Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana ny Tanora Hafa no Manao Izay Rehetra Mahafalifaly Azy?
“Ta hanao izay mahafalifaly anay fotsiny izahay, kanefa faran’izay sarotra izany”, hoy ny fitarainan’i Jason, 15 taona.
ARA-DALÀNA tsotra izao ny hoe ta hanao izay mahafalifaly anao ianao — indrindra rehefa tanora! Ho an’ny ankamaroan’ny tanora, ny fanaovana izay mahafalifaly azy dia zava-dehibe toy ny fisakafoana sy ny fatoriana. Ampirisihin’ireo mitovy taona aminy sy ny fampitam-baovao ireo tanora ka mikatsaka amim-pahadodonana fanarian-dia maro isan-karazany. Araka ny fanadihadiana iray, dia nitana ny loha laharana teo amin’ny lisitry ny fandaniana andro amin’ny takariva tian’ny tanora indrindra ny fitsidihana namana, ny fijerena televiziona, ny fandehanana mijery sinema, ny fikoranana, sy ny fandihizana. Be mpitia koa ny famakiana boky, ny fanaovana kilalao sy fanatanjahan-tena, sy ny fihainoana mozika.
Koa satria maro aoka izany ny zavatra mahafalifaly azo atao, dia mety ho sarotra amin’ny olon-dehibe ny mahatakatra ny antony iheveran’ny tanora sasany, toa an’i Jason, hoe tsy ampy fanaovan-javatra mahafalifaly izy. Izany indrindra anefa no nolazain’ny tanora kristiana sasany! Naneho izany toy izao i Casey tanora, iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mahita ny namanao rehetra any am-pianarana manao fikoranana sy manao zavatra ianao, ary mahatsiaro ho tena ailika.” Tena tsy mahafinaritra toy izany tokoa ve anefa ny tarehin-javatra?
Mandrara ny fandaniana fotoana mahafinaritra ve ny Baiboly? Tena mifanohitra amin’izany. Miantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitra finaritra” ny Baiboly. (1 Timoty 1:11). Noho izany, dia tsy tokony hahagaga anao raha nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, (...) ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana”. (Mpitoriteny 3:1, 4). Ny teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe ‘mihomehy’ eto sy ireo teny mifandray aminy dia mety hidika koa hoe ‘mankalaza’, ‘milalao’, ‘manao laolao’, sy ‘misangy’. — 2 Samoela 6:21, NW; Joba 40:29; Mpitsara 16:25; Eksodosy 32:6; Genesisy 26:8.
Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny vahoakan’Andriamanitra dia nankafy fanaovan-javatra mahasoa isan-karazany, toy ny fitendrena zavamaneno, ny fihirana, ny fandihizana, ny fanaovana resadresaka, ary ny fanaovana kilalao. Nanana fotoana manokana nanaovana fety sy fiarahana nahafaly koa izy ireo. (Jeremia 7:34; 16:9; 25:30; Lioka 15:25). Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy koa dia nanatrika fankalazana fampakaram-bady! — Jaona 2:1-10.
Noho izany, dia tsy voarara eo amin’ny tanora kristiana amin’izao andro izao ny fampifalifalian-tena mahasoa. Milaza tokoa ny Baiboly hoe: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao”. Kanefa, arahin’izao fampitandremana izao ireo tenin’i Solomona ireo: “Nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany.” (Mpitoriteny 11:9). Eny, tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ianao noho ny safidy ataonao. Noho izany, dia tsy maintsy ‘mitandrina tsara izay fandehanao ianao, mba tsy hitondranao tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry’, rehefa mahakasika fanarian-dia izany. (Efesiana 5:15, 16). Ny antony? Tanora maro no manao safidy tena ratsy amin’io lafiny io.
Rehefa manjary tsy voafehy ny fampifalifaliana ny tena
Diniho izay nitranga tamin’ny andron’ny Baiboly. Verin’ny Isiraelita sasany ny fahaiza-nandanjalanja rehetra nananany, rehefa nahakasika fanarian-dia, ka niliba tamin’ny fikoranana tsy voafehy izay naharitra ny alina tontolo izy ireo! Nilaza toy izao i Isaia mpaminany: “Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay! Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany”. Tsy hoe ratsy akory ny niaraka sy ny nankafy sakafo, mozika, sy dihy. Milaza toy izao anefa i Isaia mikasika an’ireo mpanao lanonana be tabataba ireo: “Ny asan’i Jehovah tsy mba jereny”. — Isaia 5:11, 12.
Tanora maro amin’izao andro izao no manao toy izany — tsy manisy fiheverana firy an’Andriamanitra izy ireo rehefa mitady fanarian-dia. Ny sasany dia mihantsy amim-pahasahisahian-dratsy ny fari-pitsipik’Andriamanitra, ka manao firaisana alohan’ny fanambadiana, mihetraketraka, midoroka zava-mahadomelina, sy manao fitondran-tena hafa tsy misy fitandremana, mba ‘hampifalifaliana ny tena’. Amin’ny toe-javatra hafa anefa, dia tsy tena hoe mitady ho ratsy fanahy ireo tanora. Tsy manao zavatra amim-pahalalana onony sy tsy manalavitra ny fanaovan-javatra tafahoatra anefa izy ireo. (Ohabolana 23:20; 1 Timoty 3:11). Koa rehefa miaraka izy ireo mba handany fotoana mahafinaritra, dia mirona ho tsy voafehy ny toe-javatra. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 10:6-8.
Vao haingana izay, ny Mifohaza! dia nanontany tanora sasany hoe: “Inona no mitranga any amin’ireo fikoranana araka an’izao tontolo izao amin’izao andro izao?” Namaly toy izao ny tovovavy iray: “Zava-mahadomelina, fibobohan-toaka. Tena mitranga izany.” Nilaza toy izao i Andrew tanora mikasika ny sasany amin’ireo zazalahy sasany ao amin’ny sekoly misy azy izay mpamonjy fikoranana: “Ny hany zavatra ataon’izy ireo dia ny mirehaka momba ny habetsahan’ny toaka nosotroiny.” Tonga hatramin’ny filazana toy izao mihitsy aza i Jason: “Misy zavatra ratsy foana mitranga ao amin’ny fikoranana iray araka an’izao tontolo izao.” Koa satria raran’ny Baiboly ny “filalaovan-dratsy”, na ny “fikoranana tsy voafehy”, ireo tanora matahotra an’Andriamanitra dia manalavitra fiaraha-mikorana izay manasongadina fanao toy ireo. — Galatiana 5:21, Byington.
Mety hisy mihitsy aza loza miandry eo amin’ny endri-panarian-dia toa tsy mampaninona. Maro amin’ireo sarimihetsika be mpitia indrindra amin’izao andro izao, ohatra, no manasongadina fitanjahana, firaisan’ny lahy sy ny vavy mazava tsara, sy herisetra maharikoriko. Matetika ireo hira malaza no mirakitra tonony vetaveta. Mazàna no sehatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny savorovoro ary ny herisetra ireo rindran-kira rock.a
Rehefa miteny hoe tsia ny ray aman-dreny
Ny votoatin-javatra eto? Raha Kristiana ianao, dia tsy afaka tsotra izao manao ny zava-drehetra ankafizin’ireo mitovy taona aminao ny fanaovana azy. Rehefa heverina, i Jesosy dia nilaza fa ireo mpanara-dia azy dia “tsy [ho] naman’izao tontolo izao”, ary midika izany hoe tsy mitovy amin’ny olon-kafa. (Jaona 15:19). Raha matahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreninao, dia fantatr’izy ireo tsara io zava-misy io. Koa indraindray, noho ny faniriany hiaro anao, ny ray aman-dreninao dia mety tsy hampirisika na handrara amin’ny fomba hentitra ny fanaovana zavatra sasany — zavatra ahazoan’ny tanora hafa lalana mba hataony. Tsy mora foana akory ny manaiky izany. “Ta hanao izay mahafalifaly azy ny olona!”, hoy ny tovovavy iray nikiry ihany. “Nahazo nanao izay nahafalifaly azy ny ray aman-dreninay fony izy tanora, kanefa indraindray dia toy ny hoe te hitana anay hihidy ao an-trano izy ireo.”
Mety ho tsy mora ny fanarahana ny torohevitry ny ray aman-dreninao amin’ny raharaha toy izany, na dia rehefa miombon-kevitra aminy aza ianao amin’ny fotony. Izao no tsaroan’ny tanora iray manam-bika toy ny atleta, antsointsika hoe Jared: “Ta hanao baskety tao amin’ny ekipan’ny sekoly aho. Olona maro no nanery ahy hanao, ary somary nanelingelina ahy izany. Avy eo anefa aho dia niresaka tamin’ny ray aman-dreniko.” Nisarika ny sainy ho amin’ny loza amin’ny “fifaneraserana ratsy” ny ray aman-drenin’i Jared ka nampahatsiahy azy fa handany fotoana be ny fanaovany fanatanjahan-tena. (1 Korintiana 15:33, NW ). “Dia izay izany”, hoy i Jared tamin’alahelo. Nanaiky ny torohevitry ny ray aman-dreniny izy, kanefa mbola nahatsiaro ho tsy faly ihany noho izy tsy nahazo nilalao baolina.
‘Maty antoka aho!’
Na inona na inona tarehin-javatra misy anao, dia mety hanjary ho kivy toy izany koa ianao indraindray rehefa mandre an’ireo mpiara-mianatra aminao mirehareha ny amin’ny fotoanany nahafinaritra. ‘Nahoana ny tanora hafa no mahazo manao izay rehetra mahafalifaly azy?’, hoy angamba ny fanontanianao. Eny, ahoana no azonao andresena ilay fahatsapana hoe maty antoka ianao?
Mety hanampy raha mamaky ny Salamo 73 sy misaintsaina momba ny zavatra niainan’i Asafa, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, ianao. Manao izao fiekena izao izy eo amin’ny andininy faha-2 sy faha-3: “Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, satria nialona ny mpirehareha aho”. Eny, raha mbola nanana fiainana voafehifehy i Asafa, ny hafa dia nirehareha hoe afaka nanao izay rehetra tiany izy ireo — toa tsy nisy vokany ratsy. Toa nanam-be izy ireo ary nihananana foana hatrany. (Andininy faha-12). Noho izany, dia nanjary kivy aoka izany i Asafa, ka nihiaka hoe: “Nisasa-poana àry ve aho, raha nitan-tena ho madio ka tsy nanota?” — Salamo 73:13, Today’s English Version.
Soa ihany fa nahatsiaro tena i Asafa talohan’ny nanaovany zavatra tamim-pahamaikana. Nanao fitsidihana tao amin’ny “fitoera-masin’Andriamanitra” izy, ary tao anatin’io faritra manodidina nahasoa io, dia nisaintsaina lalina ny amin’ilay raharaha. Tsy ela dia nanao fanatsoahan-kevitra mendrika homarihina toy izao i Asafa, mikasika ireo mpitady fahafinaretana tsy natahotra an’Andriamanitra: “Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.” — Salamo 73:17, 18.
Azo lazaina ho toy izany koa ny maro amin’ireo mitovy taona aminao mpitady fahafinaretana. Mety hihevitra izy ireo fa mandany fotoana mahafinaritra ankehitriny. Vetivety ihany anefa ny fifaliana amin’ny fahotana! (Hebreo 11:25). Noho izy ireo tsy manaraka ny fari-pitsipiky ny Baiboly, dia mitsangana “eo amin’izay mahasolafaka” izy ireo ka eo foana ilay loza hoe hidaraboka mafy — amin’ny fomba tampoka sy tsy misy fampiomanana. Manambara toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Azo antoka fa efa nandre momba an’ireo tanora mitovy taona aminao izay efa niharan’ny fahafatesana alohan’ny fotoana, azon’ny areti-mifindra amin’ny alalan’ny firaisana, fitondrana vohoka tsy nirina, na fampidirana am-ponja, vokatry ny filibana “mahafalifaly”, ianao. Tsy mahasoa anao àry ve ny manalavitra zavatra toy izany? — Isaia 48:17.
Manome torohevitra tsara i Solomona rehefa milaza hoe: “Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro; fa raha mbola hisy koa ny [hoavy, NW ], dia tsy ho foana ny fanantenanao.” (Ohabolana 23:17, 18). Eny, tsy misy fotoana “mahafinaritra” mendrika ny hamoizan’ny tena ny fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.
Etsy an-danin’izany, ahoana no azonao anomezana fahafaham-po ny fanirianao ara-dalàna handany fotoana mahafinaritra tokoa indraindray? Misy fomba tsy misy atahorana, mahasoa, hanaovana izany ve? Ahoana raha voafetra ny vola sy ny zavatra hafa enti-mandany andro? Nanontany tanora maneran-tany ny Mifohaza! mba hahazoana fanoloran-kevitra sy hevitra sasany. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra iray manaraka amin’itỳ fitohitohizan-dahatsoratra itỳ izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Hanatrika Rindran-kira Rock ve Aho?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Janoary 1996.
[Sary, pejy 26]
Tokony hahatsiaro ho ailika ve ianao satria tsy afaka manao izay antsoin’izao tontolo izao hoe fampifalifaliana ny tena?