Asehoy fa Tsy Mivadika Ianao Rehefa Misy Havana Voaroaka
1 Mafy ny fatoram-pianakaviana amin’ny ankapobeny. Misedra ny Kristianina izany rehefa voaroaka na niala an-tsitrapo tsy ho anisan’ny fiangonana ny vady, na zanaka, na havana akaiky hafa. (Matio 10:37) Ahoana no tokony hitondran’ny Kristianina tsy mivadika an’ireny havana ireny? Hafa ve ny fomba itondrany azy, raha miara-mipetraka aminy ilay olona? Andeha aloha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly, satria mihatra amin’ireo voaroaka sy niala an-tsitrapo ny toro lalana momba izany.
2 Fomba itondrana ny voaroaka: Mandidy ny Kristianina ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hiaraka amin’ny olona voaroaka eo anivon’ny fiangonana: “Mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo. . . . Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” (1 Kor. 5:11, 13) Zava-dehibe koa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:17: “Aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra [ilay voaroaka].” Fantatry ny mpihaino an’i Jesosy tsara fa tsy nifandray tamin’ny Jentilisa ny Jiosy tamin’izany, ary tena nanavaka tanteraka ny mpamory hetra. Nilaza àry i Jesosy fa tsy tokony hifandray tamin’ireo voaroaka ny mpianany.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy 16-18.
3 Midika izany fa tsy mifandray amin’ny lafiny ara-pivavahana amin’ireo voaroaka ny Kristianina tsy mivadika. Tsy izay ihany anefa. Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe “aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany” ianareo. (1 Kor. 5:11) Tsy mifandray amin’ny voaroaka koa isika, na amin’ny lafiny tsy ara-pivavahana aza. Anisan’izany ny fiarahana aminy mitsangatsangana, mikorana, manao baolina, miantsena, na mijery teatra, misakafo any an-trano na any amin’ny hotely.
4 Azo atao ve ny miresaka amin’ny olona voaroaka? Tsy miresaka ny zavatra rehetra mety hitranga ny Baiboly, nefa ahitantsika ny hevitr’i Jehovah momba izany ny 2 Jaona 10, manao hoe: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory.” Nanazava izany toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy 23: “Ny fanaovana ‘manao ahoana’ fotsiny dia mety ho dingana voalohany amin’ny resaka ary angamba ho amin’ny fisakaizana. Tiantsika ve ny hanao izany dingana voalohany izany amin’ny olona voaroaka?”
5 Milaza toy izao tokoa ny pejy 29, 30 amin’io Tilikambo Fiambenana io: ‘Maro ny zavatra tsy maintsy afoin’ny Kristianina izay tsy maintsy noroahina noho izy nanaram-po tamin’ny fahotana: ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny fiarahana mahafinaritra amin’ireo rahalahy ary ny fifandraisany tamin’ny havany kristianina.’
6 Havana mipetraka ao an-trano: Midika ve izany fa tsy tokony hiresaka, hiara-misakafo, hiara-manao zavatra fanao andavanandro, amin’ny mpianakavy voaroaka ny Kristianina miara-mipetraka aminy? Hoy ny fanamarihana ambany pejy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, pejy 22: ‘Mbola voakasiky ny fifandraisana sy asa fanaon’ny ankohonana isan’andro ny havana voaroaka, eo anivon’ny ankohonana kristianina.’ Anjaran’ilay fianakaviana àry ny manapa-kevitra hoe rahoviana ilay voaroaka no afaka miaraka amin’izy ireo misakafo na manao raharaha ao an-trano. Tsy tian’izy ireo koa anefa ny hahatonga an’ireo rahalahy hihevitra fa mbola toy ny taloha ihany ny fifandraisan’ny mpianakavy amin’ilay voaroaka.
