Fikarakarana ny Be Taona — Ireo Zava-tsarotra sy Valisoa
I SHINETSU, minisitra kristiana iray, dia nankamamy fatratra ny asa nanendrena azy. Misy telo mianaka izy ao anatin’ny fianakaviany, anisan’izany ny renin’ny vadiny. Faly izy ireo niara-niasa tamin’ny kongregasiona kely iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nampianatra Baiboly ny olona, mandra-pahatongan’ny andro iray izay nangatahana azy hihevitra ny amin’ny hanaovany fitetezam-paritra miaraka amin’ny vadiny mba hitsidihana kongregasiona hafa. Nitaky fifindrana isan-kerinandro izany. Nahafaly azy ilay fahatsinjovan-javatra, nefa iza no hikarakara an’i Neny?
Fianakaviana maro be no mety ho tojo zava-tsarotra mitovy amin’izany — ny fomba hikarakarana amin’ny fomba tsara indrindra an’ireo ray aman-dreny be taona. Mazàna no tsy dia mampanahy loatra ilay raharaha rehefa manana toe-pahasalamana tsara sady mbola miasa ireo ray aman-dreny. Kanefa dia mety hisy zava-madinika hampiharihary fa mihantitra izy ireo, toy ny fangovitan’ny tanana rehefa miezaka mampiditra kofehy amin’ny vody fanjaitra izy ireny na ny fahaverezan’ny fitadidiana rehefa miezaka izy mitadidy ny toerana nahitany farany zavatra diso toerana sasany. Matetika anefa dia ny loza tampoka na ny aretina no mahatonga ny tena hahatsapa izay ilain’izy ireny. Tsy maintsy manao zavatra ny tena amin’izay.
Any amin’ny tany sasany, ireo ray aman-dreny manana toe-pahasalamana metimety dia tia kokoa ny mandany ireo taom-pahanterany miaraka irery amin’ny vadiny toy izay hiaraka amin’ireo zanany. Any amin’ny tany hafa indray, toy ny any amin’ny tany tatsinanana maro sy any amin’ireo tany afrikana, dia fanaon’ny olona be taona ny miara-mipetraka amin’ireo zanany, indrindra fa ny zanaka lahimatoa. Marina indrindra izany rehefa tsy afa-miala eo am-pandriana ny iray amin’ireo ray aman-dreny. Any Japana, ohatra, amin’ireo 65 taona no ho miakatra ka tsy afa-miala eo am-pandriana amin’ny fetrany sasany, dia 240 000 eo ho eo no karakarain’ny fianakaviany any an-trano.
Adidy noho ny fieritreretana sy araka ny Soratra Masina
Na dia miaina ao anatin’ny taranaka iray isian’ny olona maro “tia tena” sy “tsy manam-pitiavana” aza isika, dia mazava tsara fa manana adidy noho ny fieritreretana sy araka ny Soratra Masina amin’ireo be taona isika. (2 Timoty 3:1-5). I Tomiko, izay mikarakara ny reniny be taona tratran’ny aretina Parkinson, dia nanazava ny amin’ny adidy noho ny fieritreretana tsapany rehefa nilaza toy izao momba ny reniny: “Nikarakara ahy izy nandritra ny 20 taona. Ankehitriny aho dia maniry hanao toy izany ho azy.” Nananatra toy izao i Solomona, Mpanjaka hendry: “Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” — Ohabolana 23:22.
Tsy mahafoana izany torolalana araka ny Soratra Masina izany na ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana na ny fandrafiana avy amin’ny ray na reny tsy mpino. Nahazo tsindrimandry mba hanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Nanome ny ohatra halaintsika tahaka i Jesosy rehefa nanao fandaharana ny amin’ny hikarakarana ny reniny, ho toy ny zavatra farany nataony talohan’ny nahafatesany. — Jaona 19:26, 27.
