-
Nampahafantarin’i Jehovah ny FikasanyEfa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
6. Inona no nolazain’i Jehovah, nefa inona no tsy mbola nolazainy?
6 Niresaka tamin’ny menarana iray i Jehovah tany Edena. Nilaza izy fa hisy ‘taranaka’ hanorotoro azy io. (Vakio ny Genesisy 3:15.) Izany no faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy mbola nolazainy anefa tamin’izay hoe iza ilay taranaka, ary iza io menarana io. Efa 2 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana izy vao nanazava izany.b
7. Nahoana i Jehovah no nifidy an’i Abrahama? Inona no ianarantsika avy amin’izany?
7 Nilaza i Jehovah tamin’izay fa ho avy amin’i Abrahama ilay taranaka nampanantenaina. I Abrahama no nofidiny satria ‘nihaino ny teniny.’ (Gen. 22:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny olona manaja sy matahotra azy ihany no ilazan’i Jehovah ny fikasany.—Vakio ny Salamo 25:14.
8, 9. Inona no nampahafantarin’i Jehovah an’i Abrahama sy Jakoba?
8 Naman’i Jehovah koa i Abrahama, ka izy no nilazany voalohany hoe ho olombelona ilay taranaka. (Gen. 22:15-17; Jak. 2:23) Ahoana anefa no hanorotoroan’io olona io an’ilay menarana? Ary iza ilay menarana? Tatỳ aoriana i Jehovah vao nanome ny valin’ireo.
9 Nilaza i Jehovah tamin’izay fa ho avy amin’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, ilay taranaka. Tsara homarihina fa tena nino an’Andriamanitra i Jakoba. (Gen. 28:13-22) Nampahafantarin’i Jehovah azy hoe ho avy amin’i Joda zanany lahy ilay taranaka. Nasain’i Jehovah naminany koa izy fa hahazo “tehim-panjakana” io taranaka io, izany hoe homena fahefana hanjaka, ary hankatò azy ny olon-drehetra. (Gen. 49:1, 10) Tamin’izay àry no nampahafantarin’i Jehovah fa ho mpanjaka ilay taranaka nampanantenaina.
10, 11. Inona no nampiavaka an’i Davida sy Daniela, ka nahatonga an’i Jehovah hampahafantatra ny fikasany tamin’izy ireo?
10 Nohazavain’i Jehovah bebe kokoa tamin’i Davida Mpanjaka, taranak’i Joda, ilay fikasany, 650 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nilaza i Jehovah fa “lehilahy sitraky ny fony” i Davida. (1 Sam. 13:14; 17:12; Asa. 13:22) Nanaja sy natahotra an’i Jehovah izy, ka nanao fifanekena taminy i Jehovah hoe hisy taranany hanjaka mandrakizay.—2 Sam. 7:8, 12-16.
11 Nilaza i Jehovah, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, hoe rahoviana marina no ho tonga etỳ an-tany ilay taranaka. Ho Voahosotra na Mesia koa izy io. (Dan. 9:25) I Daniela no nilazan’i Jehovah an’io faminaniana io. ‘Tena tian’i Jehovah’ izy, satria tena nanaja azy sy nanompo azy foana.—Dan. 6:16; 9:22, 23.
12. Inona no nasaina nataon’i Daniela, ary nahoana?
12 Nampiasa mpaminany koa àry i Jehovah, mba hanoratra fanazavana be dia be momba an’ilay taranaka. Tsy tonga dia nohazavainy tamin’izy ireo daholo anefa ny zavatra nasainy nosoratana, satria mbola tsy fotoana hanazavana izany tamin’izay. Nasehony an’i Daniela tao amin’ny fahitana, ohatra, ny momba an’ilay Fanjakana, ary nasainy nosoratana avy eo. Nasainy nohazonin’i Daniela ho zava-miafina anefa izany ka nasiana tombo-kase, mandra-pahatongan’ny fotoana tiany hanazavana an’ilay izy. Amin’izay mantsy vao “hitombo be ny tena fahalalana” momba ny fikasan’Andriamanitra.—Dan. 12:4.
Nanazava ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy
13. a) Iza ilay taranaka? b) Inona no nolazain’i Jesosy ka manampy antsika hahatakatra ny Genesisy 3:15?
13 Nolazain’i Jehovah mazava tsara tatỳ aoriana fa i Jesosy ilay taranaka. Izy ilay taranak’i Davida ho lasa Mpanjaka. (Lioka 1:30-33; 3:21, 22) Toy ny hoe nahita hazavana lehibe ny olombelona, rehefa nanomboka nitory i Jesosy, satria lasa nahatakatra kokoa ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. (Mat. 4:13-17) Lasa nazava, ohatra, fa ny Devoly ilay “menarana” resahin’ny Genesisy 3:14, 15, satria nilaza i Jesosy fa “mpamono olona hatrany am-piandohana” ny Devoly sady “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Nampahafantarin’i Jesosy an’i Jaona koa tatỳ aoriana fa i Satana Devoly “ilay menarana tany am-boalohany.”c (Vakio ny Apokalypsy 1:1; 12:9.) Nolazainy koa hoe ahoana no hanorotoroany an’i Satana, mba hahatanteraka ny Genesisy 3:15.—Apok. 20:7-10.
-
-
Nampahafantarin’i Jehovah ny FikasanyEfa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
Lasa nazava, ohatra, fa ny Devoly ilay “menarana” resahin’ny Genesisy 3:14, 15, satria nilaza i Jesosy fa “mpamono olona hatrany am-piandohana” ny Devoly sady “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Nampahafantarin’i Jesosy an’i Jaona koa tatỳ aoriana fa i Satana Devoly “ilay menarana tany am-boalohany.”c (Vakio ny Apokalypsy 1:1; 12:9.) Nolazainy koa hoe ahoana no hanorotoroany an’i Satana, mba hahatanteraka ny Genesisy 3:15.—Apok. 20:7-10.
-