7 Izao anefa no nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy 26, momba ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo: ‘Tapaka tanteraka ny fatorana ara-panahy aminy. Marina izany na dia amin’ny mpianakavintsika akaiky aza. . . . Tsy ho toy ny taloha intsony ny fifandraisana ara-panahy nety ho nisy teo anivon’ny tokantrano. Raha ilay lehilahy, ohatra, no voaroaka, dia tsy ho azoazon’ny vady aman-janany intsony ny hitarihany ny fampianarana na ny famakiana Baiboly ataon’ny fianakaviana, na ny hanaovany vavaka. Raha tiany ny hanao vavaka, alohan’ny sakafo, ohatra, dia zony ny hanao izany ao an-tranony. Afaka hivavaka mangina ho an’ny tenany kosa anefa ireo mpianakavy hafa. (Ohab. 28:9; Sal. 119:145, 146) Raha maniry hanatrika fianarana na famakiana ny Baiboly ataon’ny fianakaviana ny voaroaka iray, dia ho azo atao ny hanaiky ny hihainoany raha tsy manandrana hampianatra na hilaza ny heviny momba ny fivavahana izy.’
8 Mbola tokony hitaiza ny zanany tsy ampy taona miara-mipetraka aminy ihany ny ray aman-dreny, na dia voaroaka aza izy io. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1989, pejy 20: “Toy ny hanohizany hanome azy sakafo sy fitafiana ary fialofana, dia homeny azy ny fianarana sy ny fifehezana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 6:20-22; 29:17) Ireny ray aman-dreny feno fitiavana ireny àry dia ho afaka hanomana fianarana ny Baiboly ao an-tokantrano miaraka aminy, na dia voaroaka aza izy. Handray soa kokoa amin’ny fianarana angamba izy raha miara-mianatra aminy manokana izy ireo. Na, mety hanapa-kevitra koa izy ireo fa azony atao ny hanohy hanatrika ny fianaram-pianakaviana.”—Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2001, pejy 16, 17.
9 Havana tsy mipetraka ao an-trano: Milaza Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1988, pejy 28 fa ‘hafa ny toe-javatra raha tsy miara-mipetraka amintsika, na tsy havana akaiky ilay olona voaroaka na niala an-tsitrapo. Ho azo atao angamba ny tsy hifampikasoka aminy mihitsy. Na dia misy raharaha ara-pianakaviana mahatonga hifampikasoka aza, dia tokony hatao faran’izay kely izany’, araka ny toro lalan’Andriamanitra manao hoe ‘aza miharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy’, nefa meloka noho ny fahotana lehibe ka tsy mibebaka. (1 Kor. 5:11) Hiezaka mafy ny Kristianina tsy mivadika mba tsy hifandray tsy amin’antony amin’ny havana toy izany. Tokony hoferana mihitsy, na dia ny firesahana raharaha ara-bola aza.—Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy 27, 28.
10 Miresaka zavatra hafa mety hitranga koa Ny Tilikambo Fiambenana: ‘Aoka hatao hoe voaroaka ny iray amin’ireo mpianakavy, angamba ny zanakalahy, na ny ray na ny reny, tsy miara-mipetraka amin’ilay fianakaviana. Ahoana no hatao raha maniry hiverina ao an-trano izy? Anjaran’ilay fianakaviana ny manapa-kevitra, arakaraka ny toe-javatra. Mety ho marary na tsy afaka miasa hameloman-tena, na tsy afaka mikarakara vatana intsony, ilay ray na reny voaroaka. Adidin’ireo zanaka kristianina sy andidian’ny Soratra Masina ny mikarakara azy. (1 Tim. 5:8) Miankina amin-javatra maro ny fanapahan-kevitra horaisina. Anisan’izany izay tena ilain’ilay ray, na reny, ny fihetsiny sy izay heverin’ilay loham-pianakaviana fa hahasoa ny ankohonany eo amin’ny lafiny ara-panahy.’—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1982, pejy 27.
