Manohana ny Fanompoanao ny Fandaminan’i Jehovah
“Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina”. — APOKALYPSY 14:6.
1. Ahoana no nizahan-toetra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana izy ireo no tafita soa aman-tsara tamin’izany?
NAHOANA no tena zava-dehibe ny hahatakarana ny anjara asan’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, eo amin’ny fanohanana ny fanompoana kristianina? Ho afaka nanatontosa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra nanerana ny tontolo iray mitsangan-ko fahavalony ve ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy teo ny fanohanan’ireo tafik’i Jehovah any an-danitra? Ireo Vavolombelona dia nanao izany fitoriana izany nandritra ny taonjato iray nisian’ny fanindrahindram-pirenena tafahoatra sy ny rafitra ara-politika tsy refesi-mandidy, sy ireo ady lehibe, ary ny fahoriana maro samihafa. Nentina namely ny Vavolombelona ny sakana iraisam-pirenena toy ny fitsarana an-tendrony sy ny fiangarana ary ny fanenjehana, izay mazàna no feno herisetra. Ho afaka ny ho tafita soa aman-tsara tamin’izany ve izy ireo raha tsy teo ny fanampian’i Jehovah? — Salamo 34:7.
Tafita soa aman-tsara na dia teo aza ny fanoherana maneran-tany
2. Inona no fitoviana misy eo amin’ny Kristianina marina tamin’ny taonjato voalohany sy ny amin’izao andro izao?
2 Tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ, ireo fahavalo, na ara-pivavahana izany na ara-politika, dia nampipoitra izao vato misakana rehetra izao, na araka ny lalàna izany na tamin’ny fomba hafa, mba hiezahana hanakana na hanafoana ny asan’i Jehovah. Ireo rahalahy sy anabavy kristianina dia nenjehina, naseho tamin’ny fomba diso, nalam-baraka, sy nendrikendrehina — nisy maro novonoina ho faty mihitsy aza. Noho ny fambosian’ny mpitondra fivavahana ao amin’i Babylona Lehibe mazàna no nahatonga izany. Toy izay nitranga tamin’ny Kristianina tany am-boalohany, dia azo atao ny milaza fa “ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny”. Tsy misy hafa amin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Kristy izay nanao izay ho afany tokoa mba hampitsaharana ny fanompoan’i Jesosy, dia niezaka hanakana ilay asa fitoriana sy fampianarana lehibe ataon’ny vahoakan’i Jehovah koa, ireo mpitondra fivavahana sy mpivadi-pinoana, miaraka amin’ireo sakaiza ratsiny ara-politika. — Asan’ny Apostoly 28:22; Matio 26:59, 65-67.
3. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tsy fivadihan’i Henryka Żur?
3 Raiso ho ohatra izay nitranga tany Polonina tamin’ny 1 Martsa 1946. I Henryka Żur, zazavavy 15 taona, izay Vavolombelona avy ao akaikin’i Chełm, dia niaraka tamin’ny rahalahy Vavolombelona hafa iray, mba hitsidika olona liana tany amin’ny vohitra iray teny akaiky teny. Nisy mpikambana tao amin’ny andia-miaramila katolika iray antsoina hoe Narodowe Siły Zbrojne (Tafi-panjakana), nisambotra azy ireo. Nokapohina mafy ilay rahalahy, kanefa tsy maty fo aman’aina. Tsy toy izany kosa anefa i Henryka. Nampijalijalina tamin’ny fomba nampihoron-koditra nandritra ny ora maro izy, raha niezaka nanery azy hanao mariky ny lakroa katolika izy ireo. Hoy ny iray tamin’ireo mpampijaly azy: ‘Eritrereto anakampo izay tianao hoeritreretina, fa manaova “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka” fotsiny. Raha tsy izany, dia ny bala no miandry anao!’ Nampihozongozona ny tsy fivadihany ve izany? Tsia. Nitaritarika azy ho any amin’ny ala iray teo akaiky teo ireo mpivavaka kanosa ary nitifitra azy. Nandresy anefa izy na dia izany aza! Tsy nahavita nandrava ny tsy fivadihany izy ireo.a — Romana 8:35-39.