Fandaminana ireo fahasahiranana hita
Misy fanitsiana maro be ilaina hataon’ny rehetra rehefa tafaray indray ireo fianakaviana taorian’ny nisarahan-toerana an-taonany maro. Izany fiovana izany dia mitaky fitiavana lehibe sy faharetana ary fifampahatakarana fomba fihevitra. Raha toa ny zanaka lahimatoa na ny zanakalahy hafa iray na ny zanakavavy iray ka mifindra monina miaraka amin’ny ankohonany ao an-tranon’ny ray aman-dreniny, dia mipoitra ho azy ny fitambarana fisehoan-javatra vaovao iray manontolo. Mety ho eo ny asa vaovao iray, ireo sekoly vaovao ho an’ny ankizy, ary ny mpiara-monina vaovao tokony hifankazarana. Matetika izany dia milaza andraikitra mitombo ho an’ilay renim-pianakaviana.
Ho sarotra toy izany koa ho an’ireo ray aman-dreny ny hanao fanovana. Mety ho efa zatra ny nanana fiainana manokana sy fahanginana ary fahafahana sasany izy; izao izy dia hahita ny tabataban’ireo zafikely mahery setra mbamin’ny naman’izy ireo. Efa zatra ny nanao ny fanapahan-keviny manokana izy ireo ary mety hahatsapa tsy fahafaliana amin’ny fanandramana hampihatra fitarihana aminy. Ray aman-dreny maro izay nahatsinjo mialoha ny andro hahatongavan’ny fianakavian’ny zanany lahy mba hiara-monina aminy no nanorina trano mitokana teo akaiky teo na efitrano fanampiny sarahin’ny lalantsara, izay manome fahaleovan-tena sasany ho an’ny rehetra.
Raha tery ny trano dia ilaina ny fanovana lehibe kokoa mba hisian’ny toerana ho an’ireo vao tonga. Nihomehy ny reny iray rehefa nahatsiaro ny fahatezeran’ireo zanany efatra mirahavavy, tamin’ny fotoana nisian’ny fanaka sy entana hafa tonga tsy an-kiato tao amin’ny efitrano fandrian’izy ireo mba hanomezana toerana ho an’ny renibeny 80 taona. Na dia izany aza, dia voalamina mazàna ny ankabeazan’ireny zava-manahirana ireny rehefa samy miaiky ny ilana hanaovana fanamboarana ny rehetra ary mitadidy ilay fananaran’ny Baiboly milaza fa ny fitiavana dia “tsy mitady ny tombontsoan’ny tenany manokana”. — 1 Korintiana 13:5, NW.
Famoizana fahafahana
Mety hisy zava-manahirana lehibe iray hitranga ho an’ny vehivavy kristiana iray raha tsy mitovy finoana aminy ny vadiny ary manapa-kevitra ny hamindra toerana ny ankohonany any amin’ny ray aman-dreniny. Ireo zavatra takin’ny fikarakarana ny fianakaviana dia mety ho toa hanao izay tsy hetezan’ny fampifandanjany ny adidiny kristiana amin’ireo andraikiny hafa. Nilaza i Setsuko hoe: “Ny vadiko dia nihevitra fa hampidi-doza ny fandaozana samirery ao an-trano ny reniny somary efa miverin-tsaina, ka tiany ho ao an-trano aho amin’ny fotoana rehetra. Rehefa nanandrana nandeha nivory aho, dia tezitra mafy izy ary nimenomenona. Teo am-boalohany, noho izaho nanana fomba fiaina japoney, dia nahatsapa koa aho fa tsy nety ny famelana azy ho irery. Nefa avy eo, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hitako fa azo nalamina ny toe-draharaha.”
