Fanafoanana ny ady — Mety hisy ve izany?
“HARA-MAGEDONA” — Inona no dikan’io anarana notsoahina avy ao amin’ny Soratra masina io? Amin’ny janoary sy febroary 1985, Ny Tilikambo Fiambenana dia manokana ireo pejiny voalohandohany ho an’ny fitohitohizan-dahatsoratra mivaofy an’io foto-kevitra io. Manantena izahay fa hahita fampaherezana ianao ao amin’ireo fanazavana araka ny Baiboly aseho ao.
“AVIA, jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” — Salamo 46:8, 9.
Ireo tenin’ny mpanao salamo iray ireo izay nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahy masina dia mifanaraka tsara amin’ny anankiray amin’ireo zavatra irin’ny olombelona fatratra. Marina tokoa fa iza no tsy mbola naniry mafy ny hahatongavan’ny andro tsy hisian’ny ady intsony? Kanefa, na manao ahoana na manao ahoana hamafin’ny fiasan’izany faniriana izany ao amintsika, dia tsy maintsy miaiky isika fa hatramin’izao dia tsy nitsahatra ny nandositra ny olombelona ny fandriampahalemana. Tsy vitan’ny hoe mbola ao foana tokoa ny ady, fa manjary mahafaty sy mandringana aoka izany koa izy, hany ka voalohany izao ny ho avin’ny sivilizasiona sy ny fiainana mihitsy no tandindomin-doza aoka izany.
Rehefa heverina amin’ny loza misoritra eny am-paravodilanitra, dia tsy afaka ny tsy hanontany tena toy izao isika: Nahoana ny olombelona no tsy nahomby tamin’ny fomba mampahonena tamin’io lafiny io? Moa ve fisehoan-javatra tena tsy azo sorohina ny ady? Raha ny marina, avy aiza moa ny ady?
Ny mahatonga ny tsy fahombiazana
“Raha toa ao amin’ny faritaninao ka miavaka amin’ny tsy maha-ao azy ny polisy, ka mitam-piadiana daholo ny manodidina anao ary miaina foana ao anatin’ny tahotra ny famelezana, dia azonao antoka fa hisy tabataba”, hoy ny nosoratan’i Gwynne Dyer, mpanao gazety iray izay nianatra manokana momba ny tantara ara-tafika. “Ao amin’ny ‘faritany’ karazan’izany anefa, hoy ny nanampiny, no onenan’ny tany rehetra eo amin’izao tontolo izao. Tsy misy polisy iraisam-pirenena, hany ka ny firenena tsirairay avy dia vonona ny hampiasa herisetra. Mitondra anarana manokana fotsiny ny herisetran’ireo firenena, dia: ny ady.”
Na dia tsorina aza izany fanazavana izany dia tsara satria mampisongadina sasantsasany amin’ireo anton-javatra fototr’izay rehetra mety ho ady ampiasana fitaovam-piadiana. Mba hipoahan’ny ady iray, dia tokony ho tena angonina ny fomba sy ny finiavana hanao izany, ka tsy hisy ny lalàna sy ny filaminana ao amin’ny “faritany”, eto dia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ao amin’ny bokiny hoe Ireo fianarana avy amin’ny Tantara (anglisy), Will sy Ariel Durant, mpanoratra tantara malaza anankiroa, dia nanintona ny saina ho amin’izany antony tena lehibe izany koa. Izao no vakintsika: “Eo anoloan’ny tsy fahampian’ny zo sy ny fifankatiavan’ireo firenena, ny firenena tsirairay avy dia tokony hiaro tena foana. Ary rehefa voakasika ny tombontsoany iankinan’ny aina, dia omen-dalana izy hampiasa ny fomba rehetra heveriny fa ilaina mba hahatafita velona. Tsy manan-kolazaina intsony mihitsy ny Didy Folo rehefa misalovana ny fironana avy hatrany hitana ny ain’ny tena.”
Noho izany, ny fahombiazana na ny tsy fahombiazan’izay rehetra mety ho volavolan-kevitra momba ny fandriampahalemana maneran-tany dia miankina be dia be amin’ny fomba fandinihana ireo antony voalohany vao notsahivintsika. Anisan’ireo planina, na dia mampiseho fahalalahan-tanana aoka izany aza, natsangan’ny olombelona mba hanorenana ny fandriampahalemana moa ve misy na dia iray monja aza nahay nanome fanafodin’ireo zava-manahirana ireo azo ekena? Aoka hotsaraintsika araka ny zava-misy izany.
