Tafaray eo ambany fanevan’ny fitiavana
“Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara.” — 1 PETERA 4:8.
1. Fitiavana manao ahoana no voamarika eo anivon’ny olon’Andriamanitra amin’izao andro izao, ary inona no ambaran’ireo kristiana voahosotra nanomboka tamin’ny 1922?
MAHAMARIKA izany fitiavana izany ve isika ankehitriny eo anivon’ny olon’Andriamanitra? Azo antoka fa izany no izy! Ny olona maneho izany dia manaiky ny fiandrianan’i Jehovah sy miaro izany, sahala amin’ny nataon’i Davida fahiny. Nanomboka tamin’ny 1922 indrindra, ireo rahalahin’i Jesosy Kristy, “Zanak’i Davida”, izay voahosotry ny fanahy, dia manambara amin’ny tany manontolo fa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ka hosazin’i Jesosy Kristy, Mpitsara nofidin’Andriamanitra, ireo mpanohana ny fanapahana mampahorin’i Satana. — Matio 21:15, 42-44; Apokalypsy 19:11, 19-21.
2. Nahoana no azo atao ny nilaza fa ‘olona araka ny fon’i Jehovah’ Davida?
2 ‘Olona araka ny fon’i Jehovah’ i Davida. Nanaporofo izany ny fitiavany an’i Jehovah sy ny Fahamarinany — ka niaiky ny amin’izany na dia i Saoly mpanjaka kanosa aza — ary koa ny herim-pony, ny fifikirany tsy azo ravana amin’i Jehovah, ny fomba nitarihany ny vahoakany sy ny fanekeny tamim-panetren-tena ny fandaharana teokratika. — 1 Samoela 13:14; 16:7, 11-13; 17:33-36; 24:9, 10, 17.
3. Fihetseham-po inona no nampifamatotra an’i Jonatana tamin’i Davida, ary nahoana?
3 Taorian’ny fandreseny an’i Goliata nanakoako, dia lasa nanao tatitra tany amin’i Saoly i Davida. Tamin’izay no niseho ny lehilahy iray izay tia ny rariny koa. Tsy iza izany fa Jonatana, zanaka lahimatoan’i Saoly mpanjaka. “Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’i Saoly izy [Davida], dia raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.” (1 Samoela 18:1). Ny nahatonga an’i Jonatana hankasitraka an’i Davida dia tsy noho ny herim-pony na ny fahakingany tamin’ny fampiasana antsamotady, fa ny zotom-po niredareda nananany tamin’ny fanesorana ny fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra, ny tsy fiheverany ny tombontsoan’ny tenany sy ny fitokiany tanteraka an’i Jehovah. — Jereo Salamo 8:1, 9; 9:1, 2.
4. Inona no nataon’i Jonatana mba hampisehoana fa nanaiky an’i Davida ho ilay voahosotra ho mpanjaka izy?
4 Amin’izany, na dia zokin’i Davida 30 taona aza i Jonatana dia nampiray azy tamin’ilay mpiady tanora ny fatoram-pisakaizana naharitra. “Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’i Jonatana azy toy ny tenany. Ary nesorin’i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’i Davida mbamin’ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.” (1 Samoela 18:3, 4). Tamin’izany no naneken’i Jonatana mazava ny fahambonian’i Davida. Na dia izy aza no tokony ho mpandova an’i Saoly satria zanany, dia naneho fitiavana mafana an’i Davida izy, fitiavana niorina tamin’ny fotopoto-pitsipika. Nanaiky an’i Davida ho ilay nohosorana ho mpanjaka izy, ilay nampiseho fahatapahan-kevitra manokana mba hiarovana ny anarana sy ny fiandrianan’i Jehovah. — 2 Samoela 7:18-24; 1 Tantara 29:10-13.
5. Inona moa no neken’i Jonatana raha ny amin’ny ady teokratika?
5 Niady ho an’ny rariny koa Jonatana. Moa ve izy tsy nanambara hoe: “Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ny maro, na amin’ny vitsy”? Raha ny marina, dia niaiky i Jonatana fa, mba hahazoana fandresena amin’ny ady teokratika iray, dia ilaina mandrakariva ny mitady ny fitarihan’Andriamanitra. Rehefa nanao fahadisoana noho ny tsy fitandremana nanamelohan’i Saoly azy ho faty Jonatana, dia nanaiky tamim-panetren-tena ny fitsaran’ny rainy. Soa ihany fa “namonjy” azy ny vahoaka. — 1 Samoela 14:6, 9, 10, 24, 27, 43-45.
Fitiavana tsy mivadika
6. Tamin’ny fotoana toy inona moa Jonatana, noho ny fitiavana tsy nivadika, no namonjy an’i Davida?
6 Nanjary nialona noho ny voninahitra ara-tafika nananan’i Davida i Saoly ka nitady hamono hahafaty azy, nefa, noho ny fitiavany tsy mivadika, dia namonjy ilay sakaizany i Jonatana. Milaza amintsika toy izao ny fitantarana: “Fa Jonatana, zanak’i Saoly, kosa tia dia tia an’i Davida. Ary Jonatana nanambara tamin’i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna hianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’izay fitoerana mangingina, ka miere.” Tamin’io andro io, dia nampitony an’i Saoly i Jonatana, ka notsimbinina ny ain’i Davida. Tatỳ aoriana anefa dia “nivoaka Davida ka niady tamin’ny Filistina ary nahafaty betsaka.” Taitra ny fahaviniran’i Saoly ka naniry indray hamono an’i Davida izy, ka nitarika an’io handositra izany. — 1 Samoela 19:2-10.
7. Rehefa tafahaona indray Jonatana sy Davida nandositra, inona no resaka nifanaovany mba hanavaozana ny fifanarahany?
7 Tatỳ aoriana i Davida nandositra dia nahita indray an’i Jonatana izay nilaza taminy hoe: “Na inona na inona no angatahinao, dia hataoko aminao izany.” Nanavao ny fanekeny teo anatrehan’i Jehovah ireto mpinamana, ary nampanantena i Davida fa tsy hanaisotra mihitsy ny hatsaram-pony amin’ny ankohonan’i Jonatana izy, ary nitana tamim-pahatokiana ny teny nataony izy. “Ary Jonatana nampianiana an’i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.” — 1 Samoela 20:4-17; 2 Samoela 21:7.
8. Nahoana moa Davida sy Jonatana no nihaona mangingina tany an-tsaha, ary inona no nitranga tamin’izay?
8 Nanjary tsy nilefitra intsony tamin’ny fahatapahan-keviny hamono hahafaty an’i Davida i Saoly mpanjaka. Vitany hatramin’ny nitora-defona an’i Jonatana zanany satria io nanatsara an’ilay nandositra. Koa nihaona mangingina tany an-tsaha Jonatana sy Davida. Izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Ary (...) Davida (...) niankohoka tamin’ny tany (...) sady niondrika intelo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’i Davida dia mafy loatra. Ary hoy Jonatana tamin’i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.” Avy eo dia nisaraka izy ireo, ary nandositra nankany amin’ny efitr’i Zifa i Davida. — 1 Samoela 20:41, 42.
9, 10. a) Inona no fampaherezana nomen’i Jonatana an’i Davida tamin’ny fihaonany azo inoana fa farany? b) Tamin’ny fahafatesan’i Jonatana sy Saoly novonoin’ny Filistina, hiram-pisaonana inona no noforonin’i Davida, ary ahoana no nifaranan’io hira io?
9 Tamim-pitiavana, dia nanohy nampahery an’i Davida i Jonatana. Izao no vakintsika: “Ary Jonatana, zanak’i Saoly, niainga, dia nankany amin’i Davida tany an-ala ka nampahery ny tànany tamin’Andriamanitra. Ary hoy izy tamin’i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’i Saoly raiko; fa hianao no ho mpanjaka amin’ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany. Ary nanao fanekena teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy.” — 1 Samoela 23:15-18.
10 Toa tamin’io andro io i Davida sy Jonatana namany nahatoky no nifankahita farany. Tatỳ aoriana tokoa Jonatana sy Saoly dia maty tamin’ny filatsahana hiady tamin’ny Filistina. Tamin’izay fotoana izay i Davida dia namorona hira fisaonana, ny “Tsipìka”. Sady naneho ny fanajany an’i Saoly izay nekeny ho voahosotr’i Jehovah i Davida no namarana ny hirany tamin’izao teny mahafinaritra izao: “Endrey! lavo teo amin’ny ady ny mahery, voalefona teo amin’ny havoananao Jonatana. Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; mahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy. Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!” (2 Samoela 1:18, 21, 25-27). Taorian’izany dia nohosorana fanindroany Davida, tamin’io indray mandeha io dia mba ho mpanjakan’ny Joda.
Fifanitsiana amin’ny andro ankehitriny
11, 12. a) Nanome ohatra ny amin’ny karazam-pitiavana nanao ahoana moa Davida sy Jonatana? b) Nampiseho inona moa ny fitiavana lalina nampiray an’i Davida sy Jonatana?
11 Koa satria “izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana”, lesona inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fitantarana momba an’i Davida sy Jonatana (2 Timoty 3:16)? Eny, ampianarina ao fa misy fitiavana “mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy”. Marina fa rehefa hajaina ireo lalàn’Andriamanitra momba ny fanambadiana, dia mety hahafinaritra sy hitondra soa be dia be “ny fitiavan’ny vehivavy” (Matio 19:6, 9; Hebreo 13:4). Kanefa, mbola nanome ohatra ny amin’ny karazam-pitiavana kanto kokoa ihany Davida sy Jonatana, mifandray amin’ity didy ity: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” — Deoteronomia 6:4, 5.
12 Tao anatin’ny firaisan-tsaina, dia naneho izany fitiavana izany Davida sy Jonatana tamin’ny fiadiana mba hanasa ny anaran’i Jehovah tamin’ny fanalam-baraka rehetra natototr’ireo fahavalony azy. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia namboly ‘fifankatiavana tsara’ koa ireo lehilahy roa. (1 Petera 4:8.) Ny fisakaizana nananany tamin’izany dia nihoatra noho izay notakin’ny didy voasoratra ao amin’ny Levitikosy 19:18, manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Raha ny marina, izany fisakaizana izany dia tandindon’ny fitiavana noresahin’i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ireo mpianany izy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” Niharihary tamin’ny fitiavan’i Jesosy ny fahafoizan-tena, tsy noho izy nanaiky tanteraka ny sitrapon’i Jehovah fotsiny, fa noho izy vonona ny ‘hanolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany koa’. — Jaona 13:34; 15:13.
“Andiany” iray ihany tafaray
13. Antoko-mpitory ilay Fanjakana inona no niseho, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1935, ary inona no nampiray azy tamin’ny kristiana voahosotra?
13 Fahiny, ny “ondry vitsy” voaforon’ny kristiana voahosotra dia nizaka ny lehibe indrindra tamin’ny ady ho fanoherana an’i Goliata amin’ny andro ankehitriny. Kanefa, nanomboka tamin’ny 1935, dia nanampy azy ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ny “vala” hafa lehibe kokoa. Ireny “ondry hafa” ireny dia miaraka amin’ny sisa amin’ny “ondry” kristiana voahosotra mba tsy hahaforona miaraka aminy afa-tsy “andiany iray” eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’, dia “ny Zanak’i Davida”. Tafaray toy izany amin’ny fomba mahatalanjona ireny “ondry” rehetra ireny amin’ny alalan’ny fitiavana sahala amin’izay nampifamatotra an’i Davida sy Jonatana. — Lioka 12:32; Jaona 10:16; Ezekiela 37:24.
14. Inona no mifanitsy amin’ny fanandraman’i Saoly namono an’i Davida, ary tandindon’iza moa Jonatana rehefa niandany tamin-kalalaham-po tamin’i Davida?
