Manontany ny Tanora Hoe...
Fananana Fiainana Roa Sosona — Inona no Maha-ratsy Izany?
“Nanana fiainana roa sosona aho — iray niaraka tamin’ireo namako kristiana ary iray hafa niaraka tamin’ireo namako tany an-tsekoly.”
Ny tarehin-javatra nisy an’ilay vehivavy tanora voasoratra etsy ambony dia tsy hoe maningana. Inona anefa no tiana holazaina amin’ny hoe “fananana fiainana roa sosona”? I Ruth Bell, mpanoratra ilay boky hoe Fiovam-batana, Fiovam-piainana (anglisy), dia namaritra ilay fanao ho “na inona na inona ataonao ka tsy lazainao amin’ny ray aman-dreninao”.
Nanadinadina tanora am-polony maro io mpanoratra io ary nanao izao tatitra izao: “Zatovo maro no nilaza fa nisy zavatra nataony teo amin’ny fiainany, izay tsy ho azony noresahina fotsiny tamin’ny ray aman-dreniny. Ireo lafiny fahita indrindra afenina dia momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ny zava-mahadomelina, sy ny fisotroana, nefa lazain’ny olona koa fa ao ny fodiana alina, ny mampiaraka amin’ny olona tsy fantatra, ny mingitrika, ny fiadiana, ary ny fiarahana amin’ny namana tsy tian’ny ray aman-dreniny.”
Mampalahelo fa na dia ny tanora sasany notezain’ny ray aman-dreny kristiana aza dia manafina ny maha-izy azy ireo amin’ny ray aman-dreniny sy ny hafa.a (Ampitahao amin’ny Salamo 26:4.) Toa marina sy matahotra an’Andriamanitra ireny tanora ireny rehefa miaraka amin’ny ray aman-dreny sy ny namana mpino. Nefa rehefa lavitra izany fanaraha-maso izany izy ireo dia mitondra tena toy ny olona hafa tanteraka.
Inona marina no antony manosika ny tanora iray hanana fiainana roa sosona?
Ny fanintonan’ny tsy fiankinana
Milaza ny Baiboly fa “ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny” amin’ny farany. (Genesisy 2:24). Voajanahary tanteraka ho anao àry ny faniriana ho tonga olon-dehibe, hanana ny hevitrao, hanao ny fanapahan-kevitrao manokana. Ny zava-manahirana dia hoe mety ho mbola tsy vonona amin’ny fiainana amin’ny maha-olon-dehibe ianao. Noho ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra, dia mbola mila ny fanohanan’ny ray aman-dreny tia an’Andriamanitra ianao. — Ohabolana 1:8.
Lavin’ny tanora maro mafy ny hanaiky an’io zava-misy io. Araka ilay boky hoe Fomba Hiaretana Ireo Taona Mampikomy ny Zanakao (anglisy), dia tanora maro no mitady “hamonkina ny hozany mihalehibe, raha azo atao ny milaza izany, hitsapa ny heriny vao mitombo, ary hanambara ny tsy fiankinany”. Rehefa tsy manome lalana azy ireo hanao zavatra izay heverin’izy ireo ho tsy fahendrena — na ratsy — ny ray aman-dreniny, dia mikomy ny tanora sasany. Ary mety tsy hahatsapa fanenenana kely akory izy ireo amin’izany fivadihana izany. Nilaza toy izao ny zatovovavy iray: “Mahafinaritra ahy ny manao zavatra izay tsy fantany [ny ray aman-dreniko] fa ataoko, satria izany dia mampisy vidiny ahy. Manana fiainana misaraka amin’ny azy ireo aho ary tsy heveriko fa fantatr’izy ireo izany. (...) Tsy hino ny antsasak’izay ataoko izy ireo.”
‘Sarotiny loatra ny ray aman-dreniko’
Nahoana anefa na dia ny tanora sasany nahazo fitaizana kristiana tsara dia tsara aza no manao zava-dratsy miafina? Rehefa nilaza an’io fanontaniana io tamin’ny antokona tanora ny Mifohaza!, dia namaly toy izao ny zatovovavy iray: “Sosotra amin’ny ray aman-dreniny izy ireo. Mitady hanao zavatra izy ireo ho setrin’ny fameperana atao aminy.” Tsy misy isalasalana ny momba izany, ny Kristianisma dia fomba fiaina misy fameperana. Nilaza toy izao i Jesosy: “Èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana”. (Matio 7:14). Raha maniry hahazo ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay, ianao, dia tsy afaka ny hanao tsotra izao ny zavatra sasany lazaina fa mahafinaritra, ataon’ny tanora hafa. Ohatra, ireo lanonana tsy voafehy, ny fifaninanana amin’ny fisotroana, ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny fitondran-tena tsy voafehy, izany zavatra rehetra izany dia melohin’ny Baiboly. — Galatiana 5:19-21, NW.
Ao koa ny hoe mety ho toa sarotiny izaitsizy ny ray aman-dreny sasany. “Tsy mamela anay mba hijery sarimihetsika na inona na inona ny ray aman-dreninay”, hoy ny tovovavy iray atao hoe Kim, mitaraina. “Nampihena be dia be ny fotoana nolaniko mba hihainoana mozika koa aho ary niezaka mba hifantina izany. Nefa saika ny mozika rehetra mihitsy no nandraran’i Dada anay tsy hohenoina! Ny mozika jazz sy mozika kilasika ihany no azonay nohenoina.” Eo anoloan’izay heveriny ho fameperana tafahoatra, dia manomboka mitsiriritra ny fahalalahana ananan’ireo mitovy taona aminy izy ireo.
Ny faniriana heken’ny hafa
Ny vehivavy tanora iray atao hoe Tammy dia mahatsiaro toy izao: “Nanomboka nampiasa teny tsy mendrika aho tany an-tsekoly. Izany dia nahatonga ahy hahatsapa ho mitovy kokoa amin’ny ankizy namako. Tatỳ aoriana dia nanandrana nifoka sigara aho. Nisotro zava-pisotro misy alkaola koa aho taloha, ka tonga hatramin’ny fimamoana. Avy eo, dia nanomboka niaraka tamin’ny ankizilahy aho — niafina, satria sarotiny ny ray aman-dreniko ary tsy namela ahy hampiaraka.”
Ny zatovolahy iray atao hoe Pete dia nanao zavatra tahaka izany: “Notezaina tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah aho. Nefa natahotra mafy ny hihomehezana aho, koa niezaka nanaraka foana ny maro aho. Niezaka aho mba ho tian’ny hafa. Nandainga sy nitady fialan-tsiny aho rehefa nanontaniana ny amin’ny antony tsy nandraisako fanomezana tamin’ny andro fankalazana ara-pivavahana.”b Rehefa nanomboka nilefitra tamin’ny zavatra kely i Pete, tsy ela dia nanao fitondran-tena ratsy lehibe kokoa.
“Ny naman-dratsy” — Aiza?
Ny zava-nitranga teo amin’ny fiainana toy izany dia manasongadina ny fahamarinan’ireto tenin’ny apostoly Paoly kristiana ireto: “Ny naman-dratsy dia manimba ireo fahazarana mahasoa”. (1 Korintiana 15:33, NW). Koa raha miaraka amin’ny tanora izay tsy manaja ireo zavatra misy vidiny sy ireo fari-pitondran-tena miorina amin’ny Baiboly ianao, dia mety ho voatarika mora foana hanaraka ny fomba fiainany. Mahaliana anefa ny manamarika fa tsy momba ny fiarahana amin’ny olona tsy mpino no noresahin’ilay apostoly manokana rehefa nilaza izany fampitandremana izany izy. Izy dia nampitandrina ny amin’ny fiarahana amin’ireo olona ao anatin’ny kongregasiona kristiana, izay tsy manohana ny fampianarana kristiana. (1 Korintiana 15:12). Tahaka izany koa amin’izao andro izao, mety hisy tanora ao anatin’ny kongregasiona izay tsy mifikitra na tsy mankasitraka ny fomba fiaina kristiana mety. Afaka mametraka fanerena amin-kafetsena eo aminao izy ireo mba hanananao fiainana roa sosona.
Diniho indray ny amin’i Tammy, izay miaiky fa “tena be fitiavana” ny ray aman-dreniny. Milazalaza izy fa ny rainy dia “be zotom-po, miresaka foana ny amin’ny fomba fiahian’i Jehovah anay”. Loholona ao anatin’ny kongregasiona mihitsy izy. Ahoana àry no nahavoafitaka azy? “Ireo naman-dratsy tao anatin’ny kongregasiona”, hoy izy. “Ireo tovovavy hafa dia niresaka tamiko momba ny fahafinaretana hitany tany amin’ireo lanonana samy hafa nalehany ary momba ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola nataony. Na koa izy ireo niresaka tamiko momba ireo ankizilahy niarahany, ny fivoahany nandihy taorian’ny fivorian’ny kongregasiona.”
