Asa Maika ny Fitoriana!
1. Fampirisihan’i Paoly inona no mbola zava-dehibe ankehitriny?
1 “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany.” (2 Tim. 4:2) Nahoana no tena zava-dehibe io fampirisihan’i Paoly io ankehitriny? Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika sy ny an’ny hafa?
2. Nahoana isika no mila mazoto mikaroka an’ireo mbola tsy nandre ny vaovao tsara?
2 Aina no hovonjena: Olona an-tapitrisany eran-tany no mbola tsy nandre ny vaovao tsara. Mila itoriana anefa izy ireo mba ho voavonjy. (Rom. 10:13-15; 1 Tim. 4:16) Mahita olona tso-po maro isika, na dia amin’ny faritany iasana matetika aza. Mety hihaona amin’olona samy hafa koa isika, rehefa manovaova ny andro na ny ora itoriana. Ho afaka amin’ny trosan-dra isika raha mazoto mikaroka azy ireny, sady hadio ny feon’ny fieritreretantsika.—Asa. 20:26.
3. Ahoana no azo ampiasana tsara ny fotoana rehefa manompo?
3 Nenjehina mafy ny Kristianina voalohany, nefa mbola ‘nofenoin’izy ireo ny fampianarany i Jerosalema.’ (Asa. 5:28) Tapa-kevitra “hitory amin’ny fomba feno” toy izany koa ve isika? (Asa. 10:42, f.a.p.) Manararaotra tsara ny fotoana ve isika rehefa manompo? Miezaka miresaka amin’ny mpandalo ve isika, ohatra, mandra-piandry ny hafa?
4. Nahoana no manampy antsika hiambina hatrany ny fitadidiana fa maika ny asa fitoriana?
4 Manampy antsika hiambina hatrany: Tsy maintsy mailo sy miambina hatrany isika, satria efa antomotra ny farany. (1 Tes. 5:1-6) Tsy hovesaran’ireo zavatra tsy dia ilaina eto amin’ity tontolo ity isika, rehefa miresaka foana ny fanantenana momba ilay Fanjakana. (Lioka 21:34-36) Vokatr’izay dia lasa “manao an-tsaina” ny andron’i Jehovah isika, ka vao mainka te hitory bebe kokoa.—2 Pet. 3:11, 12.
5. Nahoana isika no mila mahatsapa fa sarobidy ny ain’ny olona?
5 Sarobidy amin’i Jehovah ny ain’ny olona, ka manahaka ny fomba fiheviny isika raha mitadidy fa maika ny fitoriana. “Tsy tiany hisy ho ringana” mantsy ny olona, “fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Pet. 3:9; Ezek. 33:11) Aoka àry isika ho tapa-kevitra hitory amin’ny olona faran’izay betsaka, ao amin’ny faritanintsika, mba ho fiderana an’i Jehovah!—Sal. 109:30.