Rehefa Voaroaka ny Havana Iray
15 Moa ve io olona voaroaka io, ray na reny, marary na tsy manana fahafahana, noho ny antony ara-batana na ara-bola, hamelon-tena? Raha izany no izy, ireo zanany kristiana dia manana adidy, araka ny Baiboly sy ny fitsipika ara-pitondrantena, hanampy azy (I Tim. 5:8). Mety ho toa ilaina ny handraisana an’ilay voaroaka ao an-tranon’ny tena, vetivety na raikitra. Indraindray, dia ho tsara kokoa ny hampikarakarana azy ny mpiasa amin’ny fitsaboana, nefa hila ny hotsidihana amin’izay ilay marary. Ny fitondrantena harahina dia hiankina amin’ny anton-javatra maromaro, toy ny zavatra tena ilain’ilay olona resahina tokoa, ny fihetsiny sy ny fiheveran’ny filoham-pianakaviana ho zava-dehibe ny fiadanan’ny ankohonany amin’ny ara-panahy.
16 Azo atao ny milaza zavatra sahala amin’izany amin’ny zanakalahy na ny zanakavavy iray voaroaka na niala an-tsitrapo rehefa avy nandao ny fonenan’ireo ray aman-dreniny. Efa nisy fotoana nandraisan’ny ray aman-dreny kristiana indray ho ao an-tranony, tamin’ny fotoana sasany, ny zanaka voaroaka iray nanan-java-manahirana ara-batana na ara-pihetseham-po. Ho azon’ireo ray aman-dreny atao anefa, isaky ny toe-javatra, ny mandinika ny toeran’ny zanany. Nanjary tsy afaka namelon-tena toy ny nataony teo aloha ve izy? Sa tiany ny hiverina ao an-trano satria ho mora kokoa ny fiainana ao? Manao ahoana ny toe-tsainy sy ny toe-pitondrantenany? Moa ve izy hampiditra “masirasira” ao an-tokantrano?
17 Ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy mikasika ny zanaka adala, rehefa niverina ilay zanakalahy, dia nihazakazaka nitsena azy sy nandray azy ho ao an-tranony ilay ray. Nahita ny toerana nampahonena nisy an’ilay zazalahy ilay ray ka nandray tamim-piahiana voa-janahary. Homarihintsika anefa fa ilay zazalahy dia tsy nitondra vehivavy janga niaraka taminy na niverina noho ny faniriana hanohy ny fiainany ratsy tao an-tranon-drainy. Mifonohitra amin’izany kosa fa naneho fibebahana lalina izy ary niseho niharihary ho tapa-kevitra ny handray fiainana madio indray. — Lioka 15:11-32.
REHEFA TSY MIRAY TRANO AMINAO IREO HAVANA VOAROAKA
18 Ny lafin-javatra faharoa tokony hodinihintsika dia momba ny havana akaiky voaroaka na niala an-tsitrapo, izay tsy miray trano amin’ny fianakaviany kristianina. Mbola havana ny olona toy izany, ka mety hisy ihany raharaha ara-pianakaviana hiarahana aminy. Tsy mitovy amin’ny olona miray trano, izay tsy maintsy ifaneraserana sy iresahana anefa izany. Tokony hotadidintsika foana ilay toromarika ara-tsindrimandry hoe: “Ny tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, . . . dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.”—1 Kor. 5:11.
19 Tsy tokony hifandray amin’ny havany voaroaka tsy miray trano aminy àry ny Kristianina, raha tsy amin’ny zavatra tena ilaina ihany. Tokony hataony faran’izay kely na dia ny fifandraisana eo amin’ny asa aman-draharaha aza. Mety ny hanarahana izany torohevitra izany. Raha tsy izany mantsy, ilay Kristianina dia ho diso hevitra toy ireto fianakaviana ireto, izay nieritreritra hoe: ‘Mbola havanay ihany izy na dia voaroaka aza, ka afaka mitondra azy toy ny taloha ihany izahay.’ Izao no tatitra avy tany amin’ny toerana iray:
“Havan’ilay voaroaka ny ampahatelon’ny olona teo anivon’ny fiangonana. Mbola nifandray taminy ihany ny havany rehetra.”
Nanoratra toy izao ny anti-panahy matotra iray:
“Manana havana maro be miray fiangonana aminy ny voaroaka sasany, ka rehefa tonga nivory izy dia niarahaba azy tamim-pitiavana ny havany ary nikapokapoka ny lamosiny sy nandray ny tanany (na dia fantatr’ireo havany tsara aza, fa mbola ratsy fitondran-tena ilay voaroaka). Amiko dia zava-dehibe ny hahatsapan’ireo voaroaka hoe halan’i Jehovah sy ny vahoakany ny fitondran-tenany. Tokony ho tsapany koa fa tena mila mibebaka marina izy. Inona no hampiova ny voaroaka, raha mbola miarahaba azy ny havany rehetra, izay mahafantatra ny fomba fiainany?”
20 Betsaka angamba ny mpihavana iray fiangonana, tamin’ny taonjato voalohany. Mbola nentin’ireo havany toy ny taloha ihany ve izay voaroaka tamin’izy ireo, saingy tsy niresahany zavatra ara-panahy fotsiny? Tsy izany velively. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho nampihatra izao didy izao mihitsy ilay fiangonana: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.”—1 Kor. 5:13.
