Velona hatrany aorian’ny fahafatesana ve ny fanahy?
“FANAHY: Ilay tapany ara-panahy amin’ny olombelona, heverina ho mbola velona aorian’ny fahafatesana ary mety hahita fahasambarana na fijaliana ao anatin’ny toe-piainana iray ho avy.” (The Compact Edition of the Oxford English Dictionary) Manaiky mafy na manaikinaiky an’io filazana hevi-teny io ny ankamaroan’ireo fivavahana. Hoy ny Firaketana Katolika Vaovao (anglisy): “Ny foto-pampianarana hoe tsy mety maty ny fanahin’ny olombelona ary manohy miaina aorian’ny fahafatesan’ny olona (. . .) dia iray amin’ireo vato fehizoron’ny filôzôfia sy teôlôjia kristiana.”
Angamba hanaitra anao àry ny fahafantarana fa io finoana fototra io dia avy tamin’ny filôzôfian’ny mpanompo sampy. Taloha elan’ny nahaterahan’i Jesosy no efa ninoana fa ny fanahy dia zavatra iray tsy azo tsapain-tanana, izay afaka miaina ivelan’ny vatana. Araka izany, izy io dia afaka ny ho velona hatrany aorian’ny fahafatesan’ny vatana, hanohy hiaina amin’ny endrika matoatoa, na fanahy (esprit).
Ny Grika dia nilazalaza an’io zavatra inoana io tamin’ny fiteny filôzôfika. I Socrates, ilay filôzôfa grika, dia voalaza fa niteny toy izao: “Ny fanahy, (. . .) raha mandao irery ny vatana, dia tsy mitarika na inona na inona miaraka aminy, (. . .) mandeha mankany amin’izay mitovy aminy izy, mankany amin’ny tsy hita maso, tsara dia tsara, tsy mety maty, sady feno fahendrena, ary rehefa tonga any izy dia sambatra, afaka amin’ny fahadisoana sy amin’ny hadalana sy amin’ny tahotra (. . .) ary amin’ny fahorian’olombelona hafa rehetra, ary (. . .) miaina ao anatin’ny fahamarinana tanteraka isan’andro miaraka amin’ireo andriamanitra.” — Phaedo, 80, D, E; 81, A.
Tsy fampianaran’ny Baiboly
Ahoana àry no nahatonga izany finoan’ny mpanompo sampy momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy izany hampianarina ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny jodaisma?
Tsy manambara ny zavatra araka ny tena izy ny Firaketana Katolika Vaovao rehefa milaza hoe: “Ny resaka ny amin’ny fahaveloman’ny fanahy aorian’ny fahafatesana dia tsy mora avahana ao amin’ny Baiboly.” Ho marina kokoa ny hilazana fa ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia tsy hita mihitsy ao amin’ny Baiboly! Miaiky toy izao io firaketana io: “Ny hevitra ny amin’ny fanahy olombelona araka ny filôzôfia grika sy ny filôzôfia amin’ny andro ankehitriny mihitsy aza dia efa tsy mitovy amin’ny an’ny T[estamenta] T[aloha].”
Ao amin’izay antsoina hoe Testamenta Taloha, ny teny hebreo hoe neʹphesh, adika matetika hoe “fanahy”, dia hita in-754. Ao amin’izay antsoina hoe Testamenta Vaovao, ny teny grika hoe psy·kheʹ, adika matetika hoe “fanahy” koa, dia miseho in-102. Rehefa dinihintsika ny fomba ampiasana ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly, dia mitranga ny sary manaitra iray.
Ao amin’ny Genesisy 2:7 [MN ] dia vakintsika fa nofofonin’Andriamanitra fofonaina mahavelona ny vavoron’i Adama, ka “tonga fanahy velona [hebreo, neʹphesh] i Adama.” Mariho izao: tsy nomena fanahy velona i Adama fa tonga fanahy velona iray. Raha lazaina amin’ny teny hafa, i Adama ilay vao noforonina dia fanahy! Tsy mahagaga raha manatsoaka hevitra toy izao ny Firaketana Katolika Vaovao: “Ny fanahy lazain’ny T[estamenta] T[aloha] dia tsy midika hoe tapany amin’ny tenan’ny olona, fa ilay olona manontolo — olona amin’ny maha-fisiana velona azy.”
Misy andinin-teny hafa manamarina izany. Ny Levitikosy 7:20 (MN ), ohatra, dia manisy fitenenana ny amin’ny “fanahy mihinana hena avy amin’ny fanati-pihavanana.” Hoy ny Levitikosy 23:30 (MN ): “Ary ny fanahy rehetra izay hanao raharaha na inona na inona.” Hoy ny Ohabolana 25:25: “Rano mangatsiaka amin’ny fanahy reraka ny filazana soa avy any an-tany lavitra.” Ary milaza amintsika ny Salamo 105:18 (MN ) hoe: “Nampijaliny tamin’ny fatorana ny tongony; nogadrany vy ny fanahiny.” Inona àry izao no afaka mihinana hena, miasa, hangatsiatsiaka amin’ny rano, ary ho ao anaty gadra vy? Moa ve izany tapany ara-panahy amin’ny olona, tafasaraka aminy, sa ilay olona mihitsy? Mazava ny valiny.