Nanan-java-nanahirana nitovy tamin’izany i Hisako. “Rehefa nifindra nankany amin’ny fianakavian’ny vadiko izahay”, hoy ny fitantarany, “dia naniry ny hiovako fivavahana sy ny hampitsaharako ireo asako ara-pivavahana izy noho ny fahatahorany izay mety hoeritreretin’ireo havana. Vao mainka koa niharatsy ny toe-draharaha fa isaky ny alahady dia tonga nitsidika ireo havana nonina teny akaiky teny, ka nanao izay hampananosarotra ny fandehanako tany amin’ireo fivoriana. Ambonin’izany, dia naniry ny hiara-milalao tamin’ireo zanak’olo-mpiray tam-po aminy ireo ankizy fa tsy hamonjy fivoriana. Afaka nahatsapa aho fa voatohintohina ny fiainanay ara-panahy. Voatery tsy maintsy nandray fepetra hentitra aho ary nanazava tamin’ny vadiko fa tsy zavatra azo solosoloana sahala amin’ny akanjo ny fivavahako fa zava-dehibe amiko. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanao fanitsiana ihany ny fianakaviana.”
Ny sasany nandamina ilay zava-manahirana momba ny fananana fotoana malalaka kokoa tamin’ny fakana mpanampy tapa-potoana mba hanampy indray na indroa andro isan-kerinandro. Ny hafa indray nahita fahafahana sasany hanaovana ireo fivezivezena manokana sy ny asa kristiana tamin’ny fitadiavana fanampiana tamin’ireo zanany, ireo havana eo akaiky, eny, fa na ireo namana ao amin’ny kongregasiona koa aza. Afaka manolotra fanampiana koa ireo raim-pianakaviana amin’ny alina na amin’ireo faran’ny herinandro maha-ao an-trano azy. — Mpitoriteny 4:9.
Fanaovana izay hihetsiketsehany hatrany
Zava-tsarotra hafa iray tsy maintsy atrehina koa ny fanaovana izay hihetsiketsehan’ny be taona hatrany. Misy be taona sasany faly mandray anjara amin’ny fahandroana sakafo sy ireo raharaha hafa ao an-trano. Mahatsapa fa ilaina izy ireny rehefa angatahina hiambina an’ireo ankizy ary mahita fahafaham-po amin’ny fanolokoloana zaridaina kely misy anana, fambolena voninkazo, na fandraisana anjara amin’ny fanarian-dia sasany.
Ny hafa kosa anefa tia ny matory amin’ny ankamaroan’ny fotoana ary miandry hokarakaraina. Nefa ny fanaovana izay hihetsiketsehan’izy ireny araka izay azo atao dia hita fa zava-dehibe ho an’ny fahasalamany sy ny fahelavelony ary ny fahavitrihan’ny sainy. Nahatsapa i Hideko fa na dia eo amin’ny seza mikorisa aza ny reniny, dia ny fitondrana azy any amin’ireo fivoriana indrindra no fandrisihana nilainy. Noraisin’ny rehetra tamim-pitiavana izy ary nampidirina tamin’ireo resadresaka natao. Ny fiheverana naseho taminy dia nitarika azy hanaiky hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny vehivavy be taona iray, rehefa ela ny ela. Ny mpivady iray manana reny voan’ny aretina Alzheimer, dia mitondra azy io miaraka amin’izy ireo any amin’ireo fivoriana kristiana. “Tsy ta hanao na inona na inona izy amin’ny ankapobeny”, hoy ny fanamarihan’izy ireo, “nefa faly izy rehefa any am-pivoriana. Raisina amim-pitiavana izy ka noho izany dia tonga an-tsitrapo. Tsapanay fa tena mitondra soa ho azy izany.”
I Shinetsu, noresahina teo am-piandohan’ny lahatsoratra, dia nandamina ny zava-nanahirana azy tamin’ny fitadiavana efitrano ho an’ny rafozam-baviny tao afovoan’ilay faritra nanompoany tamin’ny naha-minisitra mpitety faritany. Noho izany, dia afaka niara-nipetraka taminy izy mivady teny anelanelan’ireo fitsidihana kongregasiona samy hafa isan-kerinandro. Nilaza toy izao i Kyoko vadiny: “Tsapan’ny reniko fa tapany lehibe iray amin’ny asanay izy ary mahatsapa izy fa ilaina. Finaritra erỳ izy rehefa mangataka azy hahandro sakafo manokana sasany ny vadiko.”
Fiatrehana ny fiverin-tsaina
Rehefa mihantitra ireo ray aman-dreny, dia mety hitranga ny fiverin-tsaina amin’ny ambaratonga isan-karazany, noho izany dia mila fiheverana betsaka kokoa hatrany izy ireo. Manadino andro, fotoana, fizaran-taona, ary fampanantenana, izy. Mety hohadinoiny ny manety ny volony sy ny manasa ny akanjony. Mety hohadinoiny hatramin’ny fomba fiakanjo sy ny fanadiovana ny tenany mihitsy aza. Maro be no manjary voan’ny tamberin-tany raha mbola tsy mahita tory koa ny sasany amin’ny alina. Eo koa ny fironana hamerimberin-teny sy ho tezitra raha sintonina ho amin’izany ny sainy. Manadala azy ireny ny fitadidiany. Mety hanizingizina izy fa nangalarina ny zavany na hoe misy mpangalatra mitady hiditra ao an-trano. Ny fianakaviana iray manana zanaka efatra mirahavavy dia voatery niaritra fiampangana tsy marim-pototra naharitra momba ny fanaovan-dratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy. “Nahasosotra ilay izy”, hoy izy ireo, “nefa nianatra ny niaritra ireo fiampangana fotsiny izahay ary niezaka ny hanova ny foto-dresaka. Ho zava-poana ny hifandirana tamin’i Nenibe.” — Ohabolana 17:27.
Filana ara-pihetseham-po tokony homena fahafaham-po
Ny fandrosoan’ny fahanterana dia mitondra fisedrana ho an’ny be taona. Eo ny aretina mampahory sy ny tsy fahafahana mandehandeha ary ny tebitebin-tsaina tsy maintsy iaretana. Maro be no mihevitra fa tsy misy tanjona na zava-kendrena ny fiainany. Mety hahatsapa ny tenany ho enta-mavesatra izy ireny ary milaza ny faniriany ho faty. Mila ny mahatsapa izy ireny fa tiana sy hajaina ary tsy ailika. (Levitikosy 19:32). Nilaza toy izao i Hisako: “Miezaka mandrakariva ny hampiditra an’i Neny ao amin’ny resaka ataonay izahay rehefa eo izy, ary izy no ataonay foto-dresaka rehefa azo atao izany.” Ny fianakaviana hafa iray dia niezaka ny hanatanjaka ny fatokian-tenan’ny raibeny tamin’ny fangatahana azy io hitarika ny fiaraha-mandinika ny andinin-tenin’ny Baiboly fanao isan’andro.
Tsy maintsy miezaka ny olona iray hitana fiheverana araka ny tokony ho izy ny be taona. Mahatsapa tsy fahafaliana ireo marary am-pandriana rehefa mahita fa resahina amin’ny fomba manambanimbany izy na entina tsy amim-panajana. “Mailo i Neny”, hoy ny nohazavain’i Kimiko, izay niara-nonina tamin’ny rafozam-baviny nalemy, “ary fantany rehefa tsy nazoto nikarakara azy na nanambany azy aho.” Tsy maintsy niezaka koa i Hideko teo amin’ny fihetsiny. “Kivy aho teo am-boalohany rehefa voatery nikarakara ny rafozam-baviko. Mpisava lalana [minisitra manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah] aho tamin’izany ary tsy naharaka ny fanompoana. Avy eo aho dia nahita fa nila ny nanitsy ny fiheverako. Na dia zava-dehibe aza ny fanompoana isan-trano, dia tapany lehibe amin’ny fitandremana ireo didin’Andriamanitra koa izany fikarakarana izany. (1 Timoty 5:8). Tsapako fa nila ny namboly fitiavana sy fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa misimisy kokoa aho raha mitady fifaliana. Nanelingelina ahy ny feon’ny fieritreretako rehefa nanao zavatra tamim-pahazarana, natosiky ny fahatsapana adidy fotsiny aho. Rehefa niharan-doza aho ka nahatsapa fanaintainana, dia nieritreritra ny rafozam-baviko sy ny fanaintainany. Taorian’izay, dia mora kokoa ho ahy ny naneho fitiavana sy fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa misimisy kokoa.”