11 Raha zanaka kosa ilay izy, dia hoy ilay lahatsoratra: ‘Nisy fotoana nandraisan’ny ray aman-dreny kristianina indray ho ao an-tranony, ny zanany voaroaka nanjary tsy salama ara-batana na ara-pihetseham-po. Azon’ireo ray aman-dreny atao anefa ny mandinika ny toe-javatra tsirairay. Nanjary tsy afaka namelon-tena toy ny nataony teo aloha ve ilay zanaka voaroaka? Sa ny mba hanamora kokoa ny fiainany no tena antony hiverenany ao an-trano? Manao ahoana ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany? Mety hampiditra “masirasira” ao an-trano ve izy?—Gal. 5:9.’
12 Valisoa noho ny tsy fivadihana amin’i Jehovah: Mahasoa ny manaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina momba ny fandroahana sy ny fanalavirana ireo mpanao ratsy. Mahatonga ny fiangonana hadio hatrany izany, ary mampiharihary fa manaraka ny fitsipika ambony ao amin’ny Baiboly isika. (1 Pet. 1:14-16) Miaro antsika amin’ny fitaomana manimba izany. (Gal. 5:7-9) Izany koa no mahatonga ilay nanao ratsy ho afaka handray soa feno avy amin’ny anatra nomena azy, izay afaka hanampy azy hamoa ny “vokatry ny fahamarinana”, dia ny fiadanana.—Heb. 12:11.
13 Nanatrika fivoriamben’ny faritra ny rahalahy iray sy ny anabaviny. Takatr’izy ireo avy tamin’ny lahateny iray fa tsy maintsy novany ny fomba nitondrany ny reniny tsy niara-nipetraka taminy, izay voaroaka efa hatramin’ny enin-taona. Niantso an’ilay reniny avy hatrany ilay rahalahy, taorian’ny fivoriambe. Nohamafisiny fa tian’izy ireo izy, nefa nohazavainy fa tsy afaka ny hiresaka taminy intsony izy ireo, raha tsy zavatra tena lehibe ilain’ny fianakaviana horesahina. Nanomboka nanatrika fivoriana indray ilay renin’izy ireo, tsy ela taorian’izay, ary voaray indray tamin’ny farany. Nanomboka nianatra Baiboly koa ny vadin’izy io, ka vita batisa.
14 Rehefa manaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina momba ny fandroahana isika, dia mampiseho fa tia an’i Jehovah, ary afaka mamaly an’ilay miteny ratsy azy. (Ohab. 27:11) Matoky isika fa hotahin’i Jehovah noho izany. Izao no nosoratan’i Davida Mpanjaka, momba an’i Jehovah: “Ny lalàny tsy mba nialako; ny olona tsara no isehoanao fa tsara.”—2 Sam. 22:23, 26.
[Fanontaniana]
1. Inona no mety hisedra ny tsy fivadihan’ny Kristianina?
2. Araka ny Baiboly, ahoana no tokony hitondran’ny Kristianina an’ireo voaroaka teo anivon’ny fiangonana?
3, 4. Inona no zavatra tsy tokony hifandraisana amin’ny olona voaroaka, na niala an-tsitrapo?
5. Inona avy no afoin’ny olona voaroaka?
6. Tsy maintsy manapaka ny fifandraisana rehetra amin’ny havana voaroaka miara-mipetraka aminy ve ny Kristianina? Hazavao.
7. Hazavao ny fifandraisana ara-panahy miova, rehefa misy mpianakavy voaroaka.
8. Inona no andraikitry ny ray aman-dreny kristianina amin’ny ankizy tsy ampy taona voaroaka, miara-mipetraka aminy?
9. Tokony hanao ahoana ny fifandraisan’ny Kristianina amin’ny havana voaroaka, tsy miara-mipetraka aminy?
10, 11. Inona avy no hodinihin’ny Kristianina, alohan’ny hamelana havana voaroaka hiverina ao an-trano?
12. Inona avy no anisan’ny soa azo noho ny fandroahana?
13. Inona no fanovana nataon’ny fianakaviana iray, ary inona no vokany?
14. Nahoana isika no tokony tsy hivadika fa hanaraka hatrany ny toro lalana momba ny fandroahana?