-
Ireo Tsela-pahazavana Tamin’ny Andron’ny ApostolyNy Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Mey
-
-
Ireo Tsela-pahazavana Tamin’ny Andron’ny Apostoly
“Ny fahazavana no [nitselatra, NW ] ho an’ny marina, ary ny fifaliana ho an’ny mahitsy fo.” — SALAMO 97:11.
1. Ahoana no itovian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao amin’ireo Kristiana tany am-boalohany?
ANKASITRAHANTSIKA toy inona moa ireo tenin’ny Salamo 97:11 ireo, amin’ny maha-Kristiana marina antsika! Imbetsaka “ny fahazavana no nitselatra” ho antsika. Marina fa ny sasany amintsika dia nahita ny fahazavan’i Jehovah nitselatra nandritra ny am-polony taona maro. Izany rehetra izany dia mampahatsiaro antsika ny Ohabolana 4:18 izay vakina toy izao: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” Noho isika mankasitraka ny Soratra Masina fa tsy ireo lovantsofina, dia mitovy amin’ireo Kristiana tany am-boalohany isika Vavolombelon’i Jehovah. Hita taratra mazava tsara ny toe-tsain’izy ireo ao amin’ireo boky ara-tantara amin’ny Soratra Grika Kristiana sy ireo taratasy ao aminy izay nosoratana teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra.
2. Inona avy no anisan’ireo tsela-pahazavana voalohany azon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy?
2 Anisan’ireo tsela-pahazavana voalohany azon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy tany am-boalohany ireo izay nahakasika ny Mesia. Nilaza tamin’i Simona Petera rahalahiny i Andrea hoe: “Efa nahita ny Mesia izahay”. (Jaona 1:41). Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia navelan’ilay Ray any an-danitra hanamarina izany ny apostoly Petera, rehefa nilaza tamin’i Jesosy Kristy hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.” — Matio 16:16, 17; Jaona 6:68, 69.
Fahazavana nahakasika ny fanirahana azy ireo hitory
3, 4. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia fanazavana inona no nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy, momba ny asan’izy ireo amin’ny hoavy?
3 Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy Kristy dia nanome tsela-pahazavana nahakasika ny adidy nipetraka teo amin’ireo rehetra mpanara-dia azy. Azo inoana mihitsy fa tamin’ireo mpianatra maherin’ny 500 tafangona tany Galilia no nilazany hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20; 1 Korintiana 15:6). Taorian’izay, ireo rehetra mpanara-dia an’i Kristy dia tokony ho mpitory, ary ny fanirahana azy ireo hitory dia tsy tokony ho voafetra ho teo amin’ireo “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” ihany. (Matio 10:6). Ary tsy tokony hanao ny batisan’i Jaona ho mariky ny fibebahana mba hahazoana famelan-keloka koa izy ireo. Tokony hanao batisa ny olona “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” kosa izy ireo.
4 Taloha kelin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nanontany toy izao ireo apostoliny 11 nahatoky: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Tsy namaly izany fanontaniana izany i Jesosy fa nanome kosa toromarika fanampiny momba ny fanirahana azy ireo hitory, tamin’ny filazana hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” Hatreo izy ireo dia vavolombelon’i Jehovah irery ihany, fa izao kosa dia ho vavolombelon’i Kristy koa. — Asan’ny Apostoly 1:6-8.
5, 6. Tsela-pahazavana inona avy no azon’ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny Pentekosta?
5 Folo andro monja tatỳ aoriana, dia tsela-pahazavana namirapiratra toy inona moa no azon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy! Tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., dia sambany izy ireo vao nahazo tsara ny hevitry ny Joela 3:1-5. “Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho [Jehovah]; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahi-antitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.” Hitan’ireo mpianatr’i Jesosy ny fanahy masina, tamin’ny endriky ny lela toy ny afo, nitoetra teo ambonin’ny lohan’izy rehetra — lehilahy sy vehivavy sahabo ho 120 — tafavory tao Jerosalema. — Asan’ny Apostoly 1:12-15; 2:1-4.
6 Tamin’ilay andro Pentekosta koa, dia takatr’ireo mpianatra aloha fa ireo teny ao amin’ny Salamo 16:10 dia nihatra tamin’i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty. Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Tsy ho foinao [Jehovah Andriamanitra] ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka Hianao.” Takatr’ireo mpianatra fa tsy afaka nihatra tamin’i Davida Mpanjaka ireo teny ireo satria ny fasany dia teo amin’izy ireo hatramin’io andro io. Tsy nahagaga raha nisy sahabo ho 3 000 tamin’ireo izay nandre ny fanazavana io fahazavana vaovao io no resy lahatra aoka izany ka natao batisa androtr’io ihany! — Asan’ny Apostoly 2:14-41.
7. Fahazavana namirapiratra inona no azon’ny apostoly Petera nandritra ny fitsidihany an’ilay manamboninahitry ny tafika romana atao hoe Kornelio?
7 Nandritra ny taonjato maro ireo Isiraelita dia nankasitraka izay nolazain’Andriamanitra momba azy ireo hoe: “Hianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Amosa 3:2). Koa tsela-pahazavana namirapiratra tokoa no azon’ny apostoly Petera sy ireo nanaraka azy tao an-tranon’ilay manamboninahitra tao amin’ny tafika romana, atao hoe Kornelio, rehefa nilatsaka vao voalohany teo amin’ny mpino jentilisa tsy voafora ny fanahy masina. Tsara homarihina fa izany no hany fotoana nanomezana ny fanahy masina talohan’ny batisa. Nilaina anefa izany. Raha tsy izany dia tsy ho nahafantatra i Petera fa ireo Jentilisa tsy voafora ireo anie ka nahafeno fepetra ho amin’ny batisa. Rehefa nahatakatra tamin’ny fomba feno ny hevitr’io fisehoan-javatra nahagaga io i Petera dia nanontany hoe: “Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo [Jentilisa], izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?” Mazava ho azy fa tsy nisy olona nanatrika teo afaka nanohitra ara-drariny, ka noho izany, dia natao ny batisan’ireo Jentilisa ireo. — Asan’ny Apostoly 10:44-48; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:14-17.
Tsy misy famorana intsony
8. Nahoana no sarotra tamin’ny Kristiana tany am-boalohany sasany ny nanary ny fampianarana momba ny famorana?
8 Niseho ny tselatry ny fahamarinana mazava fanampiny, nifandray tamin’ny famorana. Ny fanao momba ny famorana dia niandoha tamin’ny taona 1919 al.f.i. niaraka tamin’ny fanekena nifanaovan’i Jehovah tamin’i Abrahama. Tamin’izay Andriamanitra dia nandidy an’i Abrahama mba hamora ny tenany sy ireo lehilahy hafa rehetra tao amin’ny ankohonany. (Genesisy 17:9-14, 23-27). Koa nanjary marika nampiavaka ny taranak’i Abrahama àry ny famorana. Ary reharehan’izy ireo toy inona moa io fanao io! Ho vokatr’izany, dia nanjary teny fanamavoana ny hoe “tsy voafora”. (Isaia 52:1; 1 Samoela 17:26, 27). Mora ny mahatakatra ny antony nahatonga ny Kristiana jiosy sasany tany am-boalohany haniry hitana io famantarana io. Niady hevitra be ihany tamin’i Paoly sy i Barnabasy ny amin’io raharaha io ny sasany tamin’izy ireo. Mba handaminana izany, dia nankany Jerosalema i Paoly sy ny hafa mba haka hevitra tany tamin’ny fitambara-mpitantana kristiana. — Asan’ny Apostoly 15:1, 2.
9. Tsela-pahazavana inona avy no niharihary tamin’ny fitambara-mpitantana tany am-boalohany, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-15?
9 Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia tsy tamin’ny alalan’ny fahagagana niharihary no nahazoan’ireo Kristiana tany am-boalohany ireo ilay fahazavana hoe tsy fepetra takin’i Jehovah amin’ny mpanompony intsony ny famorana. Nahazo fahazavana nitombo kosa izy ireo tamin’ny fikarohana tao amin’ny Soratra Masina, tamin’ny fianteherana tamin’ny fanahy masina mba hahazoana fitarihana, ary tamin’ny fihainoana ny fanandraman-javatra hitan’i Petera sy i Paoly nahakasika ny fiovan’ireo Jentilisa tsy voafora. (Asan’ny Apostoly 15:6-21). Ny fanapahan-kevitra dia navoaka tao anatin’ny taratasy iray izay vakina toy izao ny ampahany aminy: “Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana”. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Araka izany ireo Kristiana tany am-boalohany dia nafahana tamin’ilay fandidiana hanao famorana sady afaka tamin’ireo fitakiana hafa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Noho izany, dia afaka niteny toy izao tamin’ireo Kristiana galatiana i Paoly: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika”. — Galatiana 5:1.