14 Io antokon’olona io, nasehon’i Jonatana, dia nanomboka ho tonga olona betsaka rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany; tamin’izay ireo kristiana voahosotra sy ireo namany dia nandia fotoam-pitsapana mafy. Ny klerjy matetika no fototry ny fanenjehana tamin-kalozana nihatra tamin’izy ireny nandritra izany taona izany. Mifanitsy amin’izany ny fikendren’i Saoly hamono an’i Davida, voahosotr’i Jehovah, ary tatỳ aoriana Jonatana izay niandany tamin’i Davida tamim-pahalalaham-po. Endrey ny fitiavana lalina nifanehoan’i Davida sy Jonatana nandritra izany vanim-potoana izany! Matetika kokoa no nisy fahatanterahany ara-bakiteny ny fanoharana nataon’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 25:35-40a.
15. a) Amin’ny ahoana moa ny fitondrantenan’ny Vavolombelona no mifanohitra amin’ny an’ny kilasin’i Saoly? b) Inona moa amin’izao andro izao no angamba mifanitsy amin’ny “fanahy ratsy avy any amin’i Jehovah” nampihorohoro an’i Saoly?
15 Mifanohitra amin’ny fitondrantenan’ny kilasin’i Saoly ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifanaraka amin’ny didin’i Jesosy, ny Vavolombelona izay “tsy naman’izao tontolo izao” dia ‘mifankatia’ amin’ny tany manontolo (Jaona 15:17-19). Tetsy an-daniny, tao anatin’ireo ady lehibe roa dia nivavaka tamin’ny ‘andriamaniny’ ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tao amin’ny toby roa mba hahazoana fandresena raha mbola novonoin’ny mpiray finoana taminy any amin’ny tany hafa ny miaramila an-tapitrisany maro. Ny “fanahy ratsy avy tany amin’i Jehovah” nampahatahotra an’i Saoly dia mety hifanitsy amin’ny vokatry ny loza alefa amin’ny alalan’ny anjely amin’izao androntsika izao (Apokalypsy toko faha-8). Miharihary fa tsy manana ny fanahy masin’i Jehovah ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. — 1 Samoela 16:14; 18:10-12; 19:10; 20:32-34.
16. a) Tamin’ny fanararaotana ny tarehin-javatra noforonin’ny ady lehibe roa, ahoana moa no nampahorian’ny klerjy ny olon’i Jehovah? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa tao anatin’izao taona faramparany izao dia nanohy nanenjika ny olon’Andriamanitra Saoly amin’ny andro ankehitriny?
16 Tamin’ny 1918, ny klerjy dia nanararaotra ny toe-javatra tamin’ny ady mba hitaomana ny hery ara-politika amerikana hanakiana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower ary tamin’ny farany dia nampiditra azy ireo an-tranomaizina. (Nambara fa tsy nana-tsiny tanteraka ireny mpianatra ny Baiboly ireny tatỳ aoriana.) Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny faritry ny fanapahan’ny Axe sy tany amin’ny ankamaroan’ireo tany ao amin’ny Commonwealth. Matetika no natao ireny fandaharana ireny mba hanomezana fahafahampo ny fanerena nampiharin’ireo fivavahana; manaporofo izany ny kopian’ny soratra eo ambony, soratra nataon’ny arsevekan’i Sydney (ho tonga kardinaly atỳ aoriana) talohan’ny handrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia indrindra. Io fandaharana io, notoherina teo anoloan’ny fahefana ambony indrindra tao amin’ilay tany, dia nolazain’ilay mpitsara atao hoe Starke ho “jadona, feno haitraitra sy fampahoriana”. Nofoanana izy io tamin’ny 14 jona 1943, ary nomelohina handrotsaka onitra ny fitondram-panjakana. Vao haingana kokoa, tao amin’ny tany afrikana sy aziatika sasany nananan’ireo fivavahana hery, dia niharan’ny fampahoriana tsy mifaditrovana ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka izany, ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, Saoly amin’ny andro ankehitriny, dia manohy manenjika ny olon’Andriamanitra.
17. a) Inona moa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ireo fanafihana tsy ankijanona avy amin’ny faritra ara-politika sy ara-pivavahana? b) Noho izy ireo tafaray maneran-tany, fantatra ho iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?