4. Ahoana no niezahan’ireo ankolafiny ara-politika sy ara-pivavahana nanafoana ny asa fitoriana ilay Fanjakana?
4 Nandritra ny zato taona mahery, dia nentina tamin-kalozana sy tamin’ny fomba tsy nisy fanajana ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny. Koa satria tsy anisan’ireo fivavahana lehibe fananan’i Satana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy maniry rahateo ho toy izany, dia heverina ho remby mora azon’izay rehetra mpitsikera mitsara an-tendrony sy mpanohitra mafana fo tafahoatra, izy ireo. Nanafika azy ireo tamin-kabibiana ireo ankolafiny ara-politika. Vavolombelona maro no maty maritiora noho ny finoany. Na dia ireo fanjakana milaza azy ho demokratika aza, dia niezaka hanakana ny fitoriana ny vaovao tsara. Efa hatramin’ny 1917, tany Kanada sy tany Etazonia, dia nampangaina ho nanongam-panjakana ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelona tamin’izany, ka ny mpitondra fivavahana no rangory fototry ny afo nahatonga izany. Naiditra am-ponja tsy ara-drariny ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower, ka tatỳ aoriana vao nafahana madiodio. — Apokalypsy 11:7-9; 12:17.
5. Teny inona no loharanom-pampaherezana ho an’ny mpanompon’i Jehovah?
5 Nampiasa ny fomba rehetra nisy teo am-pelatanany i Satana mba hiezahana hampitsahatra ny asa fitoriana ataon’ireo rahalahin’i Kristy sy ireo namany tsy mivadika. Araka ny asehon’ny zava-nitranga maro be anefa, dia tsy nahatampim-bava ny Vavolombelon’i Jehovah na ny rahom-bava, na ny fampitahorana, na ny herisetra ara-batana, na ny fonja, na ny toby fitanana, ary na dia ny fahafatesana aza. Ary izany no izy nandritra ny tantara manontolo. Imbetsaka no loharanom-pampaherezana ireto tenin’i Elisa ireto: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Ny antony iray dia satria maro an’isa kokoa ireo anjely mahatoky, raha oharina amin’ny vahoakan’ny Devoly sesehena! — 2 Mpanjaka 6:16; Asan’ny Apostoly 5:27-32, 41, 42.
Mitahy ny fitoriana amin-jotom-po i Jehovah
6, 7. a) Inona avy no ezaka natao tany am-boalohany mba hitoriana ny vaovao tsara? b) Fiovana nahasoa inona no nitranga nanomboka tamin’ny 1943?
6 Tao anatin’ny taonjato faha-20, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampiasa zavatra maro nentin’ny fandrosoana teo amin’ny teknôlôjia mba hanitarana sy hanafainganana ilay asa fitoriana lehibe, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Tamin’ny 1914, ny Pastora Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, dia nampandroso ny fampiasana aloha be sary diapositive sy sarimihetsika, nampiarahina tamin’ny fanazavana ara-baiboly nalefa tamin’ny grafofaonina. Tao anatin’ny fampisehoana ara-baiboly iray naharitra adiny valo, nantsoina hoe “Photo-Drame de la création”, no nanaovana izany. Nahatalanjona ny mpijery tany amin’ny tany maro izy io tamin’izany fotoana izany. Tatỳ aoriana, tamin’ireo taona 1930 sy 1940, ireo Vavolombelona dia nanjary fantatra tamin’ny fitoriany isan-trano niaraka tamin’ny grafofaonina fitondra mandeha. Lahateny ara-baiboly nataon’i J. F. Rutherford, prezidà faharoan’ny Fikambanana, no noraisana feo ka nampiasaina tamin’izany.
7 Tamin’ny 1943, dia nisy dingana iray feno fahasahiana natao, teo ambany fitarihan’i Nathan H. Knorr, prezidà fahatelon’ny Fikambanana, fony notapahina ny hevitra fa hatsangana ny sekoly iray ho an’ireo mpanompo ao anatin’ny kongregasiona rehetra. Ireo Vavolombelona dia hampiofanina mba hitory sy hampianatra isan-trano, tsy misy fampiasana feo noraisina alefa amin’ny grafofaonina. Nanomboka tamin’izay, dia nisy sekoly hafa nalamina mba hampiofanana misionera, mpisava lalana manompo manontolo andro, loholon’ny kongregasiona, sy mpiandraikitra ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Inona no vokany?
