Fandaharan’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro Amin’ny 2010
1. a) Inona no sasany amin’ireo loha hevitry ny fivoriambe manokana tamin’ny lasa? b) Nisy hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe manokana teo aloha ve nanampy anao tamin’ny fanompoana?
1 Ireto ny sasany amin’ny loha hevitry ny fivoriambe manokana tamin’ny lasa: “Aoka Isika Hiorina Mafy ao Anatin’ny Andiany Iray”, “Aza Mitsahatra Manao Fanambarana Momba ny Fahamarinana”, “Aoka Ianareo ho Olona Ampianarin’i Jehovah”, “Tanimanga Isika, ary i Jehovah no Mpanefy Antsika.” (Fil. 1:27; Jaona 18:37; Isaia 54:13; 64:8) Tsy andrinao ve ny hanatrehana ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2010? “Efa Kely Sisa ny Fotoana Tavela” no loha hevitr’izy io, ary nalaina tao amin’ny 1 Korintianina 7:29.
2. Inona no mety hanampy antsika hiomana ho amin’io fivoriambe io?
2 Resaho amin-kafanam-po ny momba an’io fivoriambe manokana io, rehefa avy nolazaina tamin’ny fiangonana ny daty hanaovana azy. Manampy ny zanany hiomana ho amin’izy io ny ray aman-dreny sasany, ka manisy marika eo amin’ny datin’ny kalandrieny. Soratany koa ny lisitry ny zavatra tokony hoentin’ny tsirairay, ary isainy ny andro sisa tavela mandra-pahatongan’ilay fivoriambe. Mety ho tianareo ny handinika indray ny hevitra noraisinareo an-tsoratra tamin’ireo fivoriambe manokana teo aloha, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Afaka manomana ny fonao koa ianao, ka mandinika indray ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 13-16. Hanampy anao sy ny fianakavianao ‘hitandrina ny fomba fihainoanareo’ izany.—Lioka 8:18.
3. Ahoana no handraisantsika soa feno avy amin’ny fandaharan’ny fivoriambe?
3 Ampiharo izay ianaranao: Izao no fandre matetika rehefa vita ny fivoriambe: “Tena nahafinaritra iny fandaharana iny!” Marina foana izany, satria anisan’ireo fandaharana maro be omen’i Jehovah ny fivoriambe. (Ohab. 10:22) Tsy maintsy misaintsaina sy mitadidy an’ireo fanazavana ianao, raha te handray soa. (Lioka 8:15) Resaho amin’ny fianakavianao na ireo iray fiara aminao ilay fandaharana, rehefa eny an-dalana hody ianareo. Ampirisiho ny tsirairay mba hiresaka ny tanjony sy ny hevitra hanampy azy eny amin’ny fanompoana. Hitondra soa maharitra ho anao ilay fivoriambe raha manao izany ianao.—Jak. 1:25.
4. Nahoana no tena hahasoa antsika io fivoriambe io?
4 Mahatsiaro hoe nanehoana fiheverana manokana isika, rehefa nomena fanomezana tena mahasoa antsika. Tsy efa miandrandra an’izay nomanin’i Jehovah ho antsika amin’ny fivoriambe manokana ve isika? Afaka matoky isika fa hahasoa antsika amin’ny lafiny rehetra izy io. Afaka manantena koa isika fa homen’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, fampaherezana sy fampiofanana mba hanatanterahana ny asa nanirahany antsika.—2 Tim. 4:2; Jak. 1:17.