17 Ahoana, nanomboka tamin’ny 1980, no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anoloan’ny fanafihana nihatra taminy mandrakariva avy amin’ny faritra ara-politika sy ara-pivavahana? Nanao tahaka an’i Davida teo anatrehan’i Goliata sy Saoly mpanjaka izy, tahaka an’i Jonatana teo anatrehan’ny rainy. Tsy nahatsapa tahotra velively izy ireny ary, tamin’ny raharaha momba ny fiandrianana, dia tapa-kevitra izy ireo ny tsy hivadika hatrany, satria fantany fa handresy ny Fanjakan’Andriamanitra (Daniela 2:44). Miray hina izy ireo eo anoloan’ny fanenjehana ary mifampahery, tafakambana maneran-tany, amin’ny alalan’ny fitiavana izay mahagaga izao tontolo izao. Noho ny fialanalanany, amin’ny fotoan’ny ady dia tsy mandatsaka ny ran’ireo iray finoana aminy any amin’ny tany hafa izy (Mika 4:3, 5). Araka izany dia fantatra ho ireo olona noresahin’i Jesosy izy ireo rehefa nilaza izy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tafaray amin’ny firahalahiana maneran-tany, dia ‘nitafy fitiavana, satria ny fitiavana fatorana mampiray tanteraka’, fatorana mandrodana ireo fefy ara-pirazanana, ara-poko sy ara-pirenena. — Kolosiana 3:14, MN.
“Fitiavana lalina”
18. a) Inona moa no mifanitsy amin’ny fitiavan’i Jonatana an’i Davida amin’izao androntsika izao, ary inona no mampiseho izany? b) Inona moa no vokatry ny fitondrantena tsy azo tsinina nananan’ny kilasin’i Davida maneran-tany?
18 Aoka hotadidiantsika fa “raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy”. Misy mifanitsy amin’izany fitiavana izany miavaka tokoa, hita atỳ “am-parany”! (2 Timoty 3:1, 14.) Eo am-pamakivakiana ny tabataban-kadalan’ny fotoan’ny herisetra, dia ny antokon’ny Vavolombelon’i Jehovah no hany tafaray hatrany maneran-tany ao amin’ny fitiavana. Koa satria kristiana izy ireny, noho izany dia mialanalana, dia manome voninahitra ny Mpamorona ny Vavolombelona amin’ny fanekena azy ho Mpanjaka Tompon’ny olombelona rehetra (Salamo 100:3). Marina fa mbola mety hihaika ny Isiraely ara-panahy ihany ny Refaïta amin’ny andro ankehitriny, havana ara-politikan’i ‘Goliata’ (2 Samoela 21:21, 22); ary mety hanohy hamorona fahasahiranana ho an’ny kilasin’i Davida sy Jonatana ny Saoly amin’ny andro ankehitriny, dia ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana (1 Samoela 20:32, 33). ‘An’i Jehovah anefa ny ady’. Noho izy Mpanjaka Tompo, dia hahazo ny fandresena farany ho an’ireo mpanompony mahatoky izy. Rehefa mahamarika ny fitondrantena tsy azo tsinin’ny kilasin’i Davida ny olona an-tapitrisany maro eo amin’izao tontolo izao, anisan’izany ny mpanenjika taloha, dia tonga manatevin-daharana ny kilasin’i Jonatana, ka miaraka amin’izany amin’ny kilasin’i Davida eo ambany ‘fanevan’ny fitiavan’i Kristyb. — 1 Samoela 17:47; Tonon-kiran’i Solomona 2:4.
19, 20. a) Inona moa no tarehi-marika miavaka momba ny asan’ny Vavolombelona hita ao amin’ny tabilao ao amin’ny pejy faha-4 ka hatramin’ny faha-7? b) Nanao ahoana ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelona tao anatin’ny folo taona, 1979-1988? d) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mahaforona vahoaka tena tafaray maneran-tany ny Vavolombelona? Inona àry no fanontaniana avy amin’izany?
