Tahafo ny Finoan’izy Ireo:
Nampahery Azy Andriamanitra
NIHAZAKAZAKA mafy ho any Jezirela i Elia. Avy be ny orana, sady vao mainka nihamainty ny lanitra, nefa mbola lavitra ny lalana sady izy efa antitra. Tsy reraka mihitsy anefa izy, satria ‘nomba azy ny tanan’i Jehovah.’ Tsy mbola nahatsiaro ho natanjaka be hoatran’izany mihitsy izy hatrizay niainany. Na ireo soavaly nitarika ny kalesin’i Ahaba Mpanjaka aza resiny.—1 Mpanjaka 18:46.
Efa nihoaran’i Elia lavitra be i Ahaba ary mbola lavitra ny lalany. Alao sary an-tsaina ange e! Nivatravatra ny orana ka nifafy teny amin’ny tarehiny. Sady nihazakazaka izy no nieritreritra an’ilay zava-nitranga niavaka indrindra teo amin’ny fiainany. Nahazo fandresena lehibe i Jehovah Andriamaniny sy ny fivavahana marina tamin’izay. Nampiasain’i Jehovah tamin’ny fomba niavaka mantsy izy tany amin’ny Tendrombohitra Karmela, mba hanafoana ny fivavahana tamin’i Bala. Mpaminanin’i Bala an-jatony àry no hita hoe mpamitaka ka novonoina. Nivavaka tamin’i Jehovah i Elia avy eo mba hitsaharan’ilay hain-tany efa naharitra telo taona sy tapany, ka avy ny orana.a Tsy tazany intsony ilay tendrombohitra, satria efa takon’ny rahona mainty sady izy koa efa lasa lavitra.—1 Mpanjaka 18:18-45.
Nanavatsava an’ilay lalana 30 kilaometatra nankany Jezirela tao anaty orana i Elia. Mety ho nieritreritra izy tamin’izany fa hiova amin’izay ny toe-javatra, satria efa ringana ny mpaminanin’i Bala. Nanatri-maso an’izany i Ahaba ka tokony hiova amin’izay. Tsy tokony hivavaka amin’i Bala intsony izy, raha ny tokony ho izy, ary hifehy an’i Jezebela vadiny. Tsy tokony hanenjika ny mpanompon’i Jehovah intsony koa izy ireo.
Ara-dalàna raha velom-panantenana isika rehefa mandeha araka ny aniriantsika azy ny zava-drehetra. Mety hieritreritra isika fa hihatsara amin’izay ny fiainantsika, ka na ny olana lehibe indrindra aza ho voavaha. Tsy mahagaga raha nieritreritra toy izany koa i Elia, satria “nanana fihetseham-po toa antsika ihany” izy. (Jakoba 5:17) Mbola nanana olana anefa izy raha ny marina. Tao anatin’ny ora vitsy monja dia natahotra be sy kivy tanteraka izy ka te ho faty mihitsy. Fa inona no nitranga? Ahoana no nanampian’i Jehovah an’io mpaminaniny io hanana finoana sy herim-po indray?
Fiovana tsy nampoizina
Mba niova ve i Ahaba ka lasa natahotra an’Andriamanitra rehefa tonga tany amin’ny lapany tany Jezirela? Hoy ny 1 Mpanjaka 19:1: “Nolazain’i Ahaba tamin’i Jezebela daholo ny nataon’i Elia, sy ny namonoan’i Elia ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.” Mariho fa tsy niresaka an’i Jehovah, Andriamanitr’i Elia, mihitsy i Ahaba. Nolazainy kosa hoe “nataon’i Elia” ilay fahagagana, satria nijery an’ilay izy araka ny fomba fihevitr’olombelona izy. Tsy mba nandray lesona àry izy ka tsy nanaja an’i Jehovah. Inona no nataon’i Jezebela rehefa nandre izany?
