Ny Mpamorona Anao — Fantaro ny Mombamomba Azy
“Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’i Jehovah eo anatrehanao”. — EKSODOSY 33:19.
1. Nahoana no mendrika homem-boninahitra ny Mpamorona?
NIRAKITRA an-tsoratra izao fanambarana lalina momba ny Mpamorona izao ny apostoly Jaona, mpanoratra ny boky farany ao amin’ny Baiboly: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” (Apokalypsy 4:11). Araka ny noporofoin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia matetika ireo vokatry ny fandinihan’ny siansa maoderina no manome antony fanampiny tokony hinoana ny fisian’ny Mpamorona ny zava-drehetra.
2, 3. a) Inona no ilain’ny olona hianarana momba ny Mpamorona? b) Nahoana no tsy mety ny hihaonana ara-bakiteny amin’ny Mpamorona?
2 Zava-dehibe tsy misy hafa amin’ny fanekena ny fisian’ny Mpamorona, ny fianarana ny mombamomba azy, dia ny hoe tena misy izy, sady manana toetra sy fomba izay manintona ny olona ho aminy. Na manao ahoana na manao ahoana ny efa fantatrao momba azy, tsy hahasoa ve ny hahafantatra azy tsara kokoa? Tsy voatery mihaona aminy ara-bakiteny, toy ny mihaona amin’ny olombelona hafa, akory ianao amin’izany.
3 I Jehovah no Loharanon’ny kintana, ka kintana salasalany ihany ny masoandrontsika. Hieritreritra ny hanandrana hanakaiky ny masoandro ve ianao? Azo antoka fa tsia! Mitandrina ny ankamaroan’ny olona mba tsy hanopy maso amin’ny masoandro akory aza, na mba tsy hodanihin’ny andro mandritra ny fotoana maharitra. Eo amin’ny 15 000 000 degre Celsius eo ho eo ny maripana eo anivon’ny masoandro. Isan-tsegondra, dia manodina zavatra efatra tapitrisa taonina eo ho eo ho angôvo io fatana niokleary mahamay io. Ampahany kely monja amin’izany angôvo izany no mipaka etỳ an-tany amin’ny endrika hafanana sy hazavana, kanefa izany ampahany izany no mamelona ny karazam-piainana rehetra eto an-tany. Tokony hampiaiky volana antsika ny amin’ny hery mahatahotra ananan’ny Mpamorona ireo zava-misy fototra ireo. Nety tsara ny nanoratan’i Isaia momba ny “haben’ny fahatanjahan[’ny Mpamorona] sy ny heriny tsy toha”. — Isaia 40:26.
4. Inona no nangatahin’i Mosesy, ary ahoana no navalin’i Jehovah?
4 Fantatrao anefa fa volana vitsivitsy taorian’ny nandaozan’ny Isiraelita an’i Ejipta tamin’ny taona 1513 al.f.i., dia niangavy ny Mpamorona toy izao i Mosesy: “Mba ampahitao ny voninahitrao aho.” (Eksodosy 33:18). Raha tadidinao fa Andriamanitra no Loharanon’ny masoandro, dia ho azonao ny antony nilazany tamin’i Mosesy hoe: “Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.” Navelan’ny Mpamorona hiafina tao amin’ny toerana iray teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, ‘mandra-pandalon’Andriamanitra’. Avy eo i Mosesy dia nampahitana ny ‘vohon’Andriamanitra’, raha izay no ilazana azy, izany hoe nampahitana karazana hazavana navelan’ny famirapiratan’ny voninahitry ny Mpamorona, na ny fanatrehany. — Eksodosy 33:20-23; Jaona 1:18.
5. Tamin’ny ahoana ny Mpamorona no nanome fahafaham-po ny fangatahan’i Mosesy, ary nanaporofo inona izany?
5 Nomena fahafaham-po anefa ny fanirian’i Mosesy hahafantatra tsara kokoa ny Mpamorona. Miharihary fa niteny tamin’ny alalan’ny anjely iray Andriamanitra rehefa nandalo teo anatrehan’i Mosesy ka nanambara hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka”. (Eksodosy 34:6, 7). Asehon’izany fa tsy ny fahitana endrika iray ara-batana akory no voafaoka amin’ny fahafantarana tsara kokoa ny Mpamorona antsika, fa ny fahatakarana amin’ny fomba feno kokoa ny mombamomba azy sy ny toetrany ary ireo lafin-toetra mampiavaka azy.
