Jehovah, Ilay “Mpitsara ny Tany Rehetra” Tsy Mizaha Tavan’olona
“Ny Ray (...) [dia] mitsara tsy misy fizahan-tavan’olona araka ny asan’ny tsirairay” — 1 PETERA 1:17, NW.
1, 2. a) Nahoana isika no tokony sady hatahotra no hahazo fiononana avy amin’ilay hevitra hoe i Jehovah no ilay Mpitsara lehibe? b) Eo amin’ilay raharaha ara-pitsarana ifanatrehan’i Jehovah sy ireo firenena, inona no anjara asan’ireo mpanompony eto an-tany?
JEHOVAH no ilay “Mpitsara ny tany rehetra” lehibe. (Genesisy 18:25). Amin’ny maha-Andriamanitra Tampony ho an’izao rehetra izao azy, dia manana ny zo feno hitsara ny zavaboariny izy. Hevitra sady mahatahotra no mampionona izany. Nanambara tamin’ny fomba nampihetsi-po io toa fifanoheran-javatra io i Mosesy rehefa niteny hoe: “Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly; manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.” — Deoteronomia 10:17, 18.
2 Fifandanjana manaitra re izany! Andriamanitra iray lehibe, mahery sy mahatahotra, kanefa tsy mizaha tavan’olona sy miaro amim-pitiavana ny tombontsoan’ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny. Iza no afaka haniry mpitsara be fitiavana kokoa noho i Jehovah? Rehefa nilazalaza ny tenany ho manana raharaha ara-pitsarana amin’ireo firenena eo amin’izao tontolo izaon’i Satana i Jehovah, dia mangataka ny mpanompony eto an-tany mba ho vavolombelony. (Isaia 34:8; 43:9-12). Tsy miankina amin’ny fanambaran’izy ireo Izy mba hanaporofoana ny maha-Andriamanitra azy sy ny fiandrianany ara-dalàna. Nomeny tombontsoa miavaka kosa anefa ny vavolombelony, dia ny hanamarina eo anatrehan’ny taranak’olombelona rehetra fa miaiky ny fahamboniany izy ireo. Manaiky ny fiandrianany marina ireo vavolombelony, ary amin’ny fanompoana ampahibemaso ataon’ireo, dia manosika ny hafa hipetraka eo ambanin’ny fahefan’ilay Mpitsara Tampony izy ireo.
Fomba fitsaran’i Jehovah
3. Ahoana no azo amintinana ny fomba fitsaran’i Jehovah, ary ahoana no nanazavana izany tamin’izay nanjo an’i Adama sy i Eva?
3 Nandritra ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no nitsara mpandika lalàna sasany. Ireo ohatra ny amin’ny fomba nikarakarany raharaha ara-pitsarana dia mametraka môdely ho an’ireo mpanompony atỳ aoriana izay ho tompon’andraikitra amin’ny fitarihana fanaovan-draharaha ara-pitsarana eo amin’ny olony. (Salamo 77:11, 12). Azo fintinina toy izao ny fomba fitsarany: hentitra rehefa ilaina izany, mamindra fo rehefa azo atao izany. Raha ny amin’i Adama sy i Eva, izay zavaboary olombelona tanteraka nikomy an-tsitrapo, izy ireo dia tsy mendrika famindram-po. Noho izany, dia nanameloka azy ireo ho faty i Jehovah. Niasa tamin’ny taranak’izy ireo anefa ny famindram-pony. Nampihemotra ny fampiharana ilay fanamelohana ho faty i Jehovah, ka tamin’izany dia namela an’i Adama sy i Eva hanan-janaka. Tamim-pitiavana dia nomeny fanantenana ny hafahana amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ny taranak’izy ireo. — Genesisy 3:15; Romana 8:20, 21.
4. Ahoana no nifampiraharahan’i Jehovah tamin’i Kaina, ary nahoana io toe-javatra io no mahaliana amin’ny fomba manokana?
