soa àry isika no manome voninahitra an’i Jehovah, rehefa ‘zarintsika ny saintsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy.’—Heb. 5:14.