Fahazavana ao amin’ireo Filazantsara
10. Inona avy no sasany amin’ireo tsela-pahazavana naharihary tao amin’ny Filazantsaran’i Matio?
10 Tsy isalasalana fa mirakitra tsela-pahazavana maro ho tombontsoan’ireo mpamaky azy ny Filazantsaran’i Matio, nosoratana tamin’ny taona 41 am.f.i. tany ho any. Azo lazaina hoe vitsivitsy ihany tamin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany no nandre manokana an’i Jesosy namelabelatra ny fampianarany. Tamin’ny fomba manokana, ny Filazantsaran’i Matio dia nanantitrantitra fa ilay Fanjakana no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. Ary mafy toy inona moa ny nanantitranteran’i Jesosy ny naha-zava-dehibe ny fananana antony manosika mety! Tsela-pahazavana toy inona moa no tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, tao amin’ireo fanoharana nataony (toy ireo voarakitra an-tsoratra ao amin’ny toko faha-13), sy tao amin’ilay faminaniana lehibe nataony ao amin’ny toko faha-24 sy faha-25! Ireo rehetra ireo dia nampahafantarina ny Kristiana tany am-boalohany, tao amin’ny Filazantsaran’i Matio, nosoratana sahabo ho valo taona monja taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i.
11. Inona no azo lazaina ny amin’izay raketin’ny Filazantsaran’i Lioka sy i Marka?
11 Sahabo ho 15 taona tatỳ aoriana, dia nanoratra ny Filazantsarany i Lioka. Na dia mitovy amin’ny fitantaran’i Matio aza ny ankamaroan’izy io, dia fanampiny ny 59 isan-jato aminy. I Lioka dia nandrakitra an-tsoratra fahagagana enina nataon’i Jesosy, ary maherin’ny avo roa heny noho izany raha ny amin’ireo fanoharana nataony izay tsy notononin’ireo mpanoratra ny Filazantsara hafa. Toa taona vitsivitsy monja tatỳ aoriana dia nanoratra ny Filazantsarany i Marka, nanantitrantitra ny amin’i Jesosy Kristy ho lehilahy tia niasa, mpanao fahagagana. Na dia nitantara indrindra ireo fisehoan-javatra efa noresahin’i Matio sy i Lioka aza i Marka, dia nisy fanoharana iray noraketiny an-tsoratra kanefa tsy nataon’iretsy hafa. Tao amin’io fanoharana io, i Jesosy dia nampitovy ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny voa izay mitsimoka sy mitombo ary mitondra vokatra tsikelikely.a — Marka 4:26-29.
12. Hatraiza ny Filazantsaran’i Jaona no manome fanazavana fanampiny?
12 Avy eo, dia teo ny Filazantsaran’i Jaona, nosoratana maherin’ny 30 taona taorian’ny nanoratan’i Marka ny fitantarany. Tara-pahazavana toy inona momba ny fanompoan’i Jesosy moa no nalefan’i Jaona, indrindra fa tamin’ny alalan’ny fanisiana fitenenana imbetsaka ny amin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy! I Jaona irery ihany no nanome ilay fitantarana ny amin’ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty, ary izy irery ihany no manome antsika fanamarihana tsara dia tsara maro nataon’i Jesosy tamin’ireo apostoliny nahatoky ary koa ilay vavaka nampangorakoraka nataony tamin’ilay alina namadihana azy, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny toko faha-13 ka hatramin’ny faha-17. Raha ny marina dia lazaina fa manokana ny 92 isan-jaton’ny Filazantsaran’i Jaona.
Ireo tsela-pahazavana ao amin’ireo taratasin’i Paoly
13. Nahoana ny sasany no nihevitra ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romana ho toy ny Filazantsara iray?
13 Ny apostoly Paoly no nampiasaina tamin’ny fomba manokana mba hitondra tselatry ny fahamarinana tamin’ireo Kristiana niaina tamin’ny andron’ny apostoly. Teo, ohatra, ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romana, nosoratana tamin’ny 56 am.f.i. tany ho any — tokotokony ho tamin’ny fotoana nitovy tamin’ny nanoratan’i Lioka ny Filazantsarany. Ao amin’io taratasiny io i Paoly dia mampisongadina ilay zava-misy hoe ny fahamarinana dia avy amin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory sy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Ny fanantitranteran’i Paoly io lafin’ny vaovao tsara io dia nahatonga ny sasany hihevitra io taratasiny ho an’ny Romana io ho toy ny Filazantsara fahadimy.
14-16. a) Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Kristiana tany Korinto, dia fahazavana inona no nomen’i Paoly momba ny ilana firaisan-tsaina? b) Fahazavana fanampiny inona, mahakasika ny fitondran-tena, no raketin’ny Korintiana Voalohany?
14 Nanoratra ny amin’ny raharaha sasany izay nanakorontan-tsaina an’ireo Kristiana tany Korinto i Paoly. Mahatafiditra torohevitra ara-tsindrimandry maro izay andraisan’ny Kristiana soa mandraka androany ny taratasiny ho an’ny Korintiana. Voalohany, dia tsy maintsy nohazavainy tamin’ireo Korintiana ny amin’ny fahadisoana nataony tamin’ny famoronana antoko nanindrahindra olona malaza sasany. Nanitsy ny fomba fisainany ilay apostoly tamin’ny fitenenana tamim-pahasahiana toy izao: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — 1 Korintiana 1:10-15.
15 Nisy fahalotoam-pitondran-tena lehibe noleferina tao amin’ilay kongregasiona kristiana tao Korinto. Naka ny vadin-drainy ny lehilahy iray tao, ka noho izany dia nanao ‘fijangajangana izay tsy nisy tahaka azy na dia tany amin’ny jentilisa aza’. Nanoratra mazava toy izao i Paoly: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” (1 Korintiana 5:1, 11-13). Zava-baovao ho an’ilay kongregasiona kristiana izany — fandroahana. Raharaha hafa iray nilan’ny kongregasiona tany Korinto fanazavana ny fisian’ny mpikambana sasany tao aminy nitondra ny rahalahiny ara-panahy tany amin’ny fitsaran’izao tontolo izao mba handaminana fitarainana noho ny tsy rariny. Niteny mafy azy ireo noho ny nanaovany izany i Paoly. — 1 Korintiana 6:5-8.
16 Mbola raharaha hafa iray koa izay namely ny kongregasiona tao Korinto ny momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-7, dia nasehon’i Paoly fa noho ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy fahita ombieny ombieny, dia tsara ho an’ny lehilahy rehetra ny manana ny vadiny manokana avy, ary ho an’ny vehivavy rehetra ny vadiny manokana avy. Nasehon’i Paoly koa fa na dia afaka manompo an’i Jehovah tsy misy fanelingelenana firy aza ny olona tokan-tena, dia tsy ny olona rehetra akory no manana ilay fanomezana hitoetra ho tokan-tena. Ary raha maty ny vadin’ny vehivavy iray, dia ho afaka hanambady indray izy, saingy “ao amin’ny Tompo ihany”. — 1 Korintiana 7:39.
17. Fahazavana inona no nomen’i Paoly mahakasika ny fampianarana momba ny fitsanganan’ny maty?
17 Tsela-pahazavana toy inona moa no nalefan’ny Tompo momba ny fitsanganan’ny maty tamin’ny fampiasana an’i Paoly! Amin’ny karazam-batana manao ahoana no hananganana an’ireo Kristiana voahosotra? “Afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy”, hoy ny nosoratan’i Paoly. Tsy hisy vatana ara-nofo horaisina any an-danitra, satria “ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra”. Nanampy teny i Paoly fa tsy ary hatory ao amin’ny fahafatesana avokoa akory ny voahosotra rehetra, fa mandritra ny fanatrehan’i Jesosy, ny sasany dia hatsangana ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana avy hatrany eo amin’ny fahafatesany. — 1 Korintiana 15:43-53.
18. Mirakitra fahazavana momba ny hoavy inona ny taratasin’i Paoly voalohany ho an’ny Tesaloniana?
18 Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristiana tany Tesalonika, dia nandefa fahazavana ny amin’ny hoavy i Paoly. Ho tonga toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah. Nanazava toy izao koa i Paoly: “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” — 1 Tesaloniana 5:2, 3.
19, 20. Tsela-pahazavana inona avy no azon’ireo Kristiana tany Jerosalema sy Jodia, tao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo?
19 Tamin’ny nanoratany ny taratasiny ho an’ny Hebreo i Paoly dia nampita tsela-pahazavana ho an’ireo Kristiana tany am-boalohany izay tany Jerosalema sy Jodia. Tamin-kery toy inona moa no nampisehoany ny fahambonian’ny fomba kristiana fanaovana fanompoam-pivavahana raha noharina tamin’ny fomba araka an’i Mosesy fanaovana fanompoam-pivavahana! Tsy nanaraka ilay Lalàna nampitain’ny anjely ireo Kristiana fa mino kosa ny famonjena iray sambany vao noresahin’ny Zanak’Andriamanitra, izay ambony lavitra noho ny anjely mpitondra hafatra toy izany. (Hebreo 2:2-4). Mpanompo fotsiny tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Mosesy. Kanefa i Jesosy Kristy kosa dia manapaka an’ilay trano iray manontolo. Mpisoronabe araka ny laharan’i Melkizedeka i Kristy, manana toerana ambony lavitra noho ny fisoronan’i Arona. Nasehon’i Paoly koa fa tsy afaka niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ireo Isiraelita noho ny tsy finoana sy ny tsy fankatoavana, fa ny Kristiana kosa dia miditra ao noho ny fahatokiany sy ny fankatoavany. — Hebreo 3:1–4:11.