4 Ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’i Kaina dia mahaliana amin’ny fomba manokana satria izy io no toe-javatra voarakitra an-tsoratra voalohany nahatafiditra ny iray tamin’ireo taranak’i Adama sy i Eva tsy lavorary, “namidy ho andevon’ny ota”. (Romana 7:14). Nasian’i Jehovah fiheverana ve izany ka tsy nitovy ny fomba nifampiraharahany tamin’i Kaina sy ny tamin’ny ray aman-dreniny? Ary moa ve io toe-javatra io afaka manome fianarana ho an’ireo mpiandraikitra kristiana amin’izao andro izao? Aoka hojerentsika izany. Rehefa nahatsikaritra fihetsika ratsy tao amin’i Kaina i Jehovah, fony tsy nekena tamim-pankasitrahana ny fanatitra nataon’izy io, dia nampitandrina azy tamim-pitiavana ny amin’ny loza nanambana azy Izy. Milaza toy izao ny ohabolana tranainy iray: ‘Aleo miaro toy izay mitsabo.’ Nanao izay farany azony natao i Jehovah tamin’ny fampitandremana an’i Kaina ny amin’ny famelana ny fironany hanota hanapaka azy. Niezaka nanampy azy mba ho “tsara toetra” Izy. (Genesisy 4:5-7). Io no fotoana voalohany nitakin’Andriamanitra ny hibebahan’ny olombelona mpanota iray. Taorian’ny nampisehoan’i Kaina fihetsika tsy nibebaka sy nanaovany ilay ota lehibe, dia nomelohin’i Jehovah hatao sesitany izy, nefa nohalefahiny izany tamin’ny didy iray nandrara ny olombelona hafa tsy hamono azy. — Genesisy 4:8-15.
5, 6. a) Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’ilay taranaka talohan’ny Safodrano? b) Inona no nataon’i Jehovah talohan’ny nampiharany ny didim-pitsarana tamin’ny mponin’i Sodoma sy i Gomora?
5 Talohan’ny Safodrano, rehefa ‘hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, dia nalahelo ny fony’. (Genesisy 6:5, 6). “Nanenina” Izy, tamin’ny heviny hoe nalahelo Izy satria nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidy malalaka nananany ilay taranaka talohan’ny Safodrano ary tsy maintsy hampihatra didim-pitsarana aminy Izy. Kanefa dia nanome azy ireo fampitandremana sahaza Izy tamin’ny fampiasana an’i Noa ho “mpitory ny fahamarinana” nandritra ny taona maro. Taorian’izany i Jehovah dia tsy nanana intsony antony ‘hitanan-tena tsy hanasazy izany tontolon’olona tsy tia an’Andriamanitra izany’. — 2 Petera 2:5, NW.
6 Voatery nikarakara raharaha ara-pitsarana toy izany koa i Jehovah tamin’ny mponina simba ara-pitondrantena tao Sodoma sy Gomora. Mariho anefa ny fomba nanaovany zavatra. Nandre ‘fitarainana’ momba ny fitondrantena nahatafintohina nananan’ireo olona ireo Izy, na dia tamin’ny vavaka nataon’i Lota marina fotsiny aza. (Genesisy 18:20; 2 Petera 2:7, 8). Talohan’ny nanaovan-javatra anefa, dia ‘nidina’ Izy mba hanamarina ny zava-nisy tamin’ny alalan’ny anjeliny. (Genesisy 18:21, 22; 19:1). Naka fotoana koa Izy mba hanomezana toky an’i Abrahama fa tsy hanao zavatra tsy ara-drariny Izy. — Genesisy 18:23-32.
7. Lesona inona no azon’ireo loholona manompo ao amin’ny komity mpitsara ianarana avy amin’ireo ohatra ny amin’ny fomba fitsaran’i Jehovah?
7 Inona no azon’ireo loholona amin’izao andro izao ianarana avy amin’ireo ohatra ireo? Raha ny amin’i Adama sy i Eva, i Jehovah dia naneho fitiavana sy fiheverana an’ireo izay tsy mendrika ny hotsinina tao amin’ilay raharaha, na dia fianakavian’ireo olo-meloka aza. Naneho famindram-po tamin’ny taranak’i Adama sy i Eva Izy. Raha ny amin’i Kaina indray, dia efa hitan’i Jehovah mialoha ilay loza nanambana an’i Kaina, ary nampisaintsaina azy tamin-katsaram-panahy Izy, ka nanandrana nisakana azy tsy hanota. Na dia taorian’ny fanaovana azy sesitany aza, dia naneho fiheverana an’i Kaina i Jehovah. Ankoatra izany, dia tsy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ilay taranaka talohan’ny Safodrano i Jehovah raha tsy avy naneho fiaretana feno faharetana be taminy. Teo anatrehan’ny fikirizana hanao ratsy, dia ‘nalahelo ny fon’i Jehovah’. Nalahelo Izy satria nikomy tamin’ny fanapahany marina ny olona ka voatery nanameloka azy ireo Izy. (Genesisy 6:6; ampitahao amin’ny Ezekiela 18:31; 2 Petera 3:9.) Raha ny amin’i Sodoma sy i Gomora, dia tsy nanao zavatra i Jehovah raha tsy avy nanamarina ny zava-nisy. Ohatra tsara dia tsara re izany ho an’ireo izay tsy maintsy mikarakara raharaha ara-pitsarana amin’izao andro izao!
Mpitsara olombelona tamin’ny andron’ireo patriarka
8. Lalàn’i Jehovah fototra inona avy no fantatra tamin’ny andron’ireo patriarka?
8 Na dia toa tsy nisy lalàna voasoratra aza tamin’izany fotoana izany, ny fitambaran’olona notarihina patriarka dia nahafantatra tsara ireo lalàn’i Jehovah fototra, ary ireo mpanompony dia nodidiana ny hitandrina izany. (Ampitahao amin’ny Genesisy 26:5.) Ilay zava-nitranga nampivarahontsana tao Edena dia nampiseho ny ilàna fankatoavana sy fanekena ny fiandrianan’i Jehovah. Izay nitranga tamin’i Kaina dia nampiharihary ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ny famonoana olona. Taorian’ny Safodrano avy hatrany Andriamanitra dia nanome ho an’ny olombelona lalàna mikasika ny fahamasinan’ny aina, ny famonoana olona, ny fanamelohana ho faty, ary ny fihinanana ny ra. (Genesisy 9:3-6). Nomelohin’i Jehovah mafy ny fakana vadin’olona tamin’ilay zava-nitranga nahakasika an’i Abrahama sy Saraha ary i Abimeleka mpanjakan’i Gerara, any akaikin’i Gaza. — Genesisy 20:1-7.
9, 10. Inona avy ireo ohatra mampiseho fa nisy fandaharam-pitsarana teo amin’ny fitambaran’olona notarihina patriarka?
9 Tamin’izany andro izany, ireo loham-pianakaviana dia niasa ho toy ny mpitsara ary nikarakara zava-nanahirana ara-pitsarana. Nilaza izao momba an’i Abrahama i Jehovah: “Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny làlan’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy [“ny fahamarinana sy ny fitsarana”, NW ]”. (Genesisy 18:19). Naneho tsy fitiavan-tena sy fahaiza-manavaka i Abrahama rehefa nandamina ady nifanaovan’ny mpiandry ombiny sy ny an’i Lota. (Genesisy 13:7-11). Rehefa nanao zavatra tamin’ny naha-patriarka filoha sy mpitsara azy i Joda, dia nanameloka an’i Tamara vinantovaviny hotoraham-bato ho faty sy hodorana, noho izy nino fa mpijangajanga ravehivavy. (Genesisy 38:11, 24; ampitahao amin’ny Josoa 7:25.) Rehefa fantany anefa ny zava-nisy rehetra, dia nilaza azy io ho marina kokoa noho ny tenany izy. (Genesisy 38:25, 26). Zava-dehibe toy inona moa ny fahafantarana ny zava-misy rehetra mialohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra ara-pitsarana!
10 Ny bokin’i Joba dia manisy fitenenana tsy mivantana ny amin’ny fandaharam-pitsarana iray, ary mampiseho ny maha-faniry ny fitsarana tsy miangatra. (Joba 13:8, 10; 31:11; 32:21). Ny tenan’i Joba mihitsy aza dia nahatsiahy ny fotoana naha-mpitsara nohajaina azy ka nipetrahany teo am-bavahadin’ny tanàna, nampihatra ny rariny ary niaro ny mpitondratena sy ny kamboty. (Joba 29:7-16). Araka izany, dia misy porofo fa tao amin’ny fitambaran’olona notarihina patriarka, ireo “loholona” dia niasa ho mpitsara teo amin’ny taranak’i Abrahama, na dia talohan’ny fifindrana niala tany Egypta sy ny lalàm-panorenana ara-dalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’ny Isiraely aza. (Eksodosy 3:16, 18). Raha ny marina, ireo fepetra notakina tamin’ny faneken’ny Lalàna dia nambaran’i Mosesy tamin’ireo “loholon’ny Isiraely” izay nisolo tena ny vahoaka. — Eksodosy 19:3-7.
Fandaharam-pitsarana teo amin’ny Isiraely
11, 12. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana manokana roa momba ny Baiboly, inona no nampiavaka ny fandaharam-pitsarana teo amin’ny Isiraely tamin’ny an’ireo firenen-kafa?
11 Ny fampiharana ny rariny teo amin’ny Isiraely dia tsy nitovy mihitsy tamin’ireo fomba fanao ara-pitsarana narahin’ireo firenena nanodidina. Tsy nisy fanavahana natao tamin’ireo lalàna sivily sy ireo lalàna momba ny fanaovan-keloka. Samy nifamatotra tamin’ny lalàna ara-pitondrantena sy ara-pivavahana avokoa izy ireo. Ny fanaovan-dratsy tamin’ny naman’ny tena dia fanaovan-dratsy tamin’i Jehovah. Ao amin’ilay bokiny hoe Ny olona sy ny finoana ny Baiboly (anglisy), dia hoy ilay mpanoratra atao hoe André Chouraqui: “Ireo fomban-drazana ara-pitsarana teo amin’ireo Hebreo dia tsy nitovy tamin’ny an’ireo mpifanolobodirindrina taminy, tsy teo amin’ny famaritany ny atao hoe fandikan-dalàna sy sazy fotsiny, fa teo amin’ny tena hevitr’ireo lalàna mihitsy. (...) Tsy misaraka amin’ny fiainana andavanandro ny Torah [Lalàna]; izy io dia mifehy ny toetoetry ny fiainana andavanandro sy izay raketiny amin’ny fanomezana fitahiana na ozona. (...) Teo amin’ny Isiraely (...) dia saiky tsy azo natao ny nanisy fanavahana nazava tsara teo amin’ireo asa ara-pitsarana tao amin’ilay tanàna. Izy ireo dia niafina tao anatin’ny fiainana iray manontolo mifantoka tanteraka amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ilay Andriamanitra velona.”
12 Io toe-javatra tsy nanam-paharoa io dia nametraka ny fampiharana ny rariny teo amin’ny Isiraely ho eo amin’ny ambaratonga ambony lavitra noho ny an’ireo firenena niara-belona taminy tamin’izany. Nanoratra toy izao ilay manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly atao hoe Roland de Vaux: “Ny lalàna isiraelita dia hafa tanteraka noho ireo andininy ao amin’ireo ‘taratasy fanekena’ tatsinanana sy ireo andininy ao amin’ny ‘fehezan-dalàny’, na dia eo aza ny fitovitoviany amin’ny endriny sy izay raketiny. Lalàna ara-pivavahana izy io. (...) Tsy misy fehezan-dalàna tatsinanana azo ampitahaina amin’ny lalàna isiraelita, izay lazaina fa Andriamanitra no namorona azy iray manontolo. Raha mirakitra, ary matetika mampifangaro ireo fitsipika arapitondrantena sy ara-pomba izy io, dia satria voafaokany avokoa ny lafiny rehetra amin’ny Faneken’Andriamanitra, ary satria io Fanekena io dia nanapaka ny fifandraisan’ny samy olombelona ary koa ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra”. Tsy nahagaga àry raha nanontany toy izao i Mosesy: “Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanao anio?” — Deoteronomia 4:8.
Mpitsara teo amin’ny Isiraely
13. Tamin’ny lafiny inona avy i Mosesy no ohatra tsara dia tsara ho an’ireo loholona amin’izao andro izao?
13 Karazan’olona nanao ahoana no nilaina mba hanao ny asan’ny mpitsara teo amin’ny fandaharam-pitsarana ambony toy izany? Izao no nambaran’ny Baiboly ny amin’ilay mpitsara voalohany indrindra voatendry teo amin’ny Isiraely: “Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” (Nomery 12:3). Tsy natoky tena tafahoatra izy. (Eksodosy 4:10). Na dia nasaina nitsara ny olona aza izy, dia tonga mpisolovava azy ireo teo anatrehan’i Jehovah izy indraindray, nitalaho taminy mba hamela ny helok’izy ireo ary nanolotra ny tenany mba hatao sorona ho azy ireo mihitsy aza. (Eksodosy 32:11, 30-32). Izao no nolazainy tamin’ny endriky ny tononkalo: “Hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, sy tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso ary ny ranonorana amin’ny anana.” (Deoteronomia 32:2). Tsy nitsara ny olona tamin’ny fianteherana tamin’ny fahendren’ny tenany velively izy, fa izao no nambarany: “Raha misy manana ady izy, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny.” (Eksodosy 18:16). Rehefa tao anatin’ny fisalasalana izy dia nentiny teo amin’i Jehovah ilay raharaha. (Nomery 9:6-8; 15:32-36; 27:1-11). Ohatra tsara dia tsara i Mosesy ho an’ireo loholona amin’izao andro izao, izay ‘miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra’, ary manao fanapahan-kevitra ara-pitsarana. (Asan’ny Apostoly 20:28, NW ). Enga anie ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo rahalahany hiseho ho “tahaka ny erika amin’ny ahi-maitso” toy izany koa.
14. Toetra ara-panahy inona avy no notakina tamin’ireo lehilahy notendren’i Mosesy ho mpitsara teo amin’ny Isiraely?
14 Tamin’ny farany dia tsy vitan’i Mosesy intsony ny nitondra irery ny fikarakarana ireo raharaha ara-pitsarana ho an’ny olona. (Eksodosy 18:13, 18). Nanaiky ny fanipazan-kevitry ny rafozany mba haka mpanampy izy. Karazan’olona toy inona indray no nofidina? Izao no vakintsika: “Ary mizahà eo amin’ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy. Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany”. — Eksodosy 18:21-26.
15. Toetra notakina inona avy no nananan’ireo nanompo tamin’ny naha-mpitsara teo amin’ny Isiraely?
15 Azo atao ny mahita fa tsy ny taona akory no hany anton-javatra namaritra ny fifantenana olona mba hiasa toy ny mpitsara. Izao no nolazain’i Mosesy: “Mifidiana izay lehilahy hendry sy manantsaina ary hita toetra amin’ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.” (Deoteronomia 1:13). Fantatr’i Mosesy tsara tokoa izay nolazain’i Eliho tanora, taona maro talohan’izay, nanao hoe: “Tsy dia ny fahalehibiazana no maha-hendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny”. (Joba 32:9). Azo antoka fa ireo notendrena dia tsy maintsy ho olona “hita toetra [“ampy fanandraman-javatra”, NW ]”. Ambonin’izany rehetra izany anefa, izy ireo dia tsy maintsy ho lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ary mendri-pitokiana, izay mankahala ny tombontsoa azo tsy ara-drariny ary hendry sy mahatam-bava. Toa miharihary àry fa, ireo ‘lehibe’ sy “mpitsara” voalaza ao amin’ny Josoa 23:2 sy ny 24:1, dia tsy olon-kafa ankoatra ireo “loholona” voalaza ao amin’ireo andininy ireo ihany akory, fa nofidina teo amin’izy ireo kosa. — Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, boky A-Be, pejy faha-75.
Fampiharana ny rariny
16. Inona no tokony homarihintsika amin’izao andro izao mikasika ireo toromarika nomen’i Mosesy an’ireo mpitsara vao avy notendrena?
16 Raha ny amin’ny toromarika nomena ireo mpitsara voatendry ireo, dia izao no nolazain’i Mosesy: “Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin’ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy. Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko [Mosesy] ka hohenoiko.” — Deoteronomia 1:16, 17.
17. Iza no notendrena ho mpitsara, ary fampitandremana inona no nomen’i Josafata mpanjaka azy ireo?
17 Mazava ho azy fa azo nentina tany amin’i Mosesy ny raharaha iray nandritra ny andro nahavelomany ihany. Koa nisy àry fandaharana fanampiny natao mba hitondrana ireo raharaha sarotra teo amin’ny mpisorona, ireo Levita, sy teo amin’ireo mpitsara voatendry manokana. (Deoteronomia 17:8-12; 1 Tantara 23:1-4; 2 Tantara 19:5, 8). Izao no nambaran’i Josafata mpanjaka tamin’ireo mpitsara notendreny tao amin’ny tanànan’ny Joda: “Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’olona no hitsaranareo, fa ho an’i Jehovah (...) Izao no hataonareo amin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy amin’ny fahamarinana ary amin’ny fo mahitsy: Na inona na inona no ady avy amin’ny rahalahinareo izay monina amin’ny tanànany, (...) dia anaro izy mba tsy ho meloka amin’i Jehovah, fandrao iharan’ny fahatezerana hianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka hianareo.” — 2 Tantara 19:6-10.
18. a) Inona avy ireo fotopoto-pitsipika sasany tsy maintsy nampiharin’ny mpitsara teo amin’ny Isiraely? b) Inona no tsy maintsy notadidin’ireo mpitsara, ary andinin-teny inona avy no mampiseho ny vokatry ny fanadinoan’izy ireo izany?
18 Anisan’ireo fotopoto-pitsipika tsy maintsy nampiharin’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely ireto manaraka ireto: fitsarana mitovy ho an’ny manankarena sy ny mahantra (Eksodosy 23:3, 6; Levitikosy 19:15); tsy fizahan-tavan’olona tanteraka (Deoteronomia 1:17); tsy fandraisana kolikoly. (Deoteronomia 16:18-20). Ireo mpitsara dia tsy maintsy nahatsiaro mandrakariva fa ondrin’i Jehovah ireo izay notsarainy. (Salamo 100:3). Raha ny marina, dia iray tamin’ireo antony nandavan’i Jehovah ny Isiraely ara-nofo ny tsy nitsaran’ny mpisorony sy ny mpiandry teo aminy tamim-pahamarinana ary ny nitondrany ny vahoaka tamin’ny fomba henjana. — Jeremia 22:3, 5, 25; 23:1, 2; Ezekiela 34:1-4; Malakia 2:8, 9.
19. Misy vidiny inona ho antsika moa ny fandinihana ny fari-pitsipik’i Jehovah momba ny rariny talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Tsy miova i Jehovah. (Malakia 3:6). Io fijerena fohifohy indray ny amin’ny fomba tokony ho nampiharana ny fitsarana teo amin’ny Isiraely io sy ny fomba fijerin’i Jehovah ny fandavana ny rariny dia tokony hampiato sy hampisaintsaina ireo loholona izay tompon’andraikitra eo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra ara-pitsarana amin’izao fotoana izao. Ny ohatr’i Jehovah amin’ny maha-Mpitsara azy, ary ny fandaharam-pitsarana izay naoriny teo amin’ny Isiraely, dia nanome fotopoto-pitsipika izay nametraka môdely ho an’ny fampiharana ny rariny ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Izany dia ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ahoana no azo amintinana ny fomba fitsaran’i Jehovah?
◻ Tamin’ny ahoana ny fomban’i Jehovah no naseho ho toy ny ohatra teo amin’ny fifampiraharahany tamin’i Kaina sy ny taranaka talohan’ny Safodrano?
◻ Iza no niasa tamin’ny naha-mpitsara tamin’ny andron’ireo patriarka, ary tamin’ny fomba ahoana?
◻ Inona no nampiavaka ny fandaharam-pitsarana teo amin’ny Isiraely tamin’ny an’ireo firenen-kafa?
◻ Karazan’olona nanao ahoana no notendrena ho mpitsara teo amin’ny Isiraely, ary fotopotopitsipika inona avy no tokony ho narahiny?
[Sary, pejy 10]
Tamin’ny andron’ireo patriarka sy teo amin’ny Isiraely, dia nisy lehilahy voatendry hampihatra ny rariny teo am-bavahadin’ny tanàna