Romotry ny hatezerana izy ka nandefa hafatra tany amin’i Elia hoe: “Hofaizin’ireo andriamanitra anie aho, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko sahala amin’ny ain’ny tsirairay amin’ireny ny ainao rahampitso toy izao!” (1 Mpanjaka 19:2) Tena nampahatahotra tokoa izany! Nivoady i Jezebela hoe tokony ho faty izy raha tsy matiny i Elia ho valin’ny namonoany an’ireo mpaminanin’i Bala. Alao sary an-tsaina i Elia natory tao amin’ny trano tsotsotra iray tao Jezirela, ary nivatravatra ny orana. Namoha azy ny irak’ilay mpanjakavavy mba hampita an’ilay hafatra nampahatahotra. Nanao ahoana re ny fihetseham-pony e?
Sady kivy no natahotra
Ho diso fanantenana i Elia raha nanantena fa efa ho vita ilay ady hamongorana ny fivavahana tamin’i Bala. Tsy nilavo lefona i Jezebela. Maro tamin’ireo mpaminany naman’i Elia no efa novonoin’i Jezebela, ka toa ho anjarany indray izao. “Natahotra” àry izy, hoy ny Baiboly. Efa azony sary an-tsaina ve fa hahatsiravina ny fomba hamonoan’i Jezebela azy? Azo antoka fa ho kivy be izy raha izany foana no noeritreretiny. Na izany na tsy izany anefa, dia “nandositra mba hamonjy ny ainy” izy.—1 Mpanjaka 18:4; 19:3.
Tsy vao i Elia irery no olona nanam-pinoana natahotra toy izany. Natahotra koa, ohatra, ny apostoly Petera, izay niaina ela be tatỳ aorian’i Elia, rehefa nasain’i Jesosy hankeny aminy sady handeha teo ambony rano. “Nahita ny tafio-drivotra” izy ka tsy nanana herim-po intsony ary nilentika. (Matio 14:30) Ianarantsika avy amin’izany fa tsy tokony hieritreritra foana an’izay zavatra mampahatahotra antsika isika, raha te hanana herim-po foana. Tokony hieritreritra foana an’ilay Mpanome fanantenana sy hery antsika kosa isika.
“Aoka izay!”
Natahotra loatra i Elia ka nandositra tany Beri-sheba, 150 kilaometatra nianatsimo andrefana, any akaikin’ny faritra atsimon’i Joda. Navelany teo ny mpanompony ary lasa izy nankany an-tany efitra. Nandeha “lalana indray andro” izy, ka mety ho niainga vao maraina be ary azo antoka fa tsy nitondra vatsy akory. Nanezakezaka namakivaky an’ilay tany efitra sy mikitoantoana izy, tamin’ny andro migaingaina, satria kivy sady natahotra. Tsy maintsy vizana be àry izy rehefa nihanilentika ny masoandro. Naka aina teo ambany anjavidy iray izy, satria io no zavatra akaiky indrindra azony nialokalofana tany amin’io tany ngazana io.—1 Mpanjaka 19:4.
Kivy be i Elia, ka nivavaka mba ho faty. Hoy izy: “Tsy tsara noho ny razako aho.” Fantany hoe efa vovoka ny razany ka tsy afaka nanampy ny hafa intsony. (Mpitoriteny 9:10) Nahatsiaro ho tsy nisy dikany toy izany àry izy, ka tsy te ho velona intsony ary nilaza hoe: “Aoka izay!”
Mahagaga àry ve raha misy mpanompon’Andriamanitra mba kivy koa? Be dia be ny mpanompon’Andriamanitra lazain’ny Baiboly hoe nalahelo be ka te ho faty mihitsy. Anisan’izy ireny i Rebeka, Jakoba, Mosesy, ary Joba.—Genesisy 25:22; 37:35; Nomery 11:13-15; Joba 14:13.
Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika izao. (2 Timoty 3:1) Tsy mahagaga àry raha olona maro no kivy be indraindray, eny fa na ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika aza. Manahafa àry an’i Elia rehefa kivy ianao, ka resaho amin’Andriamanitra izay rehetra ao am-ponao. I Jehovah mantsy no “Andriamanitry ny fampiononana rehetra!” (2 Korintianina 1:3) Nampionona an’i Elia tokoa ve anefa izy?