6. Amin’ny ahoana ny rafi-kery fanefitra ao amintsika no zava-mahatalanjona?
6 Fomba iray azontsika anaovana izany ny fahaiza-manavaka ny toetran’Andriamanitra avy amin’ny zavatra noforoniny. Diniho ny rafi-kery fanefitra ao aminao. Hoy ny Scientific American, tao amin’ny nomeraony iray momba ny hery fanefitra: “Manomboka eo am-pahaterahana ka hatreo amin’ny fahafatesana, dia mailo tsy an-kijanona ny rafi-kery fanefitra. Misy môlekiola sy sela samy hafa maro be (...) miaro antsika amin’ny katsentsitra sy ny otrikaretina. Raha tsy manana ireo fiarovana ireo ny olombelona, dia tsy ho velona.” Inona no loharanon’io rafi-kery io? Hoy ny lahatsoratra iray ao amin’ilay gazetiboky: “Ireo sela maro be mahatalanjona, izay mahay miara-miasa tsara ka miaro ny vatana amin’ireo mikraoba sy virosy mpanafika, dia avy amin’ny sela vitsivitsy mpialoha lalana, izay mipoitra voalohany rehefa afaka sivy herinandro eo ho eo, aorian’ny fahatorontoronina.” Ny vehivavy iray bevohoka dia mamindra hery fanefitra amin’ilay tsaika mitombo ao an-kibony. Atỳ aoriana, dia manome selan’ny hery fanefitra sy zavatra simika mahasoa ho an’ilay zazakely, ny rononon-dreniny.
7. Inona no azontsika lazaina momba ny rafi-kery fanefitra ao amintsika, ary mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra inona izany?
7 Manana antony marim-pototra tokony hanatsoahan-kevitra ianao fa mihoatra noho izay zavatra rehetra azon’ny fitsaboana maoderina omena, ny rafi-kery fanefitra ao aminao. Koa manontania tena hoe: ‘Inona no tondroin’izany momba ilay Loharano sy Mpanome io rafi-kery io?’ Azo antoka fa mampiseho taratry ny fahendrena sy ny fieritreretana mialoha io rafi-kery io, izay “mipoitra voalohany rehefa afaka sivy herinandro eo ho eo, aorian’ny fahatorontoronina”, ka efa vonona hiaro ilay zaza vao teraka. Afaka mahafanta-javatra misimisy kokoa momba ilay Mpamorona ve isika avy amin’io rafi-kery io? Inona no fanatsoahan-kevitry ny ankamaroantsika momba an’i Albert Schweitzer sy ny olon-kafa, izay nanokana ny fiainany mba hanomezana fikarakarana ara-pitsaboana ho an’ny mahantra? Mazàna isika no milaza fa tsara fanahy ireny mpanao asa soa be fangorahana ireny. Raha oharina amin’izany, inona no azontsika tsoahina momba ilay Mpamorona antsika, izay manome rafi-kery fanefitra na ho an’ny manankarena na ho an’ny mahantra? Mazava fa be fitiavana, tsy mizaha tavan’olona, mangoraka, ary manao ny rariny izy. Moa ve izany tsy mifanaraka amin’ilay filazalazana ren’i Mosesy momba ny Mpamorona?
Mampiharihary ny mombamomba ny tenany izy
8. Inona no fomba manokana ampihariharian’i Jehovah ny tenany amintsika?
8 Misy fomba iray hafa koa anefa hahafantarana tsara kokoa ny Mpamorona antsika: amin’ny alalan’ny Baiboly. Zava-dehibe indrindra izany, satria misy zavatra momba ny Mpamorona izay tsy ampahafantarin’ny siansa sy izao rehetra izao velively, ary misy zavatra hafa izay mazava kokoa, rehefa jerena ao amin’ny Baiboly. Ohatra ny amin’irỳ voalohany ny anarana manokan’ilay Mpamorona. Ny Baiboly irery ihany no mampiharihary ny anarany sy ny hevitr’izy io. Ao amin’ny sora-tanana hebreo amin’ny Baiboly, dia miseho im-7 000 eo ho eo ny anarany, amin’ny endrika renifeo efatra azo adika amin’ny litera hoe YHWH na JHVH, izay mahazatra ny manonona azy hoe Jehovah, amin’ny teny malagasy. — Eksodosy 3:15; 6:3.
