Fandresena ny Ratsy
“NAHOANA no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra hianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.” I Abisay, lehiben’ny tafika isiraelita, no nanao io fangatahana io. Izany fahatezerana izany no nasetriny, rehefa reny fa niteny ratsy tamim-pankahalana an’i Davida Mpanjaka, tompony, i Simey, avy amin’ny fokon’i Benjamina. — 2 Samoela 16:5-9.
Nanaiky ho resin’ny fomba fisaina be mpanaraka ankehitriny i Abisay, dia ny fitsipika hoe valio amin’ny ratsy ny ratsy. Eny, nirin’i Abisay ny hanao izay hijalian’i Simey noho ny ompa vary raraka nataony tamin’i Davida.
Ahoana anefa no fihetsik’i Davida? Nisakana an’i Abisay i Davida tamin’ny filazana hoe: “Avelao ihany izy”. Na dia tsy marina aza ny fiampangan’i Simey azy, dia nanetry tena i Davida ka nanohitra ny fakam-panahy hamaly faty. Navelany ho eo am-pelatanan’i Jehovah kosa ilay raharaha. — 2 Samoela 16:10-13.
Rehefa niverina teo amin’ny seza fiandrianana i Davida, taorian’ny nandosirany ny fikomiana nandamòka nataon-janany lahy, dia i Simey no anisan’ireo voalohany niarahaba azy sy nangata-pamelana. Naniry ny hamono an’i Simey indray i Abisay, saingy mbola tsy navelan’i Davida hanao izany ihany izy. — 2 Samoela 19:15-23.
Hita fa sary mety tsara hampisehoana an’i Jesosy Kristy i Davida tamin’io toe-javatra io. Izao tokoa mantsy no nosoratan’i apostoly Petera momba an’i Jesosy: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva (...), fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”. — 1 Petera 2:23.
Amin’izao andro izao, ny Kristianina dia anarina mba ‘hanetry tena, sy tsy hamaly ratsy ny ratsy’. (1 Petera 3:8, 9). Amin’ny fanarahana ny lalam-pitondran-tenan’i Davida sy i Jesosy Kristy, dia afaka ‘mandresy ny ratsy amin’ny soa’ koa isika. — Romana 12:17-21.