Ry Loholona, Mitsarà Amim-pahamarinana
“Henoy ny adin’ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona”. — DEOTERONOMIA 1:16.
1. Raha ny amin’ny fitsarana, fanomezam-pahefana inona no nitranga, ary milaza inona izany ho an’ireo mpitsara olombelona?
AMIN’NY maha-Mpitsara Tampony azy, i Jehovah dia nanome fahefana hitsara ho an’ny Zanany. (Jaona 5:27). I Kristy kosa, ho setriny, amin’ny maha-Lohan’ny kongregasiona kristiana azy, dia mampiasa ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina sy ny Kolejy Foibeny mba hanendry loholona, izay tsy maintsy miasa ho toy ny mpitsara indraindray. (Matio 24:45-47; 1 Korintiana 5:12, 13; Titosy 1:5, 9). Amin’ny maha-mpitsara mpisolo toerana azy, izy ireo dia manana adidy hanaraka akaiky ny ohatr’ireo Mpitsara any an-danitra, dia i Jehovah sy i Kristy Jesosy.
Kristy — ilay Mpitsara fakan-tahaka
2, 3. a) Faminaniana Mesianika inona no mampiharihary ny toetra tsara ananan’i Kristy amin’ny maha-Mpitsara azy? b) Hevitra inona avy no tsara homarihina manokana?
2 Izao no voasoratra ara-paminaniana mikasika an’i Kristy amin’ny maha-Mpitsara azy: “Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny; fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany”. — Isaia 11:2-4.
3 Mariho ao amin’izany faminaniana izany ireo toetra tsara izay mahatonga an’i Kristy ho afaka ‘hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana’. (Asan’ny Apostoly 17:31). Mitsara mifanaraka amin’ny fanahin’i Jehovah sy ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina sy ny torohevitra ary ny fahalalana araka an’Andriamanitra izy. Mariho koa fa mitsara amin’ny fahatahorana an’i Jehovah izy. Araka izany, “ny fitsaran’i Kristy” dia natao mba hampiseho ny “fitsaran’Andriamanitra”. (2 Korintiana 5:10; Romana 14:10). Mitandrina izy mba hitsara ireo raharaha araka ny fomba fitsaran’Andriamanitra azy ireny. (Jaona 8:16). Tsy mitsara araka ny hitan’ny masony fotsiny izy na araka ny honohono fotsiny ihany. Mitsara amin’ny fahitsiana ho tombontsoan’ny mpandefitra sy ny malahelo izy. Mpitsara mahatalanjona re izany! Ary ohatra mahatalanjona re izany ho an’ny olombelona tsy tanteraka izay angatahina mba hanao asa ara-pitsarana amin’izao andro izao!
Mpitsara eto an-tany
4. a) Inona no ho iray amin’ny asan’ireo 144 000 mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy? b) Faminaniana inona no mampiseho fa hotendrena ho mpitsara, ny Kristiana voahosotra sasany na dia mbola eto an-tany aza?
4 Asehon’ny Soratra Masina fa ho mpitsara hiara-miasa amin’i Kristy Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ireo Kristiana voahosotra somary vitsy an’isa, nanomboka tamin’ireo apostoly 12. (Lioka 22:28-30; 1 Korintiana 6:2; Apokalypsy 20:4). Ny sisa amin’ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy eto an-tany dia notsaraina ka tafarina tamin’ny 1918-1919. (Malakia 3:2-4). Mikasika io fanarenana ny Isiraely ara-panahy io, dia izao no nambaran’ny faminaniana: “Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ny voalohany [“tany am-piandohany”, NW ]”. (Isaia 1:26). Araka izany, dia toy ny nataony ‘tany am-piandohan’ny’ Isiraely ara-nofo, i Jehovah dia nanome mpitsara sy mpanolo-tsaina marina ho an’ireo sisa tafarina.
5. a) Iza no ‘voatendry ho mpitsara’ taorian’ny fanarenana ny Isiraely ara-panahy, ary ahoana no ilazalazana azy ireo ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? b) Iza izao no manampy ireo mpiandraikitra voahosotra eo amin’ny asa fitsarana, ary ahoana no ampiofanana azy ireo mba ho tonga mpitsara tsaratsara kokoa?
5 Ho fanombohana, ireo “olon-kendry” izay ‘voatendry ho mpitsara’ dia zokiolona voahosotra avokoa, na loholona. (1 Korintiana 6:4, 5). Ireo mpiandraikitra voahosotra mahatoky sy hajaina dia lazalazaina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ho toy ny eny an-tanana ankavanan’i Jesosy, izany hoe, eo ambany fanaraha-masony sy fitarihany. (Apokalypsy 1:16, 20; 2:1). Hatramin’ny 1935, ireo voahosotra dia nahazo fanohanana azo antoka avy amin’ny “olona betsaka” mitombo isa aoka izany, izay manana fanantenana ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka hiaina mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. (Apokalypsy 7:9, 10, 14-17). Arakaraka ny anatonan’ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”, dia mihamaro hatrany amin’izy ireny no voatendrin’ny Kolejy Foibe voahosotra mba hanompo amin’ny maha-loholona sy mpitsara any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 66 000 maneran-tany.a (Apokalypsy 19:7-9). Amin’ny alalan’ny sekoly manokana, izy ireo dia ampiofanina mba hiantsoroka andraikitra ao amin’ilay fitambaran’olon’ny “tany vaovao”. (2 Petera 3:13). Ny Sekolin’ny Fanompoana ilay Fanjakana, natao tamin’ny faran’ny 1991 tany amin’ny tany maro, dia nanantitrantitra ny amin’ny fikarakarana ny raharaha ara-pitsarana amin’ny fomba mety. Ireo loholona izay manompo amin’ny maha-mpitsara, dia tsy maintsy manahaka an’i Jehovah sy i Kristy Jesosy izay manao fitsarana marina sy mahitsy. — Jaona 5:30; 8:16; Apokalypsy 19:1, 2.
Mpitsara izay ‘mitondra tena amin’ny fahatahorana’
6. Nahoana ireo loholona manompo ao amin’ny komity mpitsara no tokony ‘hitondra tena amin’ny fahatahorana’?
6 Raha ny tenan’i Kristy aza mitsara amin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy omban’ny fanampian’ny fanahiny, tsy mainka va ireo loholona tsy tanteraka no tokony hanao toy izany! Rehefa voatendry hanompo ao amin’ny komity mpitsara iray izy ireo, dia ilainy ny ‘mitondra tena amin’ny fahatahorana’, amin’ny fangatahana “amin’ny Ray izay mitsara tsy misy fizahan-tavan’olona” mba hanampy azy ireo hitsara amim-pahamarinana. (1 Petera 1:17, NW ). Tokony hotadidin’izy ireo fa ain’olona no eo am-pelatanany, dia ny ‘fanahin’ireo’, “araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina”. (Hebreo 13:17, NW ). Noho izany, dia azo antoka fa hampamoahina eo anatrehan’i Jehovah koa izy ireo ny amin’izay fahadisoana ara-pitsarana azo sorohina mety hataony. Tao amin’ny fanazavany ny Hebreo 13:17, dia nanoratra toy izao i J. H. A. Ebrard: “Andraikitry ny mpiandry ny mitandrina ireo fanahy nankinina tamin’ny fikarakarany, ary (...) tsy maintsy ampamoahina ny amin’izy rehetra izy, ny amin’ireo very noho ny fahadisoany koa. Izany dia teny mavesa-danja. Aoka ny tsirairay avy amin’ny minisitry ny teny hihevitra fa izy dia nandray ho adidy ny hanao an-tsitrapo io asa misy andraikitra mahatahotra [mahatalanjona] io.” — Ampitahao amin’ny Jaona 17:12; Jakoba 3:1.