20 Avy eo koa, ny fanekena vaovao dia ambony lavitra noho ny faneken’ny Lalàna. Araka ny efa nambaran’ny faminaniana, 600 taona mialoha, tao amin’ny Jeremia 31:31-34, ireo izay ao amin’ilay fanekena vaovao dia manana ny lalàn’Andriamanitra voasoratra ao am-pony ary mahazo famelan-keloka marina. Tsy manana mpisoronabe izay voatery manao fanatitra isan-taona noho ny otan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka ireo Kristiana, fa manana an’i Jesosy Kristy ho Mpisoronabe kosa, izay tsy nanana ota ary nanolotra indray mandeha tsy miverina fanatitra noho ny ota. Tsy niditra tao amin’ny toerana masina natao tanana mba hanolotra ny fanatiny izy, fa niditra tany an-danitra mihitsy, ka niseho teo anatrehan’ny tenan’i Jehovah. Ambonin’izany, ireo sorona biby teo ambanin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy dia tsy afaka nanaisotra tanteraka ny fahotana, raha tsy izany dia tsy ho natolotra isan-taona izy ireny. Ny soron’i Kristy natolotra indray mandeha tsy miverina anefa, dia tena manaisotra fahotana. Izany rehetra izany dia manome fahazavana ny amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe izay eo amin’ny kianjany no anompoan’ny sisa voahosotra sy ny “ondry hafa” amin’izao andro izao. — Jaona 10:16; Hebreo 9:24-28.
21. Inona no nasehon’itỳ dinidinika itỳ raha ny amin’ny fahatanterahan’ny Salamo 97:11 sy ny Ohabolana 4:18 tamin’ny andron’ny apostoly?
21 Tsy ampy ny toerana mba hilazana ohatra betsaka kokoa, toy ireo tsela-pahazavana hita ao amin’ny taratasin’ny apostoly Petera sy ireo an’i Jakoba sy i Joda mpianatra. Kanefa dia tokony ho ampy ireo voalaza teo aloha mba hampisehoana fa nanana fahatanterahana nanaitra tamin’ny andron’ny apostoly ny Salamo 97:11 sy ny Ohabolana 4:18. Ny fahamarinana dia nanomboka nandroso avy eo amin’ny tandindona sy ny aloka ho amin’ny fahatanterahana sy ny zava-misy. — Galatiana 3:23-25; 4:21-26.
22. Inona no nitranga taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, ary inona no hasehon’ny lahatsoratra manaraka?
22 Taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy sy ny nanombohan’ilay fivadiham-pinoana voalaza mialoha, dia nirehitra nitsilopilopy ny fahazavan’ny fahamarinana. (2 Tesaloniana 2:1-11). Nifanaraka tamin’ny fampanantenan’i Jesosy anefa, dia niverina ny Tompo taorian’ny taonjato maro, ary nahita “ny mpanompo mahatoky sy malina” nanome hanina ny “mpanompony” tamin’ny fotoana mety. Ho vokatr’izany dia notendren’i Jesosy Kristy “ho mpanapaka ny fananany rehetra” izany mpanompo izany. (Matio 24:45-47, NW ). Tsela-pahazavana inona moa no nanaraka izany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tany eto dia manondro ny tontolo manodidina izay fidin’ny Kristiana ambolena ireo toetra momba ny maha-izy azy manokana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1980, pejy faha-18-19.
-
-
Ireo Tsela-pahazavana — Lehibe sy Madinika (Fizarana Voalohany)Ny Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Mey
-
-
Ireo Tsela-pahazavana — Lehibe sy Madinika (Fizarana Voalohany)
“Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” — OHABOLANA 4:18.
1. Nahoana no naharihary miandalana ny fahamarinana?
POROFON’NY fahendren’Andriamanitra ny hoe, mifanaraka amin’ny Ohabolana 4:18, dia nitranga miandalana ny fampiharihariana ireo fahamarinana ara-panahy tamin’ny alalan’ireo tsela-pahazavana. Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, isika dia nahita ny fomba nahatanterahan’io andinin-teny io tamin’ny andron’ny apostoly. Raha indray naharihary avokoa ny fitambaramben’ny fahamarinana araka ny Soratra Masina, dia sady ho nahajambena izany no ho nampikorontan-tsaina — be itoviana amin’ny vokatry ny fivoahana avy ao an-davaka maizina iray ho ao amin’ny fahazavan’ny masoandro mamirapiratra. Ambonin’izany, ny fahamarinana naharihary miandalana dia manatanjaka ny finoan’ny Kristiana amin’ny fomba mitohy. Mahatonga ny fanantenany hihamamirapiratra kokoa hatrany izany, ary ny lalana tokony halehany hazava kokoa hatrany.
“Ilay mpanompo mahatoky sy malina”
2. Nilaza i Jesosy fa hampiasa an’iza moa izy mba hitondra fahazavana ara-panahy ho an’ireo mpanara-dia azy, ary iza avy no mahaforona an’io fitaovana io?
2 Tamin’ny andron’ny apostoly, i Jesosy Kristy dia nifidy ny hampiasa fomba nahagaga mba hanomezana ireo tsela-pahazavana tany am-boalohany indrindra ho an’ireo mpanara-dia azy. Manana ohatra roa ny amin’izany isika: Ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i. sy ny fiovan’i Kornelio tamin’ny 36 am.f.i. Nanaraka izany, dia nifidy ny hampiasa solontena olombelona i Kristy, toy ny efa nambarany mialoha hoe: “Iza marina moa ilay mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hifehy ireo mpanompony, mba hanome azy ireo ny sakafony amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany, raha mahita azy manao izany ny tompony eo am-pahatongavany! Lazaiko aminareo marina, hanendry azy ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47, NW ). Tsy mety ho olona iray monja io mpanompo io satria tokony hanome sakafo ara-panahy izy io hatramin’ny nanombohan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny Pentekosta, ka mandra-pahatongan’ilay Tompo, i Jesosy Kristy, mba hanao ampamoaka. Ireo zava-misy dia mampiseho fa io kilasin’ilay mpanompo mahatoky sy malina io dia mahafaoka ireo Kristiana voahosotra rehetra amin’ny maha-antokony azy eto an-tany, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.
3. Iza avy no tafiditra ho anisan’ireo mpikambana voalohany amin’ny kilasin’ilay mpanompo?
3 Iza avy no tafiditra ho anisan’ny mpikambana voalohany amin’ilay mpanompo mahatoky sy malina? Iray tamin’izany ny apostoly Petera izay nanaraka ilay didin’i Jesosy hoe: “Fahano ary ny ondriko.” (Jaona 21:17). Anisan’ny mpikambana hafa tao amin’ny kilasin’ilay mpanompo tany am-boalohany i Matio, izay nanoratra ny Filazantsara nitondra ny anarany, sy i Paoly sy i Jakoba ary i Joda izay nanoratra taratasy ara-tsindrimandry. Mpikambana tamin’ny kilasin’ilay mpanompo mahatoky sy malina koa ny apostoly Jaona izay nandrakitra an-tsoratra ny bokin’ny Apokalypsy sy ny Filazantsarany ary ireo taratasiny. Nanoratra nifanaraka tamin’ilay asa nanirahan’i Jesosy ireo lehilahy ireo.
4. Iza avy moa ireo “mpanompony”?
4 Raha mpikambana amin’ny kilasin’ilay mpanompo avokoa ireo voahosotra rehetra amin’ny maha-antokony azy, na aiza na aiza misy azy eto an-tany, dia iza moa ireo “mpanompony”? Ireo voahosotra ireo ihany, saingy dinihina amin’ny fomba fijery hafa — amin’ny maha-isam-batan’olona azy. Eny, amin’ny maha-isam-batan’olona, izy ireo dia ho anisan’ilay “mpanompo” na ho anisan’ireo “mpanompony”, miankina amin’ny hoe manome sakafo ara-panahy izy na mahazo anjara avy amin’izany. Indro misy ohatra manazava izany: Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 2 Petera 3:15, 16, ny apostoly Petera dia manisy firesahana ny amin’ireo taratasin’i Paoly. Rehefa namaky azy ireo i Petera dia ho iray tamin’ireo “mpanompony” izay namahan-tena tamin’ny sakafo ara-panahy nomen’i Paoly, izay solontenan’ny kilasin’ilay mpanompo.
5. a) Inona no nitranga tamin’ilay mpanompo nandritra ireo taonjato taorian’ireo apostoly? b) Fisehoan-javatra inona no nitranga tamin’ny tapany farany amin’ny taonjato faha-19?
5 Mahakasika izany dia nilaza toy izao ilay boky hoe Le Royaume millénaire de Dieu s’est approché: “Tsy manana firaketana an-tsoratra ara-tantara hentitra tsara isika raha ny amin’ny fomba nisian’ny ‘kilasin’ilay mpanompo mahatoky sy malina’ sy ny nanompoany nandritra ireo taonjato taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy Kristy, ilay Tompo. Miharihary fa namahana ilay taranaka nandimby azy ny taranaka iray amin’ny kilasin’ilay ‘mpanompo’. (2 Timoty 2:2). Kanefa tamin’ny tapany farany amin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo dia nisy olona natahotra an’Andriamanitra izay tia ny sakafo ara-panahy tao amin’ny Baiboly Masina sy naniry hamahan-tena tamin’izany. (...) Nisy kilasy fianarana ny Baiboly (...) niforona sy nandroso tamin’ny fahatakarana ny hevitr’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Soratra Masina. Ireo tso-po sy tsy tia tena teo amin’ireo mpianatra ny Baiboly ireo dia dodona ny hizara ireny anjara sakafo ara-panahy iankinan’ny aina ireny tamin’ny hafa. Izy ireo dia nanana ny toe-tsaina mahatokin’ilay ‘mpanompo’ izay voatendry hanome ny ‘sakafo’ ara-panahy ilaina ‘amin’ny fotoana mety’ ho an’ireo ‘mpanompo’. ‘Malina’ izy ireo tamin’ny fahatakarana fa tamin’izay no fotoana marina sy mety, sy tamin’ny fahatakarana ny fomba tsara indrindra handrosoana ilay sakafo. Niezaka nandroso izany izy ireo.” — Pejy faha-344-345.a
Ireo tsela-pahazavana tany am-boalohany amin’ny fotoana maoderina
6. Zava-misy inona no miharihary amin’ny fomba misongadina mifandray amin’ny fampiharihariana miandalana ny fahamarinana?
6 Ny zava-misy iray miharihary amin’ny fomba miavaka, mifandray amin’ireo olona nampiasain’i Jehovah mba hitondra io fitomboana miandalana teo amin’ny fahazavana ara-panahy io, dia ny tsy fakan’izy ireo voninahitra ho an’ny tenany. Ny toe-tsain’i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, dia hoe, faly ny Tompo nampiasa ny talenta tsotra nananan’izy ireo. Mahakasika ireo anaram-bosotra fampiasan’ireo fahavalony, ny Rahalahy Russell dia nampahafantatra fa mbola tsy nahita “Russelliste” mihitsy ny tenany ary tsy nisy izany “Russellisme” izany. Ho an’Andriamanitra ny voninahitra rehetra.
7. Porofo inona no nomen’ny Rahalahy Russell sy ireo niara-niasa taminy fa izy ireo dia tena anisan’ny kilasin’ilay mpanompo mahatoky sy malina tokoa?
7 Raha tsaraina amin’ireo vokatra, dia tsy isalasalana fa nitarika ny fiezahana mafy nataon’ny Rahalahy Russell sy ireo niara-niasa taminy ny fanahy masin’i Jehovah. Nanome porofon’ny naha-anisan’ny kilasin’ilay mpanompo mahatoky sy malina azy izy ireo. Na dia nisy mpitondra fivavahana maro tamin’izany fotoana izany aza nihambo ho nino fa Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly, ary Zanak’Andriamanitra i Jesosy, dia nankasitraka fampianaran-diso babyloniana toy ny Trinite sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona ary ny fampijalijaliana mandrakizay, izy ireo. Mifanaraka amin’ny fampanantenan’i Jesosy, dia tena avy amin’ny fanahy masina tokoa matoa ny ezaka tsy nisy fieboeboana nataon’ny Rahalahy Russell sy ireo niara-niasa taminy nahatonga ny fahamarinana hamirapiratra mbola tsy nisy toy izany. (Jaona 16:13). Nanome porofo ireo Mpianatra ny Baiboly voahosotra ireo fa tena anisan’ny kilasin’ilay mpanompo mahatoky sy malina izay nirahina hanome sakafo ara-panahy an’ireo mpanompon’ny Tompo tokoa izy ireo. Fanampiana lehibe teo amin’ny fanangonana ireo voahosotra ny ezaka nataon’izy ireo.
8. Zava-misy fototra inona avy mahakasika an’i Jehovah, ny Baiboly, i Jesosy Kristy sy ny fanahy masina no takatr’ireo Mpianatra ny Baiboly mazava tsara?
8 Mahagaga ny mahita ny halehiben’ny fanohanan’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny fanahy masina, an’ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany ireo tamin’ny tsela-pahazavana. Voalohany, dia noporofoin’izy ireo tamin’ny fomba hentitra fa misy ny Mpamorona, ary manana ilay anarana tsy manam-paharoa hoe Jehovah izy. (Salamo 83:18; Romana 1:20). Nahita izy ireo fa manana toetra efatra fototra i Jehovah — ny hery, ny rariny sy ny fahendrena ary ny fitiavana. (Genesisy 17:1; Deoteronomia 32:4; Romana 11:33; 1 Jaona 4:8). Noporofoin’ireo Kristiana voahosotra ireo mazava tsara fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry sy fahamarinana. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17). Ankoatra izany, dia nino izy ireo fa i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia noforonina, ary nanome ny ainy ho avotra ho an’ny taranak’olombelona manontolo izy. (Matio 20:28; Kolosiana 1:15). Tsy persona fahatelo amin’ny Trinite velively akory ny fanahy masina, fa hita ho ny hery miasan’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 2:17.
9. a) Fahamarinana inona avy no nazava tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly raha ny amin’ny toetran’ny olombelona sy ny anjara atolotry ny Baiboly? b) Fahamarinana hafa inona avy no hitan’ireo mpanompon’i Jehovah mazava tsara?
9 Nahita mazava tsara ireo Mpianatra ny Baiboly fa tsy manana fanahy (âme) tsy mety maty ny olombelona fa izy dia fanahy mety maty. Takany fa “fahafatesana no tambin’ny ota”, fa tsy fampijalijaliana mandrakizay, tsy misy izany toerana hoe ny afobe mirehitra izany. (Romana 5:12; 6:23; Genesisy 2:7; Ezekiela 18:4). Ambonin’izany, dia nahita mazava tsara izy ireo fa ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana dia tsy vitan’ny hoe tsy araka ny Soratra Masina fotsiny, fa tsy misy fiorenany mihitsy amin’ny zava-misy koa. (Genesisy toko voalohany sy faharoa). Voavak’izy ireo koa fa ny Baiboly dia manolotra anjara roa — any an-danitra ho an’ireo mpanara-dia an’i Kristy 144 000 voahosotra ary tany paradisa iray ho an’ny “olona betsaka” tsy tambo isaina amin’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; 14:1; Jaona 10:16). Niaiky ireny Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany ireny fa mitoetra mandrakizay ny tany ka tsy hodorana, araka ny ampianarin’ny fivavahana maro. (Mpitoriteny 1:4; Lioka 23:43, NW ). Nianatra koa izy ireo fa tsy ho hita maso ny fiverenan’i Kristy ary amin’izay izy dia hampihatra didim-pitsarana amin’ireo firenena sy hampiditra paradisa an-tany iray. — Asan’ny Apostoly 10:42; Romana 8:19-21; 1 Petera 3:18.
10. Fahamarinana inona avy no nianaran’ireo Mpianatra ny Baiboly mahakasika ny batisa sy ny fiavahan’ny klerjy sy ny lahika, ary ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy?
10 Nianaran’ireo Mpianatra ny Baiboly fa ny batisa araka ny Soratra Masina dia tsy famafazan-drano amin-jazakely fa, araka ny didin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20, izy io dia fandrobohana an’ireo mpino izay efa nampianarina. Nanjary hitan’izy ireo fa tsy misy fiorenany ao amin’ny Soratra Masina ny fanavahana ny klerjy sy ny lahika. (Matio 23:8-10). Mifanohitra amin’izany fa tokony ho mpitory ny vaovao tsara avokoa ny Kristiana rehetra. (Asan’ny Apostoly 1:8). Nahatakatra tsara ireo Mpianatra ny Baiboly fa tokony hotandremana indray mandeha isan-taona monja, ny 14 Nisana, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Ambonin’izany, dia nahita izy ireo fa fetin’ny mpanompo sampy ny Paka. Ho fanampin’izany, dia natoky aoka izany ny fanohanan’Andriamanitra ny asany ireo voahosotra ireo hany ka tsy nananty rakitra tetsy sy teroa mihitsy. (Matio 10:8). Takany hatramin’ny ela be fa ny Kristiana dia tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay mahatafiditra fambolena ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. — Galatiana 5:22, 23.
Tsela-pahazavana nitombo hatrany
11. Fahazavana inona no namiratra teo amin’ny asa nanirahana ny Kristiana sy teo amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy?
11 Notahina tamin’ny tara-pahazavana nitombo hatrany ireo mpanompon’i Jehovah, indrindra fa hatramin’ny 1919. Tsela-pahazavana nanjelajelatra toy inona moa no namirapiratra tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point tamin’ny 1922, raha nanantitrantitra mafy i J. F. Rutherford, prezidà faharoan’ny Fikambanana Watch Tower, fa ny adidy voalohany ho an’ny mpanompon’i Jehovah dia ny ‘manambara, manambara, manambara, ilay Mpanjaka sy ny fanjakany’! Tamin’ilay taona nanaraka indrindra, dia nisy fahazavana nanjelajelatra namirapiratra teo amin’ilay fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy. Hita fa tokony ho tanteraka amin’izao andron’ny Tompo izao io faminaniana io, fa tsy amin’ny hoavy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona akory, araka ny niheverana azy teo aloha. Mandritra ilay Fanjakana Arivo Taona ireo rahalahin’i Kristy dia tsy harary na hatao an-tranomaizina. Ankoatra izany, amin’ny faran’ilay Fanjakana Arivo Taona, dia i Jehovah Andriamanitra, fa tsy i Jesosy Kristy, no hanao ny fitsarana. — Matio 25:31-46.
12. Tsela-pahazavana inona no nisy momba ny Haramagedona?
12 Tamin’ny 1926, dia nisy tara-pahazavana namirapiratra hafa iray nampiharihary fa tsy ho revaolisiona ara-tsosialy akory ny ady Haramagedona, araka ny niheveran’ireo Mpianatra ny Baiboly azy taloha. Izy io kosa dia ho ady hampisehoan’i Jehovah ny heriny amin’ny fomba mazava aoka izany, hany ka hiaiky ny olona rehetra fa Andriamanitra izy. — Apokalypsy 16:14-16; 19:17-21.
Krismasy — Fetin’ny mpanompo sampy
13. a) Fahazavana inona no nalefa teo amin’ireo fankalazana ny Krismasy? b) Nahoana no tsy nankalazaina intsony ny andro nahaterahana? (Ampidiro ny fanamarihana ambany pejy.)
13 Tsy ela taorian’izay, dia nisy tsela-pahazavana iray nahatonga ireo Mpianatra ny Baiboly hitsahatra tsy hankalaza Krismasy. Talohan’izay fotoana izay, ny Krismasy dia nankalazaina mandrakariva teo amin’ireo Mpianatra ny Baiboly maneran-tany, ary fotoan-dehibe tena nahafaly ny fankalazana azy io tao amin’ny foibe tao Brooklyn. Avy eo anefa, dia voavaka fa, raha ny tena izy, dia avy amin’ny mpanompo sampy ny fitandremana ny 25 Desambra, ary izy io dia nofidin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nivadi-pinoana mba hanamora ny fanovana finoana an’ireo mpanompo sampy. Ambonin’izany, dia hita fa tsy afaka ny ho teraka tamin’ny ririnina i Jesosy, satria tamin’ny fotoana nahaterahany, dia nisy mpiandry ondry nampiraoka ahitra ny andian’ondriny tany an-tsaha — zavatra izay tsy ho nataony ny alina tamin’ny faran’ny Desambra. (Lioka 2:8). Asehon’ny Soratra Masina kosa fa teraka tany amin’ny 1 Oktobra tany ho any i Jesosy. Takatr’ireo Mpianatra ny Baiboly koa fa ireo nolazaina fa olon-kendry izay nitsidika an’i Jesosy, roa taona teo ho eo taorian’ny nahaterahany, dia magy mpanompo sampy.b
Anarana vaovao iray
14. Nahoana ilay anarana hoe Mpianatra ny Baiboly no tsy nampiseho tamin’ny fomba nahafa-po ny vahoakan’i Jehovah?
14 Tamin’ny 1931, dia nisy tselatry ny fahamarinana nanjelajelatra nampiharihary tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly ireo, anarana iray araka ny Soratra Masina mifanentana tsara. Takatry ny vahoakan’i Jehovah fa tsy afaka nanaiky izay mety ho anaram-bosotra nomen’ny hafa azy izy, toy ny hoe Russelliste, ireo Mpino ny Fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona, “ireo milaza fa tsy misy afobe”.c Nanomboka nahatakatra tsara koa anefa izy ireo fa tsy nampiseho azy ireo tamin’ny fomba nahafa-po ilay anarana nalain’ny tenany hoe: Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Lasa lavitra kokoa noho ny hoe mpianatra ny Baiboly fotsiny izy ireo. Ankoatra izany, dia nisy olon-kafa maro dia maro aoka izany izay mpianatra ny Baiboly saingy tsy nisy niombonany mihitsy tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly.
15. Anarana inona no noraisin’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1931, ary nahoana izy io no mifanentana?
15 Tamin’ny ahoana ireo Mpianatra ny Baiboly no nanjary nanana anarana vaovao iray? Hatramin’ny an-taonany maro Ny Tilikambo Fiambenana dia nampisongadina ilay anaran’i Jehovah. Noho izany dia nifanentana indrindra ny tokony handraisan’ireo Mpianatra ny Baiboly ilay anarana hita ao amin’ny Isaia 43:10 hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.”
Fanamarinana sy ny “olona betsaka”
16. Nahoana no tsy afaka nihatra tamin’ny fiverenan’ny Jiosy ara-nofo tany Palestina ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny, fa amin’iza kosa no mihatra izy ireny?
16 Tao amin’ilay boky faharoa amin’ny Justification, navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1932, dia nisy tsela-pahazavana nampiharihary fa ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny noraketin’i Isaia sy i Jeremia ary i Ezekiela mbamin’ny mpaminany hafa an-tsoratra, dia tsy nihatra (araka ny niheverana azy taloha) tamin’ny Jiosy ara-nofo izay niverina tany Palestina tamin’ny tsy finoana sy noho ny antony nanosika ara-politika. Ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ireo kosa, izay nanana fahatanterahany kely fony niverina avy tamin’ny fahababoana babyloniana tamin’ny 537 al.f.i. ny Jiosy, dia nanana ny fahatanterahany lehibe indrindra teo amin’ny fanafahana sy famerenana tamin’ny laoniny ny Isiraely ara-panahy nanomboka tamin’ny 1919, ary teo amin’ny fanambinana vokatr’izany ao amin’ilay paradisa ara-panahy ifalian’ireo tena mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao.
17, 18. a) Rehefa nandeha ny fotoana, tamin’ny alalan’ny tsela-pahazavana iray, dia inona no naseho fa fikasan’i Jehovah lehibe indrindra? b) Tsela-pahazavana inona mahakasika ny Apokalypsy 7:9-17 no nitranga tamin’ny 1935?
17 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahariharin’ireo tsela-pahazavana fa ny fikasan’i Jehovah lehibe indrindra dia tsy ny famonjena ny zavaboary akory, fa ny fanamarinana ny fiandrianany. Hita fa ny loha hevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly dia tsy ny avotra akory, fa ilay Fanjakana kosa, noho izy io hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah. Tsela-pahazavana toy inona moa izany! Ireo Kristiana vita fanoloran-tena dia tsy nanahy voalohany indrindra intsony ny amin’ny fahatongavany any an-danitra.
18 Tamin’ny 1935, dia nisy tsela-pahazavana nanjelajelatra nampiharihary fa tsy kilasy faharoa amin’ireo izay ho any an-danitra akory ilay olona betsaka voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Noheverina fa ireo izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia voahosotra sasany izay tsy nahatoky tamin’ny fomba feno, ka noho izany dia nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana fa tsy nipetraka teo amin’ireo seza fiandrianana tamin’ny naha-mpanjaka sy mpisorona niaraka tamin’i Jesosy Kristy. Tsy misy tsotra izao anefa izany hoe mahatoky tapany izany. Na mahatoky ny tena na tsy mahatoky. Koa hita fa io faminaniana io dia nanisy fitenenana ny amin’ny olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra izay eo am-panangonana azy izao, ary ny fanantenany dia ny ho eto an-tany. Izy ireo no “ondry” ao amin’ny Matio 25:31-46 sy ireo “ondry hafa” ao amin’ny Jaona 10:16.
Ny lakroa — Tsy marika famantarana kristiana
19, 20. Nahoana no tsy afaka ny ho marika famantarana ny Kristianisma marina ny lakroa?
19 Nandritra ny taona maro ireo Mpianatra ny Baiboly dia nampisongadina ny lakroa ho marika famantarana ny Kristianisma. Nanana fisisika (broche) nisy “lakroa sy satroboninahitra” mihitsy aza izy ireo. Araka ny King James Version, i Jesosy dia nangataka ny mpanara-dia azy mba handray ny “lakroa”-ny, ka maro no nanjary nino fa novonoina teo amin’ny lakroa iray izy. (Matio 16:24; 27:32). Niseho teo amin’ny fonon’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana koa io marika famantarana io nandritra ny am-polony taona maro.
20 Ilay boky hoe Richesses, navoakan’ny Fikambanana tamin’ny 1936, dia nanazava tsara fa i Jesosy Kristy dia novonoina ho faty, tsy teo amin’ny lakroa iray, fa teo amin’ny hazo mahitsy iray, na tsato-kazo. Araka ny loharanon-kevitra iray, ilay teny grika (stau·rosʹ) nadika hoe “lakroa” ao amin’ny King James Version, dia “manondro voalohany indrindra hazo iray mahitsy na tsato-kazo. [Izy io dia] tokony havahana amin’ilay endriny omen’ny fiangonana, dia lakroa iray vita amin’ny sakamandimby roa. (...) Ilay farany dia nanana ny fiandohany tany Kaldea fahiny, ary nampiasaina ho marika famantarana an’ilay andriamanitra hoe Tamoza”. Tsy tokony hankamasinina toy ny sampy velively ilay fitaovana nanomboana an’i Jesosy, fa tokony haharikoriko kosa.
21. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Misy ohatra fanampiny ny amin’ireo tsela-pahazavana lehibe sy ireo izay mety hoheverina fa madinika. Mba hanaovana dinidinika momba izany, dia jereo aza fady ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Tatỳ aoriana, dia hita fa raha tsy azo nankalazaina ilay fahaterahana lehibe indrindra, dia tsy tokony hankalaza ny andro nahaterahan’iza na iza isika. Ankoatra izany, dia tsy nisy Isiraelita na Kristiana tany am-boalohany nankalaza andro nahaterahana. Tsy nanisy firesahana afa-tsy ny amin’ny fankalazana andro nahaterahana roa monja ny Baiboly, ny iray an’i Farao, ary ny faharoa an’i Heroda Antipasy. Ny tsirairay tamin’ireo fankalazana ireo dia samy voaloton’ny famonoana olona iray. Tsy mankalaza andro nahaterahana ny Vavolombelon’i Jehovah satria manana fiandohana tany amin’ny mpanompo sampy ireny fitandremana ireny ary mahatonga hanandratra ilay mankalaza ny andro nahaterahany izany. — Genesisy 40:20-22; Marka 6:21-28.
c Izany dia fahadisoana nataon’ny antokom-pivavahana maromaro ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Ny hoe Loterana dia anaram-bosotra nomen’ireo fahavalon’i Martin Luther an’ireo mpanara-dia azy, izay nandray ilay anarana avy eo. Toy izany koa fa nandray ilay anaram-bosotra nomen’ny teny ivelany azy ny Batista, satria izy ireo nitory ny batisa amin’ny fandrobohana. Somary mitovitovy amin’izany koa fa nandray anarana iray nomen’ny olona tany ivelany azy ny Metodista. Mahakasika ny fomba nahatonga ilay Fikambanan’ny Mpinamana nanjary nantsoina hoe Quakers (Mpangovitra), dia hoy ny The World Book Encyclopedia: “Tany am-boalohany ilay teny hoe Quaker dia natao hamingavingana an’i Fox [ilay mpanorina], izay nilaza tamin’ny mpitsara anglisy iray mba ‘hangovitra amin’ny Tenin’ny Tompo’. Niantso an’i Fox ho ‘mpangovitra’ (quaker) iray ilay mpitsara.”
-
-
Ireo Tsela-pahazavana — Lehibe sy Madinika (Fizarana Faharoa)Ny Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Mey
-
-
Ireo Tsela-pahazavana — Lehibe sy Madinika (Fizarana Faharoa)
“Ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.” — SALAMO 36:9.
1. Inona no fiezahana natao tany am-boalohany mba hahatakarana ny hevitry ny fanoharana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
NANITIKITIKA ny sain’ny Kristiana hatramin’ny ela ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Apokalypsy. Izy io dia manome ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fomba itomboan’ny fahazavan’ny fahamarinana hihamanjelatra hatrany. Tamin’ny 1917, ny vahoakan’i Jehovah dia namoaka fanazavana ny Apokalypsy tao amin’ilay boky hoe Le mystère accompli. Izy io dia namaky betroka tsy tamin-tahotra ireo mpitondra ara-pivavahana sy ara-politika tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, kanefa dia maro tamin’ireo fanazavany no nindramina tamin’ny loharano samihafa. Na dia izany aza, ny Le mystère accompli dia natao hitsapana ny tsy fivadihan’ireo Mpianatra ny Baiboly tamin’ilay fitaovana nampiasain’i Jehovah.
2. Nandefa fahazavana inona teo amin’ny bokin’ny Apokalypsy ilay lahatsoratra hoe “Fahaterahan’ilay Firenena”?
2 Nisy tsela-pahazavana nanaitra namirapiratra momba ny bokin’ny Apokalypsy tamin’ny famoahana ilay lahatsoratra hoe “Fahaterahan’ilay Firenena” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Martsa 1925. Noheverina fa ny Apokalypsy toko faha-12 dia nilazalaza ady iray teo amin’i Roma mpanompo sampy sy i Roma tapahin’ny papa, ka ilay zazalahy dia nampiseho ny fanapahan’ny papa. Nasehon’io lahatsoratra io anefa fa ny Apokalypsy 11:15-18 dia nisy nifandraisany tamin’ny hevitry ny toko faha-12, ka nampiseho fa nifandray tamin’ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy io.
3. Zavatra vita an-tsoratra inona avy no nandefa fahazavana nitombo teo amin’ny Apokalypsy?
3 Izany rehetra izany dia nitarika ho amin’ny fahatakarana mazava kokoa ny Apokalypsy izay tonga niaraka tamin’ny famoahana ny Lumière, tao anatin’ny boky roa, tamin’ny 1930. Mbola nisy fanatsarana bebe kokoa niseho tao amin’ilay boky hoe “Babylone la Grande est tombée!” Le Royaume de Dieu a commencé son règne! (1963) sy tao amin’ilay boky hoe “Alors sera consommé le mystère de Dieu” (1969). Kanefa dia mbola nisy zavatra bebe kokoa tokony hianarana momba ilay boky ara-paminanian’ny Apokalypsy. Eny, nisy fahazavana nanjelatra kokoa namirapiratra teo amin’izy io tamin’ny 1988, tamin’ny famoahana Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany malaza! Ny fanazavana izany fahazavana miandalana izany dia azo lazaina hoe noho ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy mihatra amin’ny “andron’ny Tompo” izay nanomboka tamin’ny 1914. (Apokalypsy 1:10). Noho izany, ny bokin’ny Apokalypsy dia ho takatra mazava kokoa ny heviny arakaraka ny nandrosoan’izany andro izany.
Nihanazava ny amin’ireo “fahefana lehibe”
4, 5. a) Ahoana no niheveran’ireo Mpianatra ny Baiboly ny Romana 13:1? b) Inona tatỳ aoriana no hita fa toerana araka ny Soratra Masina raha ny amin’ireo “fahefana lehibe”?
4 Nisy tsela-pahazavana nanjelajelatra hita tamin’ny 1962 nifandray tamin’ny Romana 13:1 izay manao hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe [manam-pahefana ambony, Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao]”. Nahatakatra ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany fa nanondro ireo manam-pahefana teo amin’izao tontolo izao ireo “fahefana lehibe” voalaza teo. Noheverin’izy ireo fa io andinin-teny io dia nidika fa raha voantso ho miaramila amin’ny fotoan’ny ady ny Kristiana iray, dia ho voatery hanao fanamiana sy hilanja basy ary hankany am-bava ady ho any amin’ireo hady. Noheverina fa satria ny Kristiana iray tsy afaka namono olombelona toa azy, dia ho voatosika hanao tifi-danitra izy raha tonga ny loza tsy anoharana.a
5 Nandefa fahazavana nazava tsara momba amin’ilay foto-kevitra Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Novambra sy 1 Desambra 1962, tamin’ny fandinihana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 22:21 manao hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara (...) izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Nifandray tsara tamin’izany ny tenin’ireo apostoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29 manao hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Manaiky an’i Kaisara — ireo “fahefana lehibe” — ny Kristiana, raha tsy hoe izao ihany angaha: mitaky ny hanaovan’ilay Kristiana zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. Hita fa voafetra ny fanekena an’i Kaisara, fa tsy tanteraka. Ny Kristiana dia tsy manome an’i Kaisara afa-tsy izay tsy mifanohitra amin’ny fitakian’Andriamanitra ihany. Mahafa-po toy inona moa ny fananana fahatakarana mazava tsara ny amin’io foto-kevitra io!
Tsela-pahazavana teo amin’ireo raharaha momba ny fandaminana
6. a) Mba hialana tamin’ilay rafitra misy ambaratongam-pahefana manjaka ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia fotopoto-pitsipika inona no noraisina? b) Inona tamin’ny farany no hita fa fomba mety hifidianana ireo manana fiandraiketana ao amin’ny kongregasiona?
6 Teo ilay fanontaniana ny amin’ny hoe iza no tokony hanompo amin’ny maha-loholona sy diakona ao amin’ny kongregasiona. Mba hialana tamin’ilay rafitra nisy ambaratongam-pahefana izay nanjaka tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia notsoahina ny hevitra fa izy ireo dia tokony hofidina amin’ny fomba demokratika, amin’ny alalan’ny latsa-bato ataon’ireo mpikambana amin’ny kongregasiona tsirairay. Nisy anefa fahazavana nihanitombo hatrany voarakitra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Septambra sy 15 Oktobra 1932, nampiseho fa ny Soratra Masina dia tsy manome fototra momba ny loholona nofidina tamin’ny latsa-bato. Koa nosoloan’ny komity iray momba ny fanompoana izy ireo, ary nisy mpiadidy ny fanompoana nofidin’ny Fikambanana.