Nanohana ny mpaminaniny i Jehovah
Nangoraka i Jehovah rehefa nahita an’i Elia mpaminaniny nialoka teo ambanin’ilay hazo ary nangataka ny ho faty. Naniraka anjely izy rehefa resin-tory i Elia. Nikasika azy ilay anjely ka nilaza hoe: “Miarena ka mihinàna.” Niarina i Elia satria efa nataon’ilay anjely vonona teo ny sakafo tsotsotra sy mofo mafana ary rano. Mety ho tsy nisaotra akory anefa izy. Nihinana sy nisotro izy ary avy eo niverina natory. Kivy be angamba izy ka tsy te hiresaka. Nofohazin’ilay anjely fanindroany anefa izy, angamba rehefa nangiran-dratsy ny andro. Hoy ilay anjely: “Miarena, ka mihinàna fa mbola tena lavitra ny dia halehanao.”—1 Mpanjaka 19:5-7.
Fantatr’ilay anjely ny toerana halehan’i Elia satria efa nolazain’Andriamanitra azy. Fantany koa fa lavitra be ilay lalana ka tsy ho vitan’i Elia samirery. Tena mampahery ny hoe fantatr’ilay Andriamanitra tompointsika ny zavatra tiantsika hatao sy izay fara herintsika. Mahalala izany tsara noho isika mihitsy aza izy. (Salamo 103:13, 14) Nanatanjaka an’i Elia àry ve ilay sakafo?
Hoy ny 1 Mpanjaka 19:8: “Niarina i Elia ka nihinana sy nisotro, ary nahazo hery avy tamin’izany ka nanohy ny diany efapolo andro sy efapolo alina, ary tonga hatrany Horeba, tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.” Tsy nisakafo 40 andro sy 40 alina i Elia, toy ny nataon’i Mosesy izay niaina 600 taona teo ho eo talohany sy Jesosy izay niaina efa ho 1 000 taona taoriany. (Eksodosy 34:28; Lioka 4:1, 2) Tsy nanala ny zava-drehetra nanahirana an’i Elia ilay sakafo, kanefa nanome hery azy tamin’ny fomba nahagaga. Eritrereto tokoa ange e! Efa ho iray volana sy tapany io lehilahy antitra io no niady mafy nanavatsava an’ilay tany efitra.
Manohana ny mpanompony koa i Jehovah ankehitriny. Tsy manao fahagagana izy ka manome sakafo, fa manome izay tena ilaina dia sakafo ara-panahy. (Matio 4:4) Hifandray akaiky amin’Andriamanitra foana isika raha mianatra momba azy ao amin’ny Teniny sy ireo boky aman-gazety ara-baiboly. Mety tsy hamaha ny zava-manahirana antsika rehetra ireny sakafo ara-panahy ireny, kanefa hanampy antsika hiaritra na dia amin’ny toe-javatra sarotra indrindra aza. Hahazoantsika “fiainana mandrakizay” koa izany.—Jaona 17:3.
Nandeha 320 kilaometatra i Elia vao tonga tany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Tany i Jehovah no niseho tamin’i Mosesy, tamin’ny alalan’ny anjely, tao anaty voaroy nirehitra. Tany koa no nanaovany an’ilay fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israelita, tatỳ aoriana. Tao anaty lava-bato i Elia no natory rehefa tonga tany.
Nampionona sy nampahery ny mpaminaniny i Jehovah
Izao no “tenin’i Jehovah” tamin’ny alalan’ny anjely iray: “Inona no ataonao atỳ, ry Elia?” Tsara fanahy ilay anjely rehefa nanontany an’i Elia, ka namboraka ny tao am-pony izy hoe: “Tena nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho. Efa nivadika tamin’ny fifanekena nataonao mantsy ny zanak’Israely. Noravany ny alitaranao, ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpaminaninao, ka izaho irery sisa, nefa mbola mifofo ny aiko koa izy ireo.” (1 Mpanjaka 19:9, 10) Hita amin’izany fa zavatra telo, fara fahakeliny, no nampalahelo an’i Elia.
Voalohany, nihevitra i Elia hoe very maina ny ezaka nataony. Efa an-taonany maro izy no “nafana fo” be tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ary nihevitra ny anarany masina sy ny fanompoana azy ho zava-dehibe. Hoatran’ny vao mainka niharatsy anefa no fahitany ny zava-nisy. Mbola tsy nanam-pinoana sy nikomy ihany mantsy ny vahoaka ary mbola niely ihany ny fivavahan-diso. Faharoa, nahatsiaro ho irery i Elia, satria hoy izy: “Izaho irery sisa.” Toy ny hoe izy irery sisa no mpanompon’i Jehovah velona tao amin’ilay tany. Fahatelo, natahotra izy. Efa novonoina mantsy ny maro tamin’ireo mpaminany namany, ka nihevitra izy fa anjarany indray ny manaraka. Mety ho sarotra taminy ny namboraka ny fihetseham-pony, kanefa nataony izany fa tsy niavonavona izy na menatra. Tena tokony hanahaka azy koa ny olona tsy mivadika rehetra ka hamboraka amin’Andriamanitra izay ao am-pony.—Salamo 62:8.
Inona no nataon’i Jehovah rehefa natahotra i Elia? Nasainy nilaza tamin’i Elia ilay anjely mba hijoro teo am-bavan’ilay lava-bato. Nanaiky izy na dia tsy fantany akory aza izay hitranga. Nisy rivotra nifofofofo be tampoka avy eo. Mety ho nankarenin-tsofina be ilay izy, satria nahery be ka na ny tendrombohitra sy ny harambato aza nitresaka. Alao sary an-tsaina ange e! Sady nanakona ny masony i Elia no nitazona ny akanjony matevina vita tamin’ny volom-biby, rehefa nifofofofo be ilay rivotra. Niezaka mafy koa izy mba tsy hianjera, satria nisy horohoron-tany teo amin’ilay faritra. Efa saika maty izy tamin’izany nefa mbola nisy afo be koa nandalo, ka voatery niverina tao amin’ilay lava-bato izy mba tsy ho may.—1 Mpanjaka 19:11, 12.
Mampahatsiahy antsika ilay fitantarana fa tsy tao amin’ilay rivo-mahery na ilay horohoron-tany na ilay afo i Jehovah. Fantatr’i Elia fa tsy andriamanitry ny natiora sy noforonin’ny saina fotsiny toa an’i Bala i Jehovah. Antsoin’ireo mpivavaka amin’i Bala hoe “mpitaingina rahona” na mpitondra orana, ohatra, io andriamaniny io. Avy amin’i Jehovah ny hery rehetra ananan’ny zavaboary, ary lehibe lavitra noho ny zavatra noforoniny rehetra izy. Na io lanitra ara-bakiteny io aza tsy omby azy. (1 Mpanjaka 8:27) Nahoana izany no nanampy an’i Elia? Tadidio fa natahotra an’i Ahaba sy Jezebela izy. Tsy nisy tokony hatahorany intsony anefa satria nomba azy i Jehovah, ilay Andriamanitra faran’izay mahery.—Salamo 118:6.
Naheno “feo malefaka sy iva” avy eo i Elia rehefa lasa ilay afo. Nahatonga azy hamboraka ny tao am-pony indray izany.b Vao mainka koa angamba izany nanamaivana azy. Tsy nanahy intsony i Elia rehefa nandre izay nolazain’ilay “feo malefaka sy iva.” Nomen’i Jehovah toky i Elia fa tena sarobidy izy. Nilaza taminy Andriamanitra fa mikasa ny hanafoana ny fivavahana amin’i Bala ao Israely. Tsy niasa maina àry i Elia, satria efa nandray anjara tamin’izany ihany izy. Mbola hanohy hanatanteraka ny fikasany Andriamanitra, ary mbola handray anjara amin’izany i Elia. Nasain’i Jehovah niverina nanao ny asany mantsy izy, ary nomeny toromarika mazava tsara momba izany.—1 Mpanjaka 19:12-17.
Nampian’i Jehovah koa i Elia mba tsy hahatsiaro ho irery intsony. Voalohany, nasain’i Jehovah nanosotra an’i Elisa ho mpaminany izy mba handimby azy any aoriana any. Lasa naman’i Elia sy mpanampy azy nandritra ny taona maro i Elisa. Tena nampahery azy tokoa izany. Faharoa, nilaza an’izao vaovao tsara izao i Jehovah : “Mbola misy fito arivo navelako any Israely, dia ny lohalika rehetra tsy nandohalika tamin’i Bala, sy ny vava rehetra tsy nanoroka azy.” (1 Mpanjaka 19:18) Tsy irery mihitsy àry i Elia. Azo antoka fa faly be izy naheno fa mbola nisy olona an’arivony tsy nivadika sy tsy nivavaka tamin’i Bala. Tokony hanohy ny fanompoany sy tsy hivadika mihitsy i Elia, mba ho modely ho azy ireo tamin’ilay fotoan-tsarotra. Azo antoka fa faly be i Elia rehefa naheno an’ireo teny nampilazain’i Jehovah an’ilay anjeliny, na ilay “feo malefaka sy iva” avy amin’Andriamaniny.
Mety ho gaga toa an’i Elia isika rehefa mahita ny hery lehibe ananan’ny zavaboary. Hita avy amin’izy ireny mantsy fa tena mahery ny Mpamorona. (Romanina 1:20) Mbola te hampiasa an’io heriny lehibe io ihany i Jehovah mba hanampiana ny mpanompony tsy mivadika. (2 Tantara 16:9) Ny Teniny, dia ny Baiboly, anefa izao no tena ampiasainy mba hiresahana amintsika. (Isaia 30:21) Toy ilay “feo malefaka sy iva” àry ny Baiboly, satria amin’ny alalan’izy io i Jehovah no mitarika sy manitsy ary mampahery antsika. Omeny toky koa isika ao hoe tena tiany.
Nanaiky ny hampaherezin’i Jehovah i Elia tamin’izy tany amin’ilay Tendrombohitra Horeba. Vonona hiasa indray mantsy io mpaminany io, ka lasa sahy indray sady tsy nivadika ary vonona hanao zavatra mba hanoherana ny fivavahan-diso. Hanana finoana toa an’i Elia àry isika raha misaintsaina ny tenin’Andriamanitra, na ny “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”: “Lehilahy Niaro ny Fivavahana Madio” sy “Niandry Izy Sady Niambina Hatrany”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy 1 Aprily 2008.
b Mety ho feon’ilay anjely nasaina nilaza ny “tenin’i Jehovah” ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:9 ihany io “feo malefaka sy iva” io. Milaza anefa ny andininy 15 hoe i “Jehovah” no niteny. Midika izany fa solontenany io anjely io. Mety ho izy io ilay anjely nampiasain’i Jehovah hitarika ny Israelita, tamin’izy ireo tany an-tany efitra. Hoy mantsy i Jehovah momba azy io: “Ao aminy ny anarako.” (Eksodosy 23:21) Tsy hitompo teny fantatra amin’izany isika. Na izany aza dia fantatsika fa nantsoina hoe “ny Teny” i Jesosy talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany, satria nasain’i Jehovah hitondra ny teniny.—Jaona 1:1.
[Sary, pejy 19]
Tena nitahy an’i Elia i Jehovah, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra
[Sary, pejy 20]
Namboraka an’izay tao am-pony tamin’i Jehovah i Elia rehefa kivy be
[Sary, pejy 21]
Nampiasa ny heriny lehibe i Jehovah mba hampaherezana an’i Elia