7. a) Inona no tokony hotadidin’ireo mpitsara amin’izao andro izao, ary inona no tokony ho tanjona tratrarin’izy ireo? b) Fianarana inona avy no tokony hotsoahin’ireo loholona avy amin’ny Matio 18:18-20?
7 Ireo loholona manao asa ara-pitsarana dia tokony hitadidy fa ny tena Mpitsara ny raharaha tsirairay dia i Jehovah sy i Kristy Jesosy. Tsarovy izay nolazaina tamin’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely: “Tsy ho an’olona no hitsaranareo, fa ho an’i Jehovah, sady momba anareo ao amin’ny fitsarana Izy. Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’i Jehovah; (...) izany no ataovy, dia tsy ho meloka hianareo.” (2 Tantara 19:6-10). Amin-tahotra feno fanajana, ireo loholona mitsara raharaha iray dia tokony hanao izay azony atao mba hahazoana antoka fa tena ‘momba azy ireo amin’ny fitsarana’ tokoa i Jehovah. Ny fanapahan-kevitra ataony dia tokony hanome taratra marina ny fomba fihevitr’i Jehovah sy i Kristy ny amin’ilay raharaha. Izay ‘feheziny’ ara-panoharana (hitany fa meloka) na ‘vahany’ ara-panoharana (hitany fa tsy manan-tsiny) etỳ an-tany dia tokony ho izay efa voafehy na efa voavaha tany an-danitra — araka ny ahariharin’izay voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry. Raha mivavaka amin’i Jehovah amin’ny anaran’i Jesosy izy ireo, dia ho eo ‘afovoan’izy ireo’ i Jesosy mba hanampy azy. (Matio 18:18-20, fanamarihana ambany pejy ao amin’ny NW; Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1988, pejy faha-9). Ny rivo-piainana mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana iray dia tokony hampiseho fa tena eo afovoan’izy ireo marina tokoa i Kristy.
Mpiandry manontolo andro
8. Inona no andraikitr’ireo loholona lehibe indrindra amin’ny andian’ondry, araka ny nasehon’ny ohatr’i Jehovah sy i Jesosy Kristy? (Isaia 40:10, 11; Jaona 10:11, 27-29)
8 Tsy mitsara manontolo andro akory ireo loholona. Izy ireo dia mpiandry manontolo andro. Mpanasitrana izy ireo fa tsy mpanasazy. (Jakoba 5:13-16). Ny hevitra fototra fonosin’ilay teny grika hoe mpitandrina (e·piʹsko·pos) dia mikasika ny fikarakarana ho fiarovana. Hoy ny Rakibolan’ny Teôlôjia momba ny Testamenta Vaovao: “Ho famenoana ny teny hoe mpiandry [ao amin’ny 1 Petera 2:25], ilay teny [e·piʹsko·pos] dia manipy hevitra ny amin’ny asa fiandrasana ny ondry amin’ny fitandremana sy fiambenana.” Eny, ny andraikiny voalohany dia ny fitandremana ny ondry sy ny fiambenana azy, ny fitanana azy ireo ao anatin’ny andian’ondry.
9, 10. a) Ahoana no nanamafisan’i Paoly ny andraikitry ny loholona voalohany indrindra, koa fanontaniana inona no mety ho tsara ny hanaovana azy? b) Milaza tsy mivantana inona ny tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, koa ahoana àry no ahazoan’ny loholona manandrana mampihena ny isan’ireo raharaha ara-pitsarana?
9 Raha niresaka tamin’ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy ny apostoly Paoly dia nametraka ny fanamafisana teo amin’izay tokony ho nisy izany: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny [ran’ny Zanany, NW ]”. (Asan’ny Apostoly 20:28). Nasongadin’i Paoly ny fiandrasana ny ondry fa tsy ny fanasaziana. Mety ho tsara amin’ny loholona sasany ny misaintsaina ity fanontaniana manaraka ity: ‘Afaka mitsitsy ilay fotoana tsy toko tsy forohana ilaina mba hamotopotorana sy hikarakarana raharaha ara-pitsarana ve izahay raha toa ka manokana fotoana sy fiezahana bebe kokoa amin’ny fiandrasana ny ondry?’