7. Nitondra fanatsarana inona avy teo amin’ny fomba nanendrena ireo mpanompo tao amin’ny kongregasiona ireo tsela-pahazavana?
7 Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Jona sy 15 Jona 1938 dia nirakitra tsela-pahazavana nampiseho fa ireo mpanompo tao amin’ny kongregasiona dia tsy tokony hofidina amin’ny latsa-bato fa tokony hotendrena kosa, izany hoe, hotendrena amin’ny fomba teokratika. Tamin’ny 1971, dia nisy tsela-pahazavana hafa iray nampiseho fa ny kongregasiona tsirairay dia tsy tokony hotarihin’ny mpanompon’ny kongregasiona iray monja. Ny kongregasiona tsirairay kosa dia tokony hanana fitambaran-doholona, izany hoe fitambara-mpiandraikitra, izay tendren’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa tamin’ilay fahazavana nihanitombo nandritra ny 40 taona teo ho eo, dia nanjary niharihary fa ireo loholona mbamin’ireo diakona, izay fantatra amin’ny hoe mpikarakara momba ny asa izao, dia tokony ho voatendrin’ilay “mpanompo mahatoky sy malina” amin’ny alalan’ny Fitambara-mpitantany. (Matio 24:45-47, NW ). Izany dia nifanaraka tamin’izay nitranga tamin’ny andron’ny apostoly. Nisy lehilahy sahala amin-dry Timoty sy Titosy notendren’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany, ho mpiandraikitra. (1 Timoty 3:1-7; 5:22; Titosy 1:5-9). Izany rehetra izany dia fahatanterahana manaitran’ny Isaia 60:17 manao hoe: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.”
8. a) Nitondra fanatsarana inona avy teo amin’ny fomba fiasan’ny Fikambanana ny fahamarinana nitombo hatrany? b) Inona avy ireo komity ao amin’ny Fitambara-mpitantana, ary inona avy no sahan’asa na fiandraiketan’izy ireo tsirairay avy?
8 Teo koa ilay raharaha ny amin’ny fampandehanana ny Fikambanana Watch Tower. Nandritra ny taona maro, ny hoe Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitovy heviny tamin’ny hoe antokon’ireo mpiadidy ny Watch Tower Bible and Tract Society tany Pennsylvania, ary teo an-tanan’ny prezidàny indrindra ny raharaha. Araka ny nasehon’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1977 (pejy faha-258-259, frantsay), tamin’ny 1976 ny Fitambara-mpitantana dia nanomboka niasa nisy komity enina, ka ny tsirairay tamin’izany dia notendrena hikarakara lafiny sasany tamin’ny asa maneran-tany. Ny Komitin’ny Mpiasa dia misahana ireo raharaha momba ny mpiasa, anisan’izany ny tombontsoan’ireo rehetra manompo ao amin’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany. Ny Komitin’ny Fampanontana dia mandray an-tanana ireo raharaha rehetra ivelan’ny fivavahana sy momba ny lalàna, toy ny fananana tany na trano, sy fanontam-pirinty. Ny Komitin’ny Fanompoana dia mikarakara ny asa fanaovana fanambarana sady manara-maso ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy mpisava lalana, ary ny asan’ireo mpitory ao amin’ny kongregasiona. Ny Komitin’ny Fampianarana dia tompon’andraikitra amin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy andro fivoriambe manokana, ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ireo fivoriamben’ny distrika sy iraisam-pirenena mbamin’ireo sekoly maro samihafa ho an’ny fampianarana ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra. Ny Komitin’ny Fanoratana dia manara-maso ny fanomanana sy ny fandikana ireo zavatra vita an-tsoratra amin’ny endriny rehetra, ka manao izay hahazoana antoka fa ny zava-drehetra dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Ny Komitin’ny Mpitari-draharaha dia misahana ireo raharaha ilana fikarakarana maika sy ireo raharaha maika hafa.b Toy izany koa fa, tamin’ireo taona 1970, ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower dia nanomboka notarihin’ny komity iray fa tsy mpiandraikitra iray.
Fahazavana mifandray amin’ny fitondran-tena kristiana
9. Tamin’ny ahoana ny fahazavan’ny fahamarinana no nisy fiantraikany teo amin’ny fifandraisan’ny Kristiana tamin’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao?
9 Nisy tsela-pahazavana maro nifandray tamin’ny fitondran-tena kristiana. Hevero, ohatra, ny raharaha momba ny fialanalanana. Nisy tsela-pahazavana nanjelajelatra manokana nitaratra momba an’io foto-kevitra io tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fialanalanana”, niseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Novambra 1939. Tamin’ny fotoana nilana azy toy inona moa ny fahatongavan’izany, taoriana kelin’ny niandohan’ny Ady Lehibe Faharoa! Namaritra ny atao hoe fialanalanana ilay lahatsoratra ary nampiseho fa ny Kristiana dia tsy mahazo miditra amin’ireo raharaha ara-politika na ny fifandonan’ireo firenena. (Mika 4:3, 5; Jaona 17:14, 16). Izany dia anton-javatra iray nahatonga ny fankahalan’ny firenena rehetra azy ireo. (Matio 24:9). Ireo ady teo amin’ny Isiraely fahiny dia tsy manome ohatra horaisin’ny Kristiana, araka ny nasehon’i Jesosy mazava tsara ao amin’ny Matio 26:52. Ambonin’izany, amin’izao andro izao, dia tsy misy na dia iray aza firenena ara-politika teokrasia, tapahin’Andriamanitra, toy ny firenen’ny Isiraely.
10. Inona no nahariharin’ireo tsela-pahazavana raha ny amin’ny fomba tokony hiheveran’ny Kristiana ny ra?
10 Namirapiratra koa ny fahazavana momba ny fahamasinan’ny ra. Nihevitra ireo Mpianatra ny Baiboly sasany fa ny fandrarana tsy hihinan-dra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29 dia voafetra ho an’ireo Kristiana jiosy. Asehon’ny Asan’ny Apostoly 21:25 anefa fa tamin’ny andron’ny apostoly, io didy io dia nihatra koa tamin’ireo jentilisa tonga mpino. Koa mihatra amin’ny Kristiana rehetra àry ny fahamasinan’ny ra, araka ny naseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Jolay 1945. Izany dia tsy midika fotsiny hoe mandà tsy hihinana ram-biby toy ny ao amin’ny saosisy voasesika ra (boudins), fa mifady ny ran’olombelona koa, toy ny amin’ny fampidiran-dra.
11. Inona no hita mahakasika ny fiheveran’ny Kristiana ny fampiasana sigara na paraky?
11 Ho vokatry ny fahazavana nitombo dia nisy fahazarana izay tsy nankasitrahana fotsiny tamin’ny voalohany, noraisina ho fahotana lehibe tatỳ aoriana. Nifandray tamin’ny fampiasana sigara na paraky ny ohatra iray tamin’izany. Tao amin’ny Zion’s Watch Tower (Ny Tilikambo Fiambenana teo aloha) tamin’ny 1 Aogositra 1895, ny Rahalahy Russell dia nitarika ny saina ho amin’ny 1 Korintiana 10:31 sy ny 2 Korintiana 7:1, ary nanoratra hoe: “Tsy hitako hoe amin’ny ahoana no mitondra voninahitra ho an’Andriamanitra na soa ho an’ny Kristiana na iza na iza ny fampiasany sigara sy paraky, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona.” Hatramin’ny 1973 dia takatra mazava tsara fa tsy misy mpifoka sigara na mpihinam-paraky afaka ny ho Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1976 dia voazava tsara fa tsy nisy Vavolombelona afaka niasa tany amin’ny toeram-pilokana ka hitoetra ao anatin’ny kongregasiona.
Fanatsarana hafa
12. a) Nampiharihary inona momba ny isan’ireo fanalahidin’ilay Fanjakana nankinina tamin’i Petera ny tsela-pahazavana iray? b) Tamin’ny toe-javatra inona avy no nampiasan’i Petera ny fanalahidy tsirairay?
12 Nisy fahazavana nitombo koa teo amin’ny isan’ireo fanalahidy ara-panoharana nomen’i Jesosy an’i Petera. Nino ireo Mpianatra ny Baiboly fa i Petera dia nahazo fanalahidy roa izay nanokatra ny lalana ho an’ny olona mba hahatongavany ho mpandova ilay Fanjakana — ny iray ho an’ny Jiosy, nampiasaina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ary ny faharoa ho an’ny Jentilisa dia nampiasaina voalohany tamin’ny 36 am.f.i., rehefa nitory tamin’i Kornelio i Petera. (Asan’ny Apostoly 2:14-41; 10:34-48). Rehefa nandeha ny fotoana, dia hita fa nisy antokon’olona fahatelo tafiditra — ireo Samaritana. Nampiasa ny fanalahidy faharoa i Petera rehefa nanokatra ho azy ireo ny fahafahana hiditra ao amin’ilay Fanjakana. (Asan’ny Apostoly 8:14-17). Araka izany, dia nampiasaina ilay fanalahidy fahatelo rehefa nitory tamin’i Kornelio i Petera. — Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1980, pejy faha-18-24, 27.