Ny tsy fisian’ny filaminana iraisam-pirenena
Imbetsaka ny olombelona no efa nanandrana namorona fikambanana iraisam-pirenena afaka hiambina an’ireo firenena sy hiantoka ny fitanana lalàna sy filaminana maneran-tany. Ohatra, ny Fikambanam-pirenena dia noforonina tamin’ny fahavitan’ny Ady Lehibe Voalohany mba tsy hidiran’izao tontolo izao intsony mihitsy ao amin’ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Latsaka tao anatin’ny fanadinoana anefa io fandaminana io rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ny 1945, dia nipoitra ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, niaraka tamin’ny fideran’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay nandray azy ho ny hany fanantenana fandriampahalemana ho an’ny taranak’olombelona. Moa ve izy io nahatontosa ny asa nanirahana azy? Teo indray koa, ny Tantara dia niandraikitra ny famaliana izao fanontaniana izao. “Olona maherin’ny efatra tapitrisa amin’izao fotoana izao no niditra hanao ady sy fikomiana ary fiodinana 42 (...). Izany ady izany dia efa nahafaty olona eo amin’ny iray ka hatramin’ny dimy tapitrisa”, hoy ny fitantaran’ny New York Times tamin’ny 1984. Amin’izao andro izao, dia vitsy ny olona mbola mino fa ny O.N.U. dia afaka misakana ny ady. Afa-tsy izany koa, ny fisiany dia toa tsy mampisava firy ny tahotra ady lehibe fahatelo sy ny fikorontanana noklehera lehibe mety haterak’izany.
Mitombo ny fihenjanana
Ny anankiray amin’ireo antony tsy ahaizan’ireo fikambanana sahala amin’ny O.N.U. manapaka ny ady dia eo amin’ny fifikiran’ireo firenena lalina amin’ny fiandrianam-pireneny sy ny zony. Tsy miahy firy ny amin’ny andraikiny na ny amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena iraisam-pirenena izy ireo. Mba hahatongavana amin’ny zava-kendreny, ny sasany amin’izy ireny dia mahatsapa tanteraka fa mahazo lalana hampiasa ny fomba rehetra heveriny fa ilaina hiarovan-tena — fandringanana, famonoana olona, fandrobana ana habakabaka, zera baomba sy ny sisa — na dia olona tsy manan-tsiny aza no tsy maintsy iharam-pahavoazana, araka ny mitranga matetika. Fa raha ny amin’ireo firenena lehibe, mandrakariva izy ireny dia tsy misalasala ny hifanorisory amin’ny anaran’ny filaminany sy ny tombontsoany. Mandra-pahoviana ireo firenena no mifampizaka ao anatin’ny rivo-piainan-kadalana sy tsy fandraisana andraikitra toy izany? Amin’ny fahasahiranana firy toy ny tany Falklands-Malouines, tany Afghanistan, Grenade na Boeing koreana izao tontolo izao no mbola ho velona ihany ka tsy hirehitra ao amin’ny fifandonana lehibe dia lehibe? Manjary mihamiharihary fa ny fanindrahindram-pirenena sy ny “zon’ireo firenena hanafoana tena” no mahaforona anankiray amin’ireo vato misakana ny fandriampahalemana lehibe indrindra.
Vonona hiady
Tsy miafina amin’ny sarambabembahoaka fa ny tahirim-piadian’ireo firenena mahery dia mahery dia mirakitra fitaovam-piadiana noklehera ampy mba hanafoanana imbetsaka izay rehetra mety ho fiainan’olombelona. Fa ahoana ny amin’ireo firenena hafa? Raha inoana ny fitantaran’ny fitondram-panjakana amerikana iray, na dia tao aza ny fahasahiranany ara-toe-karena, ireo tany eo an-dalam-pandrosoana dia nandany 230 lavitrisa dôlara mahery [maherin’ny 20 000 lavitrisa ariary] tao anatin’ireo folo taona farany mba hahazoana ny fiaramanidina, ny bala afomanga enti-miady sy ny kalesy fanafihana be kojakojany indrindra. Ny vokany: “Mpividy maro no tonga amin’ny fahasahiranana manakambana ny fitaovany vaovao rehetra.” Ny fahafahan’ireo firenena mirongo fiadiana ireo mampiasa fiadiana lazaina fa “kilasika” fotsiny, dia vao mainka mahatonga azy ireo ho vonona kokoa ny hampiasa izany.
Foto-panantenana
Ireo tsy fahombiazan’ny fiezahan’olombelona miverimberina nokendrena hamaranana ny ady dia manamarina fotsiny ity fahamarinana ambaran’ny Baiboly ity: “Tsy (...) an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Na dia maniry amim-pahatsorana hanafoana ny ady aza ny olombelona, dia tsy afaka mihitsy ho tonga amin’izany araka ny fomban’ny tenany ihany. Ahoana àry ny amin’ilay faminaniana hoe ‘tokony hitsahatra hatramin’ny faran’ny tany ny ady’? Moa ve izany nosoratana noho ny fikendrena fotsiny ny hamelona fanantenana sandoka na hanao ho tsinontsinona ny taranak’olombelona? Azo antoka fa tsy izany. Manome toky antsika toy izao Jehovah ny amin’ny teniny, izany hoe ny fampanantenana avy aminy: “Tsy hiverina amiko foana izy.” (Isaia 55:11). Ny hany sisa tokony hofantarina dia hoe ahoana no hahatanterahan’ilay faminaniana manintona ny saintsika. Moa ve isika tena manana antony tsara tokony hinoana fa hahomby Andriamanitra ao amin’izay tsy nahombiazan’ny olombelona matetika dia matetika?