8. Ahoana no nampisehoan’ny Vavolombelona finoana lehibe tamin’ny 1943?
8 Tamin’ny 1943, teo antenatenan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy nisy afa-tsy 129 000 ny Vavolombelona narisika, tany amin’ny tany 54. Na dia izany aza, dia nanana finoana sy fahatapahan-kevitra izy ireo fa ho tanteraka alohan’ny hahatongavan’ny farany ny Matio 24:14. Niaiky izy ireo fa hataon’i Jehovah aloha izay hahavita ny fanambarana ilay hafatra fampitandremana tena lehibe, alohan’ny hitrangan’ireo fisehoan-javatra hifampitohitohy izay hamarana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. (Matio 24:21; Apokalypsy 16:16; 19:11-16, 19-21; 20:1-3). Novalian-tsoa ve ny fiezahan’izy ireo?
9. Zava-misy inona avy no mampiseho fa niroborobo ny asa fitoriana?
9 Ankehitriny dia tany 13, fara fahakeliny, no manana Vavolombelona marisika mihoatra ny 100 000 avy. Tany anjakan’ny Eglizy Katolika ny maromaro amin’izy ireo. Jereo anefa ny toe-javatra. I Brezila dia manana mpitory ny vaovao tsara 450 000 eo ho eo, ary maherin’ny 1 200 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1997. Ohatra hafa iray i Meksika, izay misy Vavolombelona efa ho 500 000 ary maherin’ny 1 600 000 no nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Raha ny amin’ny tany katolika hafa, dia eo i Italia (Vavolombelona 225 000 eo ho eo), i Frantsa (tokony ho 125 000), i Espaina (maherin’ny 105 000), ary i Arzantinina (maherin’ny 115 000). Any Etazonia, izay anjakan’ny fivavahana protestanta sy katolika ary jiosy, dia misy Vavolombelona 975 000 eo ho eo, ary maherin’ny 2 000 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Vahoaka betsaka tokoa no mitanjozotra miala avy ao Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, mbamin’ireo fampianarany mifono zava-miafina, ka mitodika any amin’ireo fampanantenana tsotra sy azo antoka omen’Andriamanitra, dia ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. — 2 Petera 3:13; Isaia 2:3, 4; 65:17; Apokalypsy 18:4, 5; 21:1-4.
Fanaovan-javatra mifanaraka amin’izay ilain’ny olona
10. Ahoana no niovan’ny tarehin-javatra tany amin’ny faritra sasany?
10 Maro amin’ireo izay nitodika tany amin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy no hita tamin’ny isan-trano. (Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 20:20). Nisy fomba hafa koa anefa nampiasaina. Niova ny toe-javatra, ary sarotra dia sarotra ny fiainana ka vehivavy maro ankehitriny no miasa any ivelan’ny tokantrano. Mazàna, mandritra ny herinandro, dia olona vitsy no hita ao an-trano. Noho izany, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izany toe-javatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Toa an’i Jesosy sy ireo mpianatra tany am-boalohany, dia amin’izay toerana sy fotoana ahitana olona no andehanan’izy ireo. — Matio 5:1, 2; 9:35; Marka 6:34; 10:1; Asan’ny Apostoly 2:14; 17:16, 17.
11. Aiza no itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, ary manao ahoana ny vokany?
11 Manao ny dingana voalohany ny Vavolombelona ka mitory amim-pahamalinana amin’ny olona, any amin’ireo parking midadasika, tsena, orinasa sy birao ary fandraharahana, sekoly, paositry ny polisy, fivarotan-dasantsy, hotely fatoriana sy fisakafoana, ary eny amin’ny arabe. Raha ny marina, dia mitory any amin’izay toerana rehetra ahitana olona izy ireo. Ary rehefa ao an-tranony ny olona, dia manohy mitsidika azy ireny any ireo Vavolombelona. Io fomba azo ampifanarahina amin’ny toe-javatra sy mihevitra ny zava-misy io dia niteraka fitomboana teo amin’ny fanelezana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Hita ireo olona toy ny ondry. Misy fampianarana Baiboly vaovao atomboka. Ilay asa fampianarana goavana indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona dia tanterahin’ny mpanompo miasa an-tsitrapo maherin’ny dimy tapitrisa sy sasany, ary ataony amin-jotom-po! Moa ve ianao manana ilay tombontsoa ho iray amin’izy ireo? — 2 Korintiana 2:14-17; 3:5, 6.
Inona no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah?
12. a) Ahoana no ampianaran’i Jehovah ny vahoakany? b) Manao ahoana ny vokatr’io fampianarana io?
12 Inona ny anjara asan’ilay fandaminana any an-danitra, ao anatin’izany rehetra izany? Naminany toy izao i Isaia: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). I Jehovah dia mampianatra an’io fianakavian’ny mpirahalahy tafaray maneran-tany io, amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso eto an-tany — any amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ireo fivoriambe. Firaisan-tsaina sy fiadanana no vokatr’izany. Ny fampianaran’i Jehovah dia namokatra olona miavaka, nampianarina hifankatia sy ho tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany, fa tsy hankahala ny mpiara-belona aminy, na aiza na aiza mety honenan’izy ireo ao anatin’itỳ tontolo misara-bazana sy voazarazara itỳ. — Matio 22:36-40.
13. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa misy fitarihan’anjely tafiditra amin’ny asa fitoriana?
13 Ny fitiavana no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanohy hitory na dia eo aza ny tsy firaharahana na ny fanenjehana. (1 Korintiana 13:1-8). Fantatr’izy ireo fa avy any an-danitra no itarihana ny asan’izy ireo mamonjy aina, araka ny ambaran’ny Apokalypsy 14:6. Inona moa ilay hafatra torina eo ambany fitarihan’ny anjely? “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” Manandratra ny anaran’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. Ny olona dia asaina hanome voninahitra an’ilay Andriamanitra Mpamorona, fa tsy ny zavaboary sy ny evolisiona miankina amin’ny kisendrasendra. Ary nahoana no ilaina maika dia maika ny asa fitoriana? Satria tonga ny andro fitsarana — fanamelohana an’i Babylona Lehibe sy ireo lafiny hafa rehetra amin’ny fandehan-javatr’i Satana hita maso. — Apokalypsy 14:7; 18:8-10.
14. Iza avy no tafiditra amin’io ezaka manokana lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana io?
14 Tsy misy afa-miala amin’io asa fitoriana io rehefa Kristianina vita fanoloran-tena. Mitari-dalana eo amin’ny fitoriana miaraka amin’ny kongregasiona, ireo loholona ara-panahy. Revo tanteraka amin’ilay asa ireo mpisava lalana voaofana. Ireo mpitory be zotom-po mitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia mampiely ilay hafatra any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, na ora vitsivitsy monja na maro isam-bolana no azon’izy ireo itoriana. — Matio 28:19, 20; Hebreo 13:7, 17.
15. Inona ny zavatra iray manondro fa misy akony ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Nisy akony teo amin’izao tontolo izao ve izany ezaka rehetra izany? Ny porofo tsotra iray fa nisy akony izy io, dia ny hoe impiry impiry tokoa moa no nanasongadinana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo fandaharana ao amin’ny televiziona sy tamin’ireo lahatsoratra an-gazety. Izy ireny mazàna dia manasongadina ny fikirizantsika sy ny fahatapahan-kevitsika hanatratra ny olona rehetra. Eny, ny zotom-pontsika sy ny fahitana antsika eny foana, dia manaitra lalina ny saina, na dia mandà ilay hafatra sy ireo mpitondra azy io aza ny ankamaroan’ny olona!
Ny zotom-pontsika hamita ny fitoriana
16. Fihetsika manao ahoana ankehitriny no tokony haseho, ao anatin’ilay fotoana voafetra sisa tavela?
16 Tsy fantatsika hoe hafiriana ny fotoana sisa tavela ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ, no sady tsy ilaintsika ho fantatra rahateo izany, raha mbola madio koa ny antony manosika antsika hanompo an’i Jehovah. (Matio 24:36; 1 Korintiana 13:1-3). Tena fantatsika kosa anefa fa mba hampiharihariana ny fitiavan’i Jehovah sy ny heriny ary ny fitiavany ny rariny, dia tsy maintsy torina “aloha” ny vaovao tsara. (Marka 13:10). Noho izany, na firy taona na firy taona isika no mety ho efa niandry tamim-pahadodonana ny faran’itỳ tontolo ratsy sy tsy marina ary feno herisetra itỳ, dia tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika isika, arakaraka ny tarehin-javatra misy antsika. Mety ho zokiolona isika na marary, kanefa dia mbola afaka manompo an’i Jehovah amin-jotom-po ihany isika, dia ilay zotom-po nasehontsika fony isika tanora kokoa na salama kokoa. Angamba tsy afaka mandany fotoana betsaka toy ny taloha intsony isika eo amin’ny fanompoana, kanefa azo antoka fa azontsika atao ny mihazona ny hatsaran’ny fanati-piderantsika ho an’i Jehovah. — Hebreo 13:15.
17. Manomeza fitantarana iray mampahery izay mety hanampy antsika rehetra.
17 Noho izany, na tanora isika na antitra, dia aoka isika hampiseho zotom-po ka hampita ilay hafatra amin’ny olona rehetra hitantsika, dia ilay hafatra maha-be fanantenana momba ny tontolo vaovao. Aoka isika ho sahala amin’ilay zazavavy kely fito taona, saro-kenatra, any Aostralia, izay niaraka tamin-dreniny tany amin’ny fivarotana iray. Reny tany amin’ny Efitrano Fanjakana fa zava-dehibe ny hitorian’ny rehetra, koa nasiany bokikely ara-baiboly roa tao anaty kitapony. Raha mbola sahirana teo amin’ny toerana fandoavam-bola ilay reniny, dia tsy hita izay nalehan’ilay zazavavy kely. Rehefa nitady azy ilay reniny, dia io izy teo am-panolorana bokikely iray tamin’ny ramatoa iray! Nandeha teny ilay reniny mba hiala tsiny noho izay mety ho fanelingelenan-janany an’ilay ramatoa. Noraisin’ilay ramatoa tamin-katsaram-panahy anefa ilay bokikely. Rehefa niaraka nitokana amin’izay izy mianaka, dia nanontany azy ny amin’ny fomba nananany herim-po hanatonana olon-tsy fantatra ilay reniny. “Hoy fotsiny aho hoe: Iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa! Ary dia lasa aho!”
18. Ahoana no ahafahantsika mampiseho toe-tsaina mendri-piderana?
18 Isika rehetra dia mila manana toe-tsaina sahala amin’ny an’ilay zazavavy kely aostralianina, indrindra fa mba hitondrana ny vaovao tsara amin’olon-tsy fantatra na olona ambony mihitsy aza. Mety hatahotra ny holavina isika. Aoka isika tsy hanadino izay nolazain’i Jesosy, manao hoe: “Aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo; fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay mety holazainareo.” — Lioka 12:11, 12.
19. Manao ahoana ny fihetseham-ponao manoloana ny fanompoanao?
19 Koa mitokia amin’ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, rehefa mitondra amin-katsaram-panahy ny vaovao tsara any amin’ny olona ianao. Olona an-tapitrisany maro no mitoky amin’olon-tsy mendrika mazàna, dia amin-dehilahy sy vehivavy izay eo anio fa ho faty kosa rahampitso. Isika dia mitoky amin’i Jehovah sy ny fandaminany any an-danitra — dia i Kristy Jesosy sy ireo anjely masina ary ireo Kristianina voahosotra natsangana tamin’ny maty — izay velona mandrakizay! Tadidio àry fa “ny momba antsika dia be noho ny momba azy”! — 2 Mpanjaka 6:16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana ohatra hafa, dia jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1994 (frantsay), pejy faha-217-220.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no anjara asan’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, tamin’ny naha-tafita soa aman-tsara ny vahoakan’i Jehovah?
◻ Ankolafiny ara-politika sy ara-pivavahana iza avy no nanafika ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ?
◻ Ahoana no nanamboaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanompoany mba hifanaraka amin’ireo zavatra ilaina amin’izao fotoana izao?
◻ Inona no manosika anao hitory?
[Sary, pejy 17]
Henryka Żur
[Sary, pejy 18]
Japon
Martinika
Etazonia
Kenya
Etazonia
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory amin’ny olona, amin’izay toerana sy fotoana rehetra ahitana azy ireny
[Sary, pejy 20]
Tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nampiasaina mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana ny grafofaonina