Fiviliana mba tsy ho voakasiky ny loza
Aza manala tsiny izany fitondran-tena ratsy ataon’ny tanora izany, amin’ny fanjohiana hevitra hoe: ‘Anisan’ny fitomboana mankany amin’ny maha-olon-dehibe izany’, na koa hoe: ‘Manafin-javatra amin’ny ray aman-dreniny daholo ny ankizy.’ Mariho ny fampitandremana omen’Andriamanitra ny tanora ao amin’ny Mpitoriteny 11:9, 10 manao hoe: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany. Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy”.
Mety ho toa hahafinaritra ny fananana fiainana roa sosona. Nefa amin’ny farany izany dia fandrika mahafaty. (Ampitahao amin’ny Salamo 9:16.) Ny asa maneho tsy fankatoavana dia mitondra tsy azo sakanana ho amin’ny asa fanaovan-dratsy lehibe kokoa. I Pete tanora, ohatra, dia efa nanaram-po tamin’ny fitondran-tena ratsy teo amin’ny lahy sy ny vavy rehefa nandao ny tokantranony fony izy 17 taona. Fony izy 18 taona, dia nampidirina tany an-tranomaizina i Pete noho ny halatra nampiasana fitaovam-piadiana.
Matetika no toa afa-maina amin’ny fitondran-tenany ratsy ny tanora maro. Mety hanomboka hanana mora foana fihetseham-po tahaka ny an’i Asafa, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, izay niaiky toy izao ianao: “Nialona aho (...) Hitako fa nandeha tsara ny zavatra rehetra ho an’ny ratsy fanahy. Tsy nahita fanaintainana izy ireo; natanjaka sy tomady izy ireo. Tsy nijaly tahaka ny olon-drehetra izy ireo”. Ny toa tsy fananana ahiahy ananan’ny ratsy fanahy anefa dia hita ho nofinofy hampijaly. Nanao izao famaranan-teny izao i Asafa: “[Andriamanitra] hametraka azy ireo eo amin’ny toerana malama ary hampianjera azy ireo ho amin’ny fandringanana!” (Salamo 73:3-5, 18, Today’s English Version). Manana antony tsara ampitandremana toy izao àry ny Baiboly: “Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro”. — Ohabolana 23:17.
Ahoana ny amin’ny hoe ny tsy fankatoavana ray aman-dreny dia manampy ny tanora iray amin’ny fitomboany mankany amin’ny maha-olon-dehibe sy mba hahaleo tena? Mifanohitra amin’ny torohevitry ny Baiboly milaza mba hihaino ny ray aman-dreninao izany. (Ohabolana 23:22, NW). Raha ny marina, ny fitondran-tena adala na tsy mahatsapa andraikitra ihany no hanakantsakana ny fivelaranao ara-pihetseham-po sy ara-panahy. Amin’ny fampiharanao ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly kosa, dia ho tonga “lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” ianao. — Efesiana 4:13.
Marina fa mety ho toa sarotiny izaitsizy ny ray aman-dreny sasany. Nefa moa ve izany tsy noho ny fitiavany lalina anao sy noho ny faniriany hiaro anao? Koa raha tsapanao fa mila ny mba halefaka kokoa ny ray aman-dreninao, nahoana no tsy miara-miresaka ny zavatra aminy — toy izay hikomy miafina?c Ny fikomiana dia hitondra alahelo be, ho azy ireo sy ho anao, ary, indrindra indrindra, ho an’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra. — Ohabolana 10:1; 27:11.
Ahoana anefa raha efa manana fiainana roa sosona ianao? Mety hisy fomba hialana amin’izany ve? Ireo lahatsoratra hanaraka dia handinika ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ry Zatovo — Tandremo ny Fananana Fiainana Roa Sosona”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1988.
b Mba handinihana ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ireo andro fankalazana ara-pivavahana, dia jereo ilay bokikely hoe Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
c Jereo ny toko faha-3 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 17]
Manana fiainana roa sosona ve ianao?