Mahaliana ny mahafantatra fa tsy ny olona ihany no fanahy. Milaza amintsika ny Genesisy 1:20 fa tamin’ny fotoam-pamoronana iray, dia hoy Andriamanitra: “Aoka ny rano ho be zava-manan-aina [fanahy velona, MN ].” Eny, na ny trondro aza dia fanahy! Tamin’ny fotoam-pamoronana iray hafa, dia notondroin’Andriamanitra fa ny “biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibi-dia” dia fanahy! — Genesisy 1:24, MN; ampitahao amin’ny Levitikosy 11:10, 46, MN; 24:18, MN; Nomery 31:28, MN; Joba 41:13 [41:21, MN ]; Ezekiela 47:9, MN.
Ny “fanahy” (âmes) àry izany ao amin’ny Baiboly, dia tsy milaza fisiana ara-panahy manjavozavo, izay mandao ny vatana aorian’ny fahafatesana. Izany dia olona na biby, na ny aina ananan’ilay olona na biby.
Inona no mitranga aorian’ny fahafatesana?
Mazava àry fa ny Baiboly dia tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny mpanompo sampy hoe manana fanahy tsy mety maty iray ny olombelona. Iza, araka ny hevitrao, no nampianatra ny fahamarinana momba izany? Ireo filôzôfa grika mpanompo sampy sa ny olona tao anatin’ny faneken’Andriamanitra? Azo antoka fa izany dia ny olon’Andriamanitra, izay nomeny ny Teniny ara-tsindrimandry.
Mbola eo ihany ny fanontaniana hoe: “Inona no tena mitranga amin’ny fanahy aorian’ny fahafatesana?” Koa satria ilay olona ihany no fanahy, dia mazava fa maty ny fanahy rehefa maty ilay olona. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny olona maty iray dia fanahy maty iray. Manamafy izany ny andinin-teny am-polony maro: “Ny fanahy izay manota no ho faty”, hoy ny Ezekiela 18:4. Izao no vakintsika ao amin’ny Mpitsara 16:30 [MN ]: “Dia hoy Samsona: ‘Aoka hiara-maty amin’ny Filistina ny fanahiko.’ ” Asehon’ny andinin-teny hafa fa ny fanahy dia azo fongorana (Genesisy 17:14, MN ), vonoina amin’ny sabatra (Josoa 10:37, MN ), kendaina (Joba 7:15), ary mety atao maty an-drano (Jona 2:5, MN ). Ny fanahy maty iray dia olona maty iray. — Levitikosy 19:28, MN; 21:1, 11, MN.
Manao ahoana àry ny toetran’ny fanahy maty? Raha lazaina amin’ny teny tsotra, ny fahafatesana dia ny mifanohitra amin’ny fiainana. Mifandray amin’ny vatantsika ireo vavahadin-tsaintsika rehetra. Ny fahafahantsika mahita, mandre, ary mieritreritra dia miankina amin’ny fiasa tsaran’ny masontsika, ny sofintsika, ary ny atidohantsika. Tsy afaka mahita isika raha tsy misy maso. Tsy afaka mandre isika raha tsy misy sofina. Tsy afaka manao na inona na inona isika raha tsy misy atidoha. Rehefa maty ny olona iray, dia mitsahatra tsy miasa avokoa ireo taova ao amin’ny vatana ireo. Mitsahatra ny fisiantsika.
Mifanaraka amin’izany, dia hoy ny Mpitoriteny 9:5, 10: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona. (. . .) Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana] izay alehanao.” Mitovy amin’izany koa, dia milaza toy izao ny Salamo 146:3, 4: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy [herim-piainany], ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” Noho izany, rehefa maty ny olona [fanahy], dia tsy misy intsony fotsiny izy.
Avy eo amin’ny fampianaran’ny mpanompo sampy mankeo amin’ny foto-pampianaran’ny fiangonana
‘Nefa, moa ve ny Testamenta Vaovao tsy mampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy?’ hoy ny mety ho fanontanian’ny sasany. Tsy izany velively. Miaiky toy izao ny Firaketana Katolika Vaovao: “Tsy miova ny T[estamenta] V[aovao] raha ny amin’io fiheverany [ny Testamenta Taloha] ny amin’ny fahafatesana io.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny “Testamenta Vaovao” dia mampianatra fa maty ny fanahy. Nasehon’i Jesosy Kristy fa tsy nino izy hoe tsy mety maty ny fanahy. Nanontany toy izao izy: “Inona moa no mety hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy, ny mamonjy sa ny mamono fanahy?” (Marka 3:4, MN ) Toy izany koa, ny apostoly Paoly kristiana dia nanohana ny fiheveran’ny “Testamenta Taloha” ny amin’ny fanahy, tamin’ny fanononana ny Genesisy 2:7, manao hoe: “Ary araka izany koa no voasoratra hoe: ‘Adama voalohan-dahy natao manan-aina [tonga fanahy velona, MN ].’” — 1 Korintiana 15:45.
Ahoana àry no nahatonga ny fiheveran’i Platon ho foto-pampianaran’ny fiangonana? Manazava toy izao ny Firaketana momba ny Fivavahana amam-pitondrantena (anglisy), nosoratan’i James Hastings: “Rehefa nihoatra ny vavahadin’ny synagogan’ny Jiosy ny filazantsara kristiana mba hiditra any amin’ny faritry ny Empira romana, dia nisy hevitra hebreo tanteraka ny amin’ny fanahy nampidirina ho ao amin’ny tontolo iray nanana fomba fisainana grika, ary tsy nisy vokany na dia kely fotsiny aza teo amin’ny fizotran’ny fampifanarahana.” Ireo mpampianatra tao amin’ny fiangonana dia niezaka nanao ny hafatr’izy ireo ho “mora takatry ny tontolo iray nanana fomba fihevitra grika” tamin’ny fampiasana “teny sy fiheverana niorina tamin’ny psykôlôjia grika.” Toy izany koa, ireo teôlôjiana Jiosy dia nanomboka nampiseho “ny herin’ny platonisma” teo amin’ny soratr’izy ireo. — Firaketana Jodaika (anglisy).
Araka izany, ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny fanahy dia nariana ka nosoloana foto-pampianarana izay tsy misy isalasalana fa an’ny mpanompo sampy. Izany dia tsy azo hamarinina velively amin’ny filazana fa nahatonga ny kristianisma hanintona kokoa ny sarambabem-bahoaka. Rehefa nitory tany Atena, foiben’ny kolontsaina grika, ny apostoly Paoly dia tsy nampianatra ny foto-pampianaran’i Platon ny amin’ny fanahy. Nifanohitra tamin’izany fa nitory ny foto-pampianarana kristiana ny amin’ny fananganana amin’ny maty izy, na dia sarotra tamin’ny maro tamin’ireo Grika nihaino azy aza ny nanaiky izay nolazainy. — Asan’ny apostoly 17:22-32.
Raha ny marina, ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny amin’ny fanakambanana ny fahamarinana mifototra amin’ny Baiboly amin’ny fanompoan-tsampy, rehefa niteny toy izao: “Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala?” (2 Korintiana 6:14, 15) Tsy misy isalasalana mihitsy fa tamin’ny famelana ny fampianaran’ny mpanompo sampy iray ho tonga vato fehizoron’ny filôzôfiany sy ny teôlôjiany no nitondran’ny fivavahana lazaina fa kristiana fanalam-baraka ny tenan’Andriamanitra!
Fanantenana ho an’ny maty
Afaka mino izay tiany ny olona. Na izany aza anefa, dia tsy azo lavina fa tsy araka ny Soratra masina ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Moa àry ve ny olombelona tsy manana fanantenana fiainana aorian’ny fahafatesana?
Rehefa avy nanontany i Joba hoe: “Moa ho velona indray va izy [ny olona]?”, dia nanohy ny teniny tamin’ny fanomezana ny valiny ara-tsindrimandry izy. Hoy izy: “Dia hiantso Hianao [Jehovah], ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15) Eny, omen’ny Baiboly ny fanantenana fitsanganana ho an’izay rehetra ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Iriny ny hamerina amin’ny fiainana ireo mpanompony nahatoky toa an’i Joba! I Jesosy Kristy dia nanamafy ny maha-tena izy izany fanantenana izany tamin’ny filazana hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” — Jaona 5:28, 29.
Rehefa tonga ny fotoana hahatanterahan’io faminaniana io, dia mampanantena ny Isaia 25:8 fa ‘hofoanan’Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.’ Izany dia milaza tontolo iray, izay ao aminy no lazain’ny Apokalypsy 21:4 fa “tsy hisy fahafatesana intsony.” Irinao ve ny hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hisy fandevenana na tranom-paty, na fasam-pianakaviana na toeram-pandevenana, tsy hisy ranomason’alahelo intsony fa ranomasom-pifaliana ihany?
Marina fa mety ho nobeazina tao anatin’ny finoana ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy ianao. Nefa, amin’ny fianarana ny Baiboly dia afaka mampitombo finoana ireo fampanantenana manafaky ny Baiboly ianao.a Azonao atao koa ny mianatra izay tsy maintsy ataonao mba handovana ny fampanantenan’ny Baiboly, tsy ny ho velona hatrany amin’ny maha-fanahy tsy mety maty, fa ny hahazo “fiainana mandrakizay” ao amin’ny paradisa eto an-tany! — Jaona 17:3; Lioka 23:43.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha maniry hanao izany ianao dia aza misalasala manoratra amin’ny mpampanonta ity gazety ity, na manatòna ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana.