Toko Faha-26
Ny Masturbation — Ahoana no Ahafahako Miady Amin’io Faniriana Io?
“TENA sarotra ialana aoka izany izy io”, hoy ny zatovolahy iray izay niady tamin’ny masturbation nandritra ny 15 taona mahery. “Afaka ny ho mora tonga fahazarana, tsy misy hafa amin’ny zava-domelina na ny zava-pisotro misy alkaola, izy io.”
Ny apostoly Paoly anefa dia tsy namela ireo faniriany ho tonga toy ny tompo lozabe iray. Hoy kosa ny nosoratany: “Asiako mafy ny tenako [ireo faniriako ara-nofo] ho mangana ka andevoziko”. (1 Korintiana 9:27). Tena sarotiny mafy tamin’ny tenany izy! Hanampy na iza na iza hiala amin’ny masturbation ny fanaovana ezaka mitovy amin’izany.
“Omano ho amin’ny asa ny sainareo”
Maro no manao masturbation mba hanamaivanana ny fihenjanana sy ny tebiteby. Ny masturbation anefa dia fomban-jaza handaminana zava-manahirana. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11.) Tsara kokoa ny hanehoana “fahaiza-misaina” sy hiadiana amin’ilay zava-manahirana mihitsy. (Ohabolana 1:4, NW ). Rehefa toa hanafotra ireo zava-manahirana sy fahakiviana, dia “apetraho [amin’Andriamanitra] ny fanahianareo rehetra”. — 1 Petera 5:6, 7.
Aoka hatao hoe sendra mahita na mahare zavatra izay manaitra anao eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ianao. Mampirisika toy izao ny Baiboly: “Omano ho amin’ny asa ny sainareo; aoka ianareo hifehy tena”. (1 Petera 1:13, New International Version). Folahy ny sainao ary lavo ilay eritreritra maloto. Tsy ho ela dia ho faty ilay fahataitairana.
Sarotra indrindra anefa ny fandavana ireo eritreri-dratsy rehefa ilay irery amin’ny alina iny ny tena. Manoro hevitra toy izao ny zatovovavy iray: “Ny zavatra tsara indrindra tokony hatao dia ny miala ao am-pandriana sy manao asa iray, na angamba mihinan-javatra kely, mba hampitodihana ny sainao ho amin’ny zavatra hafa.” Eny, tereo ny tenanao ‘hihevitra na inona na inona manan-kaja, mahitsy, madio, mahate-ho-tia, tsara laza’. — Filipiana 4:8.
Rehefa tsy mahita tory ianao, dia miezaha hanahaka an’i Davida, Mpanjaka nahatoky, izay nanoratra hoe: “Raha mahatsiaro Anao [Andriamanitra] eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ny fiambenan-alina.” (Salamo 63:6). Ny fanerena ny sainao hisaintsaina momba an’Andriamanitra sy ireo toetrany tsara matetika dia hampijanona ilay fironana. Hanampy anao koa ny fieritreretana foana momba ny fomba fihevitr’Andriamanitra an’io fahazarana maloto io. — Salamo 97:10.
Manaraha fomba fisorohana mialoha
“Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa”, hoy ny nosoratan’ilay olon-kendry nahazo tsindrimandry. (Ohabolana 22:3). Afaka miseho ho mahira-tsaina ianao amin’ny fanehoana fahaiza-mahita zavatra mialoha. Ohatra, raha hitanao fa nahatonga anao ho taitaitra teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ny fanaovan-javatra sasany, ny akanjo tery sasany, na ny sakafo sasany, dia fadio tanteraka izany zavatra izany. Ireo zava-pisotro misy alkaola, ohatra, dia afaka mampihena ireo fandrarana ao anatin’ny tena ka mahatonga ny fifehezan-tena ho sarotra kokoa. Ankoatra izany, dia ataovy fadin-dambo amin’amboa izay boky, fandaharana amin’ny televiziona na sarimihetsika rehetra mifandray amin’ny fahafinaretan’ny nofo. “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny làlanao aho”, hoy ny vavaka nataon’ny mpanao salamo. — Salamo 119:37.
Azo atao koa ny manaraka fomba fisorohana mialoha amin’ireo fotoana izay maha-mora voa anao indrindra. Mety ho hitan’ny zatovovavy iray fa mahery kokoa ny faniriany momba ny lahy sy ny vavy amin’ny fotoana sasany amin’ny volana. Na mety haratra ara-pihetseham-po na ketraka ny tena. “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao”, hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 24:10. Halaviro àry ny fitoerana ho irery mandritra ny fotoana ela be. Manaova fandaharana mba hanao asa mampandroso izay hihazona ny sainao ho variana amin-javatra sarotra ka tsy hanome azy fahafahana firy hihodinkodina eo amin’ny eritreritra maloto.
Fanaovana ny dingana voalohany eo amin’ny lafiny ara-panahy mba handresena ilay ady
Ny lehilahy iray 27 taona niady tamin’io fahazarana io hatramin’ny faha-11 taonany, dia nahazo ny fandresena ihany tamin’ny farany. “Nila ny nanao ny dingana voalohany mba handresena ilay ady aho”, hoy ny nohazavainy. “Namaky ny Baiboly aho, fara fahakeliny toko roa isan’andro tsy tapaka.” Nanao izany tsy an-kijanona nandritra ny telo taona izy. Ny Kristiana hafa iray koa dia manoro hevitra toy izao: “Alohan’ny hatorianao, dia mamakia zavatra mifandray amin’ny zavatra ara-panahy. Tena zava-dehibe raha toa ka eritreritra ara-panahy no ao an-tsainao farany amin’ny andro. Ny vavaka amin’io fotoana io koa dia tena faran’izay manampy.”
‘Ny fananana zavatra be hatao ao amin’ny Tompo’, toy ny asa fampianarana ny Baiboly amin’ny hafa, koa dia manampy. (1 Korintiana 15:58, NW ). Nanambara toy izao ny vehivavy iray nandresy ny masturbation: “Ny zavatra iray tena manampy ahy ankehitriny mba handositra io fahazarana io dia noho izaho mpitory ny filazantsara manontolo andro ka mifantoka tanteraka amin’ny fanampiana ny hafa hahazo fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ny saiko sy ny heriko.”
Amin’ny alalan’ny vavaka atao amim-pahatsorana, dia afaka mangataka an’Andriamanitra koa ianao mba hanome anao “ny hery mihoatra noho ny mahazatra”. (2 Korintiana 4:7, NW ). “Loary eo anatrehany [Andriamanitra] ny fonareo”. (Salamo 62:8). Milaza toy izao ny zatovovavy iray: “Ny vavaka dia tilikambon-kery azo eo no ho eo. Tena manampy tokoa ny fivavahana amin’ilay fotoana ipoiran’ny faniriana iny.” Ankoatra izany, rehefa mifoha amin’ny maraina ianao ary koa mandritra ny andro, dia lazao amin’Andriamanitra ny fahatapahan-kevitrao ary mitalahoa aminy mba hanomezany ny fanahiny masina mampahery. — Lioka 11:13.
Fanampiana avy amin’ny hafa
Raha tsy mahomby ny ezaka ataon’ny tenanao manokana, dia miresaha amin’ny olona iray afaka manampy, toy ny rainao na ny reninao na ny loholona kristiana iray. Ireo zatovovavy dia mety hahita fa manampy ny fianteherana amin’ny vehivavy kristiana matotra iray. (Titosy 2:3-5). Nilaza toy izao ny zatovolahy iray izay saika namoy fo mihitsy: “Niresaka nitokana momba ilay izy tamin-draiko aho indray takariva.” Hoy ny naharihariny: “Nila ny herim-po rehetra nananako aho mba hilazana ilay izy taminy. Nitomany aho teo am-piresahana taminy satria menatra aoka izany. Kanefa tsy hohadinoiko na oviana na oviana ilay nolazainy tamiko. Nisy tsiky feno fanomezan-toky teo amin’ny endriny, ary hoy izy: ‘Tena mahatonga ahy hirehareha noho ny aminao izao nataonao izao.’ Fantany izay tsy maintsy ho nandalovako mba hahatongavako hatramin’io fetra io. Tsy nisy teny hafa afaka nampahery ahy sy nanamafy ny fahatapahan-kevitro nihoatra noho ireo.
“Avy eo dia nampiseho andinin-teny vitsivitsy tamiko ny raiko mba hanampiana ahy hahita fa tsy ‘lasa lavitra loatra’ akory aho”, hoy io tanora io nanohy ny teniny, “ary andinin-teny hafa koa mba hahazoana antoka fa takatro tsara ny naha-ratsy ilay lalana narahiko. Nilazany koa aho mba ‘hitandrina mafy’ mandritra ny fotoana kelikely, ary dia hiresaka momba ilay izy indray izahay mianaka avy eo. Nilazany aho fa tsy tokony hamela ny fahalavoana indray hanafotra ahy, fa hanohy mandritra ny fotoana lavalava kokoa fotsiny tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahy amin’ny manaraka.” Rehefa avy nandresy tanteraka ilay zava-nanahirana io zatovolahy io, dia nanampy teny toy izao: “Ny fisian’ny olon-kafa nahafantatra ny amin’ny zava-nanahirana ahy sady nanampy ahy, no tena nitondra soa lehibe indrindra ho ahy.”