10 Marina fa nampitandrina ny amin’ireo “amboadia masiaka” i Paoly. Kanefa moa ve izy tsy nanome tsiny azy ireo noho izy ‘tsy niantra ny ondry’? (Asan’ny Apostoly 20:29). Ary raha nilaza tsy nivantana izy fa tokony handroaka ireny “amboadia” ireny ireo mpiandraikitra mahatoky, moa ve ireo teniny tsy mampiseho fa ireo loholona dia tokony “hiantra” ireo mpikambana hafa amin’ny andian’ondry? Rehefa manjary osa ara-panahy ny ondry iray ary mitsahatra tsy manompo an’Andriamanitra, inona no ilainy — kapoka sa fitsaboana, fanasaziana sa fiandrasana? (Jakoba 5:14, 15). Noho izany, ireo loholona dia tokony hanokana fotoana tsy tapaka ho an’ny asa fiandrasana ny ondry. Izany dia mety hitondra vokany tsara satria fotoana kely kokoa no ho lany amin’ny raharaha ara-pitsarana mandany fotoana, mahatafiditra Kristiana azon’ny ota. Azo antoka fa ny zavatra tokony hahin’ireo loholona voalohany indrindra dia ny fanomezana loharanom-pahamaivamaivanana sy famelombelomana, ka amin’izany dia hampiroborobo ny fiadanana sy ny filaminana, ary ny tsy fananana ahiahy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah — Isaia 32:1, 2.
Manompo amin’ny maha-mpiandry sy mpitsara be hatsaram-po
11. Nahoana ireo loholona manompo ao amin’ny komity mpitsara no mila ny tsy fizahan-tavan’olona sy ny “fahendrena izay avy any ambony”?
11 Ny fiandrasana ny ondry amim-pitandremana kokoa alohan’ny hahasolafaka ny Kristiana iray dia mety hampihena ny isan’ireo raharaha ara-pitsarana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Galatiana 6:1.) Na dia izany aza, noho ny fahotana sy ny tsy fahatanterahan’olombelona, dia mety ho tsy maintsy hikarakara raharaha mahakasika fanaovan-dratsy indraindray ireo mpiandraikitra kristiana. Fotopoto-pitsipika inona avy no tokony hitarika azy ireo? Izany dia tsy niova hatramin’ny andron’i Mosesy na ny an’ireo Kristiana voalohany. Mbola manan-kery ny teny nataon’i Mosesy ho an’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely manao hoe: “Henoy ny adin’ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona (...). Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana”. (Deoteronomia 1:16, 17). Ny tsy fizahan-tavan’olona dia toetra iray mampiavaka ny “fahendrena izay avy any ambony”, dia ilay fahendrena izay iankinan’ny aina aoka izany ho an’ireo loholona manompo ao amin’ny komity mpitsara. (Jakoba 3:17; Ohabolana 24:23). Ny fahendrena toy izany dia hanampy azy ireo hahay hanavaka ny tsy fitoviana eo amin’ny fahalemena sy ny faharatsian-toetra.
12. Amin’ny heviny ahoana no ilain’ireo mpitsara ny tsy ho lehilahy marina fotsiny fa ho lehilahy manana hatsaram-po koa?
12 “Tsy maintsy mitsara amim-pahamarinana” mifanaraka amin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ny ratsy ny loholona. (Salamo 19:9). Kanefa eo am-pikelezany aina mba ho lehilahy marina, dia tokony hiezaka ny ho lehilahy manao soa [“manana hatsaram-po”, NW ] koa izy ireo, amin’ilay heviny nanavahan’i Paoly azy ao amin’ny Romana 5:7, 8. Raha nanazava ireo andininy ireo ao amin’ny lahatsorany mikasika ny “Fahamarinana” ilay boky hoe Insight on the Scriptures, dia nilaza hoe: “Ny fampiasana ilay teny grika dia mampiseho fa ny olona mendrika ny homarihina, na miavaka noho ny hatsaram-po, dia olona izay vonona hanao ny tsara na hitondra soa ho an’ny hafa, ary mampiseho amin’ny asa izany hatsaram-po izany. Tsy miahy fotsiny ny hanaovana izay takin’ny rariny izy, fa lasa lavitra kokoa noho izany, atosiky ny fanehoam-piheverana mahasoa ho an’ny hafa ary ny faniriana hanao soa sy hanampy azy ireny.” (Boky faha-2, pejy faha-809). Ireo loholona izay tsy hoe marina fotsiny fa manana hatsaram-po koa, dia hitondra ilay nanao ratsy amim-piheverana feno hatsaram-panahy. (Romana 2:4). Tokony haniry ny haneho famindram-po sy fiantrana izy ireo. Tokony hanao izay azony atao izy ireo mba hanampiana ilay nanao ratsy hahita ny ilàny hibebaka, na dia mety ho toa tsy mihontsina amin’ny fiezahan’izy ireo aza izy amin’ny voalohany.
Fihetsika mety eo amin’ny fihainoana
13. a) Rehefa miasa ho toy ny mpitsara ny loholona iray, dia tsy mitsahatra ny ho inona moa izy? b) Torohevitra inona nomen’i Paoly no mihatra koa eo amin’ny fihainoana raharaha ara-pitsarana?
13 Rehefa mitaky fihainoana raharaha ara-pitsarana ny toe-javatra iray, ireo mpiandraikitra dia tsy tokony hanadino fa mbola mpiandry ondry ihany izy ireo, mikarakara ny ondrin’i Jehovah, ambany noho ilay “Mpiandry Tsara”. (Jaona 10:11). Ilay torohevitra nomen’i Paoly mba hanomezana fanampiana tsy tapaka ho an’ireo izay tra-pahasahiranana, dia mihatra amin’ny fomba mitovy amin’izany koa eo amin’ny fihainoana raharaha ara-pitsarana. Izao no nosoratany: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany. Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” — Galatiana 6:1, 2.b
14. Ahoana no tokony hiheveran’ireo mpiandraikitra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana, ary inona no tokony ho fihetsiny amin’ny olona iray nanao ratsy?
14 Tsy hihevitra ny tenany ho mpitsara ambony mivory mba hampihatra sazy akory ireo loholona manompo ao amin’ny komity mpitsara, fa tokony hihevitra ny fihainoana kosa ho toy ny lafiny hafa iray amin’ny asa fiandrasany ny ondry. Mahita fahasahiranana ny ondrin’i Jehovah iray. Inona no azon’izy ireo atao mba hamonjena azy? Diso aoriana loatra ve raha ampiana io ondry izay nivily niala tamin’ny andian’ondry io? Antenaintsika fa tsy izany. Ireo loholona dia tokony hitana fomba fijery manorina mikasika ny fanehoana famindram-po amin’ny fotoana maha-mety izany. Tsy hoe tokony hampidina ny fari-pitsipik’i Jehovah akory izy ireo rehefa misy ota lehibe natao. Kanefa ny fahatakaran’izy ireo izay mety ho toe-javatra manalefaka dia hanampy azy hanitatra ny famindram-pony rehefa azo atao izany. (Salamo 103:8-10; 130:3). Mampalahelo ny milaza fa ny olona nanao ratsy sasany dia mikiribiby aoka izany eo amin’ny fihetsiny ka mahatonga ny loholona ho voatery hiseho ho hentitra, nefa tsy henjana na oviana na oviana. — 1 Korintiana 5:13.
Ny zava-kendren’ny fihainoana raharaha ara-pitsarana
15. Rehefa misy zava-manahirana lehibe mipoitra eo amin’ny samy olona, inona no tokony hofaritana aloha?
15 Rehefa misy zava-manahirana lehibe mipoitra eo amin’ny samy olona, ny loholona hendry dia hamaritra aloha, raha toa ireo olona tafiditra amin’izany ka efa niezaka nandamina manokana ilay raharaha, tamin’ilay toe-tsaina voalaza ao amin’ny Matio 5:23, 24, na ny Matio 18:15. Raha tsy nahomby izany, dia angamba ho ampy ny torohevitra omen’ny loholona iray na roa. Raha misy ota lehibe natao izay mety hitarika ho amin’ny fandroahana ihany vao ilaina ny asan’ny komity mpitsara. (Matio 18:17; 1 Korintiana 5:11). Tsy maintsy misy fototra azo ekena araka ny Soratra Masina mba hananganana komity mpitsara iray. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1989, pejy faha-18.) Rehefa misy iray natsangana, dia ireo loholona mahay indrindra no tokony hofidina ho amin’ilay raharaha manokana.
16. Inona no ezahin’ireo loholona hotontosaina amin’ny alalan’ny fihainoana raharaha ara-pitsarana?
16 Inona no ezahin’ireo loholona hotontosaina amin’ny alalan’ny fihainoana raharaha ara-pitsarana? Voalohany, dia tsy ho azo atao mihitsy ny hitsara amim-pahamarinana raha tsy fantatra ny marina. Toy ny teo amin’ny Isiraely, ireo raharaha lehibe dia tsy maintsy ‘dinihina tsara’. (Deoteronomia 13:14; 17:4). Koa ny tanjona iray amin’ny fihainoana dia ny hahitana ireo zava-misy amin’ilay raharaha. Izany anefa dia azo atao, ary tokony hatao amim-pitiavana. (1 Korintiana 13:4, 6, 7). Rehefa fantatra ireo zava-misy, dia hanao izay rehetra ilaina hatao ireo loholona mba hiarovana ny kongregasiona sy hitanana ao anatiny ny fari-pitsipika ambonin’i Jehovah sy ny fiasan’ny fanahiny malalaka. (1 Korintiana 5:7, 8). Na dia izany aza, dia iray amin’ireo zava-kendrena amin’ny fihainoana ny hamonjy, araka izay azo atao, ilay mpanota tandindomin-doza. — Ampitahao amin’ny Lioka 15:8-10.
17. a) Ahoana no tokony hitondrana ny olona voampanga iray mandritra ny fihainoana, ary noho ny fikendrena inona? b) Hitaky inona avy amin’ireo mpikambana ao amin’ilay komity mpitsara moa izany?
17 Ny olona iray voampanga dia tokony hoentina toy ny ondrin’Andriamanitra iray, fa tsy hafa noho izany. Tokony hoentina amim-pahalemem-panahy izy. Raha nisy fahotana natao, ny zava-kendren’ny mpitsara marina dia ny hanampy ilay nanota mba hanitsy indray ny lalany sy hahatakatra ny maha-diso izany, ka hibebaka, ary amin’izany dia ho voasintona hiala amin’ny “fandriky ny Devoly”. Hitaky ‘fahaiza-mampianatra’ izany, amin’ny ‘fananarana amim-pahamoram-panahy’. (2 Timoty 2:24-25; 4:2). Ahoana raha miaiky amin’izay ilay nanota fa nanao fahotana sy tena voatsindrona ao am-pony, ary mangataka amin’i Jehovah famelan-keloka? (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37.) Raha miaiky ny komity fa maniry fanampiana amim-pahatsorana izy, amin’ny ankapobeny dia tsy misy ilàna ny handroahana azy. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1983, pejy faha-31, feh. 1.
18. a) Rahoviana ny komity mpitsara iray no hiseho ho hentitra amin’ny fandroahana mpanao ratsy iray? b) Noho ny toe-javatra mahavaky fo inona no tokony hiezahan’ireo loholona mafy ho tombontsoan’ny ondry mania?