9. Inona no hevitry ny anarana manokan’ny Mpamorona, ary inona no azontsika tsoahina avy amin’izany?
9 Mba hahafantarantsika tsara kokoa ny Mpamorona, dia ilaintsika ny mahatakatra fa tsy hoe “Antony Voalohany” sarotra hazavaina, na hoe “Izaho” manjavozavo fotsiny, izy. Mampiseho izany ny anarany manokana. Izy io dia endriny iray amin’ny matoanteny hebreo iray midika hoe “tonga ho” na “hita ho”.a (Ampitahao amin’ny Genesisy 27:29; Mpitoriteny 11:3.) Ny anaran’Andriamanitra dia midika hoe “Mahatonga Izy”, ka manantitrantitra fa sady mikasa izy no manao zavatra. Rehefa mahafantatra sy mampiasa io anarana io isika, dia afaka mahatakatra tsara kokoa fa mitana ny fampanantenany izy, ka manao zavatra mba hanatanterahana ny fikasany.
10. Fahatakaran-javatra lehibe inona no azontsika avy amin’ny fitantaran’ny Genesisy?
10 Ny Baiboly no loharanon’ny fahalalana momba ny fikasan’Andriamanitra sy ny toetrany. Ahariharin’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy fa nisy fotoana nihavanan’ny olombelona tamin’Andriamanitra, ka nananany fahatsinjovana ny hanana fiainana maharitra sy misy heviny. (Genesisy 1:28; 2:7-9). Mifanaraka amin’ny hevitr’ilay anaran’Andriamanitra, dia afaka matoky isika fa hamarana ny fijaliana sy ny fahakiviana natrehin’ny olombelona hatramin’ny ela i Jehovah. Izao no vakintsika momba ny fahatanterahan’ny fikasany: “Ny tontolo hita maso dia natao hizaka fahakiviana, tsy noho ny faniriany manokana anefa, fa noho ny sitrapon’ilay Mpamorona izay, rehefa nanao azy io ho toy izany, dia nanome azy io fanantenana fa indray andro any izy io (...) dia mety hampandraisina anjara amin’ilay fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” — Romana 8:20, 21, The New Testament Letters, nataon’i J. W. C. Wand.
11. Nahoana isika no tokony handinika ireo fitantaran’ny Baiboly, ary inona avy ireo tsipirian-javatra ao amin’ny fitantarana iray?
11 Ny Baiboly dia manampy antsika koa hahafantatra tsara kokoa ny Mpamorona, satria ahariharin’ny Baiboly ny zavatra nataon’Andriamanitra sy ny fihetsiny rehefa nifampiraharaha tamin’ny Isiraely fahiny izy. Diniho ny ohatra iray mahakasika an’i Elisa sy i Namàna, ilay mpitari-tafiky ny Syrianina izay fahavalon’ny Isiraely. Eo am-pamakiana io fitantarana ao amin’ny 2 Mpanjaka toko faha-5 io, dia ho hitanao fa nanantitrantitra ny zazavavy isiraelita iray azo babo hoe nety ho sitrana ny habokan’i Namàna, raha nahazo fanampiana tamin’i Elisa tany amin’ny Isiraely izy. Nandeha nankany àry i Namàna, ka nanantena fa hanevaheva ny tanany araka ny fombafomba fanasitranana mifono zava-miafina i Elisa. Nilaza tamin’ilay Syrianina fotsiny anefa i Elisa mba handro tao amin’ny Ony Jordana. Na dia voatery nandresy lahatra an’i Namàna aza ny mpanompony vao nanaiky izy, dia sitrana ihany izy rehefa nanaiky. Nanolotra fanomezana sarobidy i Namàna, kanefa nolavin’i Elisa izany. Taorian’izay, dia nisy mpiara-miasa iray tamin’i Elisa nangala-dia nankany amin’i Namàna, ka nandainga mba hahazoana zava-tsarobidy sasany. Nanjary voan’ny habokana io mpiara-miasa tamin’i Elisa io, noho ny tsy fahamarinany. Izany dia fitantarana mahavariana, mampiseho ny maha olona ny olona, ary azontsika andraisana fianarana.
