Ampio ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara’
1 Samy manana ny toetrany lalim-paka ao am-pony ny tsirairay. (Matio 12:35) ‘Ady no ao am-pon’ny’ sasany, hoy ny Baiboly. (Sal. 55:21) Mora entim-po, na “mora tezitra” ny hafa. (Ohab. 29:22) Misy koa anefa ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Manangona ny olona manana toe-po tsara toy izany ho ao aminy i Jehovah ankehitriny. (Hagay 2:7) Ahoana no hanampiantsika azy ireny ho lasa mpanompony?
2 Aza atao tsirambina ny fiverenana mitsidika: Mila manana fomba fijery tsara momba ny fiverenana mitsidika isika, mba hanaovana mpianatra, araka ny nanirahana antsika. (Matio 28:19, 20) Mazoto manampy ny olona liana hitantsika ve isika? Miverina mitsidika ny olona rehetra nandray boky na gazety, na naneho fahalianana tamin’ny vaovao tsara, ve isika? Miezaka hatrany ve isika manampy azy ireo handroso ara-panahy? Koa satria famonjena aina ilay izy, dia tokony hiezaka hanampy ny olona rehetra mampiseho fahalianana isika.
3 Makà fotoana kely hanoratana ny anarana sy ny adiresin’ny olona liana niresahanao, dieny mbola ao an-tsainao ny resaka nifanaovanareo. Raiso an-tsoratra koa ny foto-kevitra noresahinareo, sy izay andinin-teny novakina, ary ny boky na gazety voapetraka. Ary aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiverina haingana araka izay azo atao.
4 Fomba hanaovana fiverenana mitsidika: Rehefa miverina mitsidika olona ianao, dia tsara raha maneho fitiavana sy sariaka ary mampiseho fa tena miahy azy. Ataovy tsotra sy mifototra amin’ny Soratra Masina foana ny resaka. Manomàna foto-kevitra ara-baiboly mahaliana iray, ary rehefa hifarana ilay fitsidihana dia mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Raha milaza hevitra tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ilay olona, dia aleo tsy miady hevitra momba izany. Mitadiava hevitra iombonanareo, ka izay no resaho.—Kol. 4:6.
5 Mahafa-po ny vokatra azo, na dia mitaky ezaka aza ny fiverenana mitsidika. Nataon’ny mpisava lalana iray any Japon tanjona ny hanao fiverenana mitsidika bebe kokoa isam-bolana. Noraisiny an-tsoratra daholo ny anaran’ny olona nitoriany, ary niverina nitsidika azy ireo indray izy, tao anatin’ny herinandro. Nomaniny tsara izay horesahiny, ary natoky tanteraka izy fa hampita ilay hafatra araka ny tokony ho izy. Nisy olona iray nanaiky hianatra Baiboly rehefa notsidihiny. Nilaza izy io hoe: “Tsy nandray anareo mihitsy aho taloha. Sambany aho izao vao mihaino anareo.” Nisy vokany ny fitiavana sy fikirizan’ilay mpisava lalana. Folo ny fampianarana Baiboly nanaovany tatitra rehefa nifarana ny volana.
6 Miova foana ny toe-javatra misy ny olona. (1 Kor. 7:31) Matetika isika no mila miverimberina mitsidika ny olona liana, vao mahita azy ao an-trano indray. Afaka manampy ny olona manana toe-po tsara mba hanaraka ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika, raha tsy manao tsirambina ny fiverenana mitsidika.—Matio 7:13, 14.
[Fanontaniana]
1. Iza no angonin’i Jehovah ho ao aminy ankehitriny?
2. Inona no ilaina mba hanatanterahana ny asa nanirahana antsika, dia ny hanao mpianatra?
3. Inona no tokony hataontsika rehefa avy mitory amin’ny olona?
4. Ahoana no ahitana vokatra rehefa manao fiverenana mitsidika?
5. Inona no ezaka nataon’ny mpisava lalana iray, ary inona no vokany?
6. Nahoana isika no tsy maintsy manao fiverenana mitsidika hatrany?