Mila fikarakarana koa ireo mpikarakara
Tsy azo odian-tsy hita ny ilana fanehoana fankasitrahana an’ilay olona ianjeran’ny enta-mavesatra indrindra raha ny amin’ny fikarakarana ny be taona. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 31:28.) Ny ankamaroan’ny vehivavy dia manohy miantsoroka ireo adidiny na mahazo fanehoam-pankasitrahana izy na tsia. Rehefa heverintsika anefa izay tafiditra amin’ny asan’izy ireny, dia tsy misy isalasalana fa mety ny fanehoam-pankasitrahana toy izany. Azo antoka fa hanana fanadiovana sy fanasan-damba ary fahandroana fanampiny hatao izy ireny. Hevero koa ny fivezivezena mankany amin’ny hopitaly na dokotera, ary koa ny famahanana na ny fanadiovana marary iray be taona. Nilaza toy izao ny vehivavy iray nikarakara naharitra ny rafozam-baviny: “Fantatro fa sarotra ho an’ny vadiko ny hilaza izany amin’ny teny, nefa asehony amiko amin’ny fomba hafa fa mankasitraka izay ataoko izy.” Ny teny fisaorana tsotra fotsiny dia mahatonga izany rehetra izany ho toa mendrika ny fiezahana. — Ohabolana 25:11.
Misy valisoa koa
Fianakaviana maro be nikarakara ray aman-dreny be taona nandritra ny taona maro no milaza fa izany dia nanampy azy ireo hamboly toetra tsara kristiana tena lehibe: fiaretana, fandavan-tena, fitiavana tsy misy fitiavan-tena, faharisihana, fanetren-tena, ary fahalemem-panahy. Fianakaviana maro be no nifanakaiky kokoa ara-piraiketam-po. Soa iray fanampiny ny fahafahana hifampiresaka misimisy kokoa amin’ireo ray aman-dreny ka hahafantatra azy ireo tsara kokoa. Nilaza toy izao momba ny rafozam-baviny i Hisako: “Nanana fiainana nahaliana izy, ary nandalo fahasahiranana maro be. Nanjary nahafantatra azy tsara kokoa aho ary nianatra ny nankasitraka ireo toetra tsara tao aminy izay tsy fantatro teo aloha.”
“Nisy fotoana, talohan’ny nianarako ny Baiboly, naniriako ny hisara-panambadiana ka handositra ilay toe-javatra”, hoy ny nohazavain’i Kimiko, izay nikarakara ny ray aman-drenin’ny vadiny sy ny renibeny tsy afa-niala am-pandriana. “Tamin’izay aho dia namaky fa tokony ‘hamangy (...) ny mpitondratena amin’ny fahoriany’ isika. (Jakoba 1:27). Faly aho fa nanao izay tsara indrindra azoko natao, satria ankehitriny dia tsy misy anisan’ny fianakaviana afaka ny hitaraina ara-drariny mikasika ireo zavatra inoako. Madio ny fieritreretako.” Nilaza toy izao ny iray hafa: “Nanatri-maso ireo vokatra mahatsiravina nateraky ny fahotan’i Adama aho ary ankehitriny dia miaiky misimisy kokoa ny ilana ny avotra.”
Moa ve ianao handray tsy ho ela mpikambana hafa iray ao amin’ny fianakavianao ho ao an-tokantranonao? Sa mety hifindra any amin’ireo ray aman-dreninao be taona ianao? Mahatsapa fanahiana sasany ve ianao? Mora takatra izany. Hisy fanitsiana tokony hatao, nefa hahita ny tenanao hovalian-tsoa tondraka ianao eo am-piatrehana ilay zava-tsarotra amim-pahombiazana.
[Sary, pejy 24]
Ny be taona dia mila ny mahatsapa fa tiana sy hajaina izy