12. Inona no azontsika tsoahina momba ny Mpamorona, avy amin’ilay fitantarana mahakasika an’i Elisa sy i Namàna?
12 Asehon’ilay fitantarana amin’ny fomba manintona, fa tsy hoe ambony loatra akory ilay Mpamorona Lehibe an’izao rehetra izao, ka tsy hihevitra amim-pankasitrahana zazavavy kely iray, toy ny fanao any amin’ny kolontsaina maro amin’izao andro izao. Porofoin’ilay fitantarana koa fa tsy mankasitraka firazanana na firenena iray monja ny Mpamorona. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Mahaliana koa fa tsy tian’ny Mpamorona ny hampiasan’ny olona fombafomba mamitaka, izay fanao mahazatra eo amin’ny “mpanasitrana” sasany tamin’ny lasa sy ankehitriny. Naneho fahendrena mahatalanjona kosa ny Mpamorona. Fantany mantsy ny fomba fanasitranana ny habokana. Naneho fahaiza-mahataka-javatra sy nanao ny rariny koa izy, satria tsy navelany hahomby ny fanambakana. Eto indray koa, moa ve izany tsy mifanaraka amin’ny toetran’i Jehovah izay ren’i Mosesy? Na fohy aza io fitantaran’ny Baiboly io, dia toy inona moa ny habetsahan’ny fianarana azontsika raisina avy amin’izy io, mombamomba ilay Mpamorona antsika! — Salamo 33:5; 37:28.
13. Hazavao amin’ny ohatra fa azontsika atao ny mandray fianarana sarobidy avy ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly.
13 Porofoin’ny fitantarana hafa momba ny tsy fahampiam-pankasitrahan’ny Isiraely sy ny nasetrin’Andriamanitra izany, fa tena miahy tokoa i Jehovah. Lazain’ny Baiboly fa nizaha toetra an’i Jehovah imbetsaka ny Isiraelita, ka nampalahelo azy. (Salamo 78:40, 41). Araka izany, dia manana fihetseham-po ilay Mpamorona, ka zava-dehibe aminy izay ataon’ny olombelona. Betsaka koa ny zavatra azo ianarana avy amin’ireo fitantarana momba ny olona sasany be mpahalala. Rehefa nofidina ho mpanjakan’ny Isiraely, ohatra, i Davida, dia hoy Andriamanitra tamin’i Samoela: “Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7). Eny, mijery izay maha isika antsika anaty ilay Mpamorona, fa tsy mijery ny fisehoana ivelany fotsiny. Izany ka mahafa-po!
14. Eo am-pamakiantsika ny Soratra Hebreo, inona no azontsika atao mba handraisantsika soa?
14 Nosoratana talohan’ny andron’i Jesosy ny boky 39 ao amin’ny Baiboly, ary mahasoa antsika ny mamaky azy ireo. Tsy tokony hikendry ny hahafantatra tantara ao amin’ny Baiboly fotsiny isika amin’izany. Raha tena irintsika ny hahafantatra ny mombamomba ilay Mpamorona antsika, dia tokony hisaintsaina momba ireny fitantarana ireny isika, ka angamba hieritreritra hoe: ‘Mampahafantatra inona momba ny toetrany moa io fitantarana io? Inona amin’ireo toetrany no misongadina eto?’b Ny fanaovana izany dia mety hanampy, na dia ireo be fisalasalana aza, mba hahita fa tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Amin’izany no hametrahan’izy ireo fototra ho amin’ny fahafantarany tsara kokoa io Loharanon’ny Baiboly be fitiavana io.
Manampy antsika hahafantatra ny Mpamorona ny Mpampianatra Lehibe iray
15. Nahoana no tokony hahitana fianarana ireo zavatra nataon’i Jesosy sy ireo fampianarany?
15 Marina aloha fa mety tsy hahafanta-javatra firy momba ny Baiboly ny olona misalasala ny amin’ny fisian’ny Mpamorona, na manana fomba fijery manjavozavo momba an’Andriamanitra. Angamba ianao efa tojo olona izay tsy afaka nilaza raha velona taloha na taorian’i Matio i Mosesy, ary zara raha mahafantatra ireo zavatra nataon’i Jesosy na ireo fampianarany. Faran’izay mampalahelo izany, satria afaka miana-javatra betsaka aoka izany momba ny Mpamorona, ny olona iray, amin’ny alalan’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Efa nanana fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra mantsy izy, ka afaka nampiharihary ny mombamomba ilay Mpamorona antsika. (Jaona 1:18; 2 Korintiana 4:6; Hebreo 1:3). Ary izany no nataony. Raha ny marina, dia nilaza toy izao izy indray mandeha: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. — Jaona 14:9.
16. Mampiseho taratry ny inona ny nifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy samaritanina iray?
16 Diniho izao ohatra izao: Indray mandeha, fony i Jesosy reraky ny dia lavitra, dia niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray tany akaikin’i Sykara izy. Nilaza fahamarinana lalina, izay nifantoka tamin’ny ilana ‘hivavahana amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’, i Jesosy. Nihatakataka tamin’ny Samaritanina ny Jiosy tamin’izany fotoana izany. Nifanohitra tamin’izany kosa, fa nampiseho taratry ny fahavononan’i Jehovah hanaiky lehilahy sy vehivavy tso-po avy amin’ny firenena rehetra i Jesosy, tsy nisy hafa tamin’izay voamaritsika tamin’ilay fisehoan-javatra nahakasika an’i Elisa sy i Namàna. Tokony hanome toky antsika izany fa tsy mankasitraka ny fankahalana ara-pivavahana atosiky ny fahateren-tsaina mamonto izao tontolo izao ankehitriny, i Jehovah. Azontsika marihina koa fa vonona hampianatra vehivavy i Jesosy, ary anefa vehivavy niara-nipetraka tamin-dehilahy tsy vadiny akory io vehivavy io. Tsy nanameloka azy i Jesosy, fa nitondra azy tamim-pahamendrehana kosa, tamin’ny fomba tena nanampy azy tokoa. Taorian’izany, dia nisy Samaritanina hafa nihaino an’i Jesosy, ka nanatsoaka hevitra hoe: “Fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.” — Jaona 4:2-30, 39-42; 1 Mpanjaka 8:41-43; Matio 9:10-13.
17. Inona no azo tsoahina avy amin’ilay fitantarana momba ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty?
17 Andeha hodinihintsika ny ohatra hafa iray ny amin’ny fomba ahafahantsika miana-javatra momba ny Mpamorona, amin’ny fahafantarantsika tsara ireo zavatra nataon’i Jesosy sy ireo fampianarany. Saintsaino ilay fotoana nahafatesan’i Lazarosy, sakaizan’i Jesosy. Efa noporofoin’i Jesosy talohan’izay fa nanan-kery hamerina indray ny maty ho amin’ny fiainana izy. (Lioka 7:11-17; 8:40-56). Ahoana anefa no fihetsiny rehefa nahita ny alahelon’i Maria, anabavin’i Lazarosy? “Vonto ny fanahin[’i Jesosy], ka tora-kovitra Izy”. Tsy hoe tsy niraika na tsy rototra akory izy; “nitomany” izy. (Jaona 11:33-35). Ary tsy fanehoana fihetseham-po fotsiny izany, fa voatosika hanao zavatra hentitra i Jesosy: nanangana an’i Lazarosy izy. Azonao alaina sary an-tsaina ny fomba nanampian’izany an’ireo apostoly mba hahatakatra ny fihetseham-pon’ny Mpamorona sy izay ataony. Tokony hanampy antsika sy ny hafa hahatakatra ny toetran’ny Mpamorona sy ireo lalany koa izany.
18. Ahoana no tokony hiheveran’ny olona ny fianarana Baiboly?
18 Tsy misy tokony hahamenatra ny hoe mianatra ny Baiboly sy mianatra mba hahafantarana misimisy kokoa momba ilay Mpamorona antsika. Tsy boky nilaozan’ny toetr’andro akory ny Baiboly. I Jaona, ohatra, dia anisan’ny nianatra ny Baiboly, ka tonga mpiara-miasa akaiky tamin’i Jesosy. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Fantatsika fa efa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ary nanome antsika ny fahaizana ara-tsaina izy mba hahazoantsika ny fahalalana ilay marina. Ary tafaray amin’ilay marina isika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Izany no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.” (1 Jaona 5:20, NW ). Mariho fa mitarika ho amin’ny “fiainana mandrakizay” ny fampiasana “fahaizana ara-tsaina”, mba hahazoana fahalalana an’ilay “marina”, dia ilay Mpamorona.
Ahoana no azonao anampiana ny hafa mba hahafantatra momba ilay Mpamorona?
19. Inona no dingana natao mba hanampiana ireo olona be fisalasalana?
19 Mitaky porofo be dia be ny olona sasany mba hinoana fa misy Mpamorona mangoraka iray izay miahy antsika, ary koa mba hahatakarana ny mombamomba ilay Mpamorona. Misy olona an-tapitrisany maro mbola be fisalasalana ihany momba ny Mpamorona, na manana fiheverena momba azy tsy mifanaraka amin’izay hita ao amin’ny Baiboly. Ahoana no azonao anampiana azy ireny? Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika sy iraisam-pirenena 1998/1999 nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy fitaovana vaovao mandaitra, navoaka tamin’ny fiteny maro: ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? (Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve?)
20, 21. a) Ahoana no azo ampiasana amim-pahombiazana ny boky Créateur? b) Milazà fitantarana mampiseho fa efa hita ho nandaitra ny boky Créateur.
20 Boky iray izay hampitombo ny finoanao ny Mpamorona sy hampitombo ny fankasitrahanao ny toetrany sy ireo lalany, izy io. Nahoana no azo antoka izany? Satria natao indrindra ho amin’izany zava-kendrena izany io boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? io. Loha hevitra iray hita ao amin’ilay boky manontolo ny hoe “Inona no Afaka Mampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao?” Velabelarina amin’ny fomba mahaliana, na dia ho an’ny olona nahita fianarana ambony aza, ireo loha hevitra ao anatiny. Mahakasika ireo faniriana mafy ananantsika rehetra anefa izy io. Misy hevitra mahaliana sy mampiaiky, ho an’ireo mpamaky izay misalasala momba ny fisian’ny Mpamorona, izy io. Tsy heverina hoe efa mino ny Mpamorona akory ilay mpamaky. Ho babon’ilay fomba famelabelatra ireo zava-baovao hitan’ny siansa sy fiheverana siantifika tato ho ato, ireo olona be fisalasalana. Hanatanjaka ny finoan’ireo izay efa mino an’Andriamanitra mihitsy aza ireo zava-misy ireo.
21 Amin’ny fianarana io boky vaovao io, dia ho hita fa misy fizarana mamintina ny tantaran’ny Baiboly amin’ny fanasongadinana ireo lafin-toetran’Andriamanitra izy io, ka manampy ny mpamaky hahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra. Olona maro izay efa namaky azy io no nilaza fa tena marina izany, raha ny amin’ny tenan’izy ireo. (Jereo ny lahatsoratra manaraka, pejy faha-25-26.) Enga anie mba ho toy izany koa ny aminao, eo am-piezahanao hahafantatra tsara izay raketin’ilay boky, ka hampiasa azy io mba hanampiana ny hafa hahafantatra tsara kokoa ny Mpamorona.
[Fanamarihana ambany pejy]
a I M. J. Gruenthaner, manam-pahaizana zezoita, fony izy tonian’ny fanontana tao amin’ny The Catholic Biblical Quarterly, dia nampihatra tamin’io matoanteny io ny zavatra nolazainy momba ny matoanteny mitovy karazana amin’izy io. Nolazainy fa izy io “dia tsy milaza na oviana na oviana fisiana izay teôria fotsiny, fa manondro foana kosa ny hoe tsapa ho misy na tsapa ho tonga ho, izany hoe miseho amin’ny fomba azo tsapain-tanana”.
b Rehefa milaza fitantarana ao amin’ny Baiboly amin’ireo zanany ny ray aman-dreny, dia afaka manampy ny zanany, amin’ny fametrahana fanontaniana toy ireo. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny ankizy mahafantatra tsara an’Andriamanitra, ary koa mianatra misaintsaina ny Teniny.
Nomarihinao Ve?
◻ Ahoana no nahatonga an’i Mosesy hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay?
◻ Nahoana no fanampiana iray mba hahafantarana ny mombamomba an’Andriamanitra ny fianarana ny Baiboly?
◻ Eo am-pamakiantsika ny Baiboly, inona no azontsika atao mba hahatonga antsika ho akaiky kokoa ny Mpamorona antsika?
◻ Ahoana no kasainao hampiasana ny boky Créateur?
[Sary, pejy 20]
Inona no tondroin’ny rafi-kery fanefitra ao amintsika momba ny Mpamorona antsika?
[Sary, pejy 21]
Tapany amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, izay ahitana ny Tetragrama (ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo) nasongadina
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of the Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem
[Sary, pejy 23]
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ny alahelon’i Maria?