19 Hahazo an-tsaina ny amin’ny asa mitombo hatrany ataon’ireny Vavolombelona an-tapitrisany maro ireny ianao amin’ny fijerena ny tabilao hita ao amin’ny pejy faha-4 ka hatramin’ny faha-7. Nandritra ny folo taona, 1979-1988, ny isan’ny mpitory ny vaovao tsara anambarana ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina, dia tafakatra ho 3 592 654 ilay 2 186 075, ka izany dia mampiseho fitomboana 64,3%. Ireny olona ireny dia mahaforona eo amin’izao tontolo izao vahoaka tena tafaray; mitovy zavatra inoana tokoa izy ireo, manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba mitovy ary samy mifikitra amin’ny fomba tsy azo ravana amin’ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly. Ao amin’io fandaminana tafaray akaiky maneran-tany io no mihatra amin’izao androntsika izao ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.” — Jaona 15:10; jereo 1 Korintiana 1:10.
20 Na dia mitory amin’ny fiteny 200 mahery aza ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny dia miresaka amin’ny ‘fiteny madion’ny’ fahamarinana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra “amin’ny firaisan-kina”. Amin’izany no anahafany ny fitiavan’i Davida sy Jonatana (Zefania 3:9, MN; 1 Samoela 20:17; Ohabolana 18:24). Raha mbola tsy tafaray amin’ny olon’Andriamanitra ianao, moa ve tsy ho tianao ny ho anisan’ny kilasin’i Jonatana amin’ny andro ankehitriny? Ataovy zava-kendrenao izany, ka amim-pitiavana lalina, dia hanampy anao hanatratra izany ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy ohatra tsara omena antsika ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1972, manomboka eo amin’ny pejy faha-216, fehintsoratra faha-2, ka hatreo amin’ny pejy faha-217, fehintsoratra faha-2.
b Jereo Annuaire des Témoins de Jéhovah 1988, pejy faha-150 ka hatramin’ny faha-154.
[Famerenana]
◻ Tamin’ny fomba ahoana moa no nampisehoan’i Jonatana ny fitiavany an’i Davida tamim-pahatokiana?
◻ Tandindon’ny karazam-pitiavana inona moa ny fitiavana nampifamatotra an’i Davida sy Jonatana?
◻ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa nanao tahaka an’i Saoly mpanjaka ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana rehefa nanenjika an’i Davida?
◻ Inona moa amin’izao andro izao no azo ampitahaina amin’ny fitiavan’i Jonatana an’i Davida?
◻ Mampiseho inona moa ny firaisan-tsaina hita hatraiza hatraiza maneran-tany eo amin’ny Vavolombelona?
[Efajoro, pejy 27]
St. Mary’s Cathedral
Sydney
August 20, 1940.
The Rt. Hon. W. M. Hughes, M.H.R.,K.C.,
Attorney General,
CANBERRA.
Dear Mr Hughes:
[DIKANY]
Tiako ny milaza aminao ny fankasitrahako noho ny taratasinao tamin’ny fahasivin’ny volana teo, momba ny fitarainana nentin’Atoa Jennings teo aminao.
Irina avy hatrany tokoa ny hiheveranao indrindra ireny fitarainana ireny izay mahakasika raharaha sarotra tahaka ireny.
Raha somary very hevitra anefa ianao satria milaza tena ho mampiely ny fampianaran’ny kristianisma ireny olona ireny, dia manasa anao amim-panajana tokoa aho mba hitsara ny asan’izy ireny, tsy araka izay lazainy, fa araka ny zava-misy. Raha ny amin’ny zava-misy, dia alefako aminao ny zavatra nosoratany, ny teniny sy ny asany, voamarin’ny polisin’i Nouvelle-Galles Atsimo. Sarotra ny haka sary an-tsaina zavatra lavitra kokoa ny kristianisma noho ireo.
Ny lehiben’ny polisim-panjakana dia maneho faniriana ny hahita ireo manam-pahefana ao amin’ny Commonwealth manambara fa tsy ara-dalàna io fikambanana resahina io, mba hahafahan’ireo sampan-draharahan’ny polisy miady aminy amin’ny fomba mandaitra kokoa.
With every good wish, I remain,
Yours faithfully,
ARCHBISHOP OF SYDNEY.