18 Etsy an-danin’izany, raha toa ireo mpikambana amin’ny komity mpitsara ka miatrika raharaha miharihary fa mahakasika fivadiham-pinoana tsy misy fibebahana, na fikomiana an-tsitrapo amin’ny lalàn’i Jehovah, na faharatsian-toetra tsotra izao, ny andraikiny dia ny miaro ireo mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona amin’ny fandroahana ilay mpandika lalàna tsy mibebaka. Ny komity mpitsara dia tsy voatery hivory imbetsaka miaraka amin’ilay nanao ratsy, na hampiteny ny vavany amin’ny fanerena azy hibebaka, raha miharihary fa tsy manana alahelo araka an’Andriamanitra izy.c Tao anatin’ireo taona faramparany, ny fandroahana maneran-tany dia teo amin’ny 1 isan-jaton’ny mpitory teo ho eo. Midika izany fa, eo amin’ireo ondry zato tavela ao anaty vala, dia iray no very — vetivety ihany fara faharatsiny. Raha dinihina ny fotoana sy ny fiezahana lany mba hitondrana olona iray ao anatin’ny vala, moa ve tsy mahavaky fo ny mahafantatra fa olona an’aliny maro no ‘atolotra indray an’i Satana’ isan-taona? — 1 Korintiana 5:5.
19. Inona no tsy tokony hohadinoin’ireo loholona manompo ao amin’ny komity mpitsara mihitsy, koa inona àry no ho tanjona tratrarin’izy ireo?
19 Ireo loholona vao manomboka ny asa eo amin’ny raharaha ara-pitsarana iray dia tokony hahatsiaro fa ny ankamaroan’ireo raharaha mahakasika fahotana ao amin’ny kongregasiona dia mahatafiditra fahalemena fa tsy faharatsian-toetra akory. Tokony tsy hohadinoin’izy ireo mihitsy ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay ondry very, izay nofaranany tamin’ny teny hoe: “Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.” (Lioka 15:7). Marina tokoa fa ‘tsy tian’i Jehovah hisy ho very fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra’. (2 Petera 3:9). Noho ny fanampian’i Jehovah, dia enga anie ireo komity mpitsara maneran-tany hanao izay farany azony atao mba hahatonga fifaliana any an-danitra amin’ny fanampiana ireo nanao ratsy hahita ny ilàna hibebahana sy hanombohana hamerina ny tongony eo amin’ny lalana ety izay mankany amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 7:13, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ny amin’ny toeran’ireo loholona anisan’ny ondry hafa, mifandray amin’ny tanana ankavanan’i Kristy, dia jereo ilay boky hoe La Révélation: le grand dénouement est proche!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-136, fanamarihana ambany pejy.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1982, pejy faha-26, fehi. 24.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Amin’ny fanarahana ny ohatr’ilay Mpiandry Lehibe sy ilay Mpiandry Tsara, inona no tokony ho zava-mahaliana lehibe indrindra an’ireo loholona?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azon’ireo loholona iezahana mba hampihenana ny isan’ny raharaha ara-pitsarana?
◻ Amin’ny heviny ahoana ireo mpitsara no tsy tokony ho marina fotsiny fa hanana hatsaram-po koa?
◻ Ahoana no tokony hitondrana ny olona iray nanao ratsy mandritra ny fihainoana, ary noho ny fikendrena inona?
◻ Nahoana ny fandroahana no lalana farany raisina?
[Sary, pejy 16]
Rehefa natao mialoha ny fiandrasana ny ondry dia raharaha ara-pitsarana maro no mety ho voasoroka
[Sary, pejy 18]
Na dia mandritra ny fihainoana raharaha ara-pitsarana iray aza, ireo loholona dia tokony hiezaka ny hanarina indray ny olona iray nanao ratsy amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy