Handray soa avy amin’ireo faneken’Andriamanitra ve ianao?
“ ‘Aminao no hitahiana ny firenena rehetra’; ka dia izay amin’ny finoana notahina mbamin’i Abrahama mpino.” — GALATIANA 3:8, 9.
1. Inona no asehon’ny Tantara raha ny amin’ny vokatra azon’ny karazam-panapahana maro?
NY MPANJAKA eoropeana sasany tamin’ny taonjato faha-18 dia noresahina ho “mpanao fitondrana jadona voazava”. ‘Nanana faniriana mendrika hoderaina ny hitondra ny vahoakany tamin-katsaram-pon-dray tokoa izy ireo, nefa tsy nahitana fahombiazana mihitsy ny volavolan-keviny sy ny fanavaozana nataonya’. (Ny Firaketana amerikana.) Ny tsy fahombiazan’izy ireo no anankiray tamin’ireo antony lehibe indrindra niteraka fihetsiketsehana hanao tolom-piavotana tsy ela dia nanafotra an’i Eoropa.
2, 3. Inona moa no tsy itovian’i Jehovah amin’ireo mpanjaka olombelona?
2 Tsy mitovy velively amin’ireo mpitondra olombelona mivadibadika Jehovah. Miharihary tokoa fa ny olombelona dia mila mafy fiovana izay ho afaka hitondra fanafodiny mandaitra ho an’ny tsy rariny sy ny fahoriana amin’ny farany. Tsy misy tokony hatahorana anefa hoe ireny fandaharam-panasitranana ireny dia hotapahin’ny haitraitran’Andriamanitra. Ao amin’ilay boky fatra-piely indrindra, dia nataon’Andriamanitra mafy tokoa ny fampanantenana nomeny, dia ny hitahy mandrakizay ireo izay maneho finoana, tsy miankina amin’ny fireneny, ny firazanany, ny fahaizany na ny laharany ara-tsosialy (Galatiana 3:28). Azo inoana anefa ve izany fampanantenana izany?
3 Taorian’ny nanononany tapany amin’ny fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama manao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho”, dia nanampy teny ny apostoly Paoly fa satria ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’, dia ‘mahazo famporisihana mafy isika hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika’. (Hebreo 6:13-18.) Hampitombo ny fitokiantsika ireny fitahiana ireny isika amin’ny fandinihana hoe tamin’ny fomba voalamina tsara ahoana no nandatsahan’Andriamanitra ireo fototra ho amin’ny fahatanterahan’izany fanantenana izany.
4. Ahoana no nampiasan’Andriamanitra fanekena samihafa mba hanatanterahana ny fikasany?
4 Araka ny efa hitantsika, Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’i Abrahama, nilazany fa hisy taranaka tokony handray anjara lehibe eo amin’ny fitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:17, 18.) Nahaforona taranaka araka ny nofo ny Isiraelita, kanefa amin’ny heviny ara-panahy, izay lehibe lavitra, Jesosy Kristy dia niharihary ho ny lehibe indrindra anisan’ny taranak’i Abrahama. Zanaka, na Taranak’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah, koa Jesosy. Fa raha ny amin’ireo kristiana “an’i Kristy”, izy ireo dia mahaforona ny tapany manarakaraka amin’ny taranak’i Abrahama (Galatiana 3:16, 29). Rehefa avy nanao fanekena tamin’i Abrahama Andriamanitra, dia nanampy vonjimaika ny faneken’ny Lalàna nifanaovana tamin’ny firenen’Isiraely. Io fanekena farany io dia nitondra porofo fa ny Isiraelita dia mpanota nila mpisorona maharitra sy sorona tanteraka. Niaro ny fiavian’ilay Taranaka izany ary nanamora ny famantarana azy. Nasehon’ny faneken’ny Lalàna koa fa, amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, dia hampipoitra firenena mpanjaka sady mpisorona Andriamanitra. Raha mbola nanan-kery ihany ny Lalàna, dia nanao fanekena tamin’i Davida Andriamanitra mba hampipoitra tarana-mpanjaka teo amin’ny Isiraely. Ny fanekena natao tamin’i Davida ny amin’ny Fanjakana dia nanambara koa izay hampihatra fanapahana maharitra eto an-tany.
5. Fanontaniana inona avy no mbola tsy voavaly?
5 Na dia tao aza izany rehetra izany, dia toa tsy feno na maizimaizina ny sasany tamin’ny lafiny na ny zava-kendren’ireny fanekena ireny. Ohatra, raha tokony ho mpanjaka iray fiaviana amin’i Davida ilay Taranaka ho avy, ahoana no mety hahatonga an’io mpanjaka io ho mpisorona maharitra sy ambony noho ireo mpisorona ho teo alohany (Hebreo 5:1; 7:13, 14)? Moa ve ny Fanjakany ho afaka hitatra hihoatra ny faritany eto an-tany fotsiny? Ahoana no hahafenoan’ireo anisan’ny tapany manarakaraka amin’ilay taranaka ireo fepetra takina mba ho anisan’ny fianakavian’ilay Abrahama Lehibe? Ary na dia afaka nanao izany aza izy, aiza no faritany hanjakany, satria tsy taranak’i Davida ny ankamaroany? Aoka hojerentsika ny fomba nanaovan’Andriamanitra fandaharana ara-dalàna tamin’ny endriky ny fanekena amboniny mba hanapahana ireo fanontaniana ireo noho ny fikendrena ny hahasambatra antsika mandrakizay.
Fanekena ny amin’ny mpisorona any an-danitra
6, 7. a) Araka ny Salamo 110:4, fanekena hafa inona moa no nataon’Andriamanitra? b) Filazana ara-tantara inona no manampy antsika hahazo ny hevitr’io fanekena fanampiny io?
6 Araka ny efa hitantsika, tao anatin’ny faritry ny faneken’ny Lalàna, dia nanao fanekena tamin’i Davida Andriamanitra tamin’ny fampanantenana ny hanome azy teraka (na taranaka) izay hanjaka mandrakizay eo amin’ny faritra eto an-tany. Nahariharin’i Jehovah tamin’i Davida koa anefa ny fahatongavan’ny mpisorona maharitra iray. Izao no nosoratan’i Davida: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka.” (Salamo 110:4). Nahafaoka inona moa io fianianan’Andriamanitra io izay tsy inona fa fanekena manokana tamin’i Jehovah sy ilay Mpisorona ho avy?
7 Melkizedeka dia mpanjaka tao amin’ilay Salema fahiny izay toa teo amin’ny toerana nanorenana tatỳ aoriana ny tanànan’i Jerosalema (anarana ahitana ny teny hoe “Salema”). Asehon’ny fitantarana ny nihaonany tamin’i Abrahama fa mpanjaka izy io ary nivavaka tamin’ilay “Andriamanitra Avo Indrindra”. (Genesisy 14:17-20.) Ny fanambaran’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Salamo 110:4 anefa dia mampiseho fa mpisorona koa i Melkizedeka, ka nahatonga azy ho olona tsy nanam-paharoa izany. Mpanjaka sady mpisorona izy teo amin’ny toerana mihitsy hanaovan’ny mpanjaka iray fiaviana amin’i Davida sy ny mpisorona avy amin’ny fokon’i Levy ny raharaha nanendren’Andriamanitra azy ireo tatỳ aoriana.
8. Tamin’iza moa no nanaovana ilay fanekena milaza mialoha ny hisehoan’ny mpisorona iray sahala amin’i Melkizedeka, ary inona no vokany?
8 Manome antsika andinindininy hafa ny amin’io fanekena mahatsinjo ny hisehoan’ny mpisorona iray sahala amin’i Melkizedeka io i Paoly. Hazavainy indrindra fa ilay “notononin’Andriamanitra hoe Mpisoronabe ‘araka ny fanaon’i Melkizedeka’ ”, dia tsy iza fa Jesosy Kristy (Hebreo 5:4-10; 6:20; 7:17, 21, 22). Melkizedeka izay tsy maintsy ho naterak’olombelona, dia tsy fanta-piaviana. Toy izany koa, tsy nandova raharahan’ny mpisorona noho ny fihavanana tamin’i Melkizedeka voaporofon’ny tahirin-kevitra i Jesosy fa notendren’Andriamanitra nivantana ho toy izany. Tsy hafindra amin’ny mpandimby ny fisoronan’i Jesosy, satria “izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva [mandrakizay, MN ]” ka mandrakizay ny soa avy amin’ny asam-pisoronany. Afaka mifaly isika manana mpisorona “mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany”, dia mpisorona afaka hampianatra sy hitondra mandrakizay ny olona mahatoky. — Hebreo 7:1-3, 15-17, 23-25.
9, 10. Ahoana no amelan’io fanekena fahadimy io antsika hahatakatra tsara kokoa ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra?
9 Ny zava-dehibe hafa koa dia ny hoe tsy voafetra ho amin’ny faritra eto an-tany ireo raharahan’ny Mpanjaka sady Mpisorona ataon’i Jesosy. Ao amin’ny salamo iresahany ny amin’io fanekena momba ny mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka io, dia izao koa no nosoratan’i Davida: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” Araka izany, Jesosy, Tompon’i Davida, dia tokony handray toerana any an-danitra eo anilan’i Jehovah. Izany no nitranga rehefa niakatra ho any an-danitra izy. Avy any an-danitra Kristy dia afaka mampihatra fahefana miaraka amin’ny Rainy mba hampanekena ireo fahavalony sy hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. — Salamo 110:1, 2; Asa. 2:33-36; Hebreo 1:3; 8:1; 12:2.
10 Noho izany, io fanekena fahadimy io dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra kokoa hoe amin’ny fomba voalamina tsara ahoana no hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany. Porofoiny fa ho mpisorona any an-danitra koa ny anisan’ny taranaka lehibe indrindra ary hampihatra ny fahefany amin’ny maha-Mpanjaka sady Mpisorona eo amin’izao rehetra izao manontolo izy io. — 1 Petera 3:22.
Ny fanekena vaovao sy ny tapany faharoa amin’ilay taranaka
11. Inona moa no nanahirana raha ny amin’ny tapany faharoa amin’ny taranaka?
11 Nampahafantatra antsika ny fanekena natao tamin’i Abrahama fa Jesosy dia tonga ny lehibe indrindra anisan’ny taranaka noho ny zo araka ny natiora. Taranak’i Abrahama patriarka nivantana izy, ary nekena ho Zanak’ilay Abrahama Lehibe tamin’ny naha-olombelona tanteraka. Inona anefa no holazaina ny amin’ny olombelona izay manana tombontsoa ho tonga anisan’ny tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama, ho “mpandova araka ny teny fikasana”? (Galatiana 3:29.) Noho izy ireo tsy tanteraka sy taranak’i Adama mpanota, dia tsy ho mendrika ny ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah, ilay Abrahama Lehibe, izy ireo. Ahoana no hahafahany handresy ny tsy fahatanterahana izay vato misakana? Izay tsy vitan’ny olombelona dia tsy toy izany akory tamin’Andriamanitra. — Matio 19:25, 26.
12, 13. a) Ahoana moa no teny nanambaran’i Jehovah fanekena hafa iray? b) Inona no zavatra mampiavaka an’io fanekena io mendrika ny hoheverina?
12 Fony mbola nanan-kery ny Lalàna, dia nampanoratra izao faminaniana izao Andriamanitra: “Indro, avy ny andro (...) izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany (...) fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko (...): dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ary samy tsy hampianatra (...) intsony izy hoe: Mahalalà an’i Jehovah; fa samy hahalala Ahy Avokoa izy rehetra (...); fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” — Jeremia 31:31-34.
13 Nanana ny toetra nampiavaka azy io fanekena vaovao io: nahatonga ho afaka hamela ny fahotana izany, nefa niharihary fa ‘tsy tahaka’ ny nataon’ny sorona biby voalazan’ny Lalàna. Nanazava io hevitra io i Jesosy tamin’ny andro nahafatesany. Rehefa avy nankalaza niaraka tamin’ireo mpianany ny Paska nandidian’ny Lalàna Kristy dia nanorina ny Sakafon’ny Tompo. Ireo mpandray anjara amin’io fankalazana isan-taona io dia hisotra amin’ny kapoaka iray ihany izay noresahin’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” — Lioka 22:14-20.
14. Nahoana moa ny fanekena vaovao no mandray anjara lehibe amin’ny fisehoan’ny tapany faharoa amin’ilay taranaka?
14 Araka izany, dia hanjary hanan-kery ny fanekena vaovao noho ny ran’i Jesosy. Noho io sorona tanteraka io, dia ‘hamela ny fahadisoana sy ny fahotana’ indray mandeha Andriamanitra. Eritrereto ny ho dikan’izany! Noho Andriamanitra afaka mamela tanteraka ny fahotan’ny olona manam-pinoana anisan’ny fianakavian’i Adama, dia afaka nihevitra azy ireny ho tsy manana ota Andriamanitra, ka hiteraka azy ireny ho zanaka ara-panahin’ilay Abrahama Lehibe, avy eo dia hanosotra azy amin’ny fanahy masina (Romana 8:14-17). Ny fanekena vaovao natao ara-dalàna noho ny soron’i Jesosy àry dia nahatonga ireo mpianany ho afaka ny ho tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama. Izao no nosoratan’i Paoly: “Mba handringanany [Jesosy] amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany [tiany ny hanafaka] izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny.” — Hebreo 2:14-16; 9:14.
15. Iza avy moa no tafiditra ao amin’ny fanekena vaovao?
15 Sady Mpanalalana tamin’ny fanekena vaovao i Jesosy no sorona nahatonga izany ho ara-dalàna; nefa iza no tafiditra tamin’izany? Nambaran’i Jeremia fa hanao io fanekena io amin’ny “taranak’Isiraely” Andriamanitra. Tsy niresaka ny amin’ny Isiraely araka ny nofo, voafora teo ambanin’ny Lalàna izy, satria ny fanekena vaovao nahatonga an’io fanekena taloha io ho lany andro (Hebreo 8:7, 13; jereo pejy faha-31). Izao Andriamanitra dia hifampiraharaha amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa izay, tamin’ny finoana, dia nandray ara-panoharana ny ‘famorana ny fo tamin’ny alalan’ny fanahy’. Izany dia mifanaraka amin’ny fanambaran’Andriamanitra hoe ‘ny lalàny dia hosoratana ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo’ izay hampidirina ao amin’ny fanekena vaovao (Romana 2:28, 29; Hebreo 8:10). Nantsoin’i Paoly hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ireny Jiosy ara-panahy ireny. — Galatiana 6:16; Jakoba 1:1.
16. Ahoana no andraisan’ny fanekena vaovao anjara amin’ny fahatanterahan’izay voambara ao amin’ny Eksodosy 19:6?
16 Koa satria tamin’ny Isiraely ara-panahy izao no nifampiraharahan’Andriamanitra, dia nisy fahafahana natolotra ny olombelona hatreo. Rehefa namoaka ny Lalàna tokoa Andriamanitra, dia nambarany fa ho tonga ‘fanjakà-mpisorona sy firenena masina’ ho azy ny zanak’Isiraely. (Eksodosy 19:6.) Ny Isiraely araka ny nofo anefa dia tsy tonga mihitsy ary tsy ho tonga na oviana na oviana firenena iray izay mpanjaka sady mpisorona daholo ny ao anatiny. Ny Jiosy sy ny Jentilisa voaray tao anatin’ny tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama kosa dia afaka ny ho tonga mpanjaka sady mpisoronab. Nanamafy taminy izany ny apostoly Petera tamin’ny filazana hoe: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala amin’ny maizina.” Voasoratra koa fa misy ‘lova tsy mety simba, voatahiry any an-danitra ho azy ireo’. — 1 Petera 1:4; 2:9, 10.
17. Nahoana moa ny fanekena vaovao no “tsara lavitra” noho ny faneken’ny Lalàna?
17 Noho izany, ny fanekena vaovao sy ny fanekena natao tamin’i Abrahama, tranainy kokoa, dia samy natao hamoahana ny tapany faharoa amin’ny taranaka. Io fanekena vaovao natao teo amin’i Jehovah sy ireo kristiana nateraky ny fanahy io dia mahatonga hety hisy ny fiforonan’ny firenena iray any an-danitra misy mpanjaka sady mpisorona ao amin’ny fianakavian’ilay Abrahama Lehibe manana fiandrianana. Takatsika àry ny antony nilazan’i Paoly fa izany dia “fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra”. (Hebreo 8:6.) Ireny fampanantenana ireny dia nanambara, ankoatra ny zavatra hafa, fa ireo olona manam-pinoana dia hanandrana fahasambarana hanana ny lalàn’Andriamanitra voasoratra ao am-pony ka tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony ny fahotany ary ny rehetra dia ‘hahalala an’i Jehovah, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra’. —Hebreo 8:11.
Ny fanekena nataon’i Jesosy ny amin’ny Fanjakana iray
18. Amin’ny heviny ahoana moa ireo fanekena nodinihintsika hatreo no tsy nahatanteraka tamin’ny fomba feno ny fikasan’Andriamanitra?
18 Rehefa misaintsaina ny amin’ireo fanekena enina vao avy noresahintsika, dia mety hieritreritra ny tena fa mahalala ny fandaharana ara-dalàna rehetra nataon’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany. Ny Baiboly anefa dia mampahafantatra antsika fanekena hafa iray mifamatotra amin’ireo teo aloha, dia fanekena manazava lafiny hafa amin’io raharaha tena lehibe io. Ireo kristiana ateraky ny fanahy dia manantena ara-drariny ny ‘hanafahan’ny Tompo azy ireo amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjeny azy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra’. (2 Timoty 4:18.) Any an-danitra izy ireo dia voantso hahaforona firene-mpanjaka sady mpisorona, fa faritany inona no hotapahiny. Rehefa akarina ho any an-danitra izy ireo, dia efa manao ny asan’ny mpisoronabe tanteraka any Kristy. Ho efa nitsangana koa izy, manana fahefan’ny mpanjaka, mba hanapaka eo amin’izao rehetra izao manontolo (Salamo 2:6-9; Apokalypsy 11:15). Inona àry no ho anjara asan’ireo mpanjaka sady mpisorona hafa?
19. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa ny fanekena fahafito lehibe no natao?
19 Tamin’ny 14 Nisana taona 33, tamin’ny hariva nanorenany ny Sakafon’ny Tompo ka niresahany ny amin’ny ‘fanekena vaovao amin’ny rany’, dia nasehon’i Jesosy ny fanekena hafa iray, ny fahafito hodinihintsika. Izao no nolazainy tamin’ireo apostoliny nahatoky: “Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Lioka 22:20, 28-30). Toy ny nanaovan’ny Ray fanekena tamin’i Jesosy mba hahatongavany ho mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka, dia toy izany koa fa nanisy tombo-kase fanekena manokana tamin’ireo mpianany nahatoky Kristy.
20. Tamin’iza moa no nanaovana ny fanekena ny amin’ny Fanjakana, ary nahoana (Daniela 7:18; 2 Timoty 2:11-13)?
20 Tsy azo lavina fa tsy nivadika hatrany tamin’i Jesosy tao anatin’ny fitsapana azy ireo apostoly 11, ary nahariharin’io fanekena io fa hipetraka eo ambony seza fiandrianana izy ireo. Afa-tsy izany koa, dia porofoin’ny Apokalypsy 3:21 fa ny kristiana rehetra nateraky ny fanahy izay miseho ho tsy mivadika dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana. Araka izany, io fanekena io dia mahakasika ny fitambaran’ny 144 000 izay navotana tamin’ny ran’i Jesosy mba hoentina any an-danitra, hanatanteraka any ny raharahan’ny mpisorona sy ‘mba hanjaka ambonin’ny tany’. (Apokalypsy 1:4-6; 5:9, 10; 20:6.) Amin’ny alalan’io fanekena io no ampiarahan’i Jesosy azy ireo aminy amin’ny fampiharana ny fanapahany. Toy ny hoe manambady mpanjaka iray mbola manao ny raharahany ny andriambavy iray. Amin’izay ravehivavy dia ho afaka hiara-hanjaka aminy. — Jaona 3:29; 2 Korintiana 11:2; Apokalypsy 19:7, 8.
21, 22. Fitahiana inona avy no azontsika antenaina fa horaisina noho ireo fanekena ireo?
21 Soa inona no hoentin’io fanekena io ho an’ny olombelona mankatò? Na Jesosy na ny 144 000 dia tsy ho tahaka an’ireo mpanao fitondrana jadona voazava izay ‘tsy nahay nitondra fanafodiny mateza’. Manana antoka kosa isika fa Jesosy dia mpisoronabe “Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota”. Takatsika àry ny hoe nahoana izy no “mahay miara-mitondra” ny fahalemen’ny olombelona ary nahoana ny “ondry hafa” no afaka, sahala amin’ny kristiana voahosotra, manatona “amin’ny fahasahiana [fahatsorana, MN ] ny seza fiandrianan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy. Izy ireo koa àry dia mety ‘hahazo famindrampo sy hahita fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory’. — Hebreo 4:14-16; Jaona 10:16.
22 Mandray anjara amin’ny fitahiana ny olombelona koa ireo izay nanaovan’i Jesosy fanekena mba ho tonga mpanjaka sady mpisorona eo anilany. Sahala amin’ny niasan’ireo mpisorona tao amin’ny fokon’i Levy fahizay ho an’ny firenen’Isiraely manontolo, dia toy izany koa fa ireo izay hiara-hipetraka amin’i Jesosy amin’ny seza fiandrianana any an-danitra dia hitsara ny mponina rehetra amin’ny tany araka ny rariny (Lioka 22:30). Koa satria efa olombelona ireny mpanjaka sady mpisorona ireny dia hihevitra izay ilain’ny olombelona. Io tapany faharoa amin’ny taranaka io dia hiara-hiasa amin’i Jesosy mba hanao izay ‘hitahiana ny firenena rehetra’. — Galatiana 3:8.
23. Manana adidy hanao inona moa ny tsirairay mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’ireo fanekena ireo?
23 Ny olona rehetra maniry ny hahazo ireny fitahiana voatokana ho an’ny taranak’olombelona ireny ka handray amin’izany, soa avy amin’ireo faneken’Andriamanitra, dia asaina hanao izany ankehitriny (Apokalypsy 22:17). Ny fomba tsara indrindra hanehoana izany faniriana izany dia ny fanatrehana ny Sakafon’ny Tompo izay hankalazaina aorian’ny filentehan’ny masoandro isan-taona. Miomàna dieny izao hivory miaraka amin’ny anankiray amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izany takariva izany. Hahafantatra zavatra misimisy kokoa ianao amin’izany momba ireo faneken’Andriamanitra ka hahatakatra tsara kokoa ny fomba azonao andraisan-tsoa avy amin’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Na dia ireo fanavaozana natao tamim-pahasahiana indrindra aza dia namela ny tantsaha mbola hahantra ihany, ny andriana hanana ny toerany ambony sy ny tombontsoany eo amin’ny fandoavan-ketra ihany, ny olona antonontonony hihataka amin’ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka (...) Teo anoloan’ny raharaha nanjary nampitaraina toy izany, ny fitondrana jadona voazava dia tsy afaka nitondra fanafodiny mateza nifanaraka tamin’ny zavatra tena nisy ara-politika sy ara-toe-karena tamin’izany fotoana izany.” — Ny haifomba tandrefana — Ny nahaterahany sy ny fiafarany: ny lova ankehitriny (anglisy).
b Tsy anankiray tamin’ireo tafiditra tao amin’ny fanekena vaovao akory Jesosy. Mpanalalana tamin’izany izy, ary tsy nanana ota nilana famelana izy. Afa-tsy izany koa, dia tsy nila ny ho tonga mpanjaka sady mpisorona noho io fanekena io izy, satria mpanjaka noho ny fanekena natao tamin’i Davida ary mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka koa.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa ny fanekena resahina ao amin’ny Salamo 110:4 no natao, ary nanatanteraka inona izany?
◻ Iza moa ireo andaniny tafiditra amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ahoana izany no nandray anjara tamin’ny famokarana firene-mpanjaka sy mpisorona?
◻ Nahoana moa Jesosy no nanao fanekena manokana tamin’ny mpianany?
◻ Inona moa ireo fanekena fito nodinihintsika?
[Kisary, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
Fanekena tany Edena Genesisy 3:15
Fanekena tamin’i Abrahama
Faneken’ny Lalàna
Fanekena ny amin’ny Fanjakana tamin’i Davida
Fanekena mba ho mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka
Taranaka lehibe indrindra
Taranaka manarakaraka
Soa mandrakizay
[Kisary, pejy 19]
(Jereo ny gazety)
Fanekena tany Edena Genesisy 3:15
Fanekena tamin’i Abrahama
Faneken’ny Lalàna
Fanekena vaovao
Fanekena ny amin’ny Fanjakana tamin’i Davida
Fanekena mba ho mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka
Taranaka lehibe indrindra
Fanekena ny amin’ny Fanjakana any an-danitra
Taranaka manarakaraka
Soa mandrakizay