21 Tsy tokony hohadinoina na hohamaivanina mihitsy fa voaroaka ilay olona. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah isika, voalohany indrindra, sady hanaja ny fandaharany, toy ny nataon’ny zanak’i Kora. Afaka mahazo antoka isika fa hitahy sy hiaro antsika i Jehovah, raha mampihatra ny toro lalany isika, sady tia miaraka amin’ny vahoakany fa tsy miaraka amin’ny mpanota.—Sal. 84:10-12.
REHEFA MISY KORANAM-PIANAKAVIANA
22 Matetika ny mpianakavy no miara-misakafo, mitsangantsangana, mikorana na miara-manao fialam-boly hafa. Mety hanahirana ny havany kristianina anefa ny olona voaroaka, rehefa misy fiaraha-mikorana toy izany. Fantatr’ireo Kristianina fa mbola havany ihany ilay voaroaka, kanefa tsy tokony hohadinoina koa ilay torohevitr’i Paoly hoe, tokony ‘tsy hiharoharo’ amin’ny mpanota voaroaka ny Kristianina mahatoky.
23 Tsy misy antony tokony hitadiavana fitsipika hamaritra mazava, raha azo atao na tsia ny manatrika fiaraha-mikorana mety hisy havana voaroaka. Anjaran’izay voakasik’ izany ny mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly. (1 Kor. 5:11) Tokony hoeritreretina koa, fa mety hiova ny fihetsik’ireo Vavolombelona asaina hanatrika an’ilay fiaraha-mikorana, raha hisy havana voaroaka hanatrika any. Andeha hatao hoe, misy mpivady hatao mariazy ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Na dia tonga any aza ny havany voaroaka, dia mazava ho azy fa tsy tokony ho anisan’ny mpanotrona izy, na hiaraka amin’ilay ampakarina. Ahoana anefa raha misy fety na fanasana aorian’izay? Fiaraha-mikorana, toy ilay natrehin’i Jesosy tany Kana, izany. (Jaona 2:1, 2) Azo avela ho any ve ilay havana voaroaka, na hasaina hankany mihitsy aza? Raha hanatrika izany izy, dia maro ny Kristianina, havany na tsia, mety tsy hijanona hisakafo na hiaraka aminy, ho fanarahana ny toro lalan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 5:11.
24 Mety hihevitra àry ny Kristianina indraindray fa tsy ho afaka hanasa havana voaroaka na niala an-tsitrapo izy rehefa misy koranam-pianakaviana. Ho afaka hankafy ny fiarahana amin’ireo rahalahiny mahatoky anefa ilay Kristianina, sady hitadidy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”—Marka 3:35.
25 Betsaka tokoa ny zavatra afoin’ny Kristianina iray, rehefa manota an-tsitrapo izy, ka tsy maintsy roahina. Anisan’izany ny fankasitrahan’Andriamanitra; ny toerany eo anivon’ny fiangonana kristianina falifaly; ny korana mahafinaritra miaraka amin’ireo rahalahy, anisan’izany ny ankamaroan’ireo korana niarahany tamin’ny havany kristianina. (1 Pet. 2:17) Mety mbola hampalahelo ihany ny zavatra nataony, na dia efa maty aza izy.
26 Mety hanahirana ny fikarakarana ny fandevenana, raha sanatria ka maty ilay olona voaroaka. Mety ho tian’ny fianakaviany ny hanaovana lahateny any amin’ny Efitrano Fanjakana, raha izany no fanao. Tsy ho azo atao amin’ny olona voaroaka anefa izany. Mety ho hita anefa fa nibebaka izy ary naniry hahazo famelan-keloka, ka tsy nanohy ny fahazaran-dratsiny intsony, ary namonjy fivoriana kristianina. Tsy hampaninona ny rahalahy sasany angamba amin’izay ny hanao lahatenim-pandevenana ao amin’ny trano misy ilay faty, na any amin’ny toeram-pandevenana. Efa fitoriana amin’ny tsy mpino, na fampaherezana ny fianakaviana, ny fanazavana ara-baiboly momba ny toetran’ny maty toy izany. Tsy hety mihitsy anefa, na dia ny hanaovana lahateny toy izany aza, raha mbola nanohana fampianaran-diso na ratsy fitondran-tena ihany ilay voaroaka.—2 Jaona 9-11.
FIANARANA HO AN’NY TSIRAIRAY AVY AMINTSIKA
27 Ilaintsika rehetra ny mahafantatra fa ny fitsaran’i Jehovah foana no zava-dehibe (Ohab 29:26). Marina izany ny amin’ny fanao maharikoriko rehetra, satria milaza ny Baiboly fa halan’Andriamanitra izany (Ohab. 6:16-19). Marina koa izany raha ny amin’ny fitsarany ny isam-batan’olona. Milaza mazava ny Tenin’i Jehovah fa ny “olona tsy marina”, ireo izay manaraka ny “asan’ny nofo”, dia tsy handova ny Fanjakana (1 Kor. 6:9, 10; Gal. 5:19-21). Ireny olona ireny dia tsy manana ny toerany any an-danitra na ao amin’ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany. Izay rehetra maniry hijanona eo anivon’ny fiangonana madion’Andriamanitra àry dia tokony hanaja an’ireo fotopoto-pitsipiny. Tsy havelan’Andriamanitra hanohy hampihatra hery manimba na oviana na oviana eo amin’ny vahoakany ny “masirasira”.—1 Kor. 5:6-13.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 15-27 ihany. Lohateny sy fehintsoratra 18-27 nohavaozina