Afaka Mampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao ny Mpamorona
“Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo; fa Izy no nandidy, dia ary ireo.” — SALAMO 148:5.
1, 2. a) Fanontaniana inona no tokony hodinihintsika? b) Amin’ny ahoana ny zavatra noforonina no voafaoka amin’ilay fanontanian’i Isaia?
“TSY fantatrao va?” Izany dia mety ho toa fanontaniana apetraka fotsiny mba hahatonga olona maro hamaly hoe: ‘Mahafantatra inona?’ Fanontaniana lehibe anefa izy io. Ary afaka mankasitraka indrindra ny valin’io fanontaniana io isika, rehefa manamarika fa ao amin’ny toko faha-40 ao amin’ny bokin’i Isaia ao amin’ny Baiboly, no misy azy io. Hebreo iray tamin’ny andro fahiny, atao hoe Isaia, no nanoratra azy io, koa fanontaniana tena tranainy izy io. Fanontaniana tena maoderina koa anefa izy io, satria mifandray amin’ny tena hevitry ny fiainanao.
2 Koa satria lehibe toy izany ilay fanontaniana ao amin’ny Isaia 40:28, dia mendrika ny hodinihintsika amim-pitandremana izy io. Toy izao ilay izy: “Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay [Mpamorona, NW ] ny faran’ny tany?” Koa mahakasika ny Mpamorona ny tany àry ilay hoe ‘mahafantatra’, ary asehon’ny teny manodidina fa tsy ny tany ihany no voafaoka amin’izany. Izao no nosoratan’i Isaia momba ny kintana, eo amin’ny andininy faha-26: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany (...) noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”
3. Na dia mahafanta-javatra betsaka momba ny Mpamorona aza ny tenanao, nahoana no tokony haniry hahafantatra misimisy kokoa ianao?
3 Raha ny marina, dia momba ilay Mpamorona izao rehetra izao ilay fanontaniana hoe “Tsy fantatrao va?” Miaiky angamba ny tenanao manokana fa i Jehovah Andriamanitra no ‘Mpamorona ny faran’ny tany’. Angamba koa ianao mahafanta-javatra betsaka momba ny toetrany sy ireo lalany. Ahoana anefa raha tojo lehilahy na vehivavy misalasala ny amin’ny fisian’ny Mpamorona ianao, ka miharihary fa tsy mahafantatra ny mombamomba ny Mpamorona ilay olona? Tsy tokony hahagaga raha tojo olona toy izany ianao, satria olona an-tapitrisany maro no tsy mahafantatra ny Mpamorona na mino azy. — Salamo 14:1; 53:1.
4. a) Nahoana no mety ny handinihana momba ny Mpamorona, amin’izao fotoana izao? b) Fanontaniana inona avy no tsy voavalin’ny siansa?
4 Mamokatra olona maro izay be fisalasalana ireo sekoly. Mihevitra ireny olona ireny fa ny siansa dia efa nahita (na mbola hahita) ny valin’ireo fanontaniana momba ny fiandohan’izao rehetra izao sy ny fiandohan’ny fiainana. Hoy ny fanamarihan’i Hagene sy i Lenay, mpanoratra, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Niandohan’ny Fiainana (lohateniny voalohany tamin’ny teny frantsay: Aux Origines de la Vie): “Mbola iadian-kevitra ihany, amin’izao fiandohan’ny taonjato fahiraika amby roapolo izao, ny amin’ny fiandohan’ny fiainana. Io olana io, izay saro-bahana aoka izany, dia mitaky ny hanaovana fandalinana eo amin’ny sehatra rehetra, manomboka amin’ny any ambony tsy taka-maso any, izay tsy hita fetra, ka hatramin’ny zavatra faran’izay bitika.” Miaiky toy izao anefa izy ireo ao amin’ilay toko farany hoe “Mbola Mipetraka Ihany Ilay Fanontaniana”: “Efa nodinihintsika ny valiny sasany omen’ny siansa amin’ilay fanontaniana hoe: Ahoana no fomba nipoiran’ny fiainana teto an-tany? Kanefa, nahoana no nipoitra ny fiainana? Misy zava-kendrena ve ny fiainana? Tsy voavalin’ny siansa ireo fanontaniana ireo. Ny hany mba karohin’ny siansa dia ny hoe ‘ahoana’ no fomba nipoiran’ireo zavatra. Fanontaniana samy hafa tanteraka anefa ny hoe ‘ahoana’ sy ny hoe ‘nahoana’. (...) Raha ny amin’ilay fanontaniana hoe ‘nahoana’, dia tsy maintsy mitady ny valiny ny filôzôfia sy ny fivavahana, ary indrindra indrindra fa isika tsirairay.”
Fitadiavana ireo valim-panontaniana sy ny hevitry ny fiainana
5. Karazan’olona manao ahoana indrindra indrindra no mety handray soa avy amin’ny fahafantarana misimisy kokoa momba ny Mpamorona?
5 Eny, irintsika ny hahatakatra ny anton’ny fisian’ny fiainana, ary indrindra indrindra fa ny antony maha eto an-tany antsika. Ankoatra izany, dia tokony hoheverintsika ireo olona mbola tsy nanatsoaka hevitra hoe misy ny Mpamorona, ka azo antoka fa tsy mahafanta-javatra firy momba ireo lalan’ny Mpamorona. Hevero koa ireo olona manana fiheverana momba an’Andriamanitra hafa tanteraka noho izay asehon’ny Baiboly, noho ny fiavian’izy ireo. Olona an’arivo tapitrisany maro no nihalehibe tany Orient na tany an-toeran-kafa, izay tsy iheveran’ny ankamaroan’ny olona an’Andriamanitra hoe velona, tena misy, ary manana toetra manintona. Amin’izy ireo, ilay teny hoe “andriamanitra” dia mety hampahatsiahy hery iray tsy voafaritra mazava na antony iray sarotra hazavaina. ‘Tsy fantatr’izy ireo ilay Mpamorona’, na ireo lalany. Raha toa izy ireo, na ireo olona an-tapitrisany maro mitovy hevitra aminy, ka manjary miaiky ny amin’ny fisian’ny Mpamorona, dia toy inona moa ny soa ho azon’izy ireo, anisan’izany ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay! Mety hahazo zavatra izay tsy fahita firy koa izy ireo, dia fiadanan-tsaina sy fiainana tena misy heviny sy zava-kendrena.
6. Amin’ny ahoana ny fiainan’ny olona maro ankehitriny no misy itoviana amin’ny an’i Paul Gauguin sy amin’ny iray amin’ireo sary hoso-dokony?
6 Indro misy ohatra: Tamin’ny 1891, dia nandeha nitady fiainana mahafa-po tany Polinezia frantsay, izay toy ny paradisa, i Paul Gauguin, mpanakanto frantsay. Tsy ela anefa ny fomba fiainany feno filibana tamin’ny lasa dia nahazoan’ny tenany sy ny hafa aretina. Rehefa tsapany fa efa akaiky ho faty izy, dia nanao sary hoso-doko lehibe iray izy, ka teo amin’izy io no toa ‘nampisehoany ny fiainana ho toy ny zava-miafina lehibe’. Fantatrao ve hoe ahoana no niantsoan’i Gauguin io sary hoso-doko io? “Avy Aiza Isika? Inona Isika? Mankaiza Isika?” Angamba ianao efa nandre olon-kafa nanontany toy izany. Olona maro no mametraka fanontaniana toy izany. Rehefa tsy mahita valiny mahafa-po anefa izy ireo, ka tsy mahita izay tena hevitry ny fiainana, aiza no azony itodihana? Mety hanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy mifankaiza amin’ny an’ny biby ny fiainany. — 2 Petera 2:12.a
7, 8. Nahoana no tsy ampy raha ireo fandalinan’ny siansa fotsiny?
7 Takatrao amin’izany àry ny antony nanoratan’ny olona sahala amin’i Freeman Dyson, profesora momba ny fizika, hoe: “Miombon-kevitra amin’ny olona mendri-kaja maro aho rehefa mamerina indray ireo fanontaniana napetrak’i Joba. Nahoana isika no mijaly? Nahoana no feno tsy rariny aoka izany izao tontolo izao? Inona no zava-kendren’ny fahoriana sy ny loza?” (Joba 3:20, 21; 10:2, 18; 21:7). Araka ny efa voalaza, dia olona maro no mitodika any amin’ny siansa, fa tsy any amin’Andriamanitra, mba hahazoana valim-panontaniana. Mampitombo ny fahalalana momba ny gilaobintsika sy ny fiainana eo amboniny, ireo manam-pahaizana momba ny zavamananaina sy mpahairanomasina ary ireo hafa. Mikaroka eo amin’ny sehatra hafa ireo astrônôma sy fizisianina, ka mahafanta-javatra bebe kokoa hatrany momba ny masoandrontsika sy ireo planeta mihodidina azy io, momba ny kintana sy ny vahindanitra lavitra mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Genesisy 11:6.) Inona avy no fanatsoahan-kevitra azon’ny saina ekena tondroin’ireo zava-misy ireo?
8 Miresaka ny amin’ny ‘sain’Andriamanitra’ na ny ‘asa tanany’ miharihary eo amin’izao rehetra izao ny mpahay siansa sasany. Sao mivaona amin’ny hevitra fototra anefa izany? Hoy ny fanamarihan’ny gazetiboky Science: “Rehefa milaza ny mpikaroka fa mampiharihary ny ‘sain’Andriamanitra’ na ny ‘asa tanany’ ny haitontolo, dia milaza izy ireo fa Andriamanitra no loharanon’izay mety ho lafiny tsy dia mavesa-danja loatra amin’izao rehetra izao, dia ny firafiny fizika.” Raha ny marina, dia nanoratra toy izao i Steven Weinberg, fizisianina nahazo ny loka Nobel: “Arakaraka ny toa ahatakarana ny momba izao rehetra izao no toa vao mainka koa ahitana azy io ho tsy misy heviny.”
9. Inona no porofo afaka manampy antsika sy ny hafa hahafantatra momba ny Mpamorona?
9 Na izany aza, dia angamba ny tenanao anisan’ireo olona an-tapitrisany maro izay nandinika tamim-pitandremana ilay raharaha, ka mahatakatra fa mifandray amin’ny fahafantarana ny Mpamorona ny tena hevitry ny fiainana. Tsarovy izao nosoratan’ny apostoly Paoly izao: “Ny olombelona dia tsy afaka milaza hoe tsy fantany ny momba an’Andriamanitra. Nanomboka teo am-piandohan’izao tontolo izao, ny olombelona dia afaka nahafantatra ny mombamomba an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ireo zavatra nataony. Izany dia mampiseho ny heriny izay maharitra mandrakizay. Asehon’izany fa Andriamanitra Izy.” (Romana 1:20, Holy Bible, New Life Version). Eny, ireo zava-misy momba ny tontolo misy antsika sy momba antsika, dia afaka manampy ny olona hanaiky ny fisian’ny Mpamorona, sy hahita ny hevitry ny fiainana, mifandray amin’ny Mpamorona. Diniho ny lafiny telo amin’izy ireo: izao rehetra izao manodidina antsika, ny fiandohan’ny fiainana, ary ny fahaizan’ny saintsika.
Ireo antony mahatonga hino
10. Nahoana isika no tokony hieritreritra ny amin’ny ‘fiandohana’? (Genesisy 1:1, NW; Salamo 111:10).
10 Ahoana no nampisy izao rehetra izao? Angamba fantatrao avy amin’ireo tatitra momba ireo teleskôpy sy fitaovana fitsirihana ny any ambony tsy taka-maso any, fa takatry ny ankamaroan’ny mpahay siansa ny hoe: tsy efa nisy foana akory izao rehetra izao. Nisy fiandohana izy io, ary mihamiitatra ankehitriny. Inona no dikan’izany? Henoy ange izao nolazain’i Sir Bernard Lovell, astrônôma, izao e: “Raha toa Izao Rehetra Izao ka toy ny teboka iray faran’izay bitika nanana hakitroka tsy hita fetra, tamin’ny fotoana iray tamin’ny lasa, dia tsy maintsy manontany isika hoe inona no teo talohan’izay. (...) Tsy maintsy miatrika ilay olana momba ny Fiandohana iray isika.”
11. a) Manao ahoana ny fidadasik’izao rehetra izao? b) Inona no tondroin’ny firindrana maty paika misy eo amin’izao rehetra izao?
11 Mampiseho taratry ny fandrindrana maty paika sy mahazendana ireo zavatra mahaforona izao rehetra izao, anisan’izany ny tanintsika. Ohatra, toetoetra roa mahavariana amin’ny masoandrontsika sy ny kintana hafa ny fiasany maharitra amin’ny fomba mandaitra, sy ny tsy fiovaovany mihitsy. Tombanana ankehitriny fa misy 5 alina tapitrisa (50 000 000 000) ka hatramin’ny 125 000 tapitrisa ny isan’ny vahindanitra eo amin’izao rehetra izao taza-maso. Ary misy kintana an’arivo tapitrisany maro ao amin’ny vahindanitra Voie lactée misy antsika. Diniho àry izao: Fantatsika fa mila fifandanjana maty paika ny lasantsy sy ny rivotra ao amin’ny môteran’ny fiarakodia. Raha manana fiarakodia ianao, dia mety hanakarama mécanicien za-draharaha iray mba hanitsy tsara ny fandehan’ny môtera, mba hahatonga ny fiaranao hisosa tsara kokoa, ka hiasa tsara kokoa nefa tsy handany lasantsy be. Raha zava-dehibe ny fanitsiana maty paika toy izany ao amin’ny môtera iray, ahoana, ohatra, ny amin’ny masoandrontsika izay “mirehitra” amin’ny fomba mandaitra nefa tsy mandanilany foana? Mazava fa mifandrindra amin’ny fomba maty paika ireo hery lehibe tafiditra mba hampisy ny fiainana eto an-tany. Nitranga noho ny kisendrasendra fotsiny ve izany? Nanontaniana toy izao i Joba fahiny: “Nanambara ireo fitsipika mifehy ny lanitra ve ianao, na namaritra ireo lalàn’ny natiora eo amin’ny tany?” (Joba 38:33, The New English Bible). Tsy nisy olombelona nanao izany. Koa avy taiza àry izany firindrana maty paika izany? — Salamo 19:1.
12. Nahoana no tsy hadalana ny hiheverana fa misy Saina Matsilo mahery iray tompon’antoka amin’ny famoronana?
12 Nety ho avy tamin’ny zavatra iray na Persona iray tsy hita maso ve izany? Diniho avy amin’ny fanazavan’ny siansa maoderina io fanontaniana io. Eken’ny ankamaroan’ny astrônôma ankehitriny, fa misy tenan-javatra tena mahery any ambony any, dia ireo lavaka mainty. Tsy hita maso ireny lavaka mainty ireny, kanefa miaiky ireo manam-pahaizana fa misy izy ireny. Toy izany koa fa mitantara ny Baiboly hoe any amin’ny faritra hafa any, dia misy zavaboary mahery tsy hita maso, dia zavaboary ara-panahy. Raha misy ireny zavaboary mahery tsy hita maso ireny, moa ve tsy azo inoana fa avy tamin’ny Saina Matsilo mahery iray ilay firindrana maty paika miharihary manerana izao rehetra izao? — Nehemia 9:6.
13, 14. a) Inona no noporofoin’ny siansa, raha ny marina, momba ny fiandohan’ny fiainana? b) Inona no tondroin’ny fisian’ny fiainana eto an-tany?