Rehefa misy fahalavoana indray
Rehefa avy niezaka mafy mba handresy ilay fahazarana ny tanora iray, dia lavo indray. Niaiky toy izao izy: “Toy ny vato be iray nanamontsana ahy ilay izy. Nahatsiaro ho tsy mendrika aoka izany aho. Avy eo aho dia nanjohy hevitra hoe: ‘Efa lasa lavitra loatra aho. Tsy manana ny fankasitrahan’i Jehovah aho, koa inona intsony no antony tokony haha-sarotiny mafy ahy amin’ny tenako?’ ” Ny fahalavoana indray anefa dia tsy midika fa tsy naharesy tamin’ilay ady ny tena. Mahatsiaro toy izao ny ankizivavy iray 19 taona: “Tamin’ny voalohany, dia nitranga saika isan’alina ilay izy, avy eo anefa dia nanomboka niantehitra kokoa tamin’i Jehovah aho, ary noho ny fanampian’ny fanahiny, izao aho dia tsy lavo afa-tsy inenina isan-taona eo ho eo. Tena tsy faly amin’ny tenako aho rehefa mitranga izany, kanefa isaky ny lavo aho, ka tonga ilay fakam-panahy manaraka, dia matanjaka lavitra noho ny teo aloha aho.” Mihamandresy miandalana ilay ady ataony àry izy.
Rehefa mitranga ny fahalavoana indray, dia fakafakao izay nitarika ho amin’izany. Hoy ny tanora iray: “Averiko saintsainina izay novakiko na noeritreretiko. Saika amin’ny toe-javatra rehetra, dia hitako foana ilay antony nahatonga ahy ho solafaka. Amin’izany fomba izany, dia afaka mijanona tsy manao iny zavatra iny intsony aho, ary manitsy azy.”
Ireo valisoa noho ny ady tsara iray
Hoy ny tanora iray izay nandresy ny masturbation: “Hatramin’ny nandreseko io zava-nanahirana io, dia afaka mihazona feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah aho, ary izany dia zavatra izay tsy hatakaloko na inona na inona mihitsy!”
Eny tokoa, ny feon’ny fieritreretana madio, ny fihatsaran’ny fahatsapana ho mendrika, ny fitomboan’ny tanjaka eo amin’ny ara-pitondran-tena, ary ny fifandraisana akaiky kokoa amin’Andriamanitra dia samy valisoa noho ny ady tsara iray atao amin’ny masturbation. Hoy ny zatovovavy iray nandresy ny masturbation tamin’ny farany: “Minoa ahy, tena mendrika ny hanaovana ilay ezaka ny fandresena io fahazarana io.”
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana no mampidi-doza ny fifantohana amin’ny eritreritra mifandray amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy? Inona no azon’ny tanora iray atao mba hieritreretana zavatra hafa?
◻ Fomba fisorohana mialoha inona avy no ho azon’ny tanora iray arahina mba hampihenana ny fakam-panahy hanao masturbation?
◻ Nahoana no manampy ny fanaovana ny dingana voalohany eo amin’ny lafiny ara-panahy mba handresena ilay ady?
◻ Inona no anjara asan’ny vavaka eo amin’ny fandresena io fahazarana io?
◻ Nahoana no manampy ny famborahana ny ao am-po amin’ny olona iray raha misy zava-manahirana amin’io lafiny io?
[Efajoro/Sary, pejy 208, 209]
Ny Sary Porno — Mora Tonga Fahazarana Sady Mampidi-doza!
“Ny sary porno dia hita hatraiza hatraiza: mandeha eny amin’ny arabe ianao — dia iny izy fa aseho miharihary eny amin’ny fivarotan-gazety”, hoy ny tsaroan’i Ronald, 19 taona. “Ny sasany tamin’ny mpampianatra anay nitondra azy tany an-tsekoly, ary namaky azy teo amin’ny biraony teo am-piandrasana ny lesona nanaraka.” Eny tokoa, olona maro avy amin’ny taona sy fiaviana ary fari-pahaizana samihafa no mpamaky fatratra boky porno. Nilaza toy izao ny tanora iray antsoina hoe Mark: “Nanaitaitra ahy aoka izany ny namaky gazetiboky porno sy nahita ireo sary tao! (...) Tsy andriko ny hivoahan’ireo nomerao vaovao tamin’ireny gazety ireny satria tsy nanome ahy fahataitairana intsony ny fijerena indray ireo efa voavakiko. Tena mora tonga fahazarana ilay izy.” Fahazarana tsara ve anefa izy io?
Ny hafatra mahery alefan’ny sary porno dia hoe: ‘Ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia natao ho an’ny fahafinaretan’ny tena fotsiny ihany.’ Betsaka aminy no tsy mampiseho afa-tsy fisavihana sy fampiharana herisetra amim-pifaliana. Tsy ela dia mpijery maro no mahita fa ireo endrika “tsotra kokoa” dia tsy manaitaitra intsony, hany ka mitady sary na sarimihetsika izay vetaveta kokoa ihany izy ireo! Nilaza izany toy izao i Ernest van den Haag, mpampianatra mpanampy ao amin’ny Oniversiten’i New York: “Ny sary porno dia manasa antsika hijery ny hafa ho toy ny vongan-kena fotsiny, ho toy ny fitaovana fanararaotra ho an’ny fahafinaretan’ny tenantsika manokana.”
Fanampin’izany, ny sary porno dia manolotra fomba fijery voaolana sy manindrahindra ny momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy izay mitarika ho amin’ny zava-manahirana ara-panambadiana matetika. Hoy ny vehivavy tanora iray manambady: “Ny famakiana boky porno dia nahatonga ahy haniry hanao tamin’ny vadiko ireo zavatra nahavoafady naseho tamin’ireny boky ireny. Izany dia nitarika ho amin’ny fahakiviana lava sy ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny fanaovanay firaisana.” Nisy fandinihana iray natao tamin’ny 1981 teo amin’ny vehivavy an-jatony maromaro momba ny vokatry ny sary porno teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo lehilahy niarahany izay namaky izany. Efa ho ny antsasak’izy ireo no nilaza fa niteraka zava-nanahirana lehibe izany. Tena nandrava fanambadiana na fifamofoana sasany mihitsy aza izy io. Nitaraina toy izao ny vehivavy iray manambady: “Ny hany hevitra azoko tsoahina avy amin’ny fitadiavan’ [ny vadiko] fahafaham-po amin’ny filany sy ny faniriany momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy amin’ny alalan’ny sary porno, dia hoe tsy mety aminy aho (...) Ny faniriako lehibe indrindra dia ny ho vehivavy afaka ny hanome azy fahafaham-po, kanefa aleony ny plastika sy ny taratasy, ary ny filany izany dia nanimba tapany iray ato amiko. (...) Ny sary porno dia (...) fahavalon’ny fitiavana (...) Maharikoriko sy tsy miantra ary mandrava izy io.”
Ny tokony hampanahy indrindra ny tanora kristiana anefa dia noho ny sary porno manohitra mivantana ny ezaka ataon’ny tenany mba ho madio eo imason’Andriamanitra. (2 Korintiana 6:17–7:1). Ny Baiboly dia mampiseho fa ny olona sasany tamin’ny andro fahiny, “noho ny hamafin’ny fony”, dia nanjary ‘tsy nahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana’. (Efesiana 4:18, 19). Ho tianao ve ny ho voan’ny fahasimbana toy izany? Tadidio fa na dia ny fijerena sary porno indraindray fotsiny aza dia afaka ny tsy hampihontsina ny feon’ny fieritreretan’ny tena intsony. Izany dia nitarika tanora kristiana sasany ho amin’ny masturbation sy ho amin’ny fijangajangana, izay vao mainka ratsy kokoa. Ny fahendrena àry dia ny fiezahana mafy mba tsy hikasihana ny sary porno mihitsy.
“Imbetsaka ny masoko no tojo sary porno mivantana”, hoy i Darryl. “Noho izany, dia voatery hahita azy amin’ny topy maso voalohany aho; tsy voatery hijery fanindroany anefa aho.” Eny, aza manaiky ny hijery any amin’izay hampisehoana azy miharihary, ary aza mamela ireo iray kilasy aminao hanosika anao hijery izany. Izao no fanjohian-kevitr’i Karen, 18 taona: “Amin’ny maha-olona tsy tanteraka ahy, dia efa sarotra erỳ ny fihazonana ny saiko ho amin’ny zavatra madio sy mendrika. Tsy vao mainka ho sarotra ve raha toa aho ka hinia hamaky boky porno?”
[Sary, pejy 206]
“Ny vavaka dia tilikambon-kery azo eo no ho eo. Tena manampy tokoa ny fivavahana amin’ilay fotoana ipoiran’ny faniriana iny”