13. Inona no nahariharin’ireo tsela-pahazavana momba ireo valan’ondry voalaza ao amin’ny Jaona toko faha-10?
13 Avy tamin’ny tara-pahazavana hafa iray dia hita fa nanisy firesahana ny amin’ny valan’ondry telo i Jesosy fa tsy roa fotsiny. (Jaona toko faha-10). Izy ireo dia 1) ny valan’ondry jiosy izay nanana an’i Jaona Mpanao Batisa ho mpiandry vavahady, 2) ny valan’ireo voahosotra mpandova ilay Fanjakana, ary 3) ny valan’ireo “ondry hafa”, izay manana fanantenana ho eto an-tany. — Jaona 10:2, 3, 15, 16; Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1984, pejy faha-10-20.
14. Ahoana no nanazavan’ny fahazavana nitombo ireo raharaha nahakasika ny fiandohan’ny Jobily nasehon’ny tandindona?
14 Nahazo fanazavana sasany koa ny fahatakarana ny hevitr’ilay Jobily nasehon’ny tandindona. Teo ambanin’ny Lalàna, dia nisy Jobily lehibe isaky ny 50 taona, izay namerenana ny zavatra tany amin’ny tompony tany am-boalohany. (Levitikosy 25:10). Hatramin’ny ela izy io dia noheverina fa tandindon’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Vao tsy ela anefa izay, dia hita fa ilay Jobily nasehon’ny tandindona, dia nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. raha ny tena marina, rehefa nafahana tamin’ny fanandevozan’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy ireo nilatsahan’ny fanahy masina. — Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1987, pejy faha-18-28.
Fahazavana mitombo teo amin’ireo teny manokana
15. Fahazavana inona no nalefa momba ny fampiasana ilay teny hoe “planina”?
15 “[Ny] mpitoriteny [dia] nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana.” (Mpitoriteny 12:10). Mety hihatra tsara amin’izao foto-kevitra izao ireo teny ireo, satria namirapiratra ny fahazavana, tsy momba an’ireo raharaha lehibe toy ny foto-pampianarana sy ny fitondran-tena ihany, fa teo amin’ireo teny manokana ampiasain’ny Kristiana sy ny heviny araka ny marina koa. Teo amin’ireo Mpianatra ny Baiboly, ohatra, dia iray tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra tiana indrindra ilay boky voalohany tamin’ny Études des Écritures, nitondra ny lohateny hoe Le divin plan des âges. Tatỳ aoriana anefa, dia takatra fa ny olombelona ihany no resahin’ny Tenin’Andriamanitra fa manao planina. (Ohabolana 19:21, NW ). Ny Soratra Masina dia tsy miresaka mihitsy ny amin’i Jehovah ho manao planina. Tsy mila manao planina izy. Na inona na inona kasainy dia azo antoka fa hahomby noho ny fahendreny sy ny heriny tsy manam-petra, araka ny vakintsika ao amin’ny Efesiana 1:9, 10 manao hoe: “[Izany dia] araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry”. Koa hita tsikelikely fa mifanentana kokoa ilay teny hoe “fikasana” rehefa manisy fitenenana ny amin’i Jehovah.
16. Inona no hita tsikelikely fa fahatakarana mety ny hevitry ny Lioka 2:14?
16 Avy eo dia teo ilay raharaha ny amin’ny fahazoana fahatakarana mazava kokoa ny hevitry ny Lioka 2:14. Vakina toy izao izy io araka ny King James Version: “Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana etỳ an-tany, hatsaram-panahy ho an’ny olona.” Hita fa tsy nampiseho ilay hevitra marina izy io satria tsy aseho amin’ny ratsy fanahy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra. Noho izany, ny Vavolombelona dia nihevitra azy io ho raharaha nahakasika ny fiadanana ho an’ny olona izay tsara fanahy tamin’Andriamanitra. Koa nanohy nanondro ireo olona liana tamin’ny Baiboly ho olon’ny hatsaram-panahy izy ireo. Avy eo anefa dia takatra fa ny tafiditra tamin’izany dia hatsaram-panahy, tsy avy amin’ny olona fa avy amin’Andriamanitra. Araka izany, ny fanamarihana ambany pejy momba ny Lioka 2:14 ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia miresaka ny amin’ireo “olona izay ankasitrahany [Andriamanitra]”. Ny Kristiana rehetra izay miaina mifanaraka amin’ny voady nataony ho fanoloran-tena dia manana ny hatsaram-panahin’Andriamanitra.
17, 18. Inona no hohamarinin’i Jehovah ary inona no hohamasininy?
17 Mitovy amin’izany koa fa hatramin’ny ela ny Vavolombelona dia niresaka ny amin’ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah. Kanefa moa ve i Satana nametraka fisalasalana ny amin’ny anaran’i Jehovah? Mahakasika izany, moa ve nisy masoivohon’i Satana nanao izany, toy ny hoe tsy nanana zo hitondra io anarana io i Jehovah? Tsia, tsy izany velively. Tsy ny anaran’i Jehovah no voahaika ka nila ny hohamarinina. Izany no mahatonga ireo zavatra vita an-tsoratra faramparany navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tsy hiresaka ny amin’ny anaran’i Jehovah hoe hohamarinina. Izy ireo dia miresaka ny amin’ny fiandrianan’i Jehovah hoe hohamarinina ary ny anarany hoe hohamasinina. Izany dia mifanaraka amin’izay nasain’i Jesosy nivavahantsika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9, izahay no manao sora-mandry.) Nilaza imbetsaka i Jehovah fa hanamasina ny anarany izay tsy nohaikan’ireo Isiraelita, fa nolotoiny. — Ezekiela 20:9, 14, 22; 36:23.
18 Mahaliana fa tamin’ny 1971, ilay boky hoe “Les nations sauront que je suis Jéhovah” — Comment? dia nanao io fanavahana io toy izao: “I Jesosy Kristy dia miady (...) ho fanamarinana ny Fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao sy ho fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah.” (Pejy faha-365). Tamin’ny 1973, dia hoy ilay boky hoe Le Royaume millénaire de Dieu s’est approché: “Ny ‘fahoriana lehibe’ ho avy no fotoana hanamarinan’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao sy hanamasinany ny anarany mendri-kaja.” (Pejy faha-409). Avy eo, tamin’ny 1975, dia nilaza toy izao ilay boky hoe Fin prochaine de la détresse mondiale: “Ho efa tanteraka amin’izay ilay zava-mitranga lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’izao rehetra izao, dia ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao sy ny fanamasinana ny anarany masina.” — Pejy faha-281.
19, 20. Ahoana no ahazoantsika mampiseho ny fankasitrahantsika ireo tsela-pahazavana ara-panahy?
19 Toy inona moa ny fitahiana ny vahoakan’i Jehovah eo am-pitaninana amin’izany fahazavana ara-panahy izany! Mifanohitra tanteraka amin’izany, dia mampiseho ny fahamaizinana ara-panahy misy ireo filohan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana itỳ filazana nataon’ny mpitondra fivavahana iray itỳ: “Nahoana no misy ota? Nahoana no misy fijaliana? Nahoana no misy ny devoly? Ireo no fanontaniana tiako hatao amin’ny Tompo rehefa tonga any an-danitra aho.” Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia afaka milaza aminy ny antony: Noho ilay ady hevitra momba ny maha-ara-drariny ny fiandrianan’i Jehovah sy ilay fanontaniana raha afaka mitana ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra ny zavaboary olombelona na dia eo aza ny fanoheran’ny Devoly.
20 Nandritra ireo taona, dia nisy tsela-pahazavana, lehibe sy madinika, samy nanazava ny lalan’ireo mpanompon’i Jehovah nanolo-tena. Izany dia ho fahatanterahan’ny andinin-teny toy ny Salamo 97:11 sy ny Ohabolana 4:18. Kanefa dia, aoka isika tsy hanadino mihitsy fa ny fandehanana ao amin’ny fahazavana dia midika ho fananana fankasitrahana ilay fahazavana mitombo sy ho fiainana mifanaraka amin’izy io. Araka ny efa hitantsika, io hazavana mitombo io dia sady mahatafiditra ny fitondran-tenantsika no mahatafiditra ilay fanirahana antsika hitory.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nifanohitra tamin’io fiheverana io, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Jona sy 15 Jona 1929, dia nanazava an’ireo “fahefana lehibe” ho i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Io hevitra io aloha no nahitsy tamin’ny 1962.
b Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1992, dia nanambara fa nisy rahalahy voafantina izay “ondry hafa” ny ankamaroany, notendrena mba hanampy ireo komitin’ny Fitambara-mpitantana, nifanitsy tamin’ireo Netinima tamin’ny andron’i Ezra. — Jaona 10:16; Ezra 2:58.
-