13 Mifandray amin’ny fiandohan’ny fiainana ny fanjohian-kevitra faharoa, izay manampy ny olona hanaiky ny fisian’ny Mpamorona. Nanomboka tamin’ny fotoana nanaovan’i Louis Pasteur fanandramana, dia nekena fa tsy mipoitra ho azy avy amin’ny tsy misy akory ny fiainana. Koa ahoana àry no niandohan’ny fiainana teto an-tany? Tamin’ireo taona 1950, dia nisy mpahay siansa nanandrana nanaporofo fa nety ho nivoatra tsikelikely tao amin’ny ranomasimbe iray tany am-piandohana tany ny fiainana, fony nasian’ny varatra tsy an-kijanona ny atmôsfera tany am-boalohany. Asehon’ny porofo vao haingana kokoa anefa, fa tsy azo inoana ho toy izany no niandohan’ny fiainana teto an-tany, satria tsy nisy na oviana na oviana izany karazana atmôsfera izany. Noho izany, dia eo am-pikarohana fanazavana tsy dia misy tsininy ny mpahay siansa sasany. Ary sao dia mivaona amin’ilay hevi-dehibe koa izy ireo?
14 Rehefa avy nandany am-polony taona maro nandinihana izao rehetra izao sy ny fiainana eo amin’izy io i Sir Fred Hoyle, mpahay siansa britanika, dia nanazava toy izao: “Toa aleo mihevitra hoe asan’ny manan-tsaina iray nandinika tsara ny fiandohan’ny fiainana, toy izay hanaiky ilay fisehoan-javatra faran’izay sarotra inoana hoe tamin’ny alalan’ny herin’ny natiora nandeha an-jambany fotsiny no nipoiran’ny fiainana.” Eny, arakaraka ny ianarantsika momba ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny fiainana, no ahitantsika fa lôjika kokoa ny hoe avy tamin’ny Loharano manan-tsaina iray ny fiainana. — Joba 33:4; Salamo 8:3, 4; 36:9; Asan’ny Apostoly 17:28.
15. Nahoana no azo lazaina fa tsy manan-tsahala ianao?
15 Koa mifandray amin’izao rehetra izao àry ny fanjohian-kevitra voalohany, ary mifandray amin’ny fiandohan’ny fiainana eto an-tany ny fanjohian-kevitra faharoa. Mariho ny fahatelo, dia ny maha tsy manan-tsahala antsika. Tsy manan-tsahala amin’ny lafiny maro ny olombelona rehetra, koa midika izany fa toy izany koa ny tenanao. Amin’ny ahoana? Efa renao angamba fa nampitahaina tamin’ny ôrdinatera matanjaka iray ny atidoha. Asehon’ny zava-baovao hita vao haingana anefa, fa raha ny tena izy, dia tsy mety mihitsy izany fampitahana izany. Hoy ny mpahay siansa iray ao amin’ny Ivon-toerana Momba ny Teknôlôjia any Massachusetts: “Tsy manakaiky akory ny fahaizan’ny olona iray efa-taona ny ôrdinatera amin’izao fotoana izao, raha ny amin’ny fahaizana mahita, miresaka, mihetsika, na maneho fahaiza-mitsara zavatra. (...) Notombanana fa na ny fahaizan’ny ôrdinatera haingam-piasa indrindra sy matanjaka indrindra aza, dia mitovy amin’ny rafi-pitatitry ny sifotra iray, izany hoe ampahany bitika monja amin’ilay zavatra mety ho vitan’ilay ôrdinatera haingam-piasa indrindra ao anatin’ny karandoha[nao].”
16. Inona no tondroin’ny fahaizanao miteny?
16 Fahaizana iray anananao noho ny atidohanao ny fiteny. Misy olona mahay fiteny roa, telo, na mihoatra, kanefa na ny fahaizana fiteny iray monja aza dia efa mahatonga antsika ho tsy manan-tsahala. (Isaia 36:11; Asan’ny Apostoly 21:37-40). Nanontany toy izao ry profesora R. S. Fouts sy D. H. Fouts: “Moa ve ny olombelona (...) ihany no mahay mifandray amin’ny alalan’ny fiteny? (...) Azo antoka fa ny biby ambony rehetra dia mifandray amin’ny alalan’ny (...) fihetsehana, ny fofona, ny sioka, ny feo, ary ho an’ny tantely aza, dia amin’ny alalan’ny dihy. Toa tsy manana fiteny voarafitra ara-pitsipi-pitenenana anefa ny biby, ankoatra ny olombelona. Ary mety hisy heviny lehibe tokoa ny hoe tsy mahay manao sary ny biby. Ny hany azony atao, dia ‘rangotra akoho’ fotsiny.” Marina tokoa fa ny olombelona ihany no afaka mampiasa ny atidohany mba hitenenana sy hanaovana sary misy dikany. — Ampitahao amin’ny Isaia 8:1; 30:8; Lioka 1:3.
17. Inona no fahasamihafana lehibe eo amin’ny biby mijery fitaratra sy ny olombelona mijery fitaratra?
17 Ankoatra izany, dia fantatrao sy tsapanao ny fisian’ny tenanao. (Ohabolana 14:10). Moa ve ianao efa mba nandinika vorona, na alika, na saka nijery fitaratra, izay avy eo dia nitsaingotsaingoka, na nierona, na namely? Noheveriny ho biby hafa ilay hitany, fa tsy fantany hoe ny tenany ihany io. Mifanohitra amin’izany, fa rehefa mijery fitaratra ianao, dia fantatrao hoe ny tenanao io hitanao io. (Jakoba 1:23, 24). Angamba ianao mijery raha mety ny fisehoanao ivelany, na manontany tena hoe hanao ahoana ianao rehefa afaka taona vitsivitsy. Tsy manao toy izany ny biby. Eny, mahatonga anao ho tsy manan-tsahala ny atidohanao. Iza no omem-boninahitra amin’izany? Ahoana no nampisy ny atidohanao, raha tsy avy tamin’Andriamanitra?
18. Inona avy ireo fahaizan’ny sainao izay mampiavaka anao amin’ny biby?
18 Mahatonga anao hankafy zavakanto sy mozika, ary hahatsapa izay tsara sy izay ratsy koa, ny atidohanao. (Eksodosy 15:20; Mpitsara 11:34; 1 Mpanjaka 6:1, 29-35; Matio 11:16, 17). Nahoana no ianao fa tsy ny biby? Mampiasa ny atidohany ny biby, mba hikarakarany indrindra indrindra izay ilainy eo no ho eo: hahazo sakafo, hahita vady, na hanao akany. Ny olombelona irery ihany no mitsinjo lavitra. Ny sasany aza mieritreritra ny amin’izay ho vokatry ny ataony eo amin’ny tontolo iainana, na eo amin’ny taranany any aoriana be any. Fa nahoana? Hoy ny Mpitoriteny 3:11 momba ny olombelona: “Ny mandrakizay dia efa nataon[’ny Mpamorona] tao am-pony.” Eny, tsy manam-paharoa ny fahaizanao mandinika ny hevitry ny hoe fotoana tsy manam-petra, na maka sary an-tsaina fiainana tsy misy farany.
Avelao ny Mpamorona hampisy heviny kokoa ny fiainanao
19. Inona ilay fanjohian-kevitra mizara telo izay azonao ampiasaina mba hanampiana ny hafa hieritreritra momba ny Mpamorona?
19 Lafin-javatra telo monja no noresahintsika teo: ny firindrana maty paika hita eo amin’izao rehetra izao midadasika, ny fiandohan’ny fiainana eto an-tany, ary ilay zava-misy tsy azo lavina hoe tsy manan-tsahala ny atidohan’ny olombelona, omban’ireo fahaizany maro samihafa. Inona no tondroin’ireo lafin-javatra telo ireo? Indro misy fanjohian-kevitra azonao ampiasaina mba hanampiana ny hafa hanao fanatsoahan-kevitra. Azonao atao aloha ny manontany hoe: Nanam-piandohana ve izao rehetra izao? Hanaiky ny ankamaroan’ny olona hoe eny. Avy eo dia manontania hoe: Nisy nahatonga azy ve izany fiandohana izany sa tsy nisy? Tsapan’ny ankamaroan’ny olona fa nisy nahatonga azy ny fiandohan’izao rehetra izao. Izany dia mitarika ho amin’izao fanontaniana farany izao: Zavatra iray sa Persona iray misy mandrakizay no nahatonga ilay fiandohana? Rehefa aseho amin’ny fomba mazava sy araka ny lôjika toy izany ilay raharaha, dia maro no mety ho voatarika hanatsoaka hevitra hoe: Tsy maintsy misy ny Mpamorona iray! Koa raha izany no izy, tsy tokony hisy heviny ve ny fiainana?
20, 21. Nahoana no tena ilaina ny fahafantarana ny Mpamorona mba hampisy heviny ny fiainantsika?
20 Tokony hisy fifandraisana amin’ny Mpamorona ny fiainantsika manontolo, anisan’izany ny fahatsapantsika ny atao hoe fitsipi-pitondran-tena, eny, ilay fitsipi-pitondran-tena mihitsy koa aza. Nanoratra toy izao indray mandeha ny Dr. Rollo May: “Ny hany rafitra sahaza ho an’ny fitsipi-pitondran-tena, dia izay miorina amin’ilay votoatin’ny hevitry ny fiainana.” Aiza no hahitana izany hevitry ny fiainana izany? Hoy izy nanohy ny teniny: “Ilay rafitra fototra dia ny maha izy an’Andriamanitra. Ireo foto-pitsipik’Andriamanitra no foto-pitsipika iorenan’ny fiainana, nanomboka tany am-piandohan’ny famoronana ka hatramin’ny farany.”
21 Takatsika tsara àry ny antony nanehoan’ny mpanao salamo fanetren-tena sy fahendrena, fony izy nitalaho tamin’ny Mpamorona hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy”. (Salamo 25:4, 5). Arakaraka ny nahafantaran’ilay mpanao salamo tsara kokoa ny Mpamorona no azo antoka fa nahatonga ny fiainany ho nisy heviny kokoa sy nisy zava-kendrena kokoa ary nahazo tari-dalana tsara kokoa. Mety ho toy izany koa ny amintsika tsirairay. — Eksodosy 33:13.
22. Inona no voafaoka amin’ny fahafantarana ny lalan’ny Mpamorona?
22 Voafaoka amin’ny fahafantarana ny ‘lalan’ny’ Mpamorona ny fahafantarana tsara kokoa ny mombamomba azy, dia ny toetrany sy ireo lalany. Koa satria anefa tsy hita maso sady manan-kery mahatahotra ny Mpamorona, ahoana no ahafahantsika mahafantatra azy tsara kokoa? Handinika izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nanovo hevitra avy tamin’izay nitranga tany amin’ireo toby fitanana nazia ny Pr. Viktor E. Frankl, ka nahatakatra izao zavatra izao: “Ny fikarohan-dRaolombelona ny hevitry ny fiainana dia hery lehibe indrindra eo amin’ny fiainany, fa tsy ‘zavatra azo lazaina tsotsotra’ hoe faniriana mafy tonga ho azy”, toy ny ananan’ny biby. Nanampy teny izy fa ny fanadihadiana iray natao tany Frantsa, am-polony taona maro taorian’ny ady lehibe faharoa, dia “nampiseho fa ny 89%-n’ny olona nanontaniana no niaiky fa ny olombelona dia mila ‘zavatra’ mba hataony ho zava-kendrena eo amin’ny fiainana”.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana isika no mila fanazavana, ankoatra ny omen’ny siansa momba izao rehetra izao misy antsika?
◻ Rehefa manampy ny hafa hieritreritra momba ny Mpamorona ianao, inona no azonao isarihana ny sain’izy ireo?
◻ Nahoana no fanalahidy hahitana fiainana misy heviny sy mahafa-po ny fahafantarana ny Mpamorona?
[Kisary/Sary, pejy 18]
(Jereo ny gazety)
Inona no fanatsoahan-kevitrao?
Izao Rehetra Izao dia
↓ ↓
Tsy Nanam-piandohana Nanam-piandohana
↓ ↓
Tsy Nisy Nahatonga Azy Nisy Nahatonga Azy
↓ ↓
ZAVATRA iray PERSONA Iray
misy mandrakizay Misy Mandrakizay
[Sary, pejy 15]
Nitarika olona maro hieritreritra momba ny Mpamorona ny fidadasik’izao rehetra izao sy ny firindrana maty paika miharihary eo amin’izy io
[Sary nahazoan-dalana]
Pejy 15 sy 18: Jeff Hester (Arizona State University) sy NASA