Niady tamin-kerim-po ho an’ny fahamarinana izy
NAHAVITA ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny alakamisy 16 jona 1988, teo am-piandohan’ny takariva i Martin Poetzinger, kristiana voahosotra anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa hatramin’ny elaela no niharatsy ny fahasalamany, nefa toa maty tsy nijaly tao amin’ny Betelan’i Brooklyn izy. Nitoetra teo anilany tamin’ny fotoana naharariany rehetra i Gertrud vadiny.
Teraka tamin’ny 25 jolay 1904, tany Munich, any Alemaina, ny rahalahy Poetzinger. Tamin’ny 2 oktobra 1928 izy no vita batisa ary nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra tamin’ny 1 oktobra 1930. Notendren’ny Fikambanana Watch Tower hikarakara ny tombontsoan’ilay Fanjakana tany Bulgarie izy tamin’ny fararanon’ny 1933, nefa noroahina tsy ho ao amin’io tany io ireo Vavolombelona hafa firenena tao anatin’ny taona nanaraka. Nankany Hongria àry ny rahalahy Poetzinger. Rehefa avy nosamborina noho ny fiampangana tsy marina izy, dia noroahina tsy ho ao amin’io tany io. Rehefa avy eo, dia voatendry hampifandrindra ny asan’ny antokona mpitory maharitra tany Yougoslavie izy. Rehefa sitrana avy amin’ny aretina mafy nitana azy naharitra tany amin’ny hopitaly tany Zagreb izy, dia niverina nankany Alemaina.
Nampaka-bady ny rahalahy Poetzinger tamin’ny 1936, kanefa tamin’io taona io koa izy no nalefa tany amin’ny toby fitanana satria tsy nety nanda ny finoany. Nampidirina am-ponja koa ny vadiny, nefa tsy tany amin’ny toerana nisy azy. Raha ny aminy, dia nirahina ho any Dachau izy, avy eo dia tany amin’ny toby fandringanan’i Mauthausen, any Haute-Autriche. Nampiasa fampihafiana, kapoka sy fisetrasetrana tsy hay lazalazaina ny Gestapo noho ny fanantenana ny hitarika azy, dia izy mbamin’ny Vavolombelona hafa, hiala amin’ny tsy fivadihany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Nifikitra hatrany tamin’ny finoana marina anefa ny rahalahy Poetzinger.
Rehefa tapitra ny sivy taona nisedrana tany an-tranomaizina, dia tafahaona ny rahalahy sy ny anabavy Poetzinger tamin’ny 1945. Taoriana kelin’izay, dia tonga mpiandraikitra ny fizaran-tany tany Alemaina ny rahalahy Poetzinger. Tatỳ aoriana, dia niaraka taminy i Gertrud, ka nitory tamin-jotom-po raha mbola nikarakara ireo kongregasiona izy. Tamin’ny 1958, dia nasaina ho any amin’ny Sekolin’i Gileada, Fianarana ny Baiboly an’i Fikambanana Watchtower izy, ary rehefa niverina tany Alemaina izy mivady dia nanohy ny asa fitetezana faritany mandra-piditr’izy ireo tao amin’ny Betela tamin’ny 1977. Tamin’ny septambra tamin’io taona io ihany, dia voatendry ho anisan’ny Kolejy foibe ny rahalahy Poetzinger. Afaka ny ho tonga honina tao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana any Brooklyn (Etazonia) izy, rehefa afaka herintaona teo ho eo. Anisan’ny Komity momba ny asa (komity iray ao amin’ny Kolejy foibe) izy ary anisan’ny Komitin’ny Biraon’ny asa fitoriana.
Niady tamin-kerim-po ho an’ny fahamarinana ny rahalahy Poetzinger. Ny fahatokiany sy ny fanohanany tamin-jotom-po ny fandaminan’i Jehovah sy ny asan’ilay Fanjakana dia tena faka tahaka. Matoky ary isika fa izy dia anisan’ireo iharan’ireto teny ireto: “Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo (...). Eny, hoy ny Fanahy, (...) ny asany manaraka azy.” — Apokalypsy 14:13.