Apetraho Amin’i Jehovah Mandrakariva ny Entanao
MARO no mahatsiaro ho tototry ny enta-mavesatra amin’izao andro izao. Ny fihafiana ara-toe-karena, ny zava-manahirana mampahory ara-pianakaviana, ny zava-manahirana ara-pahasalamana, ny fangirifiriana sy ny fijaliana noho ny fampahoriana sy ny fanjakazakana, ary ireo fahoriana maro be hafa dia mihantona toy ny vato fikosoham-bary amin’ny tendan’izy ireo. Ankoatra ireo fanerena ivelany ireo, dia mahatsiaro ho tambesaran’ny fahatsapan-tena ho tsy misy vidiny sy ho tsy mahomby koa ny sasany noho ny tsy fahatanterahan’ny tenany. Maro no alaim-panahy hilavo lefona tanteraka. Ahoana no ahafahanao miatrika izany amim-pahombiazana rehefa toa tsy zaka ireo enta-mavesatra?
Tamin’ny fotoana iray, dia noheverin’i Davida Mpanjakan’ny Isiraely ho nila tsy ho zaka ny fanerena. Araka ny Salamo faha-55, dia nanjary ory fatratra noho ny fanahiana nentin’ireo fanerena sy ny fankahalan’ny fahavalony izy. Nalahelo sy natahotra mafy izy. Tsy nanao afa-tsy ny nitoloko izy noho ny alahelony. (Salamo 55:2, 5, 17). Kanefa, na dia teo aza ny fahoriany rehetra, dia nahita fomba niatrehana izany tamim-pahombiazana izy. Tamin’ny fomba ahoana? Niantehitra tamin’Andriamaniny izy mba hanohana azy. Ny toroheviny ho an’ny hafa izay mety hitovy fihetseham-po aminy dia hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao”. — Salamo 55:22.
Inona no tiany holazaina amin’ny hoe “apetraho amin’i Jehovah ny entanao”? Moa ve izany fanatonana an’i Jehovah ao amin’ny vavaka sy filazana aminy ny fanahiantsika fotsiny? Sa afaka manao zavatra mba hanamaivanana ny tarehin-javatra ny tenantsika? Ahoana raha toa isika ka mahatsapa ho tena tsy mendrika ny hanatona an’i Jehovah? Azontsika atao ny mahita izay tian’i Davida holazaina amin’ny fijerena ireo fanandraman-javatra sasany tsy maintsy tadidiny mazava rehefa nanoratra ireo teny ireo izy.
Manaova zavatra amin’ny fianteherana amin’ny tanjak’i Jehovah
Tadidinao ve ny fomba nampangorohoroan’i Goliata ny fon’ny lehilahy mpiady teo amin’ny Isiraely? Io lehilahy goavam-be nirefy nihoatra ny 2,7 metatra io dia nampivadi-po azy ireo. (1 Samoela 17:4-11, 24). Tsy natahotra anefa i Davida. Nahoana? Satria tsy nanandrana nifampiraharaha tamin’i Goliata tamin’ny tanjany manokana izy. Nanomboka tamin’ny fotoana naha-voahosotra azy ho ilay ho mpanjakan’ny Isiraely, dia namela ny fanahin’Andriamanitra hitarika sy hanatanjaka azy tamin’ny zavatra rehetra nataony izy. (1 Samoela 16:13). Koa hoy izy tamin’i Goliata: “Izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako”. (1 Samoela 17:45, 46). Havanana tamin’ny naha-mpanipy antsamotady i Davida, nefa afaka matoky isika fa ny fanahy masin’i Jehovah no nitarika sy nahatonga ilay vato natorany an’i Goliata hahafaty kokoa. — 1 Samoela 17:48-51.
Niatrika tamim-pahombiazana io fihaikana lehibe dia lehibe io i Davida ary nanjary nandresy tamin’ny fananana fatokiana fa hanohana sy hanatanjaka azy Andriamanitra. Nampitombo fifandraisana tsara sy feno fitokiana tamin’Andriamanitra izy. Izany dia tsy isalasalana fa nohatanjahin’ny fomba nanavotan’i Jehovah azy tany aloha. (1 Samoela 17:34-37). Tahaka an’i Davida, dia afaka mihazona fifandraisana mafy sy manokana amin’i Jehovah ianao ary manana fatokiana tanteraka ny fahaizany sy ny fahavononany hanatanjaka sy hanohana anao amin’ny toe-javatra rehetra. — Salamo 34:7, 8.
Ataovy izay azonao atao mba handaminana ilay zava-manahirana
Tsy midika anefa izany fa tsy hisy velively fotoam-panaintainana sy fanahiana mafy ary tahotra mihitsy aza, araka ny asehon’ny Salamo faha-55 mazava. Ohatra, taona maro taorian’io fampisehoana fatokiana an’i Jehovah tsy tamin-tahotra io, dia natahotra mafy teo anoloan’ny fahavalony i Davida. Namoy ny fankasitrahan’i Saoly Mpanjaka izy ary voatery nandositra satria notandindomin-doza ny ainy. Alao sary an-tsaina ny fisafotofotoana ara-pihetseham-po tsy maintsy ho nentin’izany teo amin’i Davida, ireo fanontaniana tsy maintsy ho napoitran’izany tao an-tsainy momba ny fizotran’ny fikasan’i Jehovah. Rehefa dinihina tokoa dia voahosotra ho ilay ho mpanjakan’ny Isiraely izy, kanefa indro izy fa voatery nivelona toy ny mpandositra tany an’efitra, nohazaina tahaka ny biby dia. Fony izy nanandrana nitady fialofana tany amin’ny tanànan’i Gata, ilay tanàna niavian’i Goliata, dia nisy nahatadidy azy. Inona no vokany? Milaza ny firaketana an-tsoratra fa ‘natahotra indrindra izy’. — 1 Samoela 21:11-13.
Tsy navelany hisakana azy tsy hiantehatra amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana anefa ny tahotra sy ny fanahiana lalina tsapany. Araka ny Salamo faha-34 (nosoratana ho vokatr’io fanandraman-javatra io), dia hoy i Davida: “Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra. Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.” — Salamo 34:4, 6.
I Jehovah dia nanohana azy, mazava ho azy. Kanefa, mariho fa tsy nianina fotsiny tamin’ny fiandrasana an’i Jehovah mba hamonjy azy i Davida. Fantany ny ilana hanao izay rehetra azony natao mba hivoahana tamin’ilay tarehin-javatra sarotra. Niaiky izy fa tao ny tanan’i Jehovah tamin’ny famonjena azy, nefa nanao zavatra ny tenany, ka nody adala izy mba tsy hamonoan’ny mpanjakan’i Gata azy. (1 Samoela 21:15–22:1). Isika koa dia mila manao izay rehetra azontsika atao mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo enta-mavesatra, fa tsy hiandry fotsiny an’i Jehovah mba hamonjy antsika. — Jakoba 1:5, 6; 2:26.
Aza manampy trotraka ny entanao
I Davida dia nianatra lesona hafa iray izay nampanaintaina teo amin’ny fiainany tatỳ aoriana. Inona izany? Indraindray dia isika no manampy trotraka ny entantsika manokana. Taorian’ny nandresena ny Filistina, dia niharatsy ny zavatra ho an’i Davida rehefa nanapa-kevitra hamindra ny fiaran’ny fanekena nankany Jerosalema izy. Hoy ny filazana ara-tantara amintsika: “Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’Andriamanitra (...). Ary nataony teo amin’ny sariety vaovao ny fiaran’Andriamanitra (...); ary Oza sy Ahio, zanak’i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.” — 2 Samoela 6:2, 3.
Ny fampiasana sariety mba hitaterana ilay Fiara dia fandikana ny toromarika rehetra nomen’i Jehovah momba azy io. Voalaza mazava fa ny hany olona nahazo lalana hitondra ilay Fiara, ireo Levita kehatita, dia tokony hilanja ilay Fiara teo an-tsorony, tamin’ny fampiasana ireo bao nampidirina tamin’ireo vava manokana natao tao amin’ilay Fiara. (Eksodosy 25:13, 14; Nomery 4:15, 19; 7:7-9). Nitondra loza ny fanaovana tsirambina ireo toromarika ireo. Rehefa saika nampivadika ny sariety ny omby nitarika azy, dia naninjitra ny tanany mba hanohana ilay Fiara i Oza, izay azo inoana fa Levita saingy tsy mpisorona, ka namely azy i Jehovah noho ny tsy fanajany. — 2 Samoela 6:6, 7.
Tamin’ny naha-mpanjaka azy, dia nisy andraikitr’i Davida tamin’izany. Ny fihetsiny dia mampiseho fa na dia ireo izay manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah aza dia mety tsy hanana fihetsika tsara indraindray eo anoloan’ny tarehin-javatra misedra. Tamin’ny voalohany, dia tezitra i Davida. Avy eo izy dia nanjary natahotra. (2 Samoela 6:8, 9). Notsapaina mafy ny fifandraisana feno fitokiana nananany tamin’i Jehovah. Teto, dia tarehin-javatra iray izay toa tsy nametrahany ny entany tamin’i Jehovah, rehefa tsy nanaraka ny didiny izy. Mety ho toy izany ve ny tarehin-javatra misy antsika indraindray? Efa mba nanome tsiny an’i Jehovah ve isika noho ny zava-manahirana izay vokatry ny tsy firaharahantsika ny toromarika nomeny? — Ohabolana 19:3.
Fiatrehana amim-pahombiazana ny enta-mavesatra noho ny fahatsapana ho meloka
Tatỳ aoriana, dia nahatonga entam-be noho ny fahatsapana ho meloka ho an’ny tenany i Davida, rehefa nandika tamin’ny fomba lehibe ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’i Jehovah. Tamin’io tarehin-javatra io, dia niala ny andraikiny hitarika ireo miaramilany tamin’ny ady, i Davida. Nijanona tao Jerosalema izy raha mbola nandeha niady izy ireo. Izany dia nitarika ho amin’ny fahasahiranana lehibe. — 2 Samoela 11:1.
Nahatazana an’i Batseba tsara tarehy nandro i Davida Mpanjaka. Nanana fitondran-tena maloto taminy i Davida, ka nanana anaka i Batseba. (2 Samoela 11:2-5). Mba hanafenana ilay fitondran-tena ratsy, dia nataony izay hiverenan’i Oria, vadin’i Batseba, avy tany amin’ny sahan’ady nankany Jerosalema. Tsy nety nanana firaisana tamin’ny vadiny i Oria, raha mbola teo am-piadiana ny Isiraely. (2 Samoela 11:6-11). Izao dia nampiasa fomba ratsy sy niolakolaka i Davida mba hanafenana ny fahotany. Nataony izay hamelan’ireo miaramila namany an’i Oria teo amin’ny toerana nety hahavoa azy tamin’ny ady mba hahavoavono azy. Fahotana sady maharikoriko no lehibe izany! — 2 Samoela 11:12-17.
Tamin’ny farany, dia nampamoahina noho ny fahotany i Davida, ary nalana sarona ny helony. (2 Samoela 12:7-12). Andramo alaina sary an-tsaina ange ny vesatry ny alahelo sy ny fahatsapana ho meloka tsy maintsy ho tsapan’i Davida rehefa takany ny halehiben’ny fahotany e! Nety ho tototry ny fahatsapan-tena ho tsy nahomby izy, indrindra noho izy azo inoana fa olona be fihetseham-po sy mora tohina. Nety ho nahatsapa tena ho tsy nisy vidiny tanteraka izy!
Kanefa, niaiky haingana ny fahadisoany i Davida, nibaboka tamin’i Natana mpaminany toy izao: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” (2 Samoela 12:13). Ny Salamo faha-51 dia milaza amintsika hoe inona no tsapany ary hoe ahoana no nifonany tamin’i Jehovah Andriamanitra mba hanadio azy sy hamela ny helony. Nivavaka toy izao izy: “Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.” (Salamo 51:2, 3). Noho izy tena nibebaka marina, dia afaka nanorina fifandraisana mafy sy akaiky tamin’i Jehovah indray izy. Tsy nampifantoka ny sainy tamin’ny fanenenana sy ny fahatsapan-tena ho tsy misy vidiny i Davida. Napetrany tamin’i Jehovah ny entany tamin’ny fiekena tamim-panetren-tena ny helony, tamin’ny fibebahana marina sady tamin’ny fivavahana mafy tamin’i Jehovah mba hahazoana famelan-keloka. Nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra indray izy. — Salamo 51:7-12, 15-19.
Fiatrehana amim-pahombiazana ny famadihana
Izany dia mitondra antsika ho amin’ilay zava-nitranga izay nanosika an’i Davida hanoratra ny Salamo faha-55. Teo ambanin’ny fihenjanana mafy ara-pihetseham-po izy. “Mangorohoro ato anatiko ny foko; ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana”, hoy ny nosoratany. (Salamo 55:4). Inona no nahatonga izany horohoro izany? I Absaloma, zanakalahin’i Davida, dia nioko mba haka an-keriny tamin’i Davida ny toerana maha-mpanjaka. (2 Samoela 15:1-6). Sarotra zakaina izany famadihan’ny zanaka nateraka izany, nefa izay nahatonga azy io ho ratsy kokoa dia ny nikambanan’ny mpanolo-tsaina nitokian’i Davida indrindra tamin’ilay fiokoana, dia ny lehilahy iray nantsoina hoe Ahitofela. I Ahitofela no lazalazain’i Davida eo amin’ny Salamo 55:12-14. Ho vokatr’ilay fiokoana sy ilay famadihana, dia voatery nandositra niala an’i Jerosalema i Davida. (2 Samoela 15:13, 14). Fangirifiriana toy inona moa no tsy maintsy ho nentin’izany ho azy!
Na dia izany aza, dia tsy namela ny fientanam-pony sy ny alahelony mafy izy, hampihena ny fitokiany sy ny fatokiany an’i Jehovah. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hampandamòka ny fikasan’ireo mpioko. (2 Samoela 15:30, 31). Hitantsika indray fa tsy nianina fotsiny tamin’ny fiandrasana an’i Jehovah mba hanao ny asa rehetra i Davida. Raha vantany vao niseho ny fahafahana, dia nanao izay azony natao izy mba hanoherana ilay fiokoana taminy. Nandefa ny mpanolo-tsainy iray hafa, dia i Hosay, hiverina hankany Jerosalema izy, mba mody hoe hikambana amin’ilay fiokoana, nefa raha ny marina, dia nandeha tany izy mba haharava azy io. (2 Samoela 15:32-34). Noho ny fanohanan’i Jehovah, dia nahomby io tetika io. Nandrebireby an’i Absaloma i Hosay mba hahafahan’i Davida hanana fotoana ampy hamoriana ny miaramilany indray sy hahavoalamina azy hiaro tena. — 2 Samoela 17:14.
Toy inona moa no tsy maintsy ho fankasitrahan’i Davida nandritra ny fiainany manontolo noho ny fikarakarana mampiseho fiarovana avy amin’i Jehovah ary koa noho ny faharetany sy ny fahavononany hamela heloka! (Salamo 34:18, 19; 51:17). Tao anatin’izany zava-nitranga izany no nampirisihan’i Davida tamim-patokiana antsika hitodika amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana, ka ‘hametraka ny entantsika amin’i Jehovah’, amin’izao andro be fahoriana izao. — Ampitahao amin’ny 1 Petera 5:6, 7.
Manorena sy mihazòna fifandraisana matanjaka sy feno fitokiana amin’i Jehovah
Ahoana no ahazoantsika ilay karazana fifandraisana izay nananan’i Davida tamin’i Jehovah, fifandraisana izay nanohana azy tamin’ny fotoam-pisedrana sy fahoriana be? Manorina fifandraisana toy izany isika amin’ny fahatongavana ho mpianatra mazoto ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Isika dia mamela azy hampianatra antsika momba ny lalàny sy ny fotopoto-pitsipiny ary ny toetrany. (Salamo 19:7-11). Arakaraka ny hisaintsainantsika ny Tenin’Andriamanitra dia vao mainka mihamanatona akaiky kokoa azy isika ary mianatra ny mitoky aminy tanteraka. (Salamo 143:1-5). Isika dia mandalina sy manatanjaka izany fifandraisana izany, arakaraka ny ifaneraserantsika amin’ireo mpiara-mivavaka mba hampianarin’i Jehovah hatrany. (Salamo 122:1-4). Manamafy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika amin’ny alalan’ny vavaka amim-pahatsorana. — Salamo 55:1.
Marina fa nanana ireo fotoana nahaketraka azy tahaka antsika i Davida, fony tsy natanjaka araka ny tokony ho naha-izany azy ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Mety hahatonga antsika ‘hanao zavatra toy ny very saina’ ny fampahoriana. (Mpitoriteny 7:7). Mahita izay mitranga anefa i Jehovah, ary mahafantatra izay ao am-pontsika izy. (Mpitoriteny 4:1; 5:8). Isika dia mila ny miezaka mafy hatrany mba hihazonana ho matanjaka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Amin’izay, na inona na inona enta-mavesatra tsy maintsy entintsika, dia afaka miankina amin’i Jehovah isika mba hanamaivana ny fanerena na mba hanome antsika ny tanjaka hiatrehana amim-pahombiazana ny tarehin-javatra misy antsika. (Filipiana 4:6, 7, 13). Miankina amin’ny fitoerantsika ho akaiky an’i Jehovah izany. Rehefa nanao izany i Davida, dia tsy nanana ahiahy tanteraka izy.
Noho izany, na inona na inona toe-javatra misy anao, hoy i Davida, dia apetraho amin’i Jehovah mandrakariva ny entanao. Amin’izay isika dia hahita ny fahamarinan’ilay fampanantenana hoe: “Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.