LAHATSORATRA FIANARANA 27
“Aoka Ianao Hanantena An’i Jehovah”
“Aoka ianao hanantena an’i Jehovah; manàna herim-po ary hatanjaho ny fonao.”—SAL. 27:14.
HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany
HO HITANAO ATOa
1. a) Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika? b) Inona no dikan’ny hoe ‘manantena an’i Jehovah’? (Jereo ny “Fanazavana.”)
MAMPANANTENA zavatra tsara be ho an’izay rehetra tia azy i Jehovah. Tsy ho ela izy dia hanafoana ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana. (Apok. 21:3, 4) Hampiany hanova ny tany ho paradisa “ny mpandefitra” manantena azy. (Sal. 37:9-11) Hataony koa izay hahatonga antsika tsirairay hinamana be aminy, ary mihoatra lavitra noho ny amin’izao aza. Fanantenana tsara be izany! Nahoana isika no matoky hoe hotanterahin’Andriamanitra izany fampanantenany izany? Satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy izy. Afaka ‘manantena an’i Jehovah’ àry isika.b (Sal. 27:14) Manao an’izany isika rehefa manam-paharetana, sady faly eo am-piandrasana ny hanatanterahan’ilay Andriamanitsika ny fikasany.—Isaia 55:10, 11.
2. Inona no efa nataon’i Jehovah?
2 Efa nanaporofo i Jehovah hoe mitana ny teniny foana izy. Andao isika hijery ohatra iray miavaka. Nampanantena i Jehovah ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy fa hanangona olona avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra izy amin’izao androntsika izao, ary hataony miaraka manompo azy ry zareo. Antsoina hoe “vahoaka be” io antokon’olona miavaka io amin’izao. (Apok. 7:9, 10) Lehilahy sy vehivavy ary ankizy samy hafa firazanana sy fiteny ary fari-piainana ry zareo, nefa mihavana sy miray saina hoatran’ny fianakaviana iray. (Sal. 133:1; Jaona 10:16) Mazoto mitory koa io vahoaka be io. Manantena fiainana tsara kokoa ry zareo amin’ny hoavy, ary vonona foana hiresaka an’izany fanantenana izany amin’izay rehetra te hihaino. (Mat. 28:19, 20; Apok. 14:6, 7; 22:17) Raha anisan’io vahoaka be io àry ianao, dia azo antoka fa tena sarobidy aminao izany fanantenana izany.
3. Inona no tanjon’i Satana?
3 Tsy tian’ny Devoly hanana fanantenana intsony ianao. Tiany hino kosa ianao hoe tsy miraharaha anao i Jehovah sady tsy mitana ny teniny. Inona no ho vokany raha tratran’i Satana izany tanjony izany? Ho kivy ianao ary mety tsy hanompo an’i Jehovah intsony aza. Izany mihitsy no niezahany natao tamin’i Joba.
4. Inona no hodinihintsika ato? (Joba 1:9-12)
4 Inona no tetika nampiasain’i Satana mba hanerena an’i Joba hivadika? (Vakio ny Joba 1:9-12.) Inona no azontsika ianarana avy amin’i Joba? Nahoana isika no mila mitadidy hoe tia antsika Andriamanitra sady hanatanteraka ny fampanantenany? Handinika an’ireo isika ato.
TIAN’I SATANA HO VERY FANANTENANA I JOBA
5-6. Inona no nanjo an’i Joba tao anatin’ny fotoana fohy?
5 Nandeha tsara ny fiainan’i Joba. Mpinamana be izy sy Jehovah. Nanana zanaka be dia be izy, ary nifankatia tsara izy mianakavy. Nanan-karena be koa izy. (Joba 1:1-5) Saika izy rehetra ireo anefa no nafoin’i Joba tao anatin’ny iray andro monja. Voalohany, fongana ny fananany. (Joba 1:13-17) Maty daholo ny zanany avy eo. Eritrereto ange ny zavatra nianjady taminy e! Efa mila tsy ho zakan’ny ray aman-dreny raha maty ny iray amin’ny zanany. Ny an’i Joba anefa folo be izao no indray maty! Hoatran’ny nilatsaham-baratra angamba i Joba sy ny vadiny tamin’izay sady ory sy kivy be. Tsy mahagaga àry raha nandrovitra ny akanjony i Joba satria tototry ny alahelo, ary niankohoka tamin’ny tany.—Joba 1:18-20.
6 Nataon’i Satana voan’ny aretin-dratsy i Joba avy eo, ary nataony tsy nisy hasiny intsony. (Joba 2:6-8; 7:5) Nisy fotoana anefa i Joba nohajaina be teo amin’ny fiaraha-monina, ary nangataka hevitra taminy ny olona. (Joba 31:18) Izao indray ry zareo mihatakataka aminy. Nanilikilika azy ny rahalahiny sy ny namany akaiky ary na dia ny mpanompony tao an-trano aza.—Joba 19:13, 14, 16.
7. a) Inona no noeritreretin’i Joba hoe antony nampijaly azy? Tsy nety nanao inona anefa izy? b) Inona no fitsapana mety hihatra amin’ny Kristianina ka mitovitovy amin’ilay hitantsika amin’ny sary?
7 Tian’i Satana hino i Joba hoe nijaly izy satria tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony. Nampiasa rivo-mahery, ohatra, i Satana mba handrodanana ny trano nisy ny zanak’i Joba folo mianadahy. Niara-nisakafo ry zareo tamin’izay. (Joba 1:18, 19) Nandatsaka afo avy any an-danitra koa izy. Tsy ny biby fiompin’i Joba fotsiny no ripaka tamin’izay, fa ny mpanompony niandry an’ireo koa. (Joba 1:16) Avy any an-danitra ilay rivotra sy ilay afo, dia nihevitra i Joba hoe tsy maintsy ho avy amin’i Jehovah Andriamanitra izao izany. Nieritreritra àry i Joba hoe mety ho nanao zavatra nampahatezitra an’i Jehovah izy. Na izany aza, dia tsy nety nanozona an’ilay Rainy any an-danitra izy. Niaiky i Joba hoe nahazo zavatra tsara be dia be avy tamin’i Jehovah izy nandritra ny taona maro. Nieritreritra àry izy hoe raha faly nandray an’ireny zava-tsoa ireny izy, dia nahoana moa izy no tsy tokony ho vonona handray ny zava-dratsy koa. Izao àry no nolazainy: “Hoderaina foana anie ny anaran’i Jehovah!” (Joba 1:20, 21; 2:10) Tsy nanaiky hivadika mihitsy anefa i Joba na dia very fananana aza, sady nizaka fahoriana mangidy, ary narary mafy. Mbola tsy namelan’i Satana ihany anefa izy.
8. Inona indray ny tetika nampiasain’i Satana mba hamelezana an’i Joba?
8 Nampiasa tetika hafa indray i Satana. Naniraka lehilahy telo mody niseho ho naman’i Joba izy. Nataon’izy telo lahy izay hahatonga an’i Joba hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny. Nilaza ry zareo fa nijaly, hono, i Joba satria nanao zavatra ratsy be dia be. (Joba 22:5-9) Niezaka nandresy lahatra azy koa ry zareo hoe na dia tsy nanao ratsy aza izy, dia very maina ny ezaka nataony mba hampifaliana an’Andriamanitra. (Joba 4:18; 22:2, 3; 25:4) Nataon-dry zareo izay hahatonga an’i Joba hisalasala raha tena tia sy mikarakara azy Andriamanitra. Tsy misy dikany amin’Andriamanitra koa, hono, ny fanompoana ataony. Nieritreritra ve i Joba tamin’izay hoe tsy misy antenaina intsony ny aminy?
9. Inona no nanampy an’i Joba ho be herim-po sy hatanja-tsaina foana?
9 Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga. Nipetraka teo amin’ny lavenona i Joba sady nanaintaina tsy an-kijanona. (Joba 2:8) Nanabantibanty azy ny namany sady nanao izay hanalana baraka azy. Vao mainka izany nanampy trotraka ny fahoriany. Ny fony aza mbola navesatry ny alahelo noho ny nahafatesan’ny zanany. Tsy niteny tsy nivolana izy tamin’ny voalohany. (Joba 2:13–3:1) Diso be ireo namany ireo raha nieritreritra hoe hivadika amin’ilay Mpamorona i Joba matoa nangina. Niteny amin’izay mantsy izy avy eo. Nitraka angamba izy sady nijery tsara an’ireo mody niseho ho namany ireo, dia nilaza hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho mandra-pahafatiko.” (Joba 27:5) Inona no nanampy an’i Joba ho be herim-po sy hatanja-tsaina hoatr’izany na dia nijaly be aza? Na tao anatin’ny mangidy indrindra aza izy, dia mbola nanantena foana hoe hanamaivana ny fahoriany ilay Andriamaniny be fitiavana any aoriana any. Fantany hoe hanangana azy i Jehovah raha sanatria maty izy.—Joba 14:13-15.
AHOANA NO HANAHAFANTSIKA AN’I JOBA?
10. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Joba?
10 Mampianatra antsika ny tantaran’i Joba hoe tsy afaka manery antsika hiala amin’i Jehovah i Satana, ary fantatr’i Jehovah daholo izay mitranga eo amin’ny fiainantsika. Manampy antsika hahazo kokoa ny raharaha lehibe tafiditra amin’ilay fitsapana koa ny zavatra niainan’i Joba. Andao isika handinika lesona vitsivitsy azontsika ianarana avy aminy.
