Tokony Hitandrina Andro Fitsaharana Iray ve ny Kristiana?
NANORANA tsy nisy toy izany ny volana Jona. Noho izany, dia nodikaina ny lovantsofina tsy ara-pivavahana tranainy iray nandritra ny fiadiana ny ho tompon-daka teo amin’ny lalao tenisy tany Wimbledon, tamin’ny 1991. Sambany teo amin’ny tantara vao natao alahady ireo lalao mba hanonerana ny fotoana very. Ankoatra ny tsy fanarahana ny fitsipika tsindraindray toy ny tamin’io indray mandeha io, dia mitoetra ho andro fitsaharana masina ny alahady any Angletera, ary koa any amin’ny tany hafa maro be.
Ny olona sasany dia mitandrina andro fitsaharana hafa iray. Ireo Jiosy maneran-tany dia mitandrina amin’ny fomba hentitra ny Sabata, manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ny zoma ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny asabotsy. Mandritra ny Sabata, dia tsy mandeha ny fiaramanidin’ny fifamoivoizana ana habakabaka ao amin’ny firenen’i Isiraely, ary any amin’ny tanàna sasany dia tsy miasa ny fitateram-bahoaka. Any Jerosalema, ireo mpanaraka ny fanaon-drazana dia manidy ny lalana sasany mba hanakanana ny fifamoivoizana rehetra heverin’izy ireo ho tsy manaraka ny lalàn’ny Sabata.
Mampipoitra fanontaniana maromaro ny hoe mbola mitandrina andro fitsaharana iray isan-kerinandro na sabata iray ny fivavahana maro. Moa ve ny Jiosy ihany no mitandrina ny Sabata? Nahoana ny ankamaroan’ireo fivavahana ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana no nanjary nanaiky andro fitsaharana hafa iray? Moa ve ny fitandremana andro fitsaharana iray isan-kerinandro mbola takin’ny Baiboly amin’izao andro izao?
Nisy foana ve ny Sabata?
Hitantsika ao amin’ny bokin’ny Eksodosy ny firesahana voalohany ny amin’ny sabata ao amin’ny Soratra Masina. Raha mbola tany an’efitra ireo Isiraelita, dia nahazo mana, sakafo mahagaga, avy tamin’i Jehovah, izy ireo. Isaky ny andro fahenina amin’ny herinandro, dia tsy maintsy nanangona anjara sakafo avo roa heny izy ireo satria natao ho “Sabata ho an’i Jehovah” ny andro fahafito, izay nandrarana ny asa rehetra. — Eksodosy 16:4, 5, 22-25.
Ambonin’izany, dia nomena ny Sabata ny Isiraelita mba hampahatsiahivana azy ireo fa efa nandevozina tany amin’ny tany Egypta izy. Io fampahatsiahivana io dia tsy ho nisy heviny firy raha toa ka efa nitandrina ny lalàna toy izany izy ireo teo aloha. Noho izany, ireo fitsipika nifehy ny Sabata dia nomena ny Isiraely irery ihany. — Deoteronomia 5:2, 3, 12-15.
Fanao nanahirana sady nampitondra enta-mavesatra
Koa satria tsy dia be andinindininy ny Lalàn’i Mosesy mikasika ny Sabata, ireo raby, nandritra ireo taonjato, dia nanoratra fandrarana maro be, indrindra fa ny fandrarana ny karazana asa rehetra amin’ny Sabata. Araka ny Mishnah, ny asa voarara dia navondrona ho sokajiny lehibe 39, toy ny fanjairana, ny fanoratana, ary ny asa fambolena sy fiompiana. Maro be tamin’izany fitsipika izany no tsy niorina tamin’ny Baiboly. Amin’ny fanononana ny Mishnah, dia miaiky ny Encyclopædia Judaica fa izany dia toy ny “tendrombohitra maro mihantona amin’ny alalan’ny singam-bolo iray, satria ahitana kely amin’ilay foto-kevitra ao amin’ny Soratra Masina, saingy ny fitsipika no be dia be”.
Ho fampiharana ilay didy ny amin’ny hoe tsy tokony “hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito” ny olona iray, dia noferana ny elanelan-toerana lavitra indrindra, ka nantsoina hoe ny “faritry ny Sabata” izany. Araka ny voalazan’ny loharanom-panazavana sasany, izany dia nifanitsy tamin’ny roa arivo hakiho na 900 metatra. (Eksodosy 16:29, King James Version). Kanefa azo nodikaina ankolaka io fitsipika io: Ny omaly hariva, dia azo napetraka teo amin’ny roa arivo hakiho avy eo amin’ny trano ny sakafo ho an’ny Sabata. Io toerana io àry dia azo noheverina ho fitaran’ny tranom-pianakaviana, ary nisy roa arivo hakiho hafa azo nisaina avy teo amin’io toerana io.
Maro be tamin’ireny fameperana nataon’olombelona ireny no nanan-kery tamin’ny andron’i Jesosy. Araka izany, ireo filoha ara-pivavahana dia niteny mafy ny mpianany noho izy ireo nioty salohim-bary hohanina rehefa nandalo teo amin’ny tanimbary iray. Nampangaina ho nandika ny Sabata izy ireo — ny fiotazana salohim-bary dia noheverina ho toy ny fijinjana, ary ny fikosohana azy tamin’ny tanana dia noheverina ho toy ny fikosohana na fitotoana azy. Tamin’ny fisehoan-javatra maromaro, i Jesosy dia nanameloka an-karihary ny fomba fihevitra tafahoatra nananan’izy ireo, satria nampiseho tamin’ny fomba diso ny hevitry ny lalàn’i Jehovah izy ireo. — Matio 12:1-8; Lioka 13:10-17; 14:1-6; Jaona 5:1-16; 9:1-16.
Avy eo amin’ny Sabata asabotsy mankeo amin’ny Sabata alahady
“Ny alahady dia hankamasinina mba hanompoana an’Andriamanitra amim-pahafoizan-tena.” Toy izany no Didy Fahefatra momba ny Sabata araka ny ampisehoan’ny Eglizy Katolika azy. Manazava toy izao ny Catéchisme pour adultes frantsay navoaka vao haingana: “Ny alahady kristiana dia ankalazaina ny ampitson’ny Sabata: amin’ny andro fahavalo, izany hoe ny andro voalohan’ny zavatra noforonina vaovao. Izy io dia manaraka ireo foto-javatra tena lehibe amin’ny Sabata nefa koa miompana amin’ny Pakan’i Kristy.” Ahoana no nisehoan’io fiovana avy amin’ny Sabata asabotsy nankamin’ny Sabata alahady io?
Na dia alahady aza ny andro nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ho an’ny Kristiana voalohany, dia andro fiasana sahala amin’ny andro hafa rehetra ihany izy io. Ny fanapahan-kevitra iray nataon’ny konsilin’ny fiangonana laodisianina (teo antenatenany ka hatreo amin’ny faran’ny taonjato fahefatra am.f.i.) anefa dia nampiharihary fa arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nosoloana sabata “kristiana” isan’alahady ny Sabata jiosy isan’asabotsy. Io fitsipika io dia “nandrara ny Kristiana tsy hanaraka fomba jiosy sy tsy hidonana-poana amin’ny andro Sabata [jiosy], ary ny andron’ny Tompo [ny andro amin’ny herinandro nananganana azy] dia natao hohajaina amin’ny fomba kristiana”. Hatramin’izay, ireo mpanaraka ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana dia tsy maintsy niasa asabotsy ary nifehy tena tsy hiasa ny alahady. Tatỳ aoriana, dia nasaina nanatrika Lamesa izy ireo ny alahady.
Noho ny fanohanan’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana, tsy ela ny fiasana alahady dia norarana nanerana ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Nanomboka tamin’ny taonjato fahenina, dia nosazina handoa vola na nokaravasina ireo mpandika lalàna, ary nalaina ny ombin’izy ireny. Indraindray ireo mpanota tsy nibebaka dia nety ho naetry hanao asa an-tery vozona.
Amin’ny heviny iray, ireo lalàna mifandray amin’ny asa alahady azo ekena dia be pitsony sahala amin’ireo lovantsofina nifehy ny Sabata jiosy. Ny Dictionnaire de théologie catholique dia manome fanazavana lava momba ny fandehan’ny fanapahan-kevitra amin’ny raharaha mahakasika fieritreretana (casuistique) any amin’ny fiangonana, ary resahiny ho anisan’ny zavatra voarara ny asa an-tery vozona, ny asa fiompiana sy fambolena, ny fanaovan-draharaha ara-panjakana, ny varotra, ary ny fihazana.
Mifanohitra amin’izany, fa ny Sabata jiosy dia noresahina ho toy ny fanamarinana izany fandrarana izany. Ny New Catholic Encyclopedia dia miresaka toy izao ny amin’ny lalàn’ny Emperora Charlemagne mikasika ny andro alahady: “Ny hevitra momba ny Sabata, nolavin’i Md. Jérôme an-kitsirano sy nomelohin’ny Konsilin’i Orléans tamin’ny 538 ho jiosy sady tsy kristiana, dia nambara mazava tao amin’ny didy navoakan’i Charlemagne tamin’ny 789, izay nanameloka ny fiasana alahady rehetra ho toy ny fandikana [ny Didy Folo].” Araka izany, na dia nankasitrahan’ny fiangonana aza ny fahitana ireo manam-pahefana sivily nampanaiky ny fisian’ny andro fitsaharana alahady iray, izany dia namela io fahefana ivelan’ny fivavahana io hanamarina ireo fameperana ireo, niorina tamin’ny fototra ara-dalàna iray nolavin’ny fiangonana, izany hoe ny Lalàn’i Mosesy mikasika ny Sabata.
Hevitra ijoroana tsy araka ny Soratra Masina
Taonjato maro nialoha, ny maromaro tamin’ny Rain’ny Eglizy, ary i Augustin indrindra indrindra, dia nanambara mazava tsara fa ny Sabata dia fandaharana vonjimaika natokana ho an’ny Jiosy. Tamin’ny fanaovana toy izany, ireo Rain’ny Eglizy ireo dia nanaraka fotsiny izay hazavain’ny Soratra Grika Kristiana, izany hoe, ny Sabata dia tapany lehibe iray amin’ny faneken’ny Lalàna izay nofoanan’ny soron’i Jesosy. — Romana 6:14; 7:6; 10:4; Galatiana 3:10-14, 24, 25.
Ao amin’ilay boky maoderina hoe Vocabulaire biblique, ilay teolojiana protestanta atao hoe Oscar Cullmann, dia resahina ho niaiky fa “satria i Jesosy tonga sy maty ary natsangana, dia efa tanteraka izao ireo andro firavoravoana ao amin’ny T[estamenta] T[aloha], ary ny fitanana azy ireny dia ‘midika ho fiverenana indray amin’ny fanekena taloha, toy ny hoe tsy tonga mihitsy i Kristy’.” Rehefa heverina io hevitra azo ekena io, moa ve hety ny hanamarinana ny fitandremana ny Sabata tsy maintsy atao?
Amin’izao andro izao, ireo mpanoratra katolika amin’ny ankapobeny dia mitady fanohanan-kevitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:7, izay miresaka ny amin’ny “andro voalohany amin’ny herinandro” (alahady), nivorian’i Paoly sy ireo namany mba hiara-misakafo. Filazana tsipirian-javatra fotsiny anefa io. Tsy misy na inona na inona ao amin’io andinin-teny io na ao amin’ireo andininy hafa ao amin’ny Baiboly, manondro fa nilaza ohatra tokony harahin’ny Kristiana io fitantarana io, ary azo antoka fa tsy didy. Eny, tsy manana ny fanohanan’ny Soratra Masina ny fitandremana sabata alahady.
Fitsaharana inona àry no natao ho an’ny Kristiana?
Na dia tsy nodidiana hitandrina andro fitsaharana iray isan-kerinandro aza ny Kristiana, dia nasaina kosa izy ireo hitandrina fitsaharana karazany hafa. Nanazava izany tamin’ireo Kristiana jiosy namany i Paoly, tamin’ny filazana hoe: “Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. (...) Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany”. (Hebreo 4:4-11). Ireo Jiosy ireo, talohan’ny nahatongavany ho Kristiana, dia nanaraka ny lalàn’i Mosesy tamim-pitandremana fatratra araka izay azony natao, teo aloha. Izao i Paoly dia tsy nampirisika azy ireo hitady famonjena amin’ny alalan’ny asa intsony fa amin’ny “fitsaharana” amin’ny asa maty nataon’izy ireo kosa. Amin’izao sisa izao izy ireo dia tokony hanana finoana ny soron’i Jesosy, izay ny hany fomba ahafahan’ny taranak’olombelona ho marina eo imason’Andriamanitra.
Ahoana amin’izao andro izao no ahafahantsika maneho fiheverana toy izany ny fomba fihevitr’Andriamanitra? Sahala amin’ireo olona mitovy aminy, ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny maha-olona mahay mitsara zavatra azy, dia manaiky ny andro fitsaharana isan-kerinandro amin’ny asa tsy ara-pivavahana izay manan-kery any amin’ny tany maro. Izany dia manome azy ireo fotoana ho an’ny fiarahan’ny mpianakavy sy ny fakana aina. Nefa amin’ny fomba mbola manokana kokoa, izany dia niharihary ho vanim-potoana iray ho an’ny zava-kendrena kristiana hafa. (Efesiana 5:15, 16). Izany dia mahafaoka ireo fivoriana sy fandraisana anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso, fitsidihana ny mpiara-belona amin’izy ireo mba hizara fahalalana ara-baiboly momba ilay fotoana efa mihantomotra izay hifalian’ny taranak’olombelona mino amin’ny fiadanana hanerana ny tany. Raha tianao ny hahafantatra momba izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia ho faly hanampy anao, na asabotsy na alahady na amin’ny fotoana hafa rehetra ao anatin’ny herinandro.
[Sary, pejy 28]
I Jesosy dia nitandrina an-tsakany sy an-davany ny lalàna momba ny Sabata, fa tsy ireo lovantsofina jiosy
[Sary, pejy 29]
Manome famelombelomana ireo zava-kendrena kristiana mandritra ireo andro fitsaharana amin’ny asa tsy ara-pivavahana