11. Inona no azontsika antoka raha mbola matoky an’i Jehovah foana isika? (Jakoba 4:7)
11 Noporofoin’i Joba fa raha matoky an’i Jehovah foana isika, dia hahavita hiaritra an’izay fitsapana mahazo antsika na inona izany na inona. Ho vitantsika koa ny hanohitra ny Devoly, ka handositra antsika izy, araka ny toky omen’ny Soratra Masina.—Vakio ny Jakoba 4:7.
12. Nahoana no nampahery an’i Joba ilay fanantenana hoe mbola hatsangana ny maty?
12 Mila mino mafy isika hoe mbola hatsangana ny maty. Hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha fa matetika no hararaotin’i Satana ny tahotra ny fahafatesana, mba hanerena antsika hivadika. Nilaza i Satana fa hanao izay rehetra azony atao i Joba mba tsy ho faty, na dia hoe hiala amin’i Jehovah aza. Diso anefa i Satana! Tsy nanaiky hampandefitra ny finoany mihitsy i Joba, na maizina taminy aza ny tany aman-danitra ka hoatran’ny hoe tena ho faty izy. Natoky izy hoe tsara toetra be i Jehovah sady nanantena mafy izy fa tsy maintsy hanarina ny tsy mety i Jehovah any aoriana any, dia izay no nanampy azy hiaritra. Nino koa izy fa na dia tsy nanao an’izany aza i Jehovah amin’izao izy mbola velona izao, dia tsy maintsy hanao zavatra amin’ny hoavy ka hanangana azy. Tsy nofinofy ny fitsanganana amin’ny maty tamin’i Joba. Raha tena mino an’izany koa isika, dia tsy hivadika mihitsy na dia rahonana ho faty aza.
13. Maninona no mila fantarintsika tsara ny tetika nampiasain’i Satana tamin’i Joba?
13 Tsy maintsy fantarintsika tsara ny tetika nampiasain’i Satana tamin’i Joba, satria mitovy amin’izany ihany ny ataony amintsika. Izao mantsy ny fiampangan’i Satana: “Hanome an’izay ananany rehetra ny olona [fa tsy i Joba irery] mba hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4, 5) Hoatran’ny te hilaza àry i Satana hoe tsy tena tia an’i Jehovah Andriamanitra isika ary hivadika aminy, raha izay no hahavoavonjy ny aintsika. Te hilaza koa izy fa tsy tia antsika Andriamanitra, ary tsy tsikariny ny ezaka ataontsika mba hampifaliana azy. Tsy ho voafitak’i Satana àry isika, satria efa fantatsika ny tetika ampiasainy sady isika koa manantena an’i Jehovah.
14. Inona no lasa fantatsika rehefa miatrika fitsapana isika? Manomeza ohatra.
14 Azonao hararaotina ny fitsapana mahazo anao, mba hahalalanao kokoa ny tenanao. Hoatr’izany i Joba. Nanampy azy hahita an’izay nila nahitsy ny fitsapana nahazo azy. Lasa fantany, ohatra, hoe nila nanetry tena kokoa izy. (Joba 42:3) Afaka mianatra zavatra be dia be momba ny tenantsika koa isika, rehefa iharam-pitsapana. Nogadraina, ohatra, ny rahalahy atao hoe Nikolay,c na dia narary mafy aza. Izao no nolazainy: “Hoatran’ny hoe atao radio ny Kristianina iray rehefa ampidirina am-ponja. Lasa hitany mantsy hoe inona no tena toetrany.” Raha vao fantatsika àry ny fahalementsika, dia afaka miezaka isika mba hanitsy azy ireny.
15. Iza no tokony hohenointsika ary nahoana?
15 I Jehovah no mila henointsika fa tsy ny fahavalontsika. Nihaino tsara i Joba rehefa niresaka taminy i Jehovah. Hoatran’ny nampisaintsaina an’i Joba izy hoe: ‘Azonao an-tsaina ve ny hery nampiasaiko tamin’izaho namorona? Fantatro daholo ange izay manjo anao e! Dia mieritreritra ve ianao fa tsy ho vitako ny hikarakara anao?’ Nanetry tena i Joba sady tena nankasitraka ny hatsaran-toetran’i Jehovah rehefa namaly azy. Izao no nolazainy: “Efa naheno momba anao aho, fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.” (Joba 42:5) Taiza i Joba tamin’izy nilaza an’ireo? Azo inoana hoe mbola nipetraka teo amin’ny lavenona izy, mbola feno fery ny vatany, ary mbola tao am-pasana ny zanany. Na izany aza, dia nanome toky an’i Joba i Jehovah hoe tiany izy sady ankasitrahany.—Joba 42:7, 8.
16. Inona no tokony hotadidintsika rehefa miatrika fitsapana isika, araka ny Isaia 49:15, 16?
16 Mety haneso sy hanao tsinontsinona antsika koa ny olona amin’izao. Mety hanala baraka antsika tsirairay na ny fandaminana ry zareo, ary ‘hamorona lainga hoe nanao an’izao zava-dratsy rehetra izao’ isika. (Mat. 5:11) Hitantsika tamin’ny tantaran’i Joba fa matoky i Jehovah hoe tsy hivadika aminy mihitsy isika rehefa miatrika fitsapana. Tia antsika izy, ary tsy hafoiny mihitsy izay manantena azy. (Vakio ny Isaia 49:15, 16.) Aza miraharaha an’izay fanaratsiana lazain’ny fahavalon’Andriamanitra àry. Niatrika fitsapana mafy be ny fianakavian’ny rahalahy iray atao hoe James, any Torkia. Izao no nolazainy: “Hitanay hoe mahakivy anay fotsiny ny mihaino ny lainga lazain’ny olona momba ny vahoakan’Andriamanitra. Naleonay àry nifantoka tamin’izay ampanantenain’i Jehovah hoe hataon’ilay Fanjakana, dia niezaka ho be atao tamin’ny fanompoana foana. Faly foana izahay vokatr’izany.” Mihaino an’i Jehovah isika, hoatran’ny nataon’i Joba. Tsy hamono ny afon’ny fanantenantsika mihitsy ny laingan’ny fahavalontsika.
HANOME HERY ANAO NY FANANTENANAO
17. Inona no ianaranao avy amin’ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika voaresaka ao amin’ny Hebreo toko faha-11?
17 Be dia be ny mpanompon’i Jehovah be herim-po sy natanja-tsaina foana rehefa niatrika fitsapana mafy. Iray amin’izy ireny fotsiny i Joba. Niresaka mpanompon’i Jehovah hafa ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Nantsoiny hoe “vavolombelona be dia be toy ny rahona” izy ireny. (Heb. 12:1) Samy niaritra ny mafy izy rehetra, kanefa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy nandritra ny androm-piainany. (Heb. 11:36-40) Very maina ve ny fiaretan-dry zareo sy ny asa mafy nataony? Sanatria! Mbola nanantena an’i Jehovah foana ry zareo na dia tsy tanteraka tamin’ny andro nahavelomany aza ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Natoky anefa ry zareo hoe mbola hahita an’izany, satria azony antoka hoe nankasitrahan’i Jehovah izy. (Heb. 11:4, 5) Vao mainka isika ho tapa-kevitra ny hanantena an’i Jehovah foana, rehefa misaintsaina ny ohatr’izy ireo.
18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao? (Hebreo 11:6)
18 Vao mainka miharatsy ny tontolo misy antsika. (2 Tim. 3:13) Mbola mitohy foana ny fitsapana ataon’i Satana amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Na inona na inona anefa zava-tsarotra miandry antsika, dia enga anie isika ho tapa-kevitra hiasa mafy ho an’i Jehovah. “Manantena an’Andriamanitra velona” mantsy isika. (1 Tim. 4:10) Aza hadinoina mihitsy hoe “tena be fitiavana i Jehovah sady mamindra fo”, rehefa jerena ny fitahiana nomeny an’i Joba. (Jak. 5:11) Enga anie koa isika tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy, ary hatoky fa hamaly soa “an’izay mitady mafy azy” izy.—Vakio ny Hebreo 11:6.
HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy
a I Joba matetika no tonga ao an-tsaintsika, raha vao hoe olona niatrika fitsapana mafy be. Inona no ianarantsika avy amin’io lehilahy tsy nivadika io? Hoe tsy afaka manery antsika hiala amin’i Jehovah i Satana. Ianarantsika koa hoe hitan’i Jehovah daholo izay mitranga eo amin’ny fiainantsika. Ary tsy maintsy hamarana ny fahoriantsika rehetra izy indray andro any, hoatran’ny nataony tamin’i Joba. Raha asehontsika amin’ny ataontsika àry hoe resy lahatra tanteraka ny amin’izany isika, dia ho anisan’ireo tena ‘manantena an’i Jehovah.’
b FANAZAVANA: Ilay teny hebreo nadika hoe “manantena” dia midika hoe “miandry mafy” an’izay andrandraina. Misy heviny koa izy io hoe matoky olona na miantehitra aminy.—Sal. 25:2, 3; 62:5.
c Novana ny anarana sasany.
d SARY: Hoatran’ny nilatsaham-baratra i Joba sy ny vadiny rehefa nahita hoe maty ny zanany.
e SARY: Niaritra hatramin’ny farany i Joba. Misaintsaina ny fitahiana nomen’i Jehovah azy ireo